“Lesona 201: Misafidy ny hanao asa fitoriana: Ireo fitahiana avy amin’ny asa fitoriana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Misafidy ny hanao asa fitoriana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Ny fomba iray itahian’ny Ray any An-danitra ny zanany dia amin’ny alalan’ny asa fitoriana ny filazantsara. Mitahy ireo misiônera Izy rehefa manompo sy mampianatra ireo olona eo amin’ny fiarahamonina misy azy ireo sy manerana izao tontolo izao izy ireo. Mitahy ireo izay manaiky ny hafatry ny filazantsara sy mandray ny asa fanompoana atolotry ny misiônera ihany koa Izy. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa faniriana hanompo ny Tompo ka ho lasa misiônerany.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Ny andraikitsika ho lasa misiônera
Hevero ny hanazava fa mandritra ity lesona momba ny asa fitoriana ny filazantsara ity dia hiara-hiasa amin’ny namana iray ny mpianatra. Fomba iray hamoronana fiarahana manompo ny fanomanana harona iray misy santionan-tsoratry ny fanendrena ho amin’ny asa fitoriana ny filazantsara amina taratasy iray. Azo ampidirina ao anatin’izany ireo toerana izay hanendrena ny misiônera hampianatra, toy ny hoe Guatemala na Hongrie . Azon’izy ireo atao ihany koa ny mampiditra ireo fanendrena amina misiôna manao asa fanompoana, toy ny mpanatanteraka ôrdônansy any amin’ny tempoly na fitahirizan-tsakafo eo an-toerana . Makà antoka fa misy tahadika roa amin’ny fanendrena tsirairay ao amin’ilay harona. Asao ny mpianatra tsirairay haka taratasy iray avy ao amin’ilay harona ary avy eo hiara-hipetraka amin’ny mpiara-mianatra izay nahazo izany fanendrena izany ihany koa.
Omeo tahadikan’ity fanambarana manaraka ity ny mpiara-manompo tsirairay ary asehoy ireo torolalana telo manaraka izany.
Nanamafy ny antson’ny Tompo mba ho misiônera ny Filoha Russell M. Nelson:
Androany aho dia mamerina manamafy amin-kery fa ny Tompo dia nangataka ny zatovolahy afaka mirotsaka sy mendrika tsirairay avy mba hiomana sy handeha hanao asa fitoriana. Ho an’ny zatovolahy Olomasin’ny Andro Farany dia andraikitry ny fisoronana ny fandehanana mitory amin’ny fotoana feno. Ianareo ry zatovolahy dia natokana ho amin’izao fotoana izao izay hitrangan’ny fanangonana an’i Isiraely. Rehefa mandeha manao asa fitoriana ianareo dia misahana anjara asa manan-danja amin’io tranga tsy manam-paharoa io.
Ho anareo vehivavy tanora sy rahavavy afaka manao izany, fahafahana lehibe koa ny asa fitoriana saingy tsy voatery handeha ianareo. Tianay ireo rahavavy misiônera ary raisinay amin’ny fo manontolo izy ireo. Mahatalanjona ny anjara biriky entinareo amin’ity asa ity! Mivavaha mba hahafantarana raha tian’ny Tompo ny handehananao hanao asa fitoriana, ary ny Fanahy Masina dia hamaly ao am-ponao sy ao an-tsainao. (Russell M. Nelson, “Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana ,” Liahona , mey 2022, 6)
Vakio miaraka amin’ny mpiara-manompo aminao ilay fanambarana.
Ifanakalozy hevitra ny zavatra manaitra anao ao amin’ilay fanambarana.
Miomàna hizara ireo hevi-baovao amin’ny iray kilasy.
Asao ny mpiara-mitory vitsivitsy hizara ny fahatakaran’izy ireo amin’ny iray kilasy. Raha manana fanontaniana momba ilay fanambarana ny mpianatra dia hevero ny hanampy azy ireo hahita valiny na hitarika azy ireo hitondra ny fanontaniany ao amin’ny Tompo, na amin’ny ray aman-dreniny, na amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra ny zavatra andrasan’ny Tompo amin’ireo zatovolahy sy zatovovavy mikasika ny asa fitoriana ny filazantsara.
Fandinihana ataon’ny tena manokana
Asehoy ireto teny nambara sy fanontaniana manaraka ireto ary asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fahatsapan’izy ireo manokana momba ny asa fitoriana ny filazantsara. Ny fanomezana fotoana ny mpianatra hisaintsainana sy hamaliana ireo fanontaniana dia afaka manasa ny Fanahy Masina sy manomana ny saina sy ny fon’izy ireo mba hotarihin’ny Fanahy rehefa mandalina.
Nampianatra izao ny Filoha Russell M. Nelson:
Ry tanora namako malala isany, tena ilain’ny Tompo ny tsirairay avy aminareo. Tsy nalefan’ny Tompo raha tsy amin’izao fotoana izao ianareo mba hanampianareo amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Ny fanapahan-kevitrareo ny hanao asa fitoriana, na misiônera mpanao asa fitoriana na mpanao asa fanompoana izany, dia hitahy anareo sy ny hafa. (Russell M. Nelson, “Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana ,” Liahona , mey 2022, 6–7)
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny valinteninao ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto:
Manasà mpilatsaka an-tsitrapo vitsivitsy hizara ny valintenin’izy ireo. Rehefa mizara ny mpianatra dia mety haneho ity fahamarinana manaraka ity amin’ny teniny manokana ny sasany: Hitahy antsika sy ny maro hafa ny Tompo rehefa misafidy ny ho lasa misiônerany isika. Hevero ny hanoratra io fahamarinana io eny amin’ny solaitrabe. Amporisiho ny mpianatra hikatsaka fanampiana avy amin’ny Fanahy Masina mba hahafantarana ny fomba tian’ny Ray any An-danitra hampiharany io fahamarinana io eo amin’ny fiainan’izy ireo.
Raha tsapanao fa afaka mahazo tombontsoa avy amin’ny fianarana misimisy kokoa momba ny misiônera manao asa fanompoana ny mpianatra dia hevero ny hampiasa ireo fitaovana misy ao amin’ny “Sahanasa fianarana fanampiny .”
Ireo fitahiana avy amin’ny asa fitoriana
Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra kokoa ireo fitahiana azon’ny Tompo omena azy ireo sy ny hafa rehefa misafidy ny hanao asa fitoriana ny filazantsara izy ireo.
Halalino miaraka amin’ny namana ny soratra masina, na lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, na ny fihirana, na ny Mediathèque de l’Évangile, ka tadiavo ireto manaraka ireto:
Fitahiana azon’ny Tompo omena ny hafa amin’ny alalan’ny ezaka ataontsika amin’ny asa fitoriana ny filazantsara.
Fitahiana azon’ny Tompo omena antsika noho ny fandehanana manao asa fitoriana.
Raha tsapanao fa mila fitarihana manokana kokoa ny mpianatra dia hevero ny hanome ny mpiara-manompo tsirairay an’ilay taratasy zaraina izay mitondra ny lohateny hoe “Ireo fitahiana avy amin’ny asa fitoriana.”
Halalino ireto andinin-tsoratra masina sy teny nambara manaraka ireto. Rehefa mandalina ianao dia tadiavo ireto manaraka ireto:
Fitahiana azon’ny Tompo omena ny hafa amin’ny alalan’ny ezaka ataontsika amin’ny asa fitoriana ny filazantsara.
Fitahiana azon’ny Tompo omena antsika noho ny fandehanana manao asa fitoriana.
Nampianatra izao ny Filoha Russell M. Nelson:
Ry rahalahy sy anabavy, tsy mbola nilaina mihoatra noho ny amin’izao fotoana izao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Manohitra ny zavatra rehetra ijoroan’ny Mpamonjy sy izay nampianariny ny disadisa sy ny fifandirana ary ny ady. Tiako ny Mpamonjy Jesoa Kristy ary mijoro ho vavolombelona aho fa ny filazantsarany no hany vahaolana maharitra mba hisian’ny fandriampahalemana. Ny filazantsarany dia filazantsaran’ny fiadanana [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:16 ]. …
Ny misiônera rehetra dia mampianatra sy mijoro ho vavolombelon’ny Mpamonjy. Ny haizina ara-panahy eto amin’izao tontolo izao dia mahatonga ny fahazavan’i Kristy ho vao mainka ilaina kokoa mihoatra noho ny tamin’ny fotoana hafa rehetra. Ny olona rehetra dia mendrika ny hanana fahafahana ny hahafantatra momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Ny olona rehetra dia mendrika ny hahafantatra hoe aiza no ahafahany mahita fanantenana sy fiadanana izay “mihoatra noho ny fahalalana rehetra” [Filipiana 4:7 ]. (Russell M. Nelson, “Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana ,” Liahona , mey 2022, 6–7)
Nampianatra izao ny Loholona Marcus B. Nash ao amin’ny Fitopololahy:
Ny fizarana ny filazantsara dia mampitsiry fifaliana sy fanantenana ao amin’ny fanahin’ilay mpanome sy ilay mpandray. Marina tokoa fa “akory ny halehiben’ny fifalianareo” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15 ] rehefa mizara ny filazantsara ianareo! Fifaliana miampy fifaliana, fanantenana miampy fanantenana ny fizarana ny filazantsara. …
Ny fisafidianana ny tsy hanainga ambony ny hazavan’ny filazantsara dia mitondra antsika amin’ny aloka izay toerana hahazoan’ny fakam-panahy kokoa antsika. Fa ny zava-dehibe dia marina ny mifanohitra amin’izany: ny fisafidianana hanainga ambony ny fahazavan’ny filazantsara dia mitondra antsika hanatona kokoa izany fahazavana izany sy ny fiarovana amin’ny fakam-panahy entin’izany. Fitahiana goavana ho an’izao tontolo ankehitriny izao izany! (Marcus B. Nash, “Aingao ambony ny fahazavanao ,” Liahona , nôv. 2021, 71–72)
Rehefa avy mandalina ny mpianatra dia asao ny mpiara-manompo tsirairay hanoratra manodidina ilay fahamarinana eny amin’ny solaitrabe farafahakeliny fitahiana iray avy amin’ny asa fitoriana ny filazantsara. Rehefa misy fitahiana maromaro voatanisa dia hevero ny hametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto mba hanomezana fahafahana ny mpianatra hizara na hijoro ho vavolombelona momba ny zavatra nianarany:
Inona avy ireo fitahiana eo amin’ny solaitrabe izay azonao na noraisinao tamin’ny alalan’ny asa fitoriana ny filazantsara?
Inona no soratra masina na teny nambara novakinao izay nanampy anao hampitombo ny fanirianao hanompo ny Tompo ka ho lasa misiônera?
Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny asa fitoriana miantraika amin’ny fifandraisanao amin’ny Tompo? Nahoana?
Hevero ny hizara zavatra niainanao manokana na ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny asa fitoriana ny filazantsara. ” (5:22), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org
2:3
Missionaries from around the world share their testimonies of blessings received from choosing to serve a mission.
Hevero ny hitarika ny mpianatra hiverina any amin’ny teny nambaran’ny Filoha Nelson tany am-piandohan’ny lesona. Asao ireo zatovolahy hivavaka lalandava mba hampitomboan’ny Tompo ny faniriany sy ny fahafahan’izy ireo handeha hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno. Asao ireo zatovovavy hivavaka mba hahafantarana raha tian’ny Tompo handeha hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno izy ireo na tsia.
Ny Loholona Marcos A. Aidukaitis ao amin’ny Fitopololahy dia nizara hoe:
11:27
Mampianatra ny zatovo ny Loholona Aidukaitis fa hitahy be dia be azy ireo Andriamanitra rehefa mandresy ny tahotra sy ny ahiahy izy ireo ary manompo Azy amin’ny fitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno.
Anisan’ny fitahiana tena tsara nomeny ahy noho ny nanompoako Azy tamin’ny naha-misiônera tamin’ny fotoana feno ahy ny finoana lehibe kokoa an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany sy ny fahalalana sy fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa momba ireo fampianarany, mba tsy hahatonga ahy ho mora “ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra” (Efesiana 4:14 ). Tsy natahotra ny hampianatra intsony aho. Nitombo ny fahaizako miatrika olana amim-panantenana. Tamin’ny alalan’ny fandinihana ireo olona sy fianakaviana nihaona tamiko na nampianariko fony aho misiônera, dia nianatra aho fa marina ny fampianaran’ Andriamanitra rehefa nilaza Izy fa tsy mitondra fahasambarana marina ny fahotana ary ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra dia manampy antsika hiroborobo sady amin’ny lafiny ara-batana no amin’ny lafiny ara-panahy (jereo ny Môzià 2:41 ; Almà 41:10 ). Nianatra mivantana aho fa Andriamanitra dia Andriamanitry ny fahagagana (jereo ny Môrmôna 9 ).
Ireo zavatra rehetra ireo dia fitaovana tamin’ny fanomanana ahy ho amin’ny fiainan’olon-dehibe, tafiditra ao anatin’izany ny hoe iza no ho lasa vadiko, sy ny maha-ray, ny fanompoana ato amin’ny Fiangonana, ary ny lafiny ara-kasa sy ara-piarahamonina. …
Tena nanefy tanteraka ny fiainako ny asa fitoriana nataoko. Nianatra aho fa mendrika hanaovana ezaka ny fitokisana amin’ Andriamanitra, ny matoky ny fahendreny sy ny famindram-pony ary ireo fampanantenany. Izy rahateo koa no Raintsika, ary tsy azo isalasalana fa maniry ny tsara indrindra ho antsika Izy. (Marcos A. Aidukaitis, “Asandrato ny fonao ary mifalia ,” Liahona , mey 2022, 42–43)
Nampianatra izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Ny fitoriana ny filazantsara dia tsy andraikitry ny fisoronana amin’ny ampahan’ny fotoana fotsiny. Tsy asa andraisantsika anjara amin’ny fotoana voafetra fotsiny izany na andraikitra tokony ho tanterahantsika amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Raha ny marina dia fanehoana ny maha-isika antsika ara-panahy sy ny lovantsika ara-panahy ny asa fitoriana ny filazantsara. Isika dia natokana mialoha tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana ary nateraka ety an-tany mba hanatanteraka ilay fanekempihavanana sy fampanantenana izay nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama. Ety an-tany isika amin’izao fotoana izao mba hanandriana ny fisoronana sy hitory ny filazantsara. Izay no maha-isika antsika, ary izay no antony ahatongavantsika ety, anio sy rahatrizay. (David A. Bednar, “Becoming a Missionary ,” Liahona , Nov. 2005, 47)
Asao ny mpianatra hizara raha toa ka efa nahita olona nanokatra ny antso handeha hitory ny filazantsara izy ireo.
Hamafiso fa indraindray isika dia mety hanamaivana ireo fitahiana nampanantenaina voatanisa ao anatin’ny antso handeha hitory ny filazantsara. Omeo tahadikana taratasy fiantsoana ho misiônera vao haingana iray ireo mpianatra. Asao izy ireo hitady ireo fitahiana ampanantenain’ny Tompo amin’ny alalan’ny mpaminaniny ho an’ireo izay voantso hanompo.
Hazavao fa ireo zatovolahy sy zatovovavy mendrika izay tsy afaka manao asa fitoriana ny filazantsara hafa noho ny antony ara-batana, ara-tsaina, ara-pihetseham-po, na antony hafa dia azo antsoina ho misiônera manao asa fanompoana. Ireo misiônera manao asa fanompoana dia afaka manompo ny Tompo amin’ny alalana andraikitra isan-karazany, anisan’izany ny ao amin’ireo fikambanana mpanao asa soa, amin’ny alalan’ireo asa fampandehanana ny Fiangonana, ary amin’ny alalan’ireo fahafahana hanompo hafa eny anivon’ny tsatòka. ChurchofJesusChrist.org
5:19
Severe allergies prevented Elder Quade from serving a proselyting mission, but nothing could keep him from fulfilling the call to be a representative of Jesus Christ and consecrate two years of his life as a service missionary.
Asao ny mpianatra hamaky ireto torolalana manaraka ireto izay avy amin’ireo torolalana nomena ho an’ireo misiônera manao asa fanompoana, ka hitady fanazavana momba ny asa fanompoana ataon’ireo misiônera mpanao asa fanompoana:
Ny Fiadidiana Voalohany dia nanome tanjona ho an’ny asa fitoriana ataon’ireo misiônera mpanao asa fanompoana mba hitarihana anao amin’ny antsonao masina hanompo:
“Ny tanjontsika dia ny hanampy ny hafa hanatona an’i Kristy amin’ny fanompoana azy ireo tahaka ny hataon’ny Mpamonjy. Manompo an-tsitrapo izahay ao anatina fikambanana manao asa soa, amin’ny andraikitra ao amin’ny Fiangonana, ary eo anivon’ny fiarahamonina. Hanompo ilay olona iray amin’ny anarany isika, tahaka ny nataony, sady maneho ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.”
Tsarovy fa ny fomba hanompoanao ny Mpamonjy dia manan-danja kokoa noho ny toerana hanompoanao na ny zavatra ataonao. Nanambara ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny fotoana nanompoako nandritra ny androm-piainako tato amin’ity Fiangonana ity dia nianarako fa tsy misy dikany mihitsy ny hoe aiza ianao no manompo. Ny zava-dehibe amin’ny Tompo dia ny fomba fanompoana” (“Manompo amin’ny hery sy fahefan’ Andriamanitra ,” Liahona , mey 2018, 68). Ho an’ilay Mpampianatra ny asa fanompoana ataonao ary asaina hanompo tahaka Azy ianao! (Missionary Standards for Disciples of Jesus Christ—Service Missions (Fitsipika momba ny asa fitoriana ho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy—Asa fitoriana ataon’ireo misiônera mpanao asa fanompoana , 1.3 )
Inona no nanaitra anao indrindra?
Inona no hevi-baovao azonao momba ny fisoloana tena an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-misiônera?
Ahoana no ahafahan’io fampahalalana io mampivelatra ny fahitantsika ny asa fitoriana ny filazantsara?
Mba hahazoana fampahalalana misimisy kokoa dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hijery ireo antsipirian-javatra ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org/service-missionary na ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile.