2020
Mahita fialofana amin’ireo tafiotry ny fiainana
Mey 2020


2:3

Mahita fialofana amin’ireo tafiotry ny fiainana

I Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany no fialofana ilaintsika rehetra, na inona na inona tafiotra mamely ny fiainantsika.

Tany amin’ny fisasahan’ny taona sivifolo tany, fony aho mbola tany amin’ny oniversite, dia mpikambana tao amin’ny Andiany fahefatra tao amin’ny Sampana mpamonjy voinan’i Santiago tao Chili aho. Fony aho niasa tao dia nipetraka tao amin’ny tobin’ny mpamono afo ary isan’ny mpiambina tamin’ny alina. Rehefa nanakaiky ny faran’ny taona dia nolazaina ahy fa tokony ho ao amin’ny tobin’ny mpamono afo aho ny sasakalin’ny taom-baovao satria amin’io andro io dia saika misy foana ny vonjy taitra. Gaga aho ka namaly hoe: “Izany tokoa ve?”

Tsaroako ny niandrasako niaraka tamin’ireo mpiara-miasa, raha nanomboka tamin’ny misasakalina ny fitifirana afomanga tao afovoan’i Santiago. Nanomboka nifamihina nifampirary soa ho an’ny taom-baovao izahay. Tampoka teo dia nanomboka naneno ny kiririoka fanairan’ny toby, izay filazana fa misy ny vonjy taitra. Noraisinay ny fitaovanay ary nitsambikina tao amin’ny fiaran’ny mpamonjy voina izahay. Teny an-dalana hamonjy ilay voina, raha nandalo andiam-bahoaka nankalaza ny taona vaovao izahay, dia nahatsikaritra aho fa amin’ny ankapobeny dia tsy taitra mihitsy ary tsy niasa saina izy ireo. Naka aina izy ireo ary nankafy ny alina tamin’ny vanim-potoana mafana. Ireo olona tamin’ny toerana iray tsy dia lavitra teo, izay novonjenay haingana mba ho ampiana anefa dia notandidomin-doza tanteraka.

Io zavatra niainana io dia nanampy ahy hahita fa na dia azo lazaina fa milamina aza ny fiainantsika amin’ny fotoana iray, dia ho avy ny fotoana ho antsika tsirairay avy izay hiatrehantsika olana tsy nampoizina ary tafiotra izay ho tafahoatra izay mafy indrindra azontsika zakaina ny hamafiny. Ny olana ara-batana, ara-tsaina, ara-pianakaviana, ary ara-kasa; ny loza voajanahary; ary ny olana hafa iankinan’ny aina dia santionany fotsiny amin’ireo ohatry ny tafiotra ho atrehantsika eto amin’ity fiainana ity.

Rehefa miatrika ireny tafiotra ireny dia matetika isika no mahatsiaro ho kivy na matahotra. Hoy ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny finoana no fanefitry ny tahotra,” dia finoana an’i Jesoa Kristy Tompontsika izany (“Let Your Faith Show,” Liahona, mey 2014, 29). Rehefa nahita ireo tafiotra izay misy akony eo amin’ny fiainan’ny olona aho, dia hitako fa na inona karazana tafiotra mamely antsika, na misy vahaolana izany na efa madiva hifarana, dia iray ihany no fialofana, ary iray ihany izany ho an’ireo karazana tafiotra rehetra. Ny hany fialofana omen’ny Raintsika any An-danitra dia i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny Sorompanavotany.

Tsy misy amintsika izay tsy hiatrika ireo tafiotra ireo. I Helamàna mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nampianatra antsika ny hoe: “Tsarovy, tsarovy fa eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo; ka rehefa handefa ny rivo maheriny ny devoly, eny, ny zana-tsipìkany ao amin’ny tadio, eny, rehefa hamely anareo ny havandrany rehetra sy ny tafiotra maheriny, dia tsy hanan-kery aminareo izany mba hisintona anareo hidina any amin’ny hantsan’ny fahoriana sy ny loza tsisy farany, noho ilay vatolampy izay iorenanareo eo amboniny, izay fototra azo antoka, dia fototra izay tsy ahafahan’ny olona mianjera raha miorina eo amboniny izy” (Helamàna 5:12).

Ny Loholona Robert D. Hales, izay nanana traikefa manokana tamin’ny fiaretana tafiotra, dia nilaza hoe: “Mihatra amin’ny rehetra ny fijaliana, fa ny tsirairay avy kosa dia samy manana ny fomba hiatrehany izany. Mety hitondra antsika amin’ny iray amin’ireto zavatra roa ireto ny fijaliana. Na izany ho traikefa hampatanjaka sy hanadio ampiarahana amin’ny finoana, na izany ho hery mandrava eo amin’ny fiainantsika raha tsy mino ny sorona fanavotana nataon’ny Tompo isika” (“Your Sorrow Shall Be Turned to Joy,” Ensign, Nov. 1983, 66).

Mba hahafahantsika mianoka ny fialofana izay atolotr’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, dia tsy maintsy mino Azy isika, finoana izay hamela antsika handresy ireo fanaintainana rehetra avy amin’ny fomba fijery tsy mahataka-davitra amin’ny maha-olombelona. Nampanantena Izy fa hanamaivana ny enta-mavesatsika raha toa ka manatona Azy amin’izay zavatra rehetra ataontsika isika.

“Mankanesa aty Amiko” hoy Izy, “hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.

“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho: dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.

“Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako” (Matio 11:28–30; jereo ihany koa ny Môzià 24:14–15).

Voalaza fa “ho an’izay manana finoana dia tsy ilaina ny hanomezana fanazavana. Fa ho an’ny tsy manam-pinoana dia tsy mandaitra ny fanazavana.” Voafetra anefa ny fahatakarantsika ny zavatra izay mitranga ety an-tany, ary matetika isika dia tsy manana ny valin’ny fanontaniana manao hoe nahoana. Nahoana izany no mitranga? Nahoana izany no mitranga amiko? Inona no tokony hianarako? Rehefa tsy mahazo valim-panontaniana isika vao tena mihatra tanteraka ny teny avy amin’ny Mpamonjintsika ho an’ny Mpaminany Joseph Smith tao amin’ny fonjan’i Liberty:

“Anaka, fiadanana anie ho an’ny fanahinao; ny fahorianao sy ny fijalianao dia tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy;

“Ary rehefa izany, raha iaretanao tsara izany, dia hanandratra anao ho amin’ny avo Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–8).

Na dia betsaka aza no mino fa misy i Jesoa Kristy, dia ny hoe moa ve isika mino Azy sy mino ny zavatra izay ampianariny antsika sy asainy ataontsika no fanontaniana tena ilaina apetraka. Mety misy hieritreritra hoe: “Inona moa no fantatr’i Jesoa Kristy momba ny zavatra manjo ahy? Ahoana no hahalalany ny zavatra ilaiko mba hahasambatra ahy?” Raha ny marina dia ny Mpanavotra sy Mpanalalana antsika no resahin’ny mpaminany Isaia rehefa nilaza izy hoe:

“Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana. …

“Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika. …

“Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika; ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika” (Isaia 53:3–5).

Ny Apôstôly Petera ihany koa dia nampianatra mikasika ny Mpamonjy, tamin’ny filazana ny hoe: “Ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo, mba ho faty ny amin’ny ota isika, fa ho velona ny amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo” (1 Petera 2:24).

Na dia efa nanakaiky aza ny fotoana hahafatesan’i Petera ho maritiora, dia tsy nahatsapana tahotra na hakiviana ny teniny; nampianatra ny Olomasina kosa izy ny “iravoravoan[’izy ireo],” na dia “ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ny fakam-panahy maro samy hafa aza” izy ireo. Nanome torohevitra i Petera ny hahatsiarovantsika fa “ny fizahan-toetran’ny finoan[tsika], … na dia voazaha toetra tamin’ny afo aza” dia hitondra amin’ny “fiderana sy voninahitra ary fankalazana … ny hisehoan’i Jesosy Kristy” sy ny “famonjena ny fanahin[tsika]” (1 Petera 1:6–7, 9).

Notohizan’i Petera hoe:

“Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany:

“Fa araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ny fisehoan’ny voninahiny koa” (1 Petera 4:12–13).

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa “afaka ny ho faly ao anatin’ny toe-javatra mitranga rehetra ny olomasina. … “Rehefa ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra, … sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsarany no ifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika. Tonga avy Aminy sy noho ny Aminy ny fifaliana. Izy no loharanon’ny fifaliana rehetra” (“Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2016, 82).

Ekena fa mora kokoa ny miteny an’ireo zavatra ireo rehefa tsy ao anatin’ny tafiotra isika raha mitaha amin’ny hoe miaina sy mampihatra izany mandritra ilay tafiotra. Amin’ny maha-rahalahy na anadahinareo ahy anefa dia manantena aho fa afaka ny hahatsapa ianareo hoe tena maniry amin’ny fo madio aho ny hizara aminareo ny maha-sarobidy ny fahafantarana fa i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany no fialofana ilaintsika rehetra, na inona na inona tafiotra mamely ny fiainantsika.

Fantatro fa zanak’ Andriamanitra daholo isika rehetra, tia antsika Izy, ary tsy irery isika. Manasa anareo aho ho avy sy hahita fa tena afaka manamaivana ny enta-mavesatrareo tokoa Izy ary afaka ny ho ilay fialofana katsahinareo. Avia ary ampio ny hafa hahita ilay fialofana izay tadiaviny mafy. Avia ary mijanòna miaraka aminay ato amin’ity fialofana ity, izay hanampy anao hanohitra ireo tafiotry ny fiainana. Tsy manana fisalasalana ato am-poko aho fa raha ho avy ianareo dia hahita ianareo, hanampy ianareo, ary hijanona ianareo.

Nijoro ho vavolombelona tamin’i Helamàna zanany araka izao manaraka izao ny mpaminany Almà: “Fantatro fa na zovy na zovy no hametraka ny fitokiany amin’ Andriamanitra dia hotohanana izy amin’ny fizahan-toetra azy sy ny fahasahiranany ary ny fahoriany, ary hasandratra izy amin’ny andro farany” (Almà 36:3).

Hoy ny Mpamonjy hoe:

“Koa aoka hionona ny fonareo momba an’i Ziona; fa eo an-tanako ny nofo rehetra; mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra. …

“Koa aza matahotra na dia ny ho faty aza; fa eo amin’izao tontolo izao dia tsy feno ny fifalianareo, fa ao Amiko dia feno ny fifalianareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:16, 36).

Ilay hira ao amin’ny fihirana hoe “Va, ne crains pas (Ô! Mitonia),” izay nanohina ny foko tamin’ny fotoana maro, dia mifono hafatra feno fankaherezana ho an’ny fanahintsika. Toy izao no tonon-kira ao amin’ilay izy:

Ô! Mitonia, ny Tompo anilanao

Ka mahareta amin’ireo fahoriana.

Ny Ray mandrindra ny fiainanao

Ka tsy mandao n’oviana n’oviana.

Ô! Mitonia, fa eo ilay Sakaiza

Izay mitarika anao n’aiza n’aiza. (Cantiques, no. 65)

Eo am-pamakivakiantsika ny tafiotry ny fiainana dia fantatro fa raha manao ny ezaka tsara indrindra avy amintsika isika ary miantehitra amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany mba ho fialofantsika, dia ho tahina isika ka hahazo ny fanampiana, fampiononana, tanjaka, fahononam-po, ary fiadanana izay katsahintsika, miaraka amin’ny fahazoana antoka ao am-pontsika fa rehefa hifarana ny fotoantsika ety an-tany dia haheno ny tenin’ny Tompo isika, manao hoe: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; midìra amin’ny fifalian’ny tomponao” (Matio 25:21). Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.