2022
Pejy ao amin’ny Liahona ho an’ny Vondromparitra Afrika Atsimo: Mivoaka isan-telo volana
Ôktôbra 2022


Fampahafantarana Faritra

Pejy ao amin’ny Liahona ho an’ny Vondromparitra Afrika Atsimo: Mivoaka isan-telo volana

Ny Pejy ao amin’ny Liahona ho an’ny Vondromparitra Afrika Atsimo dia manome fahafahana ireo mpamaky ato amin’ny Vondromparitra Afrika Atsimo hamaky hafatra feno aingam-panahy avy amin’ireo mpitarika eo an-toerana, sy hihaino ny zavatra niainan’ireo mpikambana hafa aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo, ary handray fitarihana izay mifandray amin’ireo fanamby atrehantsika mpikambana rehefa miaina ny filazantsara eto amin’ny faritra atsimon’i Afrika.

Manomboka amin’ny desambra 2022 dia hisy isaky ny telo volana ireo pejy miisa valo ho an’ny votoatiny eto an-toerana. Ao anatin’ny famoahana tsirairay ianao dia hahita ary afaka manantena hafatra avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra misy antsika sy ireo mpitarika hafa ato amin’ny Vondromparitra, vaovao eto an-toerana, ary tantara manentana ny fanahy avy amin’ireo mpikambana mitovy aminao.

Hisy ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile ihany koa ireo pejy ireo.

Raha hijery izany ao amin’ny application dia tsindrio ny Médiathèque >> Gazetiboky >> Liahona >> Safidio ny laharana mivoaka isam-bola tianao hovakiana, dia akisaho ambany mankany amin’ny farany ambany amin’ireo lahatsoratra misy dia tsindrio ny Pejy ho an’ny Vondromparitra Afrika Atsimo.

Manantena izahay fa ho ankafizinao izany!

Hamoaka printy