Seminera
Môzià 4: “Hitana mandrakariva ny famelana ny fahotanar eo”


“Môzià 4: -Hitana mandrakariva ny famelana ny fahotanareo,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môzià 4,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môzià 4

“Hitana mandrakariva ny famelana ny fahotanareo”

Sary
zatovo falifaly

Mety ho hafa toy ny ahoana ny fiainanao raha mahatsapa fitomboana fifaliana sy fiadanan-tsaina ianao? Ireo Nefita izay voakasika tamin’ireo fampianaran’i Benjamina Mpanjaka, dia “feno fifaliana” sy nahatsapa “fiadanan-tsaina” rehefa nibebaka sy nandray famelana ny fahotan’izy ireo (Môzià 4:3). Nampianatra azy ireo hitana izany famelana ny helok’izy ireo izany i Benjamina Mpanjaka. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny zavatra azonao atao mba handraisana sy hitanana ny famelana ny fahotanao.

Mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy. Ny Fanahy Masina dia mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana sy momba an’i Kristy ary manova ny fo. Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ihany no ahafahantsika manatanteraka ilay tanjona faratampon’ny fampianarana ny filazantsara—dia ny hanorina finoana an’i Jesoa Kristy sy hanampy ny hafa ho tonga tahaka Azy bebe kokoa. Mitadiava fomba hanasana ny Fanahy Masina hanao ny anjara asany.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny Môzià 4 ny mpianatra ka hitady ny fomba niantraikan’i Jesoa Kristy tamin’ny olona sy ny zavatra nanasan’i Benjamina Mpanjaka ny olona hatao taorian’ny nandraisan’izy ireo famelana ny fahotan’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Mitoetra ho matanjaka ara-panahy

Jereo ity sary manaraka ity ary hevero ny zavatra ilaina ataon’ny olona iray mba hihazonana io zavamaniry io ho salama tsara sy hitombo.

Hevero ny hitondra zavamaniry maniry tsara ao am-pianarana na hampiseho ilay sary eo ambany.

Sary
zavamaniry maniry tsara
  • Inona no hitranga amin’io zavamaniry io raha avela ao amina efitrano maizina na tsy tondrahana mihitsy?

  • Ahoana no mety hifandraisan’izany amin’ny fahasalamantsika ara-ara-panahy sy ireo zavatra ilaintsika ara-panahy?

Tahaka ny fikarakarana zavamaniry, ny fihazonana ny tenantsika ho salama ara-panahy dia mitaky ezaka tsy miovaova. Ao amin’ny Môzià 4, i Benjamina Mpanjaka dia nampianatra ny olony ny zavatra ilain’izy ireo atao mba hatanjaka ara-panahy hatrany. Rehefa mandalina ianao, dia saintsaino ireo fampianarana izay hanampy anao amin’ny ezaka ataonao mba hijanona hatanjaka ara-panahy mandritra ny fiainanao sy hitombo mba ho tonga kokoa tahaka ny Mpamonjy.

Mitana ny famelana ny fahotantsika

Tsarovy fa tao anatin’ny lahateny nataony, i Benjamina Mpanjaka dia nizara hafatra iray noraisiny avy amina anjely momba ny fahatongavan’i Jesoa Kristy sy ny maha-zava-dehibe ny fandresena ny fahalavoantsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy (jereo ny Môzià 3).

Vakio ny Môzià 4:1–3, hitadiavana ireo fitahiana sy fahatsapana niainan’ny vahoakan’i Benjamina Mpanjaka.

  • Inona no manan-danja aminao ao amin’ireo andininy ireo?

  • Inona no heverinao fa mety hilain’ny olona atao mba hitoerana amin’io toetra voadio sy feno fifaliana io?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanakimpy ny mason’izy ireo sy hisaintsaina ity manaraka ity. Rehefa avy misaintsaina izy ireo, dia azon’izy ireo atao ny mirakitra an-tsoratra ny valin-tenin’izy ireo amin’ilay fanontaniana ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Alaovy sary an-tsaina hoe mety ho toy ny ahoana izany hoe anisan’ireo vahoakan’i Benjamina Mpanjaka tamin’izany andro izany. Diniho hoe ahoana, araka ny eritreritrao, no fomba niantraikàn’izany tamin’ny fahatsapanao momba an’i Jesoa Kristy ary, avy amin’izay zavatra niainana izay, inona no zavatra tianao hotanana miaraka aminao mandrakizay.

  • Mety ho hafa toy ny ahoana ny fiainanao raha mahatsapa famelana ny helokao matetika kokoa ianao?

Ny ambin’ireo fampianaran’i Benjamina Mpanjaka ao amin’ny Môzià 4 dia manampy antsika hahatakatra fa rehefa avy mandray famelan-keloka avy amin’i Jesoa Kristy isika, dia tsy maintsy manao ezaka hitanana ny famelana ny fahotantsika.

  • Inona araka ny eritreritrao no mahasamihafa ny mandray sy ny mitana ny famelana ny fahotantsika?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe amintsika ny mitana ny famelana ny fahotantsika mandritra ny fiainantsika?

Ity andiam-pehezanteny manaraka ity dia natao hanampiana ny mpianatra hisaintsaina sy handinika fa tsy hizara ny eritreritra na fahatsapan’izy ireo amin’ny iray kilasy.

Hevero ny fomba iharan’io fahamarinana io amin’ny fiainanao manokana. Manao ahoana ny fahatsapanao ny fihazonanao ny famelana ny fahotanao? Rehefa manohy mandalina ianao, dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hahatakatra ny zavatra azonao atao mba handraisana sy hitanana ny famelana ny fahotanao.

Hevero ny hanao lisitra ity lohateny manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: Ny zavatra azontsika atao mba hitanana ny famelana ny fahotantsika. Azon’ny mpianatra atao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitan’izy ireo rehefa mandalina izy ireo. Azo atao ny manao lisitra mitovitovy amin’izany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Vakio ny Môzià 4:9–16 ary mitadiava fampianaran’i Benjamina Mpanjaka izay manampy antsika hahatakatra ny fomba ahafahantsika mitana ny famelana ny fahotantsika.

Ao anatin’ity sahanasa fianarana manaraka ity, hevero ny hamela ny mpianatra ho eny amin’ny solaitrabe ka hanoratra andian-teny maromaro avy ao amin’ny Môzià 4:9–16 izay tsapan’izy ireo fa manan-danja indrindra amin’izy ireo. Ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto araka izany dia azo ampiasaina hanampiana ny mpianatra hifanakalo hevitra amin’ny zavatra hitan’izy ireo avy amin’ireo andininy ireo.

  • Inona no zavatra telo farafahakeliny nampianarin’i Benjamina Mpanjaka fa tsy maintsy ataontsika mba hitanana ny famelana ny fahotantsika ka manan-danja indrindra aminao?

  • Mety hanao ahoana araka ny eritreritrao raha mampihatra ireo fanasana avy amin’i Benjamina Mpanjaka ireo eo amin’ny fiainanao ianao?

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fanaovana ireny zavatra ireny manampy anao hitana ny famelana ny fahotanao?

Raha misy fotoana dia azon’ny mpianatra atao ny mandalina ny fanasongadinan’i Benjamina Mpanjaka ny fikarakarana ny hafa ao amin’ny Môzià 4:17–26. Misy hevitra maromaro hita eo ambanin’ny hoe “Ny andraikitsika hikarakara ny hafa” ao amin’ny fizarana hoe “Sahanasa fianarana fanampiny”.

Ireo dingana ataoko manaraka

Saintsaino ny hoe vitanao tsara toy ny ahoana ny mampihatra ireo fampianaran’i Benjamina Mpanjaka ao amin’ireo andininy ireo. Azonao atao ny manao izany amin’ny alalan’ny fifantohana amina fitondrantena telo na efatra vao avy hitanao sy ny fametrahana fanontaniana toy izao amin’ny tenanao:

  • Manao ahoana ny habetsahan’ny ezaka ataoko amin’izany?

  • Matetika toy ny ahoana no hanaovako izany?

  • Inona avy no fahatsapana nananako androany ka mety hampiseho sehatra ahafahako mivoatra?

Manaova drafitra manokana ombam-bavaka mba hivoarana amina sehatra iray. Diniho ny sakana rehetra mety hatrehinao rehefa miezaka ny hivoatra amin’izany sehatra izany ianao sy ny zavatra mety hataonao mba handraisana ny fanampian’ny Tompo handresena izany olana izany. Mety hanampy raha zaraina amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na olona akaiky iray izay afaka manohana anao amin’izany ny tanjonao. Mety ho azonao atao ihany koa ny hampiditra izany tanjona izany ao amin’ny tanjon’ny Ankizy sy Zatovo napetrakao.

Hamoaka printy