2022
Pathway Worldwide = Fandrantoana fianarana ho amin’ny asa tsaratsara kokoa
Ôktôbra 2022


Vaovao eo an-toerana

Pathway Worldwide = Fandrantoana fianarana ho amin’ny asa tsaratsara kokoa

Ny fampianarana ambaratonga ambony an-jotra amin’ny sarany mora dia manomana ny lalana ho amin’ny hoavy tsara kokoa ho an’ny Afrikana maro.

Ny BYU–Pathway Worldwide dia natomboka taona vitsivitsy lasa izay teo amin’ireo firenena Afrikana ary mitahy fiainana maro eto amin’ny kaontinanta. Efa manakaiky ny 2000 eo ho eo ny mpianatra, mpikambana na tsy mpikambana izay nisitraka izany. Efa nomena lalana mialoha ny hanaovan’ireo misiônera niverina BYU–Pathway ary omena fihenam-bidy 25% avy hatrany rehefa misoratra anarana. Ny mpianatra rehetra dia afaka mahazo ny Heber J. Grant Scholarship, vatsim-pianarana mety hampihena ny saram-pianaran’izy ireo hatramin’ny 50%. Fa ankoatra izany, ireo mpianatra tsy mahay miteny anglisy dia manana fahafahana hianatra teny anglisy amin’ny alalan’ny EnglishConnect ary avy eo misoratra anarana amin’ny PathwayConnect. Mpianatra maro no manao tatitra fa nahazo asa, nahazo toerana tsaratsara kokoa, na nanitatra fotsiny ny orinasany teo am-panaovana ny mari-pahaizana lisansa.

Nianatra voalohany momba ny BYU–Pathway tamin’ny Filohan’ny Misiônany tany Côte d’Ivoire i Annet Nankumba avy ao amin’ny Paroasy Upperhill any Nairobi, Kenya. Tena natahotra ny handrato fianarana eny amin’ny oniversite i Annet noho ireo naoty ambany azony tany amin’ny lisea. Volana vitsivitsy taorian’ny niverenany avy tamin’ny asa fitoriana nataony dia nanapa-kevitra ny hisoratra anarana amin’ny PathwayConnect izy ary nanomboka ny diany ho amin’ny lisansa. Izany no hahatonga azy ho olona voalohany nahazo diplaoman’ny oniversite teo anivon’ny fianakaviany. “Fitahiana lehibe ho ahy ny PathwayConnect. Ny iray tamin’ireo taranja voalohany nataoko dia nampianatra ahy momba ny fananana toe-tsaina mivelatra. Tsy toy ny teo aloha aho izao fa mijery ny tsy fahombiazana ho toy ny fahafahana hivelarana,” hoy izy.

Nanazava bebe kokoa i Annet hoe: “Ny olona manana toe-tsaina miraikitra dia matahotra ny tsy fahombiazana, milavo lefona haingana rehefa mihasarotra ny raharaha, ary mahita ny tenany ho tsy marani-tsaina. Mba hifantoka hatrany amin’ny lalan’ny fianarako dia tsy maintsy mijery ny lafin-tsaran-javatra aho ary matoky ny Raiko any An-danitra izay hanampy ahy hiatrika ireo fanamby.” Nilaza i Annet fa nianatra fitantanana ara-bola tsara kokoa koa izy, izay manampy azy amin’ny orinasa keliny. “Nianatra nanao laharam-pahamehana ny fandoavana ny fahafolonkarena aho ary ankehitriny dia mahatsapa bebe kokoa ny fitarihan’ny Mpamonjy ahy eo amin’ny fiainako. Nentanin’ny fampaherezam-panahy isan-kerinandro sy ireo kilasin’ny institiota fianarana ny filazantsara aho; izany rehetra izany dia manampy amin’ny fampitomboana ny finoako ny Mpamonjy. Fantatro fa mahavita zavatra sarotra aho!”

Samy mpianatry ny BYU–Pathway i Phineas Nyambita sy i Caroline vadiny. I Phineas dia efa nahavita asa fitoriana ny filazantsara ary manompo amin’ny maha-filohan’ny sampana ao Dar es Salaam, Tanzania. Nilaza an’izao manaraka izao i Phineas izay mianatra mba hahazo mari-pahaizana Lisansa amin’ny Technologie Appliquée: “Ankafiziko ilay fandaharanasa satria miasa manontolo andro aho ary manatrika ny kilasiko. Ny maha-vady sy ray sy mpitarika eo anivon’ny fiangonana, ary miampy andraikitra hafa amin’ny maha-mpianatra dia mety ho mavesatra. Na izany aza, hitako fa azo atao amim-pahombiazana lehibe izany.” Nitodika tany amin’ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony tao amin’ny Sampana Chang’ombe sy tany an-toeran-kafa i Phineas, nanome izao torohevitra izao: “Fantatro fa tian’ny Tompo hahomby isika eto amin’izao fiainana izao.

“Na izany aza dia mety tsy ho tonga ny fahombiazana raha tsy manao zavatra amim-pinoana isika. Mety ho be dia be ny zavatra tokony hataontsika amin’ny maha-ray, reny, mpitarika, ary tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony. Afaka ny hahomby isika rehefa miaraka amin’ny finoana sy ny faniriana hianatra ny fomba fametrahana laharam-pahamehana. Ny BYU–Pathway dia hanampy ireo rehetra izay te hanohy ny fianarany mba hanorenana ny fototry ny fahazoana fahombiazana amin’ny alalan’ireo fahafahana izay ho avy amin’ny hoavy.”

Caroline dia manana mari-pankasitrahana PathwayConnect ary tsy maintsy nampiato ny fianarany mba hamelana ny fahaterahan’ny zanany faharoa volana vitsivitsy lasa izay. “Hanohy indray aho ny volana septambra ho avy izao; efa nisoratra anarana aho”, hoy izy. Rehefa manao jery todika ny diany namakivaky ny PathwayConnect i Caroline dia nilaza hoe: “Tsy mora ilay dia satria manana zavatra maro tokony hotanterahina amin’ny maha-reny anay izahay. Na izany aza, noho ny finoana sy ny lesona avy amin’ny BYU–PathwayConnect dia nandroso aho ary nahavita ny PathwayConnect. Ny fampaherezam-panahy isan-kerinandro no nandrisika ahy handroso isan’andro. Nampahery ahy ny nihaona tamin’ny mpiara-mianatra tamiko nandritra ny fivoriana isan-kerinandro sy ny fihainoana ny zavatra niainany. Nitalaho tamin’ny Raiko any An-danitra aho mba hahazoako fanampiana sy hery mba hahavitako ny fianarako.”

Indraindray ny fikatsahana mari-pahaizana Pathway dia dingana maharitra sy ilana faharetana. Nizara ny traikefany i Daddy Kampoy David. “Manana fianakaviana tanora aho ary miasa manontolo andro. Mpanolotsaina voalohany ao amin’ny Paroasin’i Bandalungwa, RDC, ary mampianatra ao amin’ny fandaharanasa EnglishConnect aho. Tena voafetra ny fotoanako hianarana. Nanomboka ny mari-pahaizako aho tamin’ny 2020 ary manantena ny hahavita izany amin’ny 2024. Mifoha amin’ny 5:00 maraina aho mba hianatra, hikarakara ny fianakaviako, hiasa mandritra ny tontolo andro, ary hianatra adiny roa alohan’ny hodiana amin’ny alina. Mialoha ny fanadinana dia maka andro vitsivitsy hialana sasatra aho mba hianatra. Fantatro fa ity mari-pahaizana ity dia hanampy ahy hitombo amin’ny maha-olona ahy ary hanome fiainana azo antoka kokoa ho an’ny fianakaviako. Fantatro fa zava-dehibe ny hanaovako izany!”

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanolotra ity fanasana sy fampanantenana ity: “Ny BYU–Pathway Worldwide dia mitondra fomba fiasa vaovao amin’ny fandratoana fianarana. Mamporisika ny olona tsirairay aho, na firy taona na firy taona, mba hanohy hianatra. Araho izay lalana mety ho sarobidy indrindra aminao sy ny fianakavianao manokana. Ho voatahy ianao rehefa manao an’izany. Hivoatra ara-akademika, arak’asa ary ara-panahy ianao rehefa mikatsaka ny hanatsara ny fianaranao.”1

Misokatra ho an’ny rehetra ny BYU–Pathway. Raha liana amin’ny fanohizana ny fianaranao ianao dia mba tsidiho azafady ny www.byupathway.org.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, Fitokanana ny BYU–Pathway Worldwide Inauguration, 16 nôv. 2017.

Hamoaka printy