Seminera
Almà 31:1–11: “Ny herin’ny tenin’ Andriamanitra”


“Almà 31:1–11: -Ny herin’ny tenin’ Andriamanitra,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 31:1–11,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna

Almà 31:1–11

“Ny herin’ny tenin’ Andriamanitra”

Sary
misiônera mampianatra avy amin’ny soratra masina

Karazan-javatra inona no mety hahatonga anao hahatsapa ho lavitra ny Mpamonjy? Inona no manampy anao hahatsapa ho akaiky kokoa Azy? Rehefa ren’i Almà fa “lavo tao amin’ny fahadisoana lehibe” ny Zôramita (Almà 31:9), dia nanao drafitra hampiasana ny herin’ny tenin’ Andriamanitra mba hanasana azy ireo hiverina amin’i Jesoa Kristy i Almà. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hiantehitra amin’ny herin’ny tenin’ Andriamanitra mba hitoerana ho mahatoky amin’i Jesoa Kristy.

Manampy ny mpianatra hahita ny fomba ahafahan’izy ireo manao zavatra ara-drariny mahomby. Afaka mahazo tombony amin’ny fahitana fomba isan-karazany ahafahan’izy ireo mampihatra fitsipiky ny filazantsara amina toe-javatra eo amin’ny fiainana ny mpianatra. Rehefa avy misaintsaina na mifanakalo hevitra momba ireo zavatra isan-karazany azo isafidianana ny mpianatra, dia asao izy ireo hampihatra ilay anankiray izay tsapany fa hanampy azy ireo indrindra eo anatrehan’ny toe-javatra misy azy ireo amin’izao fotoana izao.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hiresaka amin’ny olona iray momba ny fomba nanampian’ny tenin’ Andriamanitra azy ireo hitoetra ho mahatoky amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny mpianatra.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Fiviliana lalana

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara voka-pikarohana momba ny fahasarotan’ny fandehanana amina lalana mahitsy rehefa tsy misy mari-dalana hitantsika. Raha olona maro tao anatin’ilay fikarohana no nieritreritra fa nahomby izy ireo, dia nasehon’ny valiny azo fa “rehefa tsy misy mari-dalana azo ianteherana dia miala amin’ny lalana isika” (Dieter F. Uchtdorf, “Famerenana amin’ny laoniny isan’andro,” Liahona, nôv. 2021, 77). Azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary hoe “Famerenana amin’ny laoniny isan’andro” manomboka eo amin’ny mari-potoana 1:40 hatramin’ny 3:25, ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, ka hieritreritra ny mety hifandraisan’izany eo amin’ny lafiny ara-panahy amin’ny fiainantsika.

  • Inona no mety hifandraisan’izany amintsika eo amin’ny lafiny ara-panahy?

Ao amin’ny Almà 31–35, ianao dia hianatra momba ny Zôramita izay nino an’i Jesoa Kristy taloha saingy nivily niala tamin’ny finoan’izy ireo. Alohan’ny hanombohanao ny fandalinanao ny Almà 31, dia saintsaino ny fitomboan’ny finoanao an’i Jesoa Kristy.

Azonao atao ny mampiseho ity fanontaniana manaraka ity mba hovalin’ny mpianatra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo mba hanaovan’izy ireo fandihinan-tena manokana. Aza angatahina hizara ny valinteniny amin’ity fanontaniana ity ny mpianatra.

  • Raha hijanona eo amin’ny lalana misy anao amin’izao ianao, moa ve ianao handeha hankany amin’i Kristy sa hanalavitra Azy?

Ny tanjon’i Almà

Ao amin’ny Almà 31:1–11 dia mianatra momba ny Zôramita sy ny ezaka nataon’i Almà hanasana azy ireo hiverina amin’ny Tompo isika. Ity kisary manaraka ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny fomba nanandraman’i Almà namerina ny Zôramita amin’ny lalana tokony ho izy.

Hevero ny hanome tahadikan’ity taratasy zaraina manaraka ity ny mpianatra. Izany dia afaka manampy ny mpianatra hiomana hametraka ny tanjon’izy ireo manokana ao aoriandriana ao amin’ny lesona.

Ny drafitr’i Almà hampianarana ny Zôramita

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)—“Almà 31:1–11: -Ny herin’ny tenin’ Andriamanitra-”

Sary
Taratasy zaraina momba ny drafitr’i Almà hampianarana ny Zôramita

Vakio ny Almà 31:1–4, 8–11 hitadiavana ny fomba sy ny antony nanombohan’ny Zôramita nivily lalana. Raketo an-tsoratra ao amin’ny fizarana hoe “Olana” ny zavatra hitanao.

Hevero ny hampiasa fanontaniana toy ireto manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fivilian-dalan’ny Zôramita sy ny fiantraikan’izany teo amin’izy ireo. Ampio hahita zavatra mitovitovy amin’izany amin’izao androntsika izao ny mpianatra. Ohatra, raha tsy vitan’ny olona ny mitandrina ny didy, mandeha miangona, mandray anjara amin’ny ôrdônansy toy ny fanasan’ny Tompo, ary mivavaka, dia hivily hiala amin’ny Tompo izy ireo.

  • Tamin’ny fomba ahoana avy no nivilian’ny Zôramita lalana? Inona avy ireo olana naterak’izany?

  • Inona avy ireo fihetsika mitovitovy amin’izany izay mety hahatonga ny olona hivily lalana ankehitriny?

Vakio ny Almà 31:34 hitadiavana ny tanjona sy ny fanantenan’i Almà ho an’ireo Zôramita. Hevero ny hanoratra izany ao amin’ny fizarana hoe “Tanjona”.

  • Rehefa mieritreritra ny tanjon’i Almà sy ny fahatsapany izay novakinao tao amin’ny Almà 31:1–2 ianao, inona no heverinao fa nandrisika an’i Almà? Nahoana no mety hanan-danja izany?

Vakio ny Almà 31:5–7, 11 hanisiana marika ireo teny na andian-teny izay mamaritra ny drafitr’i Almà hanatanterahana ny tanjony. Azonao marihina eo akaikin’ny andininy 5 fa ny teny hoe hery dia avy amin’ny teny latina hoe virtus, izay midika hoe tanjaka na hery (jereo ny Gospel Topics, “Virtue”), ary ny teny hoe hanandramana eto dia midika hoe hitsapana.

Mba hanomanana ny mpianatra hameno ny fizarana hoe “Ahoana no hanatanterahana ilay tanjona” ao amin’ilay taratasy zaraina, dia azonao atao ny mametraka ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “manandrana ny herin’ny tenin’ Andriamanitra”? Aiza no ahafahanao mahita ny tenin’ Andriamanitra? (Hevero ny hamaky sy hampifandray ny andinin-tsoratra masina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:2–4, 34–36; 68:4.)

  • Inona no fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny tanjon’i Almà sy ny drafiny mba hanatanterahana izany?

Fahamarinana iray mety ho hitanao ny hoe Manana hery hitarihana ny olona ho any amin’i Jesoa Kristy ny tenin’ Andriamanitra.

  • Inona no fantatrao momba an’ Andriamanitra ka mahatonga ny teniny hahery vaika na hatanjaka aminao? Nahoana araka ny eritreritrao no mahery vaika “noho ny sabatra na ny zavatra hafa” izany? (Almà 31:5).

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny tenin’ Andriamanitra manampy antsika hizara ny filazantsara, hanitsy ny hevi-diso ary hitarika ny hafa ho any amin’i Jesoa Kristy?

  • Inona no fiantraikan’ny tenin’ Andriamanitra teo amin’ny fiainanao?

Amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nianaranao avy tamin’i Almà sy ny hevi-baovao azonao avy tamin’ireo fanontaniana teo aloha, fenoy ilay fizarana hoe “Ahoana no hanatanterahana ilay tanjona”.

Ny tenin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainako

Eritrereto ny fifandraisan’ny zavatra ianaranao avy amin’i Almà sy ny Zôramita amin’ny fiainanao.

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia natao hanampiana ny mpianatra hampifandray io tantara io amin’ny fiainan’izy ireo manokana. Hevero ny hametraka fanontaniana mitovitovy amin’izany na fanontaniana hafa izay hitanao.

  • Inona avy ireo zavatra sasantsasany izay mahatonga ny zatovo hivily hiala amin’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no ahafahan’ny fianteherana amin’ny tenin’ Andriamanitra misoroka ny fialantsika amin’i Jesoa Kristy na manampy antsika hiverina any Aminy?

Azonao heverina ny hanasa ny mpianatra hizara sy hitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo soratra masina izay nitarika azy ireo ho any amin’ny Tompo. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mitady soratra masina izay miresaka ny sasany amin’ireo antony mahatonga ny fialana amin’ny Tompo.

Diniho ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy. Misy zavatra hahatonga anao hiala Aminy ve? Te hanana fifandraisana mafy orina kokoa Aminy ve ianao? Mametraha ombam-bavaka tanjona mifanaraka amin’ny zavatra ilainao manokana mba hanampiana anao hanamafy orina ny fifandraisanao Aminy. Io tanjona io dia azo ampifandraisina na ampidirina amin’ireo tanjonao ao amin’ny Ankizy sy Zatovo.

Hevero ny hanome taratasy zaraina hafa ny mpianatra mba hampiasain’izy ireo hanoratana ny tanjon’izy ireo. Raha ilaina dia miresaha fomba samihafa ahafahan’ny mpianatra miantehitra amin’ny herin’ny tenin’ Andriamanitra. Ohatra, ny fandalinana soratra masina isan’andro, ny fitadiavana valiny na fitarihana avy amin’ny soratra masina, ny fanatrehana seminera, na hevitra hafa. Ireto sosokevitra manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hampifanaraka amin’izay ilain’izy ireo manokana ny famenoany ilay tabilao momba ny tanjon’izy ireo manokana.

Soraty ao amin’ny fizarana hoe “Tanjona” ny tanjonao manokana.

Azonao atao ihany koa ny manoratra izay rehetra mety ho sakana amin’ny tanjonao ao amin’ny fizarana hoe “Olana”.

Ao amin’ilay fizarana hoe “Ahoana no hanatanterahana ilay tanjona”, soraty ny fomba ahafahanao miantehitra amin’ny herin’ny tenin’ Andriamanitra. Ampidiro ao anatin’izany ny fomba ahafahan’izany manampy anao hanatanteraka ny tanjonao.

Afaka manampy ireto fanontaniana manaraka ireto.

Mety hahatsapa ho mahazo aina amin’ny fizarana ny tanjon’izy ireo ny mpianatra sasany. Azonao atao ny mampiasa ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana azy ireo hizara sy hanamorana ny fifanakalozan-kevitra.

  • Nahoana no zavatra tsapanao fa ilainao atao eo amin’ny fiainanao io tanjona io? Ahoana no mety ho fiantraikan’ny fanatrarana izany eo amin’ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy?

  • Inona no zavatra voafaritra tsara azonao atao mba hanampy anao hiantehitra amin’ny herin’ny tenin’ Andriamanitra? Ahoana no ahafahan’izany manampy anao hanatanteraka ny tanjonao?

  • Inona avy ireo soratra masina na teny nambaran’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana afaka mandrisika anao hiasa amin’io tanjona io?

Hevero ny hamarana amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hizara ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fandalinana ny Almà 31:1–11 sy izay rehetra mety ho eritreritra na fahatsapan’izy ireo manokana. Mizarà fijoroana ho vavolombelona momba ny herin’ny tenin’ Andriamanitra sy ny maha-zava-dehibe ny fanaovana ireny zavatra izay mampanakaiky antsika kokoa an’i Jesoa Kristy ireny.

Hamoaka printy