“Almà 31:12–38: Ny fitsaohantsika ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)
“Almà 31:12–38,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna
Almà 31:12–38
Ny fitsaohantsika ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy
Ny fitsaohana ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy dia natao hitondra antsika hanakaiky kokoa Azy Ireo. Saingy inona no miseho raha hadinontsika ny tena antony itsaohana? Ny Zôramita izay mpikambana teo aloha tao amin’ny Fiangonana marin’ Andriamanitra dia nanomboka nino fampianaran-diso. Ny fomba fitsaohana diso teo anivon’izy ireo dia nampiala ny fon’izy ireo tamin’ Andriamanitra ary nahatonga azy ireo hitsara tsy ara-drariny sy hifampitondra amin’ny fomba tsy araka ny tokony ho izy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanatsara ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa manombana ny fiantraikan’ny avonavona sy fanetrentena eo amin’ny fifandraisanao amin’Izy Ireo sy amin’ny hafa ianao.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Manombana ny vokatry ny fitsaohantsika
-
Impiry ianao no mahatsapa fa miezaka amin-kitsimpo maneho ny fitiavanao an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitsaohanao?
-
Amin’ny lafiny inona, raha misy, no ahatsapanao hoe mety tsy dia amin-kitsimpo loatra na mifantoka amin-javatra tsy izy ny fitsaohanao?
Ny Zôramita dia nitsaoka tao amin’ny Rameomtôma
Rehefa hitan’i Almà sy ny rahalahiny fa namilivily ny lalan’ny Tompo ny Zôramita, dia nandeha nankany Antiônôma izy ireo. Tany no nahitan’izy ireo ny Zôramita nitsaoka tamina fomba mbola tsy hitan’izy ireo hatramin’izay (jereo ny Almà 31:12).
Ny vavaky ny Zôramita |
Ny vavak’i Almà |
---|---|
Vakio ny Almà 31:13–23, ary fenoy amin’ny zavatra nanaitra anao momba ny fomba nitsaohan’ny Zôramita ny tsanganana havia amin’ilay tabilao. Azonao atao ihany koa ny mijery ilay horonan-tsary hoe “Alma et ses frères prêchent la parole de Dieu parmi les Zoramites” manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:22 hatramin’ny 3:58, ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
-
Inona no tsikaritrao momba ny fomba nitsaohan’ny Zôramita? Inona araka ny eritreritrao no fiantraikan’izany tamin’ny fifandraisan’izy ireo tamin’ Andriamanitra?
Nivavaka ho an’ny Zôramita i Almà
Rehefa nahita ny zavatra tsy mety teo anivon’ny Zôramita i Almà, dia nivavaka ho azy ireo.
Vakio ny Almà 31:24–38 hitadiavana ny zavatra nifantohan’i Almà, ny zavatra tsapany, ary ny faniriany tao anatin’ny vavaka nataony. Fenoy miainga amin’ny zavatra hitanao ny tsanganana havanana amin’ilay tabilao. Izany dia afaka manampy anao hampifanohitra ny vavak’i Almà amin’ny vavaky ny Zôramita.
Azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary hoe “Alma et ses frères prêchent la parole de Dieu parmi les Zoramites” manomboka eo amin’ny mari-potoana 4:03 hatramin’ny 5:55, ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ao amin’io ampahany amin’ilay horonan-tsary io dia haheno ny vavak’i Almà ianao eo am-pahitana ny ezaka nataon’i Almà sy ny namany mba hampianatra ny Zôramita.
Nampianatra izao ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany:
Rehefa rakotry ny fieboeboana ny fontsika dia manao fahotana goavana isika, satria mandika ilay didy roa lehibe isika. Raha tokony hitsaoka an’ Andriamanitra sy hitia ny hafa isika dia mamoaka fa ny tena tanjontsika mazava dia ny hitsaoka sy hitia—ny endrika hitantsika momba antsika eo amin’ny fitaratra. Ota lehiben’ny fanambonian-tena ny fieboeboana. Toy ny Rameomtôma manokana izany, ho an’ny maro, izay toerana masina hanamarin-tena amin’ny fitsiriritana, fahalianan-karena ary fieboeboana. (Dieter F. Uchtdorf, “Ny fieboeboana sy ny fisoronana,” Liahona, nôv. 2010, 56)
Vakio ny Almà 32:1–5 hitadiavana ny fomba nitondran’ny Zôramita olona.
-
Ahoana no fomba nitondran’ny Zôramita ny hafa?
-
Ahoana no fahatsapan’i Almà momba ny hafa sy ny fomba nitondrany azy ireo? (jereo ny Almà 31:1–2, 24–25, 34–35).
-
Inona avy ireo fitsipika azontsika ianarana momba ny vokatry ny avonavona na ny fanetrentena?
Fitsipika iray azontsika ianarana ny hoe misy fiantraikany amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra sy ny hafa ny avonavona na ny fanetrentenantsika.
-
Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny avonavona na ny fanetrentenantsika hisy fiantraikany amin’ny fomba fitsaohantsika ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy?
-
Nahoana araka any eritreritrao no misy fiantraikany amin’ny fomba itondrantsika ny hafa ny avonavontsika na ny fanetrentenantsika?
-
Inona no ianaranao avy amin’i Almà momba ny fanetrentena? Inona no nampianarin’i Jesoa Kristy anao momba ny fanetrentena?
Misafidiana fomba roa na telo mety ho azontsika anehoana fanetrentena amin’ny fomba itsaohantsika an’ Andriamanitra. Soraty tsirairay ao amin’ny diary fandalinanao izany.
Makà fotoana hanombanana ny fomba itsaohanao manokana ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy ary ny fiantraikan’ny fitsaohanao eo amin’ny fifandraisanao amin’Izy Ireo. Saintsaino ihany koa ny fiantraikan’ny avonavona sy ny fanetrentena amin’ny fomba itondranao ny hafa. Manapaha hevitra raha misy fanovana tianao hatao.