HAFATRA AVY AMIN’NY MPITARIKA EO AN-TOERANA
Fa tsy hatao tanteraka izy ireo raha tsy eo isika
Mampianatra antsika ny fanambarana maoderina fa ny “fanatanterahana ny olomasina” dia tsy tonga raha tsy amin’ny alalan’ny fanangonana an’i Isiraely avy amin’ny lafy roa an’ny voaly.
Nampianatra antsika i Paoly apôstôly fa ny Tompo dia nanorina ny Fiangonana mba ho: “Fanatanterahana ny olomasina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny fiangonana, ho amin’ny fampadrosoana ny tenan’i Kristy: mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’ Andriamanitra” (Efesiana 4:12–13). Naverin’ny Tompo tamin’ny laoniny indray ny Fiangonany mba hitahiana ny zanak’ Andriamanitra rehetra amin’izao fotoampitantanana farany an’ny filazantsara izao, miaraka amin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ilaina ho an’ny “fanatanterahana ny olomasina”.
Nitarin’ny Filoha Russell M. Nelson ho amin’ny fotokevitra lehibe kokoa momba ny fanangonana an’i Isiraely avy amin’ny lafy roa an’ny voaly ny “fanatanterahana ny olomasina”. Rehefa miezaka mafy ny handeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika amin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana amin’ny Tompo sy rehefa manampy manangona an’i Isiraely amin’ny lafy roan’ny voaly, dia manao izay hahatanteraka ny tenantsika sy ny fianakaviantsika izay mandray anjara amin’ity asa ity eto an-tany isika rehefa manampy ireo razambentsika any amin’ny tontolon’ny fanahy.
Mampianatra antsika ny fanambarana maoderina fa ny fanatanterahana ny olomasina dia tsy tonga raha tsy amin’ny alalan’ny fanangonana an’i Isiraely: “Fa tsy hatao tanteraka isika raha tsy eo izy ireo; tsy hatao tanteraka koa izy ireo raha tsy eo isika. Na izy ireo na isika dia samy tsy hatao tanteraka raha tsy eo ireo izay efa maty tao amin’ny filazantsara ihany koa” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18).
Io fanambarana io dia milaza amintsika ny antony ilaintsika manohy mikaroka ireo razambentsika ao anatin’ny rafi-tetiarana midadasika misy ny firazanantsika mba hahafahantsika mitondra anarana betsaka an’ireo razambetsika any amin’ny tempoly, toerana izay ahafahantsika misolo tena azy ireo ho an’ny fanavotana azy ireo sy ho an’ny fisandratan’izy ireo. Amin’ny fomba ahoana no hahatanteraka antsika amin’ny alalan’izany?
Araka ny nampanantenaina ao amin’ny soratra masina sy ny nampanantenan’ireo mpaminany velona, rehefa mikaroka ireo razambentsika isika, ilay fampanantenana nataon’i Malakia dia ho tanteraka eo amin’ny fiainantsika—hampody ny fon’ny ray amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy (jereo ny Malakia 4:6).
Rehefa miroboka ao anatin’izany isika dia ho fantatsika fa velona izy ireo ary misy izy ireo. Hampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika sy ny finoantsika ary ny fahalalantsika momba ny drafitra lehiben’ny fanavotana isika. Izany dia ho tonga amin’ny alalan’ireo zavatra iainana maro izay iarahantsika sy anao amin’izy ireo rehefa mirotsaka amin’ity asa ity isika, ka manao izay hahatanteraka azy ireo sy ny tenantsika ao anatin’ilay dingana, ary manatanteraka ny tenin’i Isaia manao hoe:
“Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly ery an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjeny, eny, izay manao amin’i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitra!” (Isaia 52:7).
Handray ireo fitahiana nampanantenain’i Nefia isika: “Ary hotahiana izay hikatsaka ny hampiorina an’i Zionako amin’izany andro izany fa izy no handray ny fanomezana sy ny herin’ny Fanahy Masina; ary raha maharitra hatramin’ny farany izy dia hasandratra amin’ny andro farany ka hovonjena ao amin’ny fanjakan’ny Zanakondry izay maharitra mandrakizay; ary na zovy na zovy no hitory ny fiadanana, eny, ny teny soa mahafaly, dia endrey ny hatsarany ery an-tendrombohitra” (1 Nefia 13:37).
Avelako aminareo izao tenivavolombeloko izao amin’ny maha-Fitopolohin’ny Vondromparitra ahy sy amin’ny maha-vavolombelana manokana ny anarany ahy: fa Izy, Tompo Jesoa Kristy dia velona, fa Izy dia tia antsika, ary Izy dia nanomana lalana ho an’ny fanatanterahana antsika sy ny fianakaviantsika amin’ny alalan’ny sorompanavotany sy ny famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonany sy ny filazantsarany mbamin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana miaraka amin’izany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratan’ny zanakolombelona avy amin’ny lafy roa an’ny voaly amin’izao andro farany izao. Enga anie isika “[hamela an’] Andriamanitra . . . hanjaka”1 eo amin’ny fiainantsika ka hanana fiainana mandrakizay ao Aminy sy miaraka Aminy, dia ny Mamponjy antsika!