2022
Nahita ilay fanjaitra tao anaty antonta-mololo
Ôktôbra 2022


Hafatry ny fiadidian’ny vondromparitra

Nahita ilay fanjaitra tao anaty antonta-mololo

Tena liana amin’ny hitondrantsika ny anaran’ireo havantsika manokana any amin’ny tempoly Andriamanitra, ary Izy dia hirotsaka an-tsehatra amin’ireo drafitra hanampiana antsika hitady azy ireo.

Niala tao Lithuanie ny renibeko taorian’ny Ady lehibe voalohany. Maty an’ady tamin’ny Ady lehibe voalohany ny vadiny. Koa rehefa nanirery izy dia nahorony ny fananany ary nanao dia tany Brésil niaraka tamin’ireo zanany efatra izy mba hanomboka fiainana vaovao. Taminy dia toa tsy maintsy navelany tany ny lovany, ny fianakaviany sy ny namany ary ny kolontsainy. Nanao dia irery izy namakivaky izao tontolo izao ho any amin’ny firenena iray izay tsy miteny ny fiteniny. Fantany fa tsy hahita intsony ny tanindrazany izy saingy tsy azony an-tsaina ny lanjan’izany toerana izany ho an’ireo zafikeliny.

Roapolo taona lasa izay, 60 taona taorian’ny nandaozan’izany vehivavy maherifo izany ny tanindrazany, dia niara-niverina tany Lithuanie izaho sy Nelson rahalahiko. Nanao ilay dia izahay mba hitadiavana ny fifandraisam-pianakavianay izay very efa ela. Nahazo zavatra maro mihoatra noho ny nantenainay izahay.

Mino aho fa notarihin’ny fanahin’i Elia izahay teo am-panombohana izany fikarohana izany. Nanantena izahay farafaharatsiny ny hahita ny firaketan’ireo razambenay mba hahafahanay nanome fahafahana azy ireo handray ny fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ao amin’ny tranon’ny Tompo.

Tsy nanana afa-tsy sombim-pamantarana kely monja izahay hanampy anay hanomboka ny fikarohana. Sarin’ny anabavinay alavitra atao hoe Marcelle no nanananay izay mbola kely izy tamin’ny fotoana nandaozan’ny renibeko ny firenena. Nanana karatra paositaly anankiroa ihany koa izahay izay nalefan’i Marcelle ho an’ny fianakavianay tany Brésil. Nalefa tsy nisy adiresin’ny mpandefa izy ireo saingy nasiana hajia nisy fitomboky ny paositra izay nisy ny anaran’ny tanàna nandefasana azy tany amin’ny paositra. Nalefa paositra tamin’ny taona 1935 ny iray, ary ny iray hafa tamin’ny 1945. Tanàna roa samihafa no nisy ny paositra nandefasana azy ireo.

Efatra andro monja no nahafahanay nikaroka ireo fianakavianay tany Lithuanie nialoha ny nodianay. Fohy ny fotoana. Tamin’ny andro voalohany dia nangataka tamin’ny mpitari-dia anay izahay mba hitondra anay any amin’ny tanàna nandefasana ilay karatra paositaly vao haingana kokoa. Nieritreritra izahay fa any no tokony hanombohanay. Nanantena izahay fa mety hahatadidy azy ny olona tao amin’ilay toerana nipetrahany vao tsy ela.

Nahatsikaritra zavatra tsy nety izahay taorian’ny ora roa nandehananay fiara. Tsy nanaraka ny toromarika nomenay ilay mpitari-dia. Nentiny tany amin’ilay tanàna niavian’ilay karatra paositaly voalohany izahay. Tamim-pahadisoam-panantenana no niangavianay ilay mpitari-dia hitondra anay amina fiangonana Katôlika iray, no sady nanantena izahay fa hahita fampahalalana sasantsasany mombamomba an’i Marcelle, na ny fianakaviany.

Mbola hitako sary ato an-tsaiko foana ilay fiangonana Katôlika kely nitondrana anay. Raha iny tonga iny izahay dia nahita pretra nanidy ny vavahady miditra mankao amin’ilay fiangonana aho. Toy ny hoe handeha mihitsy izy.

Nampakanay toerana haingana ny fiaranay ary nihazakazaka nanakana ilay pretra izahay mba hanontany azy raha toa efa nahenoheno momba an’i Marcelle Aidukaitis izy. Akory ny hagaganay raha nilaza taminay izy fa nahafantatra vehivavy mitondra izany anarana izany. Masera izy io ary efa niampita ny voaly 10 taona lasa izay. Tsy hainy raha toa io ilay Marcelle tadiavianay fa nilaza izy fa fantany ny toerana misy ny tranon’ny fianakaviany ary vonona ny hitondra anay any izy.

Tena ilay fianakaviana notadiavinay tokoa ilay fianakaviana nihaona taminay. Hitanay ny fianakavianay tao Lithuanie. Nahita fanjaitra tao anatin’ny antonta-mololo izahay taorian’ny andrana voalohany nataonay. Tena fahagagana izany.

Mbola tsaroako foana ny fomba nitarihan’ Andriamanitra anay tamin’izay andro izay. Voalohany, nifanohitra tamin’ny torolalana nomenay, nentin’ilay mpitari-dia anay tany amin’ny tanàna hafa tamin’ilay noeritreretinay haleha izahay. Manarak’izany, tonga tany amin’ilay fiangonana Katôlika tamin’ny fotoana nialan’ilay pretra nahafantatra an’i Marcelle an’ilay toerana mihitsy izahay. Raha tara 30 segôndra monja ny dianay natao tanatin’ny roa ora dia tsy ho nahatratra ilay pretra. Raha tsy nila fotoana nanidiana ny toerana ilay pretra dia tsy ho tratranay izy. Tsy haiko raha toa ho nahita ny fianakavianay izahay nandritra ilay dia raha hafa ny fandehan’ny zavatra rehetra.

Saingy fantatr’ Andriamanitra ny fanirianay ka nitarika anay indrindra tamin’ny toerana tokony hisy anay Izy.

Nisy fivoriam-pianakaviana niarahana tamin’ireo havana izay hitanay tany Lithuanie izahay telo andro taty aoriana. Nisy 60 ny isan’ny olona tao amin’ny fianakaviana no tonga nanatrika. Zavatra tsy mampino.

Tena liana amin’ny hitondrantsika ny anaran’ireo havantsika manokana any amin’ny tempoly Andriamanitra, sy ny hanatanterahantsika ny ôrdônansy ho azy ireo, ary Izy dia hirotsaka an-tsehatra amin’ireo drafitra hanampiana antsika hitady azy ireo. Rehefa maneho na dia fahalianana kely fotsiny amin’ny fikarohana azy ireo fotsiny isika dia hanao fahagagana Izy.

Manasa ny rehetra aho hanandrana ity asa ity miaraka amin’ny tanan’ Andriamanitra amin’ny fanaovana izay azontsika atao, hitondrana any amin’ny tempoly ireo havantsika efa maty. Enga anie Andriamanitra hitahy antsika amin’ity asa lehibe ity.

Hamoaka printy