“25–31 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9: -Io no fanahin’ny fanambarana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)
“25–31 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021
25–31 janoary
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9
“Io ny Fanahin’ny Fanambarana”
Ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika no hanambaran’ny Tompo fahamarinana amintsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3). Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9 ianao dia raketo izay mety ho fahatsapana voarainao.
Raketo ireo zavatra tsapanao
Tamin’ny fararanon’ny taona 1828 dia nisy mpampianatra vao erotrerony iray nantsoina hoe Oliver Cowdery nanomboka nampianatra tao Manchester, New York ka nipetraka tao amin-dry Lucy sy Joseph Smith Rainy. Ren’i Oliver ny momba an’i Joseph zanakalahin’izy ireo izay nipetraka tany Harmony, Pennsylvania ary i Oliver izay nihevitra ny tenany ho mpikatsaka fahamarinana dia naniry ny hahafantatra bebe kokoa. Nolazalazain-dry Smith mianakavy ireo famangian’ny anjely, sy ny rakitsoratra fahiny iray, ary ny fanomezam-pahasoavana handika teny amin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra. Nilotalagaga i Oliver. Marina ve ny zavatra nolazain’izy ireo? Nomen’i Lucy sy i Joseph Rainy torohevitra izay mihatra amin’ireo rehetra mikatsaka fahamarinana izy manao hoe: mivavaha ary mangataha amin’ny Tompo.
Nivavaka sy nangataka tamin’ny Tompo i Oliver koa namaly ny Tompo tamin’ny filazana fiadanana sy fanomezan-toky tao an-tsain’i Oliver. Ny fanambarana, izay azon’i Oliver, dia mety ho fanambarana ho an’ny tena manokana, zavatra izay hianarany lalindalina kokoa ny volana maro manaraka. Tsy natao ho an’ireo mpaminany fotsiny ny fanambarana. Izany dia natao ho an’ny olona rehetra izay maniry sy mikatsaka izany. Tsy mbola nahafantatra ny zava-drehetra i Olivier saingy ampy hanaovany ny dingana manaraka hataony ny zavatra fantany. Nanao zavatra manan-danja tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny Tompo ary naniry ny handray anjara tamin’izany i Oliver.
Ho fampahalalana misimisy kokoa momba ny tantara ao ambadiky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9, dia jereo ny Olomasina, 1:58–64.
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6; 8–9
Miresaka amiko amin’ny alalan’ny “Fanahin’ny fahamarinana” ny Ray any An-danitra.
Nanao dia nankany Harmony i Oliver ny lohataonan’ny 1929 ary nanolotena ho mpitan-tsoratr’i Joseph Smith teo am-pandikana ny Bokin’i Môrmôna. Nahita akaiky ny dingan’ny fahazaona fanambarana amin’ny fandikanteny i Oliver izao. Nampientam-po azy ilay zavatra niainana ka nanontany tena izy raha toa ka mba afaka ny hahazo ihany koa ny fanomezam-pahasoavan’ny fandikanteny. Navelan’ny Tompo izy hanandrana ny handika teny saingy vaovao tamin’i Oliver ny fanambarana koa dia tsy nandeha tsara ny fanandramana nataony. Mbola nila nianatra zavatra betsaka izy, ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6, 8, sy 9 dia maneho fa vonona ny hampianatra azy ny Tompo.
Eo am-pamakianao ireo fizarana ireo dia mariho ny zavatra nampianarin’ny Tompo momba ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Amin’ny fomba ahoana no hampifandraisanao ireo tenin’ny Tompo amin’ireo zavatra efa niainanao na izay zavatra tianao hiainana?
Ohatra, inona no aroson’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:5–7; 8:1; 9:7–8 momba ny zavatra takin’ny Tompo aminao mialoha ny hanambarany ny sitrapony aminao?
Inona no ianaranao avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:14–17, 22–24; 8:2–3; 9:7–9 momba ireo fomba samihafa mety hahatongavan’ny fanambarana?
Misy zavatra hafa ve nianaranao momba ny fanambarana avy amin’ireo fizarana ireo?
Raha hianatra bebe kokoa momba ny fanambarana dia jereo ny Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 93–96; Julie B. Beck, “Ary na dia ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany,” Liahona, mey 2010, 10–12. Ho fampahalalana bebe kokoa momba ny “fanomezam-pahasoavan’i Aharôna” voalaza ao amin’ny fizarana 8, dia jereo ny “Oliver Cowdery’s Gift,” Revelations in Context, 15–19.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:18–21, 29–37
Banjino amin’ny eritreritra rehetra i Kristy.
Na dia efa nandalo “toe-javatra sarotra” aza i Joseph nandritra ny fanaovany ny asan’ny Tompo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:18), dia tsy ho azon’izy sy Oliver an-tsaina ny mety hampasarotra ireny toe-javatra ireny amin’ireo taona maro ho avy. Saingy efa fantatry ny Tompo ary fantany koa ireo fitsapana hanjò anao amin’ny hoavinao. Afaka ny hanampy anao ihany koa ny toroheviny ho an’i Joseph sy i Oliver ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:18–21, 29–37. Inona no mety ho tsapan’i Joseph sy Oliver rehefa avy nandre ireo teny ireo? Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo izay manampy anao hatoky ny Tompo? Ahoana no ahafahanao mibanjina an’i Kristy eo amin’ny fiainanao?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–7; 9:3, 7–14
“Hatao aminareo araka izay irianareo Amiko.”
Jereo hoe impiry ny teny toy hoe “maniry” na “faniriana” no miseho ao amin’ny fizarana 6 sy 7. Inona no ianaranao avy amin’ireo fizarana ireo momba ny lanjan’ny fanirianao amin’ Andriamanitra? Apetraho amin’ny tenanao ilay fanontanian’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 7:1: “Inona no irinao?”
Tsy tanteraka ny iray tamin’ireo faniriana tsara nananan’i Oliver Cowdery, dia ny handika teny mitovy tamin’ny nataon’i Joseph Smith. Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:3, 7–14 ianao dia inona avy ireo fahatsapana raisinao izay mety hanampy anao rehefa manana faniriana tsara lasa tsy tanteraka ianao?
Jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:8; Dallin H. Oaks, “Ny faniriana,” Liahona, mey 2011, 42–45.
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy
-
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:7, 13.Ahoana no ahafahanao manampy ny fianakavianao hahatakatra fa ao amin’ny fiainana mandrakizay no ahitana ny tena “harena”? (andininy 7). Azonao atao ihany koa ny manasa ireo olona ao amin’ny fianakavianao hanao vola baoritra ka hanoratra na hanao sary eo amin’izany ireo fitahiana maro noraisin’ny fianakavianao noho ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.
-
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:15, 22–23; 8:2–3; 9:7–9.Ny famakiana ireo andinin-tsoratra masina momba ny fomba iresahan’ Andriamanitra amin’ny zanany ireo dia mety ho fahafahana mahafinaritra hizarana amin’ny fianakavianao ny fomba niresahan’ny Tompo taminao.
-
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:33–37.Azon’ireo olona ao amin’ny fianakavianao hatao ny mizara ireo fomba azon’izy ireo “hanao[vana] soa” eny na dia rehefa matahotra ny hanao izany aza izy ireo. Mety hanampy ihany koa ny mijery manontolo na ny ampahany amin’ny hafatry ny Loholona Ronald A. Rasband mitondra ny lohateny hoe “Aza matahotra” ( Liahona, nôv. 2018, 18–21). Inona no dikan’ny hoe mibanjina an’i Kristy amin’ny ereritreritra rehetra? (andininy 36). Inona no ohatra hafa sasany amin’ireo olona izay nitodika tamin’ny Tompo mba handresena ny ahiahiny sy ny tahony? (jereo ohatra hoe ny Etera 4; Almà 26:23–31).
-
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:10.Mety ho fotoana tsara hizarana ny amin’ny fomba nampatanjahan’ny finoana an’i Jesoa Kristy anao sy ny fianakavianao izany. Nahoana no manan-danja ny hangatahantsika “amin’ny finoana”? Inona ireo fitahiana hitanao avy amin’ny fikatsahana valin-teny na fanampiana amin’ny alalan’ny finoana?
Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.
Hira aroso mba ho hiraina: “Aoka ho marina hatrany ianao,” Bokin-kiran’ny ankizy, 81.
Ireo feon’ny Famerenana amin’ny Laoniny
Fandikana ny Bokin’i Môrmôna
Tamin’ny volana aprily 1829, izay volana nandraisana ny fizarana 6–9 an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna no asa nifantohan’i Joseph Smith. Taty aoriana rehefa nasaina nitantara ny fomba nandikana izany i Joseph dia nilaza izy hoe: “tsy ny hilazana izao tontolo izao ny amin’ireo antsipirian-javatra rehetra no nanaovana izany.”1 Matetika izy no nilaza tsotra fa “tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra” no nandikana izany.2
Tsy mahafantatra antsipirian-javatra maro momba ny dingana mahagagan’ny fandikan-teny isika kanefa fantatsika fa i Joseph Smith dia mpahita iray izay nampian’ny fitaovana roa nomanin’ Andriamanitra, dia ny vato roa mangarahara antsoina hoe Orima sy Tomima niampy vato iray hafa antsoina hoe vaton’ny mpahita.3
Ireto teny manaraka izay avy amin’ireo vavolombelona nahita maso ny fizotry ny fandikan-teny dia manohana ny tenivavolombelon’i Joseph.
Emma Smith
“Rehefa nandika ny Bokin’ i Môrmôna ny vadiko dia nandray an-tsoratra ny ampahany tamin’izany aho raha izy kosa nanonona ny fehezan-teny tsirairay, ara-bakiteny, ary rehefa rehefa tojo anaran-tsamirery tsy hainy tononina izy, na teny lava be, dia notononiny tsirairay ny litera tao amin’izy ireny ary nandritra ny fotoana nanoratako ireny ka sendra nanao hadisoana aho tamin’ny fanoratana dia natsahany aho ka nahitsiny ny fomba fanoratako na dia tsy hainy aza hoe toy ny ahoana no nanoratako ireny tamin’izany. Na dia ny teny hoe Sarah aza tsy hainy ny nanonona azy tamin’ny voalohany fa voatery notononiny tsirairay ny fanoratana azy ary izaho no nanonona izany ho azy.”4
“Matetika ireo takelaka no mipetraka eo ambonin’ny latabatra tsy tao an’eritreritra akory hoe ny hanafina izany, na handrakotra izay amin’ny lamban-databatra kely vita amin’ny lamba rongony nomeko azy mba hamonosana azy ireny. Indray mandeha aho no nahatsapa ireo takelaka raha nipetraka teo ambonin’ny latabatra ireo ka novinavinaiko ny habeny sy ny endriny. Toa afaka miforitra toy ny taratasy matevina ilay izy ary maneno toy ny vy mikasaosaoka rehefa ampiakarin’ny ankihibe ny sisiny, toy ireny ataon’ny olona amin’ny sisin’ny boky ireny indraindray. …
“Izaho dia mino fa ny Bokin’ i Môrmôna dia avy amin’ Andriamanitra marina. Tsy manana ahiahy ny amin’izany aho na dia bitika aza. “Mino tanteraka aho fa tsy misy olona ho afaka nanonona ny soratra tao amin’ny raki-tsoratra raha tsy notarihin’ny fanahy. Satria rehefa [niasa] ho mpitantsorany aho dia nanonona tamiko teo izy nandritra ny ora maro; ary nanohy indray rehefa avy nisakafo. Ary rehefa avy nitsahatra kely izy, dia tonga dia nanomboka teo amin’izay nijanonany, tsy namerina nijery akory izay voasoratra na hoe nangataka ny hamakiana ampahany ho azy. Zavatra nahazatra azy ny nanao izany. Sarotra ny hahafahan’ny olona iray avara-pianarana hanao toy izany; ary ho an’olona … tsy nianatra toa azy, dia tsy ho azo heverina tsotra izao izany.”5
Oliver Cowdery
“Nosoratako tamin’ny peniko ny Bokin’i Môrmôna iray manontolo (afa-tsy pejy vitsivitsy) araka izay nanononan’ny vavan’ny Mpaminany ireo teny, rehefa nandika izany tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra izy, tamin’ny alalan’ny Orima sy ny Tomima, na, ilay antsoina ao anatin’ilay boky hoe, fandikan-teny masina. Nojereko tamin’ny masoko ary noraisiko tamin’ny tanako ireo takela-bolamena izay nandikana azy. Hitako ihany koa ireo fitaovana fandikan-teny.”6