2020
Manome antoka amin’ny fitsarana feno fahamarinana
Mey 2020


2:3

Manome antoka amin’ny fitsarana feno fahamarinana

Mba hanomezana antoka fitsarana feno fahamarinana, ny sorompanavotan’ny Mpamonjy dia hanadio ireo ahitry ny tsy fahalalana sy ny fanaintainana ara-panahy vokatry ny nataon’ny hafa.

Mampianatra ny Fotopampianaran’i Kristy ny Bokin’i Môrmôna

Tamin’ny ôktôbra farany teo dia nanome fanamby antsika ny Filoha Russell M. Nelson mba hieritreritra hoe ahoana no mety ho nampiavaka ny fiainantsika raha toa ka “ny fahalalana azontsika avy tamin’ny Bokin’i Môrmôna dia nesorina tampoka?”1 Efa nisaintsaina momba izany fanontaniana izany aho ary azoko antoka ihany koa fa betsaka aminareo no efa nanao an’izany. Nisy hevitra iray izay niverimberina hatrany: raha tsy eo ny Bokin’i Môrmôna sy ny fanazavana entin’izany momba ny fotopampianaran’i Kristy sy ny sorompanavotany dia aiza aho no hitodika mba hahitako fiadanam-po?

Ny fotopampianaran’i Kristy, izay mirakitra an’ireo fitsipiky ny fanavotana sy ireo ôrdônansin’ny finoana, fibebahana, batisa, ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny faharetana hatramin’ny farany, dia ampianarina imbetsaka ao amin’ireo soratra masin’ny Famerenana amin’ny laoniny rehetra saingy amin’ny fomba mahery vaika kokoa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.2 Ilay fotopampianarana dia manomboka amin’ny finoana an’i Kristy, ary ny tsirairay amin’ireo singa ao anatiny dia miankina amin’ny finoana ny sorompanavotany.

Araka ny nampianarin’ny Filoha Nelson hoe: “Ny Bokin’i Môrmôna dia mitondra ny fahatakarana feno sy manan-danja indrindra momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, izay tsy hita n’aiza n’aiza.”3 Arakaraka ny hahatakarantsika momba ny fanomezana masin’ny Mpamonjy no hahafantarantsika ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika, 4 ny maha tena misy ny toky nomen’ny Filoha Nelson fa “ireo fahamarinana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia manana ny hery manasitrana, mankahery, mamerina amin’ny laoniny, manavotra, mampatanjaka, mampionona, ary mamelombelona ny fanahintsika.”5

Manefa ny fitakian’ny fahamarinana rehetra ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy

Ny tena manan-danja sy manome fiadanam-po amin’ny fanampiana entin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fahatakarantsika ny sorompanavotan’ny Mpamonjy dia ny fampianarany fa ny sorona feno famindram-po nataon’i Kristy dia mahatanteraka ny fitakian’ny fahamarinana rehetra. Araka ny nohazavain’i Almà hoe: “Izy Andriamanitra tenany no manonitra ho an’ny fahotan’izao tontolo izao mba hahatanteraka ny drafitry ny famindram-po, mba hanefa ny fitakian’ny fahamarinana ka hahatonga an’ Andriamanitra ho Andriamanitra marina, fanaperana, ary ho Andriamanitra feno famindram-po koa.”6 Ny drafitry ny famindram-pon’ny Ray7, izay antsoin’ny soratra masina ihany koa hoe drafitry ny fahasambarana8 na ny drafitry ny famonjena9, dia tsy ho azo notontosaina raha tsy efa noefaina avokoa ny fitakian’ny fahamarinana rehetra.

Saingy inona marina ary ireo “fitakian’ny fahamarinana”? Eritrereto ireo traikefan’i Almà manokana. Tsarovy fa fony i Almà mbola zatovolahy, dia nandeha tetsy sy teroa izy “mba handrava ny fiangonana.”10 Nilaza tamin’i Helamana zanany lahy i Almà fa izy dia “nijaly tamin’ny fanaintainan’ny helo” noho izy “efa namono ny maro tamin’ny zanak’ [Andriamanitra]” tamin’ny alalan’ny fitarihana “azy ireny hankany amin’ny faharavana.”11

Nanazava tamin’i Helamana i Almà fa niverina taminy ihany ny fiadanam-po tamin’ny farany raha “nifantoka tamin’izany eritreritra izany ny sain[y],” dia ny fampianaran-drainy “momba ny fiavian’i … Jesoa Kristy … izay hanonitra ny fahotan’izao tontolo izao.”12 Nikatsaka ny famindram-pon’i Kristy i Almà izay feno fanenenana13 ary avy eo dia nahatsapa fifaliana sy fahamaivanana rehefa tsapany fa efa nanao ny sorompanavotana ho an’ny fahotany i Kristy ary nanonitra ny zavatra rehetra izay takian’ny fahamarinana. Inona indray eto no mety ho notakian’ny fahamarinana tamin’i Almà? Araka ny nampianarin’i Almà izy tenany hoe, “ny zavatra tsy madio dia tsy afaka mandova ny fanjakan’ Andriamanitra.”14 Noho izany dia mety ho anisan’ny nanamaivana an’i Almà ny hoe raha tsy niditra an-tsehatra ny famindram-po dia ho nosakanan’ny fahamarinana izy tsy hiaina hiaraka amin’ny Ray any An-danitra.15

Manasitrana ireo ratra tsy azontsika sitranina ny Mpamonjy

Saingy moa ve ny fifalian’i Almà nifantoka manokana tamin’ny tenany irery ihany, tamin’ny famaizana azy izay tsy azo nialana sy tamin’ny fahafahany hiverina any amin’ny Ray? Fantatsika fa nijaly ihany koa i Almà noho ireo izay efa notarihiny hiala amin’ny fahamarinana.16 Saingy tsy afaka nanasitrana sy namerina amin’ny laoniny ireo rehetra izay efa notarihiny hiala raha i Almà irery. Tsy afaka nanome antoka samirery izy hoe hahazo fahafahana ara-drariny mba hianatra ny fotopampianaran’i Kristy sy ho voatahy amin’ny alalan’ny fiainana ny fitsipik’izany izay mitondra fiadanana izy ireo. Tsy afaka namerina ireo izay mety efa maty sy mbola jamban’ny fampianaran-disony izy.

Araka ny nampianarin’ny Filoha Boyd K. Packer indray mandeha hoe:“Ny eritreritra izay nanavotra an’i Almà … dia izao: famerenana amin’ ny laoniny izay tsy hainao mamerina amin’ ny laoniny, sy ny fanasitranana ny ratra izay tsy hainao sitranina, ary ny fanamboarana ny zavatra nosimbainao izay tsy hainao amboarina no tena tanjon’ny sorompanavotan’i Kristy.”17 Ny fahamarinana mitondra fifaliana izay “nifantohan’ny sain’”i Almà dia tsy hoe afaka ny ho voadio fotsiny izy samirery fa koa ireo izay efa nanaovany ratsy dia afaka ny ho sitrana sy hadio indray.

Manome antoka amin’ny fitsarana feno fahamarinana ny sorona nataon’ny Mpamonjy

Taona maro talohan’ny nanavotan’ity fotopampianarana manome toky ity an’i Almà, ny Mpanjaka Benjamina dia efa nampianatra momba ny halehiben’ny fanasitranana atolotry ny sorompanavotan’ny Mpamonjy. Nanambara ny Mpanjaka Benjamina fa “vaovao mahafaly sady fifaliana lehibe” no nomena azy tamin’ny alalan’ny “anjely iray avy amin’Andriamanitra.”18 Anisan’ireo vaovao mahafaly ireo ny fahamarinana fa i Kristy dia hijaly sy ho faty ho an’ny fahotantsika sy ireo fahadisoantsika mba hanomezana antoka “ny hiavian’ny fitsarana marina amin’ny zanak’olombelona.”19

Inona marina no takian’izany “fitsarana marina” izany? Ao amin’ny andininy manaraka, ny Mpanjaka Benjamina dia nanazava fa, mba hanomezana antoka ny hisian’ny fitsarana marina iray, ny ran’ny Mpamonjy dia “manonitra noho ny fahotan’ireo izay efa lavo noho ny fandikan-dalàn’i Adama” sy ho an’ireo “izay efa maty tsy nahalala ny sitrapon’ Andriamanitra momba azy ireo, na izay efa nanota tao amin’ny tsy fahalalana.”20 Nampianatra izy fa ny fitsarana marina ihany koa dia mitaky ny “anoneran’ny ran’i Kristy” ny fahotan’ny ankizy madinika.21

Ireo soratra masina ireo dia mampianatra fotopampianarana be voninahitra iray: manasitrana ny sorompanavotan’ny Mpamonjy, toy ny fanomezam-pahasoavana maimaim-poana iray, ireo izay nanota tao amin’ny tsy fahalalana, ireo izay, araka ny nilazan’i Jakoba azy hoe, “tsy misy lalàna nomena.”22 Miankina amin’ny fahazavana izay efa nomena antsika sy miankina amin’ny fahafahantsika mampiasa ny fahafahantsika misafidy no maha-tompon’andraikitra antsika amin’ny fahotana.23 Tsy mahafantatra an’izany fahamarinana manasitrana sy mitondra fampiononana izany isika raha tsy noho ny Bokin’i Môrmôna sy ny soratra masin’ny Famerenana amin’ny laoniny.24

Mazava ho azy, rehefa nisy lalàna iray nomena, rehefa mahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra isika, dia tompon’andraikitra isika. Araka ny nohamafisin’ny Mpanjaka Benjamina hoe: “Lozan’izay mahalala fa mikomy amin’ Andriamanitra izy! Fa tsy ho tonga amin’ny toa azy ny famonjena raha tsy amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo.”25

Vaovao mahafalin’ny fotopampianaran’i Kristy ihany koa izany. Tsy manasitrana sy mamerina amin’ny laoniny ireo izay manota ao amin’ny tsy fahalalana ihany ny Mpamonjy fa ireo izay manota manohitra ny fahazavana ihany koa, ny Mpamonjy dia manolotra fanasitranana miankina amin’ny fibebahana sy ny finoana Azy.26

Mety “nifantoka tamin’ireo” fahamarinana roa ireo i Almà. Mety ho nahatsapa marina tokoa ny zavatra izay tsapany ho toy ny “fifaliana … mahafinaritra sy mamy”27 ve i Almà raha toa ka nihevitra izy fa nanavotra azy i Kristy saingy namela ireo hafa izay notarihiny hiala amin’ny fahamarinana hisy takaitra mandrakizay? Azo antoka fa tsia. Mba hahatsapan’i Almà fiadanam-po tanteraka dia nila fahafahana ny ho sitrana ihany koa ireo izay noratrainy.

Fa ahoana tokoa no hahafahan’ireo—na ireo izay noratraintsika—ho sitrana? Na dia tsy azontsika tanteraka aza ny fomba hahafahan’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy manasitrana sy mamerina amin’ny laoniny, dia mahafantatra isika fa mba hanomezana antoka fitsarana feno fahamarinana, ny Mpamonjy dia hanadio ireo ahitry ny tsy fahalalana sy ny fanaintainana ara-panahy vokatry ny nataon’ny hafa.28 Amin’ny alalan’izany dia manome antoka Izy fa homena fahafahana avokoa ireo zanak’Andriamanitra, amin’ny fahitana mazava tsara, ny hisafidy ny hanaraka Azy sy hanaiky ny drafitra lehibeny fahasambarana.29

Hanarina izay rehetra nopotehintsika ny Mpamonjy

Ireo fahamarinana ireo no mety ho nitondra fiadanam-po ho an’i Almà. Ary ireo fahamarinana ireo no tokony hitondra fiadanam-po ho antsika ihany koa. Satria lehilahy sy vehivavy araka ny nofo avokoa isika rehetra dia tafintohina, indraindray mifandona amin’ny hafa ary dia mandratra ny hafa. Araka ny azon’ny ray aman-dreny tsirairay avy ijoroana ho vavolombelona, ny fanaintainana noho ny fahadisoantsika dia tsy ny tahotra ny famaizana antsika fotsiny fa ny tahotra ny mety hanakanantsika ny fifalian’ny zanantsika na amin’ny fomba hafa hanakana azy ireo amin’ny fahitana sy fahatakarana ny fahamarinana. Ny fampanantenana be voninahitry ny sorompanavotan’ny Mpamonjy dia ny hoe, raisiny ho tsy manan-tsiny ary ampanantenainy fanasitranana ny zanantsika raha ny momba ny hadisoan’ireo ray aman-drenin’izy ireo.30 Ary na dia nanota nefa nahafantatra tsara ny fahamarinana aza izy ireo—araka ny ataontsika rehetra—ny sandrin’ny famindram-pony dia mivelatra31 ary dia hanavotra azy ireo Izy raha toa ka hibanjina Azy izy ireo ka ho velona.32

Na dia manana hery hanarina ny zavatra tsy azontsika arenina aza ny Mpamonjy, dia mandidy antsika Izy mba hanao ny zava-drehetra azontsika atao mba hanonitra ho anisan’ny dingan’ny fibebahantsika.33 Tsy manalavitra ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra fotsiny ny fahotantsika sy ny hadisoantsika fa manalavitra ny fifandraisantsika amin’ny hafa ihany koa. Indraindray ny ezaka ataontsika mba hanasitrana sy hamerina amin’ny laoniny dia mety ho tsotra toy ny fialan-tsiny fotsiny, saingy amin’ny fotoana hafa ny fanonerana dia mety hitaky ezaka feno fanetren-tena maharitra taona maro.34 Na dia izany aza, ho an’ny ankamaroan’ireo fahotantsika sy fahadisoantsika, dia tsy afaka ny hanasitrana tsotra izao ireo izay voaratrantsika isika. Ny fampanantenana izay tena lafatra sy manome fiadanam-po ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny filazantsara naverina amin’ny laoniny dia ny hoe ny Mpamonjy dia hanarina ny zavatra rehetra izay efa nopotehintsika.35 Ary Izy ihany koa dia hanasitrana antsika raha toa ka hitodika amim-pinoana Aminy isika sy hibebaka amin’ireo ratra izay vokatry ny nataontsika.36 Manolotra an’ireo zavatra roa ireo Izy noho Izy tia antsika rehetra amin’ny fitiavana izay tonga lafatra37 ary satria efa nanolo-tena ny hanome fitsarana feno fahamarinana izay hanaja ny fahamarinana sy ny famindram-po Izy. Mijoro ho vavolombelona aho fa marina izany amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Lahateny famaranana,” Liahona, nôv. 2019, 120.

  2. Jereo ny 2 Nefia 31; 3 Nefia 11:28, 32, 35, 39–40; Fotopampianarana sy fanekempihavanana 10:62–63, 67–70; 68:25; Mosesy 6:52–54; 8:24; Fanekem-pinoana 1:4.

  3. Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?” Liahona, nôv. 2017, 62.

  4. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3.

  5. Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?” 62.

  6. Almà 42:15.

  7. Jereo ny Almà 42:15.

  8. Jereo ny Almà 42:8.

  9. Jereo ny Almà 24:14; Mosesy 6:62.

  10. Jereo ny Môzià 27:8–10.

  11. Almà 36:13, 14.

  12. Almà 36:17, 18.

  13. Jereo ny Almà 36:18.

  14. Almà 40: 26 ; jereo koa ny 1 Nefia 15:34; Almà 7:21; 11:37; Helamana 8:25.

  15. Jereo ny3 Nefia 27:19; jereo ihany koa Mosesy 6:57.

  16. Jereo ny Almà 36:14–17.

  17. Boyd K. Packer, “The Brilliant Morning of Forgiveness,” Ensign, Nov. 1995, 19–20.

  18. Môzià 3:2, 3.

  19. Môzià 3:10; nampiana fanamafisana.

  20. Môzià 3:11; jereo ihany koa ny 2 Nefia 9:26.

  21. Môzià 3:16; jereo ihany koa Môzià15:25; Môrônia 8:11–12, 22.

  22. 2 Nefia 9:25.

  23. Jereo ny 2 Nefia 2:26–27; Helamana 14:29–30.

  24. Jereo ny Fanekem-pinoana 1:2; jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy fanekempihavanana 45:54. Raha namelabelatra momba ny fotopampianaran’ny batisa ho an’ny maty ny Mpaminany Joseph indray andro dia nilaza izy hoe: “Raha toa ny ampahany amin’ny olombelona ka mitsara sy manameloka ny hafa tsy misy indrafo, ny Rain’izao rehetra izao kosa dia mieritreritra ny fianakavian’ny olombelona iray manontolo amin’ny fiahiana sy ny fitiavan’ny raim-pianakaviana iray, mijery azy ireo ho toy ny zanany Izy. … Izy dia Mpanome lalàna manam-pahendrena, ary hitsara ny olon-drehetra, tsy araka ny fomba tery sy nifanarahan’ny firenen’olombelona. … Hitsara azy ireo Izy, ‘tsy araka ny zavatra izay tsy ananan’izy ireo fa araka ny zavatra izay ananan’izy ireo’; ireo izay niaina tsy teo ambany lalàna, dia ho tsaraina tsy eo ambany lalàna, ary ireo izay manana lalàna dia ho tsaraina araka izany lalàna izany. Tsy tokony hiahiahy ny amin’ny fahendrena sy ny fahalalan’ilay Jehovah Lehibe isika; ho valiany fitsarana na famindram-po ny firenena rehetra araka izay mendrika azy ireo tsirairay avy, ny fitaovana ahafahan’izy ireo mahazo fahalalana, ny lalàna izay mifehy azy ireo, ny fitaovana ananan’izy ireo mba handraisana fampahalalana marina, ary … isika rehetra amin’ny farany dia mila miaiky fa ny Mpitsara ny tany rehetra dia nanao araka ny hitsiny” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 404).

  25. Môzià 3:12; jereo ihany koa 2 Nefia 9:27.

  26. Jereo ny Môzià 3:12; Helamàna 14:30; Môrônia 8:10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:78. Mety tsy mahalala ny sasany amin’ireo didy sy ny fanekempihavana ny isam-batan’olona na tsy afaka ny hampiasa ny fahafahan’izy ireo hisafidy amin’ny tranga hafa saingy mbola ho tompon’andraikitra amin’ny toe-javatra hafa noho ny fahazavan’i Kristy izay ao amin’izy ireo (jereo 2 Nefia 9:25; Môrônia 7: 16-19). Ny Mpamonjy izay mpitsara antsika sy efa nanome toky antsika fa hanome fitsarana marina dia hanavaka an’ireo toe-javatra ireo (jereo ny Môrmôna 3:20; Mosesy 6:53–57). Ary efa nanonitra ny vidin’izy roa ireo Izy—ny voalohany tsy misy arakaraka ary ny farany miankina amin’ny fibebahana.

  27. Almà 36:21.

  28. Jereo ny Môzià 3:11; jereo ihany koa D. Todd Christofferson, “Fanavotana,” Liahona, mey 2013, 110; Almà 7:11–12 (“Hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny olony Izy. … Ary haka ny rofiny ho eo Aminy Izy”); Isaia 53:3–5 (“Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika”); 61:1–3 (“Jehovah efa nanosotra ahy [mba] … hahasitrana ny torotoro fo, … Hanolotra ho an’ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon’ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalahelovana”). Mampianatra zavatra ny hoe ny Mpamonjy dia nitanisa ireto andininy ao amin’ny Isaia ireto rehefa nilaza ny maha mesia azy Izy: “Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany” (jereo ny Lioka 4:16–21).

  29. Ao amin’ny tontolon’ny fanahy “ny filazantsara dia toriana amin’ny olona tsy manam-pahalalana, tsy nibebaka, ary mpikomy mba hanafahana azy ireo amin’ny famatorana ary handroso mankany amin’ireo fitahiana nomanin’ny Ray any An-danitra be fitiavana ho azy ireo”(Dallin H. Oaks, “Matokia ny Tompo,” Liahona, nôv. 2019, 27). Jereo ny 1 Petera 4:6; 2 Nefia 2:11-16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:19; 137:7-9; 138:31-35.

  30. Jereo ny Mosesy 6:54. Nampianatra izao fotopampianarana izao ny Filoha M. Russell Ballard momba ny famonoan-tena: “Ny Tompo ihany no mahalala ny antsipirian-javatra rehetra, ary izy no hitsara ny asantsika teto ambonin’ny tany. Rehefa mitsara antsika [ny Tompo] dia tsapako fa hoeritreretiny avokoa ny zavatra rehetra: ny fototarazontsika sy ny toetrantsika ara-boajanahary, ny toetoetry ny saintsika, ny faharanitan-tsaintsika, ireo fampianarana noraisintsika, ireo fomba amam-panaon’ireo razambetsika, ny fahasalamantsika, sy ny sisa. Ianarantsika ao amin’ny soratra masina hoe ‘ny rany koa dia manonitra noho ny fahotan’ ireo izay efa lavo noho ny fandikan-dalàn’ i Adama, izay efa maty tsy nahalala ny sitrapon’ Andriamanitra momba azy ireo, na izay efa nanota tao amin’ ny tsy fahalalana’ (Môzià 3:11)” (“Suicide: Some Things We Know, and Some We Do Not,” Ensign, Oct. 1987, 8; Tambuli, Mar. 1988, 18).

  31. Jereo ny Jakoba 6:5; Môzià 29:20; 3 Nefia 9:14; Fotopampianarana sy fanekempihavanana 29:1.

  32. Jereo ny Helamàna 8:15.

  33. Jereo ny Levitikosy 6:4–5; Ezekiela 33:15–16; Helamana 5:17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43.

  34. Izany karazana ezaka izany ihany koa no nataon’i Almà. (jereo ny Almà 36:24).

  35. Nampianatra izao fitsipika izao tamim-kery ny Filoha Boyd K. Packer:

    “Misy fotoana tsy hahafahanao manamboatra ny zavatra izay nosimbainao. Angamba mety efa ela no nitrangan’ilay fanafintohinana, na ilay olona voaratra tsy nanaiky ny fialan-tsininao. Mety hoe goavana loatra ilay fahasimbana ka tsy afaka manamboatra izany ianao na dia te hanarina izany araka izay azonao atao aza ianao.

    “Tsy azo ekena ny fibebahanao raha tsy misy fanarenana hatao. Tsy afaka ny hiverin-dalana amin’ny zavatra izay efa vitanao ianao, voafandrika ianao. Mora ny mahatakatra hoe toy ny ahoana ny fahatsapanao ho tsy manana fanantenana sy tsy afaka mahazo fanampiana ary nahoana no mety ho kivy ianao, toa ny nataon’i Almà. …

    “Ahoana no hahafahan’ny zava-drehetra ho sitrana, tsy fantantsika. Mety tsy ho vita mandritra ity fiainana ity anefa izany rehetra izany. Fantantsika avy amin’ny fahitana sy fitsidihana fa ny mpanompon’ny Tompo dia manohy ny asan’ny fanavotana any ambadikan’ny voaly.

    “Izany fahalalana izany dia tokony hampionona ireo izay tsy manan-tsiny sy ireo izay meloka. Mieritreritra momba ireo ray aman-dreny izay mijaly noho ny zanak’izy ireo izay very lalana sy very fanatenana aho” (“The Brilliant Morning of Forgiveness,” 19–20).

  36. Jereo ny 3 Nefia 12:19; jereo koa ny Matio 6:12; 3 Nefia 13:11.

  37. Jereo ny Jaona 15:12–13; 1 Jaona 4:18; Dieter F. Uchtdorf, “Ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra,” Liahona, mey 2017, 107.