Latsa-paka lalina ao am-pontsika
Miezaka manampy antsika, isika rehetra, handatsa-paka lalina ao am-pontsika ny filazantsara ny Tompo.
Ry ranabavy sy rahalahy, fotoana mahatalanjona tokoa izao iainantsika izao. Eto am-pankalazantsika ny fiantombohan’ny Famerenana amin’ny laoniny dia mety tsara ihany koa ny hankalazantsika ny Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana izay atrehantsika. Miara-mifaly aminareo aho fa miaina amin’izao fotoana izao. 1 Manohy mametraka izay rehetra ilaintsika amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny Tompo mba hanampiana antsika hiomana handray Azy. 2
Isan’ireo zavatra ilaina ireo ilay hetsika vaovao Ankizy sy Zatovo. Maro aminareo no mahalala tsara ny fanamafisan’io fandaharan’asa io ny fametrahana tanjona, ireo mari-pamantarana iombonana, ary ireo fihaonambe Ry Tanora Mahereza. Saingy tsy tokony hamela ireo zavatra ireo hanakona ny fahitantsika ireo fitsipika iorenan’io fandaharan’asa io sy ny tanjon’izany isika: dia ny handatsa-paka lalina ao am-pon’ny ankizy sy ny zatovo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. 3
Mino aho fa rehefa mahita mazava kokoa ireo fitsipika ireo isika dia hiaiky fa izy io dia mihoatra lavitra ny hoe fandaharan’asa ho an’ny mpikambana 8 ka hatramin’ny 18 taona fotsiny. Ho hitantsika ny fomba hiezahan’ny Tompo manampy antsika, isika rehetra, handatsa-paka lalina ao am-pontsika ny filazantsarany. Mivavaka aho mba hanampy antsika hiara-hianatra ny Fanahy Masina.
Fifandraisana: “Miaraha amin’izy ireo” 4
Ny fifandraisana no fitsipika voalohany. Noho izy ireo toy ny zavatra tena efa mahazatra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy, dia indraindray adinontsika ny maha-zava-dehibe ny fifandraisana ao anatin’ny diantsika mitohy mankany amin’i Kristy. Tsy andrasana amintsika ny hitady na handeha irery eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Isika dia mila fitiavana sy fanampiana avy amin’ireo ray aman-drenintsika, ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana, ireo namana ary ireo mpitarika izay mandeha eo amin’ilay lalana ihany koa.
Mitaky fotoana ireo karazana fifandraisana ireo. Fotoana iarahana. Fotoana iarahana mihomehy, milalao, mianatra ary manompo. Fotoana hanomezana lanja ny zavatra mahaliana ny tsirairay sy ny olany. Fotoana hifandraisana amin-kitsim-po sy hifanehoana fahitsin-toetra eo am-piezahantsika hiaina fiarahana mahafinaritra. Isan’ireo tanjona voalohany mahatonga ny fianakaviana, ny kôlejy, ny kilasy ary ny mpiangona hiara-mivory ireo fifandraisana ireo. Fototry ny fanompoana mahomby izy ireo. 5
Nanome antsika fanalahidy ahafahana manana ireo fifandraisana ireo ny Loholona Dale G. Renlund rehefa niteny hoe: “Mba hanompoana ny hafa amim-pahombiazana, dia mila mijery azy ireo … amin’ny fijerin’ny Ray any An-danitra [isika]. Amin’izay ihany isika vao afaka manomboka mahatakatra ny tena hasarobidin’ny olona iray. Amin’izany ihany isika vao afaka mahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra ny zanany rehetra.” 6
Ny fahaizana mijery ny hafa amin’ny fomba fijerin’ Andriamanitra dia fanomezam-pahasoavana. Manasa antsika rehetra aho hikatsaka io fanomezam-pahasoavana io. Rehefa ampahiratina mba hahita ny masontsika, 7 dia ho afaka ny hanampy ny hafa ihany koa isika mba hahita ny tenany tahaka ny ahitan’ Andriamanitra azy. 8 Nanantitrantitra ny herin’izany ny Filoha Henry B. Eyring rehefa niteny hoe: “Ny zavatra hanan-danja indrindra dia ny zavatra ianaran’ny [tanora] avy ami[nareo] momba ny hoe iza marina izy ireo ary afaka ny ho tonga inona marina. Inoako fa tsy dia ho avy amin’ny lesona ampianarina loatra no hianaran’izy ireo izany. Izany dia ho azon’izy ireo avy amin’ny fahatsapana hoe iza ianareo, sy izay hiheveranareo azy ireo hoe iza izy ireo, ary izay heverinareo fa mety hahatongavany.” 9 Ny fanampiana ny hafa hahatakatra hoe iza marina izy ireo sy ny antom-pisiany dia isan’ireo fanomezana tsara indrindra azontsika omena. 10 Ny fahitana ny hafa sy ny tenantsika tahaka ny fahitan’ Andriamanitra antsika dia mampifamihina ny fontsika “ao amin’ ny firaisan-kina sy ny fifankatiavan’ izy samy izy.” 11
Noho ny herin’ny fahalalana araka izao tontolo izao tsy mitsaha-mitombo izay misy fiantraikany amintsika, dia mila ilay hery avy amin’ny fifandraisana feno fitiavana isika. Koa rehefa manomana ireo fiaraha-mientana sy fivoriana ary fiaraha-mivory hafa isika dia tokony hahatsiaro fa tanjona fototra iray hanaovana ireo fivoriana ireo ny hanorina fifandraisana feno fitiavana izay hampiray antsika sy hanampy mba handatsa-paka lalina ao am-pontsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. 12
Ny Fanambarana sy ny Fahafahana misafidy ary ny Fibebahana—”Mampifandray azy ireo amin’ny lanitra” 13
Mazava ho azy fa tsy ampy ny hoe miray hina fotsiny. Maro be ireo vondrona sy fikambanana izay mahavita miray hina noho ny tanjona isan-karazany. Saingy ny firaisan-kina tadiavintsika dia ny ho iray ao amin’i Kristy, ny hampifandray ny tenantsika Aminy. 14 Mba hampifandraisana ny fontsika amin’ny lanitra dia mila traikefa ara-panahy an’ny tena manokana isika araka ny vao nolazain’ny Loholona Andersen tamin’ny fomba miezinezina teo. 15 Azo ireo traikefa ireo rehefa entin’ny Fanahy Masina ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ny teny sy ny fitiavan’ Andriamanitra. 16
Io fanambarana io dia tonga amin’ny alalan’ny soratra masina, indrindra fa ny Bokin’i Môrmôna, amin’ny alalan’ireo teny avy amin’ny fitaomam-panahy avy amin’ireo mpaminany velona sy ireo mpianatra mahatoky hafa, ary amin’ny alalan’ny feo tony sy malefaka. 17 Ireo teny ireo dia mihoatra lavitra ny ranomainty eo amina pejy fotsy, na feo manakoako ao an-tsofintsika, na eritreritra ao an-tsaintsika, na fahatsapana ao am-pontsika. Hery ara-panahy ny tenin’ Andriamanitra. 18 Fahamarinana sy fahazavana izany. 19 Ny teniny no hihainoantsika Azy! Miteraka sy mampitombo ny finoantsika an’i Kristy ny teny ary manosika ao anatintsika ny faniriana ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa, izany hoe mibebaka sy mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. 20
Ny aprily lasa teo ny Filoha Russell M. Nelson dia nanampy antsika hahatakatra ny anjara asa fototry ny fibebahana ao anatin’izao vanim-potoana hirotsahan’ny fanambarana izao. 21 Hoy izy: “Rehefa misafidy ny hibebaka isika, dia misafidy ny hiova! Omentsika fahafahana ny Mpamonjy mba hanova antsika ho lasa ilay tsara indrindra ao amintsika. … Misafidy ny hitovy bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy [isika]!” 22 Io dingan’ny fiovana io, izay tohanan’ny tenin’ Andriamanitra, no fomba hifandraisantsika amin’ny lanitra.
Ny hevitra ao ambadiky ny fanasan’ny Filoha Nelson mba hibebaka dia ny fitsipiky ny fahafahana misafidy. Isika no tsy maintsy misafidy ny fibebahana ho an’ny tenantsika. Tsy azo terena ao am-pontsika ny filazantsara. Hoy ny Loholona Renlund: “Ny tanjon’ny Raintsika any An-danitra eo amin’ny fitaizana dia tsy ny hanao izay hahatonga an’ireo zanany hanao ny marina, fa ny hanao izay hahatonga an’ireo zanany hisafidy ny hanao ny marina.” 23
Tao amin’ireo fandaharan’asa nosoloin’ny Ankizy sy Zatovo dia nisy zavatra notakiana 500 isa mahery nila novitaina mba hahazoana mari-pankasitrahana isan-karazany. 24 Ankehitriny dia iray ihany izany raha jerena. Fanasana mba hisafidy ny ho tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa izany. Isika dia manao izany amin’ny fandraisana ny tenin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina sy amin’ny famelana an’i Kristy hanova antsika ho lasa “ilay tsara indrindra ao amintsika.”
Tsy fanazaran-tena amin’ny fametrahana tanjona fotsiny izany na fampivoarana ny tena manokana. Ny tanjona dia fitaovana fotsiny ihany izay manampy antsika hifandray amin’ny lanitra amin’ny alalan’ny fanambarana, ny fahafahana misafidy, ary ny fibebahana, mba hanatona an’i Kristy sy handray ny filazantsarany hifaka lalina ao am-pontsika.
Fanoloran-tena sy fahafoizan-tena: “Avelao hitarika izy ireo” 25
Farany, mba hampifaka lalina ao am-pontsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mila manolo-tena ao anatin’izany isika: manome ny fotoantsika sy ny talentantsika ho an’izany, mahafoy tena ho an’izany. 26 Samy te hiaina fiainana manan-danja isika rehetra, ary marina izany indrindra fa ho an’ny taranaka vao misondrotra. Maniry ho isan’ny mpanatanteraka asa iray izy ireo.
Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no asa lehibe indrindra eto an-tany. Hoy ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: “Didian’ Andriamanitra isika ny hitondra ny filazantsara any amin’izao tontolo izao. Izany no asa izay tokony hampiray antsika amin’izao fotoana izao. Ny filazantsara ihany no hamonjy an’izao tontolo izao amin’ny fahoriana avy amin’ny fanimbany ny tenany ihany. Ny filazantsara ihany no hampiray amim-pilaminana ny lehilahy [sy ny vehivavy] avy amin’ny firazanana sy ny firenena rehetra. Ny filazantsara ihany no hitondra fifaliana sy fahasambarana ary famonjena ho an’ny fianakaviamben’ny olombelona.” 27
Hoy ny nampanantenain’ny Loholona David A. Bednar hoe: “Rehefa mampitombo hery ny zatovo isika amin’ny alalan’ny fanasana sy ny famelana azy ireo hanao zavatra, dia handroso amin’ny fomba mahagaga ny Fiangonana.” 28 Matetika loatra isika no tsy nanasa sy namela ny zatovo hanao fahafoizan-tena ho an’ity asa lehiben’i Kristy ity. Hoy ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: “Raha zara fa manao [ny asan’ Andriamanitra] ireo zatovo[ntsika] dia ho mora tototry ny zavatr’izao tontolo izao izy ireo.” 30
Ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo dia miompana amin’ny fampitomboana ny herin’ny zatovo. Izy ireo no mifidy ny tanjony manokana. Apetraka amin’ny anjara asa sahaniny avy ireo fiadidian’ny kôlejy sy ny kilasy. Ny filankevitry ny zatovo eo anivon’ny paroasy, tahaka ny filankevitry ny paroasy, dia mifantoka amin’ny asa famonjena sy ny fisandratana. 30 Ary ny kôlejy sy ny kilasy dia manomboka ny fivoriany amin’ny fifampidinihana momba ny fomba hanaovana ny asa izay nomen’ Andriamanitra azy ireo. 31
Hoy ny Filoha Nelson tamin’ny zatovon’ny Fiangonana hoe: “Raha misafidy ianao, raha tianao izany dia … afaka ny ho mpandray anjara amin’ny zavatra lehibe iray ianao, zavatra tena goavana, zavatra tena tsara! … Anisan’ireo olona tsara indrindra nalefan’ny Tompo tety an-tany hatrizay ianareo. Manana fahafahana mba hahay kokoa sy hendry kokoa ary hitondra fiantraikany kokoa amin’izao tontolo izao mihoatra noho ireo taranaka lasa rehetra ianareo!” 32 Tamin’ny fotoana iray hafa dia hoy ny Filoha Nelson tamin’ny zatovo hoe: “Matoky tanteraka anareo aho. Tiako ianareo ary tia anareo koa ny Tompo. Vahoakany isika, izay miara-mirotsaka ao amin’ny asany masina.” 33 Ry tanora, tsapanareo ve ny fatokisan’ny Filoha Nelson anareo sy ny maha manan-danja anareo amin’ity asa ity?
Ry ray aman-dreny sy olon-dehibe mpitarika, manasa anareo aho hihevitra ireo zatovo tahaka ny hiheveran’ny Filoha Nelson azy ireo. Rehefa mahatsapa ny fitiavanareo sy ny fatokisanareo azy ny zatovo, rehefa mamporisika sy mampianatra azy ireo ny fomba fitarihana ianareo, ary avy eo dia mamela azy ireo hivoatra samirery amin’izany fitarihana izany, dia hampitolagaga anareo izy ireo amin’ny hevitra ananany, ny fahaiza-manaony, ary ny fanoloran-tenany amin’ny filazantsara. 34 Ho tsapan’izy ireo ny fifaliana azo avy amin’ny fisafidianana ny hanolo-tena sy hahafoy tena ho an’ny asan’i Kristy. Hifaka lalina ao am-pon’izy ireo ny filazantsarany ary handroso amin’ny fomba mahagaga ny asa.
Fampanantenana sy fijoroana ho vavolombelona
Mampanantena aho fa rehefa mifantoka amin’ireo fitsipika ireo isika, dia ny fifandraisana, ny fanambarana, ny fahafahana misafidy, ny fibebahana, ary ny fahafoizan-tena, dia ho latsa-paka kokoa ao am-pontsika rehetra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ho hitantsika ny fandrosoan’ny Famerenana amin’ny laoniny mankany amin’ny tanjony farany, dia ny fanavotana an’i Isiraely sy ny fananganana an’i Ziona, 35 izay hanjakan’i Kristy amin’ny maha-Mpanjakan’ny mpanjaka Azy.
Mijoro ho vavolombelona aho fa mbola manao hatrany ireo zavatra rehetra ilaina mba hanomanana ny olony ho amin’izany andro izany Andriamanitra. Enga anie isika ka hahita ny fiasan’ny tanany ao anatin’ity asa be voninahitra ity eo am-piezahantsika “[manatona] an’ i Kristy, [sy] hatao tanteraka ao Aminy.” 36 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.