Rehefa nandre ny fifandirana teo amin’ny vahoakany noho i Amalikià i Môrônia, dia tezitra izy. Noforoniny ilay fanevan’ny fahafahana, ary nosoratany teo amin’izany ireo zava-manan-danja mba ho tsaroan’ny vahoakany mandrakariva. Ny tenin’i Môrônia dia nanentana ny olona hanamafy orina ny fanoloran-tenan’izy ireo ho an’ Andriamanitra. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ireo fomba ahafahanao maneho ny fanoloran-tenanao ho an’ Andriamanitra.
Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana
Aza hadinoina
Oviana ianao no nanadino zavatra iray manan-danja? Inona no nitranga vokatr’izany?
Inona avy no zavatra sasantsasany izay tsy tianao hohadinoina na oviana na oviana? Nahoana?
Anio ianao dia hianatra mombana fotoana iray tsy nahatsiarovan’ny Nefita ny Tompo, na dia taorian’ny niainan’izy ireo fanafahana mahagaga tamin’ny alalany aza. Mety tsaroanao tamin’ny fandalinana ny Almà 43–44 fa nanampy ny Nefita handresy ny Lamanita tamin’ny ady ny Tompo, na dia resy be araka isa aza ny Nefita (jereo ny Almà 43:51–54).
Vakio ny Almà 45:1, hitadiavana ny fihetsika navalin’ny Nefita io fandresena mahagaga io.
Inona no hitanao?
Nandritra io fotoana naha-nandry fahalemana io, i Helamàna zanak’i Almà dia nanendry mpisorona sy mpampianatra teo amin’ny Fiangonana manerana ny tany, ary nitory ny tenin’ Andriamanitra niaraka tamin’ireo rahalahiny.
Vakio ny Almà 45:23–24; 46:1–5, 7–8, hitadiavana ny fomba namalian’ny olona ireo fampianarana ireo.
Inona no zavatra manan-danja aminao momba ny toetra sy fitondrantenan’ny Nefita ao amin’ireo andininy ireo?
Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny andininy 8 momba ny zavatra mety hiseho rehefa manadino ny Tompo isika?
Fahamarinana iray azontsika ianarana amin’ny Almà 46:8 ny hoe rehefa manadino ny Tompo isika, dia mety ho voatarika mora foana hanao faharatsiana.
Eritrereto ny fomba nahitanao porofon’io fahamarinana io teo amin’ny fiainanao. Rehefa manohy mandalina ianao anio, dia mitadiava fampianarana izay afaka manampy anao hahatsiaro tsara kokoa ny Tompo sy haneho ny fanoloran-tenanao ho Azy.
Namorona ny fanevan’ny fahafahana i Môrônia
Tezitra tamin’i Amalikià noho ny namoronany fifandirana teo amin’ny Nefita i Môrônia.
Vakio ny Almà 46:12–14, 19–20, hitadiavana ny zavatra nataon’i Môrônia mba hanentanana ny Nefita hahatoky amin’ Andriamanitra.
Nahoana araka ny eritreritrao no nisafidy ny hampiseho ireo teny ireo mba ho hitan’ny hafa nandritra io fotoan-tsarotra io i Môrônia?
Ahoana no fahitanao ny anadinoana sy tsy dia anomezan-danja ny iray amin’ireo zavatra ireo eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?
Tahaka an’i Môrônia, ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’izao androntsika izao dia nanasa antsika hahatsiaro sy hiaro ireo soatoavina ireo. Vakio ireto fanambarana manaraka ireto, ka mitadiava fampianarana maoderina izay mifandray amin’ireo zavatra voalaza eo amin’ny fanevan’ny fahafahana.
Inona avy no fomba sasantsasany ahafahanao mahatsiaro ireo soatoavina voatanisa eo amin’ny fanevan’ny fahafahana?
Rehefa avy nampahatsiahivin’i Môrônia ireo fahamarinana manan-danja ireo ny Nefita, dia maro tamin’izy ireo no nanao fanekempihavanana fa tsy hahafoy an’ Andriamanitra na oviana na oviana ary hiezaka hitady fihavanana (jereo ny Almà 46:21–22, 28–31).
Vakio ny Almà 46:36–38, hitadiavana ny zavatra nataon’i Môrônia mba hanampiana ny olony hahatsiaro an’ Andriamanitra sy ireo zavatra manan-danja hafa voatanisa eo amin’ny fanevan’ny fahafahana.
Inona amin’ireo zavatra voatanisa eo amin’ny fanevan’ny fahafahana no tsapanao fa tianao hotsaroana na hijoroana feno kokoa eo amin’ny fiainanao?
Inona no zavatra iray azonao atao mba hahatsiarovana tsara kokoa io lohahevitra io na hiarovana ny finoana momba izany?