2022
Mandray ny fanafianao masina
Ôktôbra 2022


Ny diako eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana

Mandray ny fanafianao masina

Ny fanafiana masina dia fahafahana masina iray omena ny mpikamban’ny Fiangonana mendrika sy vonona rehetra izay 18 taona farafahakeliny ary vonona ny handray izany.

Fitahiana miavaka ny maha-mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Manana ny fahafenoan’ny filazantsara mandrakizay isika amin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Afaka mianatra ireo “fahamarinana tsotra sy sarobidy”1 izay takina ho an’ny famonjena antsika isika. Mianatra isika ao amin’ny soratra masina fa “tsy azo heverina ny hamonjena ny olona ao amin’ny tsy fahalalana” (F&F 131:6). Ny Mpanavotra antsika dia nanamafy fa ny fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra ilay hany Andriamanitra marina—ny Raintsika any An-danitra sy Izy—Jesoa Kristy. Iray amin’ireo fomba azo antoka indrindra hahafantarana ny Mpamonjintsika sy ny Raintsika any An-danitra dia amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanafiantsika masina any amin’ireo tempoly masina.

Toy izao no vakiantsika ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: “Ny fanafiana masina any amin’ny tempoly dia fitahiana masina avy amin’ Andriamanitra ho an’ny tsirairay avy amintsika. Amin’ny fombany sy any amin’ny tempoliny irery ihany no azo andraisana ny fanafiana masina. Ny sasany amin’ireo fanomezam-pahasoavana raisinao amin’ny alalan’ny fanafiana masina any amin’ny tempoly dia ahitana ny:

  • Fahalalana lehibe kokoa momba ny tanjon’ny Tompo sy ireo fampianarany.

  • Hery hanavaovana ny zavatra rehetra tian’ Andriamanitra hataontsika.

  • Fitarihana sy fiarovana avy amin’ Andriamanitra rehefa manompo ny Tompo, sy ny fianakaviantsika, ary ny hafa isika.

  • Fitomboam-panantenana sy fampiononana ary fiadanana.”2

Ny fanafiana masina dia fahafahana masina iray omena ny mpikamban’ny Fiangonana mendrika sy niomana rehetra izay 18 taona farafahakeliny ary vonona ny handray izany. Manan-danja ny hoe mendrika, manan-danja ny hoe vonona, manan-danja ny hoe niomana. Tsaroako ny zavatra nataoko mba ho mendrika sy vonona ary niomana ho amin’io ôrdônansy masina io: miezaka mafy ny mitandrina ireo didy, mibebaka isan’andro, mivavaka isan’ andro, mandalina ny soratra masina isan’ andro, ary miantehitra tanteraka amin’ny sorompanavotana, manatrika ny kilasy fiomanana handeha ho any amin’ny tempoly, ary mandalina ireo lahateny momba ny tempoly.

Volana vitsivitsy talohan’ny nandehanako nanao asa fitoriana ny filazantsara, izaho sy ny fianakaviako dia nandray fitahiana roa sosona raha nofehezina tany amin’ny tempoly sy nandray ny fanafianay masina tamin’io andro iray io ihany. Hankamamian’ny foko mandrakizay izany fahatsiarovana izany. Rehefa niditra ny tempoly aho nony farany, nihazona tamim-pifaliana ny fahazoan-dalako hidirako ny tempoly, nomban’ny fahafantarana fa nahazo lalana ny hihaona amin’ny Tompo aho, dia nisy hafaliana tao amin’ny fanahiko!

Nampahatsiahy antsika ny Filoha Russell M. Nelson fa “ny fiaraha-mientana rehetra, ny lesona rehetra, ny zavatra rehetra ataontsika ato amin’ny Fiangonana, dia manondro any amin’ny Tompo sy ny tranony masina. Ireo ezaka ataontsika mba hitoriana ny filazantsara, ho fanatanterahana ny Olomasina, ho fanavotana ny maty, izany rehetra izany dia mitondra ho any amin’ny tempoly. Ny tempoly tsirairay dia mijoro ho mariky ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny Fiangonana, ho famantarana ny finoantsika ny fiainana aorian’ny fahafatesana, ary ho dingana masina mankany amin’ny voninahitra mandrakizay ho antsika sy ny fianakaviantsika”.3

Rehefa miomana ny handray ny fanafianao masina ianao dia handray fifaliana.

Fanamarihana

  1. Jereo ny « Quelles vérités claires et précieuses le Livre de Mormon a-t-il rétablies ? », Le Liahona, janvier 2020, 41.

  2. Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 27.2, ChurchofJesusChrist.org.

  3. Russell M. Nelson, « La preparation personnelle aux bénédictions du temple », Conférence générale avril 2001.

Hamoaka printy