Seminera
2 Nefia 25: Voavonjy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy


“2 Nefia 25: Voavonjy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 25,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 25

Voavonjy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Jesoa Kristy

Efa nisy olona iray nanamaivana na nanavotra anao tamina toe-javatra sarotra ve? Inona no tsapanao momba izany olona izany taorian’ny fanampiany? Rehefa avy nanasongadina ny maha-zava-dehibe ireo fampianarana ara-paminaniana i Nefia, dia nijoro ho vavolombelona izy fa i Jesoa Kristy irery ihany no manana ny hery hamonjena ny olona rehetra. Ity lesona ity dia hanampy anao hahatakatra ny fomba hamonjena anao amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy.

Mampianatra ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany. Ny fotopampianarana sy fitsipika marina momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany. Rehefa manampy ny mpianatra handalina izany ianao, ny Fanahy Masina dia afaka mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana ao an-tsain’izy ireo sy ao am-pon’izy ireo. Afaka ny ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa izy ireo, amin’ny alalan’ny fampiharana tsy tapaka ny fotopampianarana sy fitsipika marina.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra ho tonga ao am-pianarana efa vonona hiresaka mombana hafatra iray momba an’i Jesoa Kristy izay nisy fiantraikany teo amin’izy ireo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny lalan-tokana ahafahantsika ho voavonjy

Mba hanombohana ny lesona, dia mizarà tantaran’olona iray navotana na novonjena. Mety ho azonao atao ihany koa ny hangataka ny mpianatra hizara mombana fotoana iray nanavotana na namonjena azy ireo na olona iray fantatr’izy ireo.

ChurchofJesusChrist.org

5:36

Ao amin’ny 2 Nefia 25, i Nefia dia nampahatsiahy ny olony fa ireo mpaminany dia nijoro ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no Mesia, izay midika hoe Ilay Voahosotra na Mpanafaka ny olona rehetra (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mesia,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Noraketin’i Nefia an-tsoratra fa na dia hiely aza ny Jiosy noho ny tsy finoan’izy ireo, raha mino an’i Jesoa Kristy izy ireo, dia hanangona sy “[hampody azy ireo] amin’ny laoniny ho afaka amin’ny toetry ny fahaverezana sy ny fahalavoana” ny Tompo (2 Nefia 25:15–17).

Vakio ny 2 Nefia 25:18–20, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Nefia momba ny fomba hamonjena ny Jiosy (sy ny zanak’ Andriamanitra rehetra). Mety hanampy ny fahafantarana fa ao amin’ny soratra masina, ny teny hoe anarana dia azo ampiasaina hanehoana ny hery sy fahefan’ny olona iray. Marina tokoa izany indrindra rehefa ny Mpamonjy no tondroina.

  • Inona no amonjen’i Jesoa Kristy antsika?

  • Mety hanao ahoana raha toa ka tsy nanana Mpamonjy isika?

Voavonjy amin’ny alalan’ny fahasoavana

Vakio ny 2 Nefia 25:23, hitadiavana ny fomba amonjen’i Jesoa Kristy antsika.

Ity fizarana manaraka ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny fahasoavana.

Ny fampahalalana fanampiny momba ny fahasoavana dia hita ao amin’ny fizarana hoe “Fanamarihana sy fampahalalana voarakitra”.

  • Inona avy ireo fanontaniana sasantsasany mety hapetrakao mba hahazoana fahatakarana lalina kokoa momba ireo fampianaran’i Nefia ao amin’ny andininy 23?

Hevero ny hanoratra ireo fanontanian’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe. Mety hametraka fanontaniana toy ny hoe “Inona izany fahasoavana izany?” sy ny hoe “Inona no dikan’ny hoe voavonjy isika aorian’ny zavatra rehetra azontsika atao?” izy ireo.

Ampiasao ity tahirin-kevitra manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hamaly ireo fanontanian’izy ireo.

Ny fahasovana dia fanampiana na hery avy amin’ Andriamanitra omena antsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Tompo Jesoa Kristy. …

Ny fahasoavana dia fanomezana avy amin’ny Ray any An-danitra nomena tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany lahy. Ny teny hoe fahasoavana araka ny ampiasana azy ao amin’ny soratra masina, dia manondro voalohany indrindra ny hery mampatanjaka sy manasitrana ara-panahy natolotra tamin’ny alalan’ny famindrampo sy ny fitiavan’i Jesoa Kristy. (Sujets de l’Évangile, “Grâce,” topics.ChurchofJesusChrist.org

Nanazava toy izao ny Filoha Dieter F. Uchtdorf tamin’izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany:

19:13
Filoha Dieter F. Uchtdorf

Manontany tena aho indraindray sao diso ny fandraisantsika ny teny hoe “rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao.” Tsy maintsy tokony ho takatsika fa ny hoe “rehefa” dia tsy mitovy amin’ny hoe “noho.”

Tsy voavonjy isika “noho” ireo zavatra rehetra azontsika atao. Moa ve isika rehetra samy nahavita ny zavatra rehetra izay azontsika natao? Moa ve Andriamanitra miandry antsika hahavita ny ezaka rehetra alohan’ny hidirany an-tsehatra eo amin’ny fiainantsika miaraka amin’ny famindrampony mahavonjy?

Maro ny olona no kivy satria tsy mahomby foana izy ireo. Fantatr’izy ireo tsara mihitsy fa “mety ihany ny fanahy fa ny nofo no malemy” [Matio 26:41]. Niara-nanandra-peo tamin’i Nefia izy ireo ka nanao hoe, “Malahelo ny fanahiko noho ny fahotako” [2 Nefia 4:17].

Tena azoko antoka fa fantatr’i Nefia fa ny famindrampon’ny Mpamonjy no mamela antsika sy manome fahafahana antsika handresy ny fahotana [jereo ny Almà 34:31]. Izany no antony nahatonga an’i Nefia niasa mafy mba handresy lahatra ireo zanany sy rahalahiny “mba hinoany an’i Kristy sy hihavanany amin’ Andriamanitra” [2 Nefia 25:23].

Rehefa dinihina tokoa dia, izany no azontsika atao! Ary izany no adidintsika eto amin’ny fiainana an-tany! …

Anio sy ho mandrakizay, dia ho an’ireo rehetra izay manana fo torotoro sy fanahy manenina ny fahasoavan’ Andriamanitra [jereo ny 3 Nefia 9:19–20]. (Dieter F. Uchtdorf, “Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Liahona, mey 2015, 110)

Ampiasao ny iray na maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hizara ny eritreritr’izy ireo. Mety hisy hanosika anao hametraka fanontaniana fanaraha-maso na hizara fotoana iray niainanao ny fahasoavan’ny Mpamonjy. Mety ho azonao atao ihany koa ny hihevitra ny hizara ohatra iray momba ny fomba nanampian’ny fahasoavan’ny Mpamonjy anao na olona iray fantatrao.

  • Ahoana no hamaritanao ireo zavatra tsapanao momba ny Mpamonjy, satria fantatrao fa afaka mahazo manokana ny fahasoavany ianao?

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahanao mahazo ny fahasoavan’ny Mpamonjy?

  • Lafiny inona avy eo amin’ny fiainanao no mety ho hafa raha mahatsapa kokoa ny fahasoavan’ny Mpamonjy ianao? Amin’ny fomba ahoana?

Saintsaino mandritra ny fotoana fohy ny zavatra nianaranao momba an’i Jesoa Kristy izay lalan-tokana ahafahanao ho voavonjy. Inona no hafatra na fahamarinana nanan-danja indrindra taminao na nahatonga anao ho te hidera an’i Jesoa Kristy? Inona no tsapanao fa tokony hataonao noho ny zavatra nianaranao sy tsapanao? Azonao atao ny mirakitra an-tsoratra ireny eritreritra ireny ao amin’ny diary fandalinanao.

Mifalia ao amin’i Kristy

Satria nahalala momba ny fahasoavan’ny Mpamonjy sy ny heriny hamonjena i Nefia, dia nanoratra izy mba hanampiana ny hafa hino an’i Kristy. Vakio ny 2 Nefia 25:26 hitadiavana ny zavatra azontsika atao mba hanampiana ny hafa hino an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manisy marika ireo teny milaza asa samihafa izay ampiasaina ao amin’io andininy io.

  • Inona avy ireo teny ao amin’io andininy io izay nisarika ny sainao?

  • Inona no fiantraikan’ny zavatra nozarain’ny olona iray hafa momba an’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiainanao?

  • Ahoana no ahafahan’ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy ho mafy orina amin’ny alalan’ny fizarana amin’ny hafa ireo zavatra tsapan’ny tena manokana momba Azy?

Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ny andininy 26, dia hevero ny hizara ny mpianatra ho tsiroaroa na ho vondrona kely ary hanasa azy ireo “hifampiresaka momba an’i Kristy” amin’ny alalan’ny fizarana ny eritreritra sy fahatsapana ananan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mamarana ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanaovan’ny tsirairay avy amin’izy ireo ity sahanasa manaraka ity.

Mieritrereta olona iray eo amin’ny fiainanao izay mety ho afaka hahazo tombony amin’ny fampahatsiahivana azy momba ny fitiavana sy ny fahasoavan’ny Mpamonjy. Mamoròna hafatra (toy ny hafatra fohy, zavatra aely amin’ny tambajotran-tserasera, na taratasy manokana) izay azonao zaraina amin’izy ireo.