2022
Ôktôbra: Filohan’ny sampana voalohany voantso tany Kitwe, Zambia
Ôktôbra 2022


Amin’ity volana ity ao amin’ny tantaran’ny Fiangonana

Ôktôbra: Filohan’ny sampana voalohany voantso tany Kitwe, Zambia

Voantso ho filohan’ny sampana voalohany tao amin’ny Sampana Kitwe, Zambia i Goodson Mofya Kapata tamin’ny taona 2002, saingy taona maro lasa talohan’izany no nisehoan’ny fiovam-pony.

Indray andro raha teo am-panadiovana ireo fitoeram-boky tao an-tranony izy dia nahita boky kely momba an’i Joseph Smith ary rehefa avy namaky izany dia nahafantatra izy fa marina Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Lasa niombon-kevitra taminy ny fianakaviany iray manontolo. Raha teny an-dalana handeha hatao batisa rahalahy Kapata sy ny anabaviny tamin’ny taona 1994 dia simba ny fiaran’izy ireo. Rehefa nandeha indray izy ireo ny ampitson’iny dia hitan’izy ireo fa nesorina tao amin’ny faritr’i Copperbelt izay nisy an’i Kitwe ny Fiangonana. Niandry ny fiverenan’ny Fiangonana rahalahy Kapata tao anatin’ny valo taona.

Tamin’ny taona 2002 dia nisy mpivady zokiolona nalefa tany Copperbelt mba hanampy ireo mpikambana tany ary tamin’ny ôktôbra 2002 dia natao batisa ihany nony farany rahalahy Kapata sy ny fianakaviany. Roa volana taty aoriana dia nomena ny Fisoronana Melkizedeka rahalahy Kapata ary natokana ho filohan’ny sampana Kitwe izay vao naorina.

Hamoaka printy