2020
Ny Fisoronana Melkizedeka sy ireo fanalahidy
Mey 2020


2:3

Ny Fisoronana Melkizedeka sy ireo fanalahidy

Ato amin’ny Fiangonana, ny fahefan’ny fisoronana dia ampiasaina eo ambany fitarihan’ny mpitarika iray ao amin’ny fisoronana izay mihazona ireo fanalahidin’io fisoronana io.

Nisafidy ny hiresaka misimisy kokoa momba ny fisoronan’ Andriamanitra aho, lohahevitra izay efa noresahan’ny mpandahateny telo izay nampianatra antsika momba ny fomba hitahian’ny fisoronana ny fiainan’ny vehivavy sy ny zatovovavy sy ny zatovolahy.

Ny fisoronana dia hery sy fahefan’ Andriamanitra izay ankinina amin’olon-kafa amim-pitokisana mba hampiasaina amin’ny asan’ Andriamanitra sy ho tombontsoan’ireo zanany rehetra. Ny Fisoronana dia tsy ireo izay notendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’ny fisoronana na ireo izay mampiasa ny fahefan’izany. Tsy ireo lehilahy mihazona ny fisoronana no atao hoe fisoronana. Koa satria tsy tokony ho antsointsika hoe ny fisoronana ireo lehilahy voatendry dia ny hoe mpihazona ny fisoronana no fomba mety tsara hiantsoantsika azy ireo.

Ny herin’ny fisoronana dia sady misy ao amin’ny Fiangonana no misy ao amin’ny rafitry ny fianakaviana. Saingy samihafa ny fiasan’ny herin’ny fisoronana sy ny fahefan’ny fisoronana ao amin’ny Fiangonana sy ao amin’ny fianakaviana. Izany rehetra izany dia araka ny fitsipika izay napetraky ny Tompo. Ny tanjon’ny drafitr’ Andriamanitra dia ny hitarika ireo zanany ho any amin’ny fiainana mandrakizay. Fototr’izany drafitra izany ny fianakaviana eto an-tany. Ny Fiangonana dia misy mba hanome ny fotopampianarana, ny fahefana, ary ireo ôrdônansy ilaina mba hampaharitra ny fifandraisan’ny fianakaviana hatrany amin’ny mandrakizay. Noho izany dia fifandraisana mifanamafy orina eo amin’ny rafitry ny fianakaviana sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Ireo fitahian’ny fisoronana, toy ny fahafenoan’ny filazantsara, sy ireo ôrdônansy tahaka ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana sy ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ny fanafiana masina any amin’ny tempoly ary ny fanambadiana mandrakizay, dia samy afaka ho azon’ny lehilahy na ny vehivavy. 1

Ny fisoronana resahantsika eto dia ny Fisoronana Melkizedeka, izay naverina tamin’ny laoniny tany amin’ny fiandohan’ny Famerenana ny filazantsara tamin’ny laoniny. I Joseph Smith sy i Oliver Cowdery dia notendren’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, izay nitonona ho manana ireo “fanalahidin’ny fanjakana sy ny an’ny fitantanan’ny fotoam-pahafenoana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:20). Ireo Apôstôly zokiny ireo dia nandray izany fahefana izany avy tamin’ny Mpamonjy mihitsy. Ireo fahefana na anjara fanompoana hafa rehetra ao amin’ny fisoronana dia tovan’ny Fisoronana Meklizedeka (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:5), satria izy io dia “mihazona ny zon’ny fiadidiana ary manan-kery sy fahefana amin’ireo anjara fanompoana rehetra ao amin’ny fiangonana, amin’ny vanim-potoana rehetra eo amin’izao tontolo izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:8).

Ao amin’ny Fiangonana ilay fahefan’ny fisoronana ambony, ny Fisoronana Melkizedeka, sy ny fisoronana ambany na ny Fisoronana Aharôna dia ampiasaina eo ambany fitarihan’ny mpitarika iray ao amin’ny fisoronana, toy ny eveka na filoha, izay mihazona ny fanalahidin’izany fisoronana izany. Mba hahatakarana ny fomba fampiasana ny fahefan’ny fisoronana ao amin’ny Fiangonana, dia tsy maintsy takatsika ny fitsipiky ny fanalahidin’ny fisoronana.

Ny fanalahidin’ny Fisoronana Melkizedeka ao amin’ny fanjakana dia nomen’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, saingy tsy vita tanteraka tamin’izay ny famerenana tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana. Tonga taty aoriana ny fanalahidin’ny fisoronana sasany. Taorian’ny fanokanana ny tempoly voalohany tamin’ity fotoampitantanana ity tao Kirtland Ohio, dia nisy mpaminany anankitelo, i Mosesy sy i Elià ary i Elia, namerina tamin’ny laoniny “ny fanalahidin’ ity fotoampitantanana ity,” ka anisan’izany ireo fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely sy ny asa atao any amin’ny tempolin’ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110), araka izay vao nosoritsoritan’ny Filoha Eyring tamin’ny fomba mandresy lahatra tokoa.

Ny ohatra mahazatra indrindra amin’ny fiasan’ireo fanalahidy dia eo amin’ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny fisoronana. Ny ôrdônansy dia asa atao amin’ny fomba ôfisialy izay midika hoe fanaovana fanekempihavanana sy fampanantenana fitahiana. Ao amin’ny Fiangonana, ny ôrdônansy rehetra dia tanterahina rehefa nahazo lalana avy amin’ilay mpitarika ao amin’ny fisoronana izay mihazona ny fanalahidy ho an’izany ôrdônansy izany.

Ny ôrdônansy raha ny mahazatra indrindra dia tanterahin’ireo olona izay notendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’ny fisoronana ka miasa eo ambany fitarihan’ny olona iray izay mihazona fanalahidin’ny fisoronana. Ohatra, ireo mpihazona ireo anjara fanompoana samihafa ao amin’ny Fisoronana Aharôna dia manatanteraka ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo eo ambanin’ny fanalahidy sy ny fitarihan’ny eveka, izay mihazona ireo fanalahidin’ny Fisoronana Aharôna. Izany fitsipika izany ihany no mihatra amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana izay tanterahin’ireo vehivavy ao amin’ny tempoly. Na dia tsy mihazona anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana aza ireo vehivavy dia manatanteraka ôrdônansy masina ao amin’ny tempoly rehefa nahazo lalana avy amin’ny filohan’ny tempoly, izay mihazona ireo fanalahidin’ireo ôrdônansin’ny tempoly.

Ohatra iray hafa amin’ny fahefan’ny fisoronana eo ambanin’ny fitarihan’ny olona iray mihazona ireo fanalahidy ny fampianarana izay ataon’ireo lehilahy sy vehivavy voantso hampianatra ny filazantsara, na ao amin’ireo kilasy ao amin’ny paroasy misy azy izany na any amin’ny sahan’ny misiôna. Ohatra hafa amin’izany ireo izay manana andraikitra mpitarika ao amin’ny paroasy ary mampiasa fahefan’ny fisoronana amin’ny fitarihana ataony noho ny antsony sy avy amin’ny fanokanana azy sy eo ambany fitarihan’ilay mpitarika ao amin’ny fisoronana izay mihazona ireo fanalahidy ao amin’ny paroasy na ny tsatòka. Tahaka izany no ampiasana ny fahefana sy ny herin’ny fisoronana sy hahazoana fitahiana avy amin’izany ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.2

Ny fahefan’ny fisoronana dia ampiasaina koa ao amin’ireo fianakavian’ny Olomasin’ny Andro farany ary iainana ao anatin’izany ireo fitahiana avy aminy. Ny tiako holazaina amin’ilay hoe fianakaviana dia mpivady lehilahy iray mpihazona ny fisoronana sy vehivavy iray izay mpivady, miaraka amin’ny zanak’izy ireo. Ampidiriko ao anatin’izany ihany koa ireo karazam-pianakaviana ankoatra ilay fianakaviana idealy feno, noho ny fahafatesana na ny fisaraham-panambadiana.

Ilay fitsipika hoe ny fahefan’ny fisoronana dia tsy azo ampiasaina raha tsy eo ambany fitarihan’ilay olona mihazona ny fanalahidy ho an’izany anjara andraikitra izany dia fitsipika fototra ao amin’ny Fiangonana, saingy tsy mihatra ao amin’ny fianakaviana izany. Ohatra, ny raim-pianakaviana no miahy sy mampiasa ny fisoronana ao amin’ny fianakaviany amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana izay hazoniny. Tsy mila ny fitarihana na ny fankatoavana avy amin’ny olona iray mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana izy rehefa hanatanteraka ireo anjara asa samihafa tokony hataony ho an’ny fianakaviany. Tafiditra ao anatin’izany ny fanoroany hevitra ny olona ao amin’ny fianakaviany, ny fanaovana fivoriam-pianakaviana, ny fanomezany tsodranon’ny fisoronana ho an’ny vady aman-janany, na ny fanomezana tsondrano fanasitranana ho an’ny olona ao amin’ny fianakaviany na ny hafa.3 Ireo manampahefana ao amin’ny Fiangonana dia mampianatra ireo olona ao amin’ny fianakaviana fa tsy mitarika ny fampiasana ny fahefan’ny fisoronana ao amin’ilay fianakaviana.

Izany fitsipika izany ihany no mihatra rehefa tsy misy raim-pianakaviana ary renim-pianakaviana no loham-pianakaviana. Miahy ny ao an-tokantranony izy ary fitaovana mitondra ny hery sy ny fitahian’ny fisoronana ao amin’ny fianakaviany amin’ny alalan’ny fanafiana masina azony sy ny famehezana tany amin’ny tempoly. Na dia tsy manana lalana aza izy ny hanome ireo tsondranon’ny fisoronana izay olona iray mihazona anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana ihany no afaka manome izany, dia afaka manatanteraka ireo anjara asa hafa rehetra amin’ny fitarihana ny fianakaviana. Rehefa manao izany izy dia mampiasa ny herin’ny fisoronana ho tombontsoan’ireo zanany izay eo ambany fiahiany amin’ny maha-loham-pianakaviana azy.4

Raha milofo amin’ny fampiasana ny fisoronany eo anivon’ny fianakaviany ireo raim-pianakaviana dia hanampy amin’ny fampandrosoana ny asa nanirahana ny Fiangonana tahaka ny zavatra hafa mety hataon’izy ireo izany. Ireo raim-pianakaviana izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia tokony hampiasa ny fahefany “amin’ny fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41). Tena manan-danja indrindra ao amin’ny fianakaviana izany fenitra avo amin’ny fampiasana ny fahefan’ny fisoronana rehetra izany. Ireo mpihazona ny fisoronana dia tokony hitandrina ihany koa ireo didy mba hananany ny herin’ny fisoronana hanomezana tsodrano ho an’ny olona ao amin’ny fianakaviany. Tokony voizin’izy ireo ihany koa ny fifandraisan’ny mpianakavy feno fitiavana mba hananan’ny olona ao amin’ny fianakaviana faniriana hangataka tsodrano amin’izy ireo. Ary tokony hanao izay hisian’ny tsodranon’ny fisoronana bebe kokoa ao amin’ny fianakaviana ireo ray aman-dreny.5

Mandritra ireo fivoriana amin’izao fihaonambe izao, eo am-pikatsahantsika fialofana kely amin’ireo olana eo amin’ny fiainana an-tany ateraky ny valan’aretina mandringana, dia nampianarina fitsipika lehibe maro isika mahakasina ny mandrakizay. Mamporisika antsika tsirairay aho mba “hahiratra” ny masontsika ka afaka handray ireo fahamarinana maharitra mandrakizay mba “ho feno hazavana” ny vatantsika (3 Nefia 13:22).

Ao amin’ny toriteniny tamin’ireo vahoaka izay voarakitra ao amin’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna ny Mpamonjy dia nampianatra fa afaka ny ho feno hazavana na ho feno haizina ny vatana mety maty. Mazava ho azy fa maniry ny ho feno hazavana isika, ary ny Mpamonjintsika dia nampianatra antsika ny fomba hahatongavan’izany. Tokony hihaino hafatra momba ireo fahamarinana maharitra mandrakizay isika. Nampiasa ohatra momba ny masontsika Izy, izay hampidirantsika ny hazavana mankao amin’ny tenantsika. Raha “mahiratra” ny masontsika, izany hoe raha mifantoka amin’ny fandraisana fahazavana sy fahatakarana maharitra mandrakizay isika, hoy Izy nanazava, dia “ho feno hazavana ny tenanao manontolo” (Matio 6:22; 3 Nefia 13:22). Fa raha “ratsy … ny masontsika”, izany hoe raha mikatsaka ny ratsy isika ary mampiditra izany ao amin’ny tenantsika, dia nampitandrina Izy fa “ho feno haizina ny tenanao manontolo” (andininy 23). Raha lazaina amin’ny fomba hafa, ilay hazavana na haizina ao amin’ny tenantsika dia miankina amin’ny fomba hahatakarantsika, na handraisantsika, ireo fahamarinana maharitra mandrakizay izay ampianarina antsika.

Tokony hanaraka ilay fanasan’ny Mpamonjy hikatsaka sy hangataka ny hahatakatra ireo fahamarinana maharitra mandrakizay isika. Mampanantena Izy fa vonona ny hampianatra ny olona rehetra ireo fahamarinana izay katsahan’izy ireo ny Raintsika any An-danitra (jereo ny 3 Nefia 14:8). Raha maniry izany isika ary raha mahiratra ny masontsika ka vonona handray, dia mampanantena ny Mpamonjy fa ireo fahamarinana maharitra mandrakizay “dia hovohana” ho antsika (jereo ny 3 Nefia 14:7–8).

Etsy ankilan’izay, i Satana dia maika ery ny hampisavorovoro ny eritreritsika na hampivoana antsika raha ny mahakasika ireo zavatra manan-danja toy ny fiasan’ny fisoronan’ Andriamanitra. Ny Mpamonjy dia mampitandrina ny amin’ny “mpaminany sandoka izay mankeo aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny dia ambodia mitoha izy” (3 Nefia 14:15). Nomeny antsika ity andrana ity mba hanampiana antsika hifantina ny fahamarinana amin’ireo fampianarana samihafa izay mety hampisafotofoto ny saintsika: “Ho fantatrareo amin’ny voany izy,” hoy Izy nampianatra (3 Nefia 14:16). “Ny hazo tsara tsy afaka mamoa voa ratsy, ny hazo ratsy tsy [afaka] mamoa voa tsara” (andininy 18). Noho izany isika dia tokony hijery ny vokatra, “ireo voa,” aterak’ireo fitsipika izay ampianarina sy ireo olona mampianatra izany. Izany no valinteny tsara indrindra ho an’ireo fanoherana maro be rentsika izay atao amin’ny Fiangonana sy ny fotopampianarany ary ireo lalàna mifehy azy sy ny mpitarika ao aminy. Ampiharo ilay andrana nampianarin’ny Mpamonjy. Jereo ireo voa, ireo vokatra.

Rehefa mieritreritra ireo voan’ny filazantsara sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny isika dia mifaly amin’ny fomba nihitaran’ny Fiangonana, tao anatin’ny androm-piainan’ireo mpikambana velona ao aminy, niainga tamin’ireo mpiangona teo an-toerana tany amin’ireo faritra feno tendrombohitra tany andrefana ka lasa hoe ny ankamaroan’ireo mpikambana 16 tapitrisa mahery ao aminy no monina any amin’ny firenena hafa ankoatra an’i Etazonia. Tsapantsika avy amin’io fitomboana io fa mitombo ny fahafahan’ny Fiangonana manampy ny mpikambana ao aminy. Isika dia manampy amin’ny fitandremana ny didy, amin’ny fanatanterahana ireo andraikitra hitory ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, amin’ny fanangonana an’i Isiraely, ary amin’ny fananganana tempoly manerana izao tontolo izao.

Tarihin’ny mpaminany iray isika, dia ny Filoha Russell M. Nelson, izay nampiasain’ny Tompo ny fitarihany mba hanatratrarana ny fivoarana izay tsapantsika nandritra ireo roa taona mahery izay nitarihany. Ankehitriny dia fitahiana ho antsika ny hihaino ny Filoha Nelson, izay hampianatra antsika ny fomba hampitomboana ny fivoarantsika ato amin’ity Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ity mandritra izao fotoan-tsarotra izao.

Ijoroako ho vavolombelona ny fahamarinan’ireo zavatra ireo ary manatevin-daharana anareo aho amin’ny fivavahana ho an’ny mpaminanintsika izay hiteny amintsika manaraka eo, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.