2020
Tsy hitozo ao amin’ity tanjona lehibe tokoa ity va isika?
Mey 2020


2:3

Tsy hitozo ao amin’ity tanjona lehibe tokoa ity va isika?

Isika dia tokony hahatsiaro lalandava ilay sarany nefain’i Joseph sy i Hyrum Smith, ary ireo lehilahy sy vehivavy sy ankizy mahatoky hafa.

Misaotra betsaka Filoha tamin’ilay fanokafana tena nahafinaritra teo. Ry rahalahy sy anabavy, dimy ambin’ny folo sy roanjato taona lasa izay, dia nisy zazalahy kely iray naterak’i Joseph sy i Lucy Mack Smith tany Vermont, faritra iray izay fantatra amin’ny anarana hoe Nouvelle-Angleterre tany avaratra atsinanan’i Etazonia.

Nino an’i Jesoa Kristy i Joseph sy i Lucy Mack Smith, nandalina ny soratra masina sy nivavaka tamin-kitsim-po ary nandeha tamim-pinoana an’ Andriamanitra.

Nantsoin’izy ireo hoe Joseph Smith Zanany ilay zanak’izy ireo lahy vao teraka.

Hoy i Brigham Young raha niresaka momba ny fianakaviana Smith: “Ny Tompo dia nanara-maso [an’i Joseph Smith] sy ny rainy ary ny rain’ny rainy sy ireo taranany miverina hatrany amin’i Abrahama, ary avy eo amin’i Abrahama mankany amin’ilay safodrano, avy eo amin’ilay safodrano mankany amin’i Enôka, ary avy eo amin’i Enôka mankany amin’i Adama. Nanara-maso izany fianakaviana izany sy izany ra izany Izy rehefa nikoriana niala avy teo amin’ny loharano nipoirany nankany amin’ny fahaterahan’io lehilahy io izany. Voatendry mialoha tany amin’ny mandrakizay [i Joseph Smith].”1

Na dia nolalain’ny fianakaviany manontolo aza i Joseph Zanany dia i Hyrum rahalahiny no tena akaiky indrindra azy, izay enin-taona teo ho eo tamin’ny fotoana nahaterahan’i Joseph.

Tamin’ny ôktôbra lasa teo dia nipetraka teo akaikin’ny vato fampiasa amin’ny fatana famanana trano tao anatin’ilay trano kelin’ny fianakaviana Smith tao Sharon Vermont izay toerana nahaterahan’i Joseph aho. Tsapako ny fitiavan’i Hyrum an’i Joseph ary naka sary an-tsaina azy nihazona ilay zandriny lahy teny an-tsandriny sy nampianatra azy nandeha aho.

I Smith Rainy sy i Smith Reniny dia nandalo fotoan-tsarotra manokana izay nanery azy ireo hifindra monina imbetsaka talohan’ny nitoeran’izy ireo tao Nouvelle-Angleterre tamin’ny farany ka nandraisan’izy ireo ny fanapahan-kevitra feno herim-po ny hifindra monina miakandrefana tany amin’ny faritanin’i New York.

Noho ny firaisan-kina nisy teo amin’ilay fianakaviana dia tafavoaka soa aman-tsara tamin’ireo olana ireo izy ireo ary niara-niatrika ny hoe manomboka fiainam-baovao, izay zavatra mety hahakivy tokoa, tao amin’ny tany rakotr’ala mirefy efa-polo hektara (0.4 km2) tany Manchester New York akaikin’i Palmyra.

Tsy fantatro raha tsapan’ny maro amintsika ireo fanamby ara-batana sy ara-pihetsehampo izay natrehin’ny fianakaviana Smith noho izy ireo tsy maintsy hanomboka fiainam-baovao, ka tafiditra ao anatin’izany ny manadio ilay toerana, mamboly saham-boakazo sy saha, manorina trano fitehirizana vita amin’ny hazo sy ireo rafitra hafa ilaina amin’ny toeram-pambolena, manao asa an-tselika rehefa maraina ary manamboatra kojakoja azo ampiasaina ao an-trano mba hamidy any amin’ny tanan-dehibe.

Rehefa tonga tany andrefan’i New York ilay fianakaviana dia nafampana ny fientanentanana ara-pivavahana tao amin’ilay faritra, ka izany dia fantatra tamin’ny hoe Fifohazana Lehibe Faharoa.

Nandritra izany fotoana feno adihevitra sy fifandirana teo anivon’ireo antokom-pivavahana izany dia nahita fahitana mahatalanjona i Joseph, izay fantatra amin’ny hoe Fahitana Voalohany amin’izao fotoana izao. Voatahy isika manana fitantarana avy any ifotony miisa efatra izay samy hisintonako zavatra.2

Nanoratra i Joseph hoe: “Nandritra izany fotoan’ny fisafotofotoana lehibe [ara-pivavahana] izany, dia voasarika ho amin’ny fandinihina lalina sy ny fahasahiranana lehibe ny saiko; nefa na dia lalina sy mazàna lehibe aza ny fihetseham-poko, dia nampanalaviriko ny tenako ireny andiany ireny na dia natrehiko matetika araka izay tratra aza ireo fivoriana maro. … [Saingy] lehibe izaitsizy ny fifanjevoana sy ny adilahy teo anivon’ireo fivavahana samy hafa, ka tsy ho vitan’ny tanora toa ahy izay tsy mahalala firy ny momba ny olona sy ny zavatra ny hamantatra marina hoe iza no marina ary iza no diso.”3

Nitodika tany amin’ny Baiboly i Joseph mba hahitana valiny amin’ireo fanontaniana nananany, ka dia namaky tao amin’ny Jakoba 1:5 izy hoe: “Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.”4

Nanoratra an’izao izy: “Tsy mbola nisy velively andalan-tsoratra masina nanohina fon’olona tamin-kery kokoa noho ity iray ity izay tena nanohina lalina ny foko tamin’izay fotoana izay. Toy ny niditra tamin-kery tany amin’ny tsiratsiraky ny foko rehetra izany. Nieritreritra izany ombieny ombieny aho.”5

Tonga saina i Joseph fa tsy nirakitra ny valin’ireo fanontaniana rehetra momba ny fiainana ny Baiboly fa nampianatra kosa ny lehilahy sy ny vehivavy ny fomba ahafahan’izy ireo mahita ny valin’ny fanontanian’izy ireo amin’ny alalan’ny fifandraisana mivantana amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka.

Nanampy an’izao izy: “Koa araka izany, noho ny fahatapahan-kevitro ny hangataka amin’ Andriamanitra, dia nandeha nitokana tao anaty ala aho mba hanao ny fanandramana. Marainan’ny andro tsara sady nafana tamin’izay, tany amin’ny fiandohan’ny lohataonan’ny taona roapolo sy valonjato amby arivo.”6

Tsy ela taorian’izay dia nilaza i Joseph fa “[nisy andrim-pahazavana] nijanona teo amboniko [ary] nahita Olona roa aho, izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny, nijoro nitsingevaheva teo amboniko. Niteny tamiko ny anankiray Taminy, niantso ahy tamin’ny anarako sady nanondro ilay anankiray no nanao hoe—[Joseph,] Itỳ no Zanako Malalako. Henoy Izy!7

Avy eo dia niteny ny Mpamonjy hoe: “Ry Joseph zanako, voavela ny helokao. Mandehana, araho ny lalàko, ary tandremo ny didiko. Indro, izaho no Tompon’ny voninahitra. Nohomboina teo amin’ny hazofijaliana ho an’izao tontolo izao aho, mba hahazoan’izay rehetra mino ny anarako ny fiainana mandrakizay.”8

Nanampy an’izao i Joseph: “Koa vantany vao tompon’ny tenako aho ka afaka niteny dia nanontany ireo Olona izay nijoro teo amboniko teo amin’ny hazavana, hoe: Iza amin’ireo antokom-pivavahana rehetra no marina.”9

Nitantara izy hoe: “Nilaza tamiko Izy Ireo fa ireo antokom-pivavahana rehetra dia mino fotopampianarana diso ary tsy misy amin’izy ireo na dia iray aza ankatoavin’ Andriamanitra ho ny fiangonany sy fanjakany. Ary … tamin’izay fotoana izay koa dia [n]ahazo fampanantenana [aho] fa ny fahafenoan’ny filazantsara dia tokony hampahafantarina ahy amin’ny fotoana ho avy.”10

Nanoratra koa i Joseph hoe: “Dia nahita anjely maro aho tao amin’izany fahitana izany.”11

Taorian’izany fahitana lehibe izany dia nanoratra i Joseph hoe : “Heniky ny fitiavana ny fanahiko, ary afaka nifaly tamin’ny fifaliana lehibe tokoa aho nandritra ny andro maro. … Niaraka tamiko ny Tompo.”12

Nivoaka ny Ala Masina izy mba hanomboka ny fiomanany ho lasa mpaminanin’ Andriamanitra.

Nanomboka nianatra ireo zavatra niainan’ireo mpaminany fahiny i Joseph, toy ny fandavana sy ny fanoherana ary ny fanenjehana. Nitantara i Joseph fa nizara ny zavatra hitany sy henony tamin’ny iray tamin’ireo mpitondra fivavahana izay tena navitrika tamin’ilay fifohazana ara-pivavahana izy:

“Nahatalanjona ahy fatratra ny fihetsiny; tsy nanamaivana fotsiny ny resako izy, fa sady nanebaka izaitsizy no nilaza fa avy amin’ny devoly avokoa izany, fa ny zavatra toy ny fahitana sy ny fanambarana dia tsy misy intsony amin’izao andro izao; fa ireny zavatra rehetra ireny dia nitsahatra niaraka tamin’ny apôstôly ka tsy hisy intsony.

“Hitako vetivety foana anefa fa ny fitantarako ilay tantara dia niteraka fahavoazana goavana ho ahy teo anivon’ireo nilaza tena ho mpivavaka ary anton’ny fanenjehana lehibe izay tsy nitsaha-nitombo; … ary izany dia fahita teo anivon’ireo antokom-pivavahana rehetra—tafatambatra izy rehetra mba hanenjika ahy.”13

Telo taona taty aoriana tamin’ny 1823 dia nisokatra indray ny lanitra, ka izany dia tafiditra tao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny eo andalam-pitohizan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany. Nanoratra i Joseph fa nisy anjely antsoina hoe Môrônia niseho taminy ary nilaza “fa manana asa hampanaovina ahy Andriamanitra … [ary nisy] boky iray milevina, voasoratra amin’ny takela-bolamena” izay nirakitra ny “fahafenoan’ny Filazantsara … araka ny nanoloran’ny Mpamonjy izany ho an’ireo mponina fahiny [tany Amerika].”14

Nony farany dia azon’i Joseph sy nadikany ary navoakany ilay rakitsoratra fahiny izay fantatra ankehitriny amin’ny hoe ny Bokin’i Môrmôna.

I Hyrum rahalahiny izay nanohana azy foana taorian’ilay fandidiana ny tongony nanaintaina sy saika nanaisotra ny ainy tamin’ny 1813, dia iray amin’ireo vavolombelon’ireo takela-bolamena. Isan’ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy niisa enina ihany koa izy tamin’ny nananganana izany tamin’ny 1830.

Niara-niatrika mpihetraketraka sy fanenjehana i Joseph sy Hyrum nandritra ny fiainan’izy ireo. Ohatra, nijaly izaitsizy tao anatin’ny toe-javatra tena nahonena tao amin’ny Fonjan’i Liberty tao Missouri nandritra ny dimy volana nandritra ny ririnina mangatsiakan’ny taona 1838–39 izy ireo.

Tamin’ny volana aprily 1839, dia nanoratra tamin’i Emma vadiny i Joseph ka nanazava ny toe-javatra niainan’izy ireo tao amin’ny Fonjan’i Liberty: “Mino aho fa efa enina andro sy dimy volana angamba izay no niaretako ny fijery ratsy ataon’ilay mpiambina andro aman’alina, ato anatin’ny rindrina, sy ny makarakara ary ny feo maranitra ataon’ireo varavaram-by ato anatin’ny fonja vitsy mpitsidika sy maizina ary maloto. … Ho esorina hiala amin’ity [toerana] ity izahay na ahoana na ahoana ary ho faly izahay noho izany. Na inona na inona hitranga aminay, dia tsy afaka ny ho tafiditra anaty lavaka ratsy noho ity izahay. … Tsy afaka ny haniry ny hiverina aty Liberty aty amin’ny Fivondronan’i Clay Missouri mihitsy izahay. Efa ampy anay ny aty ary tsy haniry izany haharitra mandrakizay izahay.”15

Raha teo am-piatrehana fanenjehana i Hyrum dia nampiseho finoana an’ireo fampanantenana nataon’ny Tompo izy ary tao anatin’izany ny fahazoana antoka fa afaka ny handositra ireo fahavalony izy raha toa ka safidiny izany. Tao anatin’ny tsodrano iray noraisin’i Hyrum tamin’ny 1835 tamin’ny alalan’ny tanan’i Joseph Smith dia nampanantena azy ny Tompo hoe: “Hanana ny hery handosirana ny tanan’ireo fahavalonao ianao. Ny ainao dia hofofoina mafy dia mafy kanefa dia ho afaka ny handositra ianao.Raha mahafaly anao, ary raha irinao, dia hanana ny hery hanolotra ny ainao an-tsitrapo ianao mba hanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra.”16

Tamin’ny volana jona 1844 dia nomena an’i Hyrum ny safidy hiaina na hanolotra ny ainy mba hanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra ary “hamehezany ny tenivavolombelony amin’ny rany”, eo akaikin’i Joseph, ilay rahalahiny malala.17

Herinandro talohan’ilay dia mifono loza nataon’izy ireo nankany Carthage, izay toerana namonoan’ireo mpihetraketraka kanosa nirongo fitaovam-piadiana azy ireo tamin’ny fomba nomanina mialoha, ka nandokoan’izy ireo ny tarehiny mba tsy hamantarana azy ireo, dia nanoratra i Joseph hoe: “Nanoro hevitra an’i Hyrum rahalahiko aho mba handraisany ilay sambo manaraka mankany Cincinnati miaraka amin’ny fianakaviany.”

Mbola tena mihetsi-po tokoa aho rehefa mahatsiaro ilay valinteny nomen’i Hyrum: “Ry Joseph! tsy afaka ny handao anao aho.18

Noho izany dia nandeha tany Carthage i Joseph sy i Hyrum, ka maty maritiora ho an’i Kristy sy ny anarany izy ireo tany.

Milaza izao manaraka izao ny fanambarana ôfisialy milaza ny naha-maty maritiora azy ireo: “Joseph Smith, ilay Mpaminany sy Mpahitan’ny Tompo, … dia namoaka ny Bokin’i Môrmôna, izay nadikany araka ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra, ary efa nanjary fitaovana tamin’ny famoahana izany ho an’ny kontinenta roa; nandefa ny fahafenoan’ny filazantsara maharitra mandrakizay izay noraketin’izany, ho an’ny vazan-tany efatra; namoaka ireo fanambarana sy didy izay mandrafitra ity bokin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ity ary ireo tahirin-kevitra sy torolalana misy fahendrena hafa maro ho tombontsoan’ny zanak’olombelona; nampivondrona ny an’arivony maro tamin’ny Olomasin’ny Andro Farany, nanorina tanàna lehibe ary namela laza sy anarana izay tsy hay vonoina. … Ary toy ny ankamaroan’ireo olom-boahosotry ny Tompo tamin’ny andro fahizay, [i Joseph] dia efa namehy ny asa nanirahana azy sy ny asany tamin’ny rany; ary toraka izany koa i Hyrum rahalahiny.Teo amin’ny androm-piainany dia tsy voazarazara izy ireo ary tamin’ny fahafatesana dia tsy tafasaraka!19

Taorian’ny naha-maty maritiora azy ireo dia naverina tany Nauvoo ny vatamangatsiakan’i Joseph sy i Hyrum, nosasana sy nampiakanjoana mba hahafahan’ny fianakaviana Smith hahita ireo olon-tiany. Nitantara ilay reniny izay tian’izy ireo fatratra hoe: “Nandritra ny fotoana ela dia efa nanomana ny tenako ara-batana sy ara-pihetseham-po aho, nampioman-tena tamin’ny heriko sy ny fanahiko manontolo, ary niantsoantso an’ Andriamanitra ny mba hampatanjahany ahy; fa rehefa niditra ilay efitra aho ka nahita ireo zanako lahy izay novonoina niara-nitsirara tamin’ny tany teo imasoko ary naheno ireo fitomaniana sy ireo fisentoan’ny fianakaviako sy ny fitomaniana avy amin’ny molotry ny vadin’izy ireo, zanak’izy ireo, rahalahin’izy ireo, ary anabavin’izy ireo, dia be loatra tamiko izany. Niverina nitomany tamin’ny Tompo aho tao anatin’ny fanaintainan’ny fanahiko nanao hoe -Ry Andriamanitro! Ry Andriamanitro! Nahoana no nilaozanao ity fianakaviana ity?’”20

Tamin’izany fotoana feno alahelo sy fahoriana izany dia tsaroany ny nilazan’izy ireo hoe: “Neny ô! Aza mitomany ho anay, efa nandresy izao tontolo izao tamin’ny fitiavana izahay.”21

Nandresy izao tontolo izao tokoa izy ireo. I Joseph sy i Hyrum Smith tahaka ireo Olomasina mahatoky izay resahina ao amin’ny Bokin’ny Apokalypsy dia “avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony dia nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry [ary] eo anoloan’ny seza fiandrianan’ Andriamanitra ka manompo Azy andro aman’alina ao amin’ny tempoliny: Ary Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana dia hamelatra ny tranolainy handrakotra azy.

“Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.

“Fa ny Zanak’ondry Izay eo afovoan’ny seza fiandrianana no ho Mpiandry antsika ka hitondra antsika ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina; ary hofafan’ Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony.”22

Eto am-pankalazantsika ity fotoana mahafaly ity izay ny faha-roanjato taonan’ny Fahitana Voalohany, isika dia tokony hahatsiaro lalandava ilay sarany nefain’i Joseph sy i Hyrum Smith, miaraka ary ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy mahatoky hafa, ho fanorenana ny Fiangonana mba hahafahanao sy izaho mandray ireo fitahiana maro sy ireo fahamarinana nambara rehetra izay ananantsika ankehitriny. Tsy tokony hohadinointsika velively ny fahatokian’izy ireo!

Nanontany tena matetika aho hoe nahoana i Joseph sy i Hyrum ary ny fianakavian’izy ireo no nila nijaly mafy tahaka izany. Mety hoe lasa nahafantatra an’ Andriamanitra izy ireo tamin’ny alalan’ny fijalian’izy ireo izay mety tsy ho nitranga tamin’ny fomba hafa. Tamin’ny alalan’izany dia nisaintsaina momba ny Getsemane sy ny hazofijalian’ny Mpamonjy izy ireo. Araka ny nolazain’i Paoly hoe: “Fa efa nomena fahasoavana ianareo noho ny amin’i Kristy, tsy ny hino Azy ihany fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny Aminy.”23

Talohan’ny nahafatesany tamin’ny 1844 dia nanoratra taratasy nifono hafanam-po ho an’ireo Olomasina i Joseph. Nanao antso mba hihetsehana izy, izay mbola mitohy ato amin’ny Fiangonana ankehitriny:

Ry rahalahy [sy anabavy], Tsy hitozo ao amin’ity tanjona lehibe tokoa ity va isika? Andeha handroso fa tsy hihemotra. Mahereza ry rahalahy [sy anabavy]; dia mandrosoa, mandrosoa mankamin’ny fandresena! …

“… Aoka isika, amin’ny maha-fiangonana sy vahoaka ary Olomasin’ny Andro Farany antsika, hanatitra fanatitra amim-pahamarinana ho an’ny Tompo.”24

Raha eo am-pihainoana ny Fanahy isika mandritra ity fankalazana ny faha-roanjato taona ity amin’ity faran’ny herinandro ity, dia eritrereto hoe inona no fanatitra haterinao ho an’ny Tompo amim-pahamarinana amin’ireo andro ho avy manaraka. Aoka ianao ho be herim-po. Zarao amin’ny olona iray atokisanao izany ary indrindra indrindra makà fotoana hanaovana izany!

Fantatro fa faly ny Mpamonjy rehefa manolotra fanatitra avy amin’ny fontsika amim-pahamarinana isika tahaka ny nahafaly azy tamin’ny fanatitra natolon’ireo mpirahalahy miavaka ireo, dia i Joseph sy i Hyrum izany ary ireo Olomasina mahatoky hafa rehetra. Izany no ijoroako ho vavolombelona amim-pahamatorana, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, amena.