2022
“Mamiratra ny hoavy”: Mihaona amin’ireo mpikambana ao Mozambika ny Loholona Rasband
Ôktôbra 2022


Vaovao eo an-toerana

“Mamiratra ny hoavy”: Mihaona amin’ireo mpikambana ao Mozambika ny Loholona Rasband

Vorilanona ireo Olomasina tao Maputo mba hihaino ny torohevitra avy amin’ny iray amin’ireo Apôstôly Roambinifolo.

Mpikambana nananika ny 1.000 isa no nifanjohy tamina 2.000 isa hafa an-jotra mba hihaino ny feon’ny Loholona Ronald A. Rasband, iray amin’ireo apôstôly roambinifolo, tao Maputo, Mozambika tamin’ny volana mey.

Inoana fa io no fivorian’ny olomasina lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny firenena. Saingy hoy ny Loholona Rasband tamin’ireo mpikambana hoe: “Misy fahatsapana ao anatiko manosika ahy hilaza aminareo hoe santatra ambaravarano fotsiny izao . . . mamiratra ny hoavin’ny Fiangonana eto Mozambika.”

“Tena marina fa fiangonana andian-taranaka voalohany ny fiangonanantsika eto Mozambika,” hoy izy tamin’ireo olomasina. “Saingy eo am-panorenana fiangonana ahitana taranaka tsy mialon-jafy ianareo. Tiako ho fantatrareo fa hody ventiny ny rano nantsakaina.”

Nanasa ireo mpikambana ny Loholona Rasband mba “hijoro amin’ny toerana masina” eo am-panorenan’izy ireo ny Fiangonana sy eo am-pamakivakian’izy ireo ireo loza misy amin’izao vanim-potoana misy antsika izao: any an-tokantrano, sy any amin’ireo trano fiangonan’izy ireo, ary amin’ny farany, any amin’ny Tempolin’i Beira, rehefa voaorina izany.

Nofaranany tamin’ny tsodrano. “Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia ahitana fitahiana iray voatonona matetika ho an’ny olona. Milaza toy izao ilay izy, -Rehefa mitandrina ny didin’ Andriamanitra ianareo dia hiroborobo eo amin’ny tany,-” hoy ny Loholona Rasband. “Anio aho eto Maputo Mozambika dia manome io fampanantenana io ho anareo rehetra.

“Tandremanareo ny didy dia hitahy anareo ny Ray any An-danitra ka hampiroborobo anareo eo amin’ny tany.”

Niala aloha tany am-piasana i Nilsa Bina Muiocha mba nahafahany nanatrika ilay fotoana. “Feno fankasitrahana aho fa tonga eto,” hoy izy. “Nolazaiko ny lehibeko hoe: -Tsy maintsy mandeha any aho. Tsy maintsy manatrika any aho-, ary tsy azo ihodivirana fa manan-danja izany,” hoy ny Rahavavy Muiocha.

Raha nandinika ny zavatra nisongadina taminy izy, dia hoy izy hoe: “nandefa hafatra ho antsika ny mpaminanintsika, ary nilazy izy hoe tiany isika, ary tia antsika ny Mpamonjy. Tsapako ny fitiavan’ny Mpamonjy raha nozaraina ireo teny ireo, ary tsapako ihany koa ny fitiavan’ny mpaminanintsika.”

“Nampitolagaga sy tsara ery ilay izy,” hoy i Isaias Macamo, raha niresaka taorian’ilay fotoana. “Tianay ny fotoana rehetra momba ilay izy.”

“Antenaiko fa horaisin’ireo mpikambanana vaovao ho tombontsoa izao, ary mba haniry ny hiaina zavatra misimisy toy izao izy ireo. Nahatsapa ny fanahy aho,” hoy ny Ravavy Macamo.

Hoy ny Rahalahy Macamo hoe: “ny zavatra iray izay nisongadina tamiko dia ilay fanasana mba hijoro amin’ny toerana masina. Niteny ny Loholona Rasband fa ny tokantrano no toerana masina voalohany izay azontsika ianteherana.”

Nanatrika ilay tranga i Taynara Manhira andro vitsy nialoha ny fotoana katroka niaingany tao Mozambika mba handehanana hitoriany ny filazantsara any Angôla. Nolazainy fa nanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona nanany momba an’i Jesoa Kristy sy ny finoany Azy izany. “Ho fahatsiarovana miavaka azoko entina miaraka amiko sy hosaintsainiko eo am-panompoana izany,” hoy izy.

Mpirotsaka ho misiônera iray hafa nanatrika ilay fampaherezam-panahy i Isaias Macamo Junior. “Voninahitra lehibe ny nandefasan’ny Tompo ireo fanalahidin’ny fisoronanana aty Mozambika,” hoy izy. “Tombontsoa lehibe ny niaraka tamin’ny Apôstôly sy nihaino azy nizara ny fijoroany ho vavolombelona. Andro iray manan-tantara tokoa izany ary tsy hohadinoiko mandrakizay.”

Hoy ny Rahalahy Macamo Junior raha nandinika ny fampahatsiahivan’ny Loholona Rasband fa santatra am-bavarano fotsiny izany: “Tsy takatry ny saiko izay mbola ho avy. Tsoriko fa izaho dia mino ny zavatra nampianarin’ny Loholona Rasband—fa mamiratra tokoa ny hoavin’ny Fiangonanana eto Mozambika.”

Hamoaka printy