“Ny fianakavian’i Joseph Smith”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“Ny fianakavian’i Joseph Smith”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
1805–1817
Ny fianakavian’i Joseph Smith
Fianakaviana be finoana
Teraka tamin’ny 23 desambra 1805 tany avaratra atsinanan’i Etazonia i Joseph Smith. Joseph ihany koa no anaran-drainy. I Lucy no anaran-dreniny. Nanana rahalahy sy anabavy maro izy. Mpamboly sy mpiompy ny fianakavian’i Joseph. Nino an’ Andriamanitra izy ireo ary nifankatia.
Fony zazalahy i Joseph dia nisy aretina izay niteraka olana tamin’ny tongony. Maharary be azy ny tongony . Niezaka nanampy azy hahatsapa ho maivamaivana ny fianakavian’i Joseph saingy mbola maharary be ny tongony. Niezaka nitsabo ny ranjony ireo dokotera saingy tsy nahavita izany.
Olomasina, 1:7
Nilaza ireo mpitsabo fa nila nanapaka ny tongotr’i Joseph izy ireo mba hamonjena ny ainy. Saingy tsy navelan’ny reniny izy ireo. Nanontaniany raha toa ka nisy fomba hafa hanampiana an’i Joseph. Nanapa-kevitra ireo dokotera fa hanaisotra ny ampahany tamin’ilay taolana teo amin’ny tongony. Fantatr’i Joseph fa ho maharary izany saingy nanana finoana izy fa hanampy azy Andriamanitra.
Olomasina, 1:7
Te hanome toaka hosotroin’i Joseph ireo mpitsabo mba hanadontoana ilay fanaintainana. Saingy nandà i Joseph. Tiany fotsiny ny mba hihazonan-drainy azy.
Olomasina, 1:7
Nangataka an-dreniny mba hivoaka i Joseph. Tsy tiany izy hahita azy ao anatin’ny fanaintainana be raha eo am-pandidiana ny tongony ireo mpitsabo.
Notazonin-drainy i Joseph nandritra ny fotoana nanapahan’ireo mpitsabo ireo ampahany ratsy tamin’ilay taolana teo amin’ny tongony. Tena naharary tokoa izany, saingy nanampy an’i Joseph mba ho be herim-po Andriamanitra. Taona vitsivitsy taty aoriana dia nihatsara ny tongotr’i Joseph, saingy mbola naharary azy rehefa nandeha izy.
Olomasina, 1:6–7
Rehefa lehibe kokoa i Joseph dia nifindra tany amin’ny faritan’i New York ny fianakaviany. Nahantra ny fianakavian’i Joseph. Niasa mafy izy ireo mba hananana sakafo ampy ho an’ny fianakaviany. Zazalahy hendry i Joseph. Faly lalandava izy ary tia nihomehy sy miala voly.
Olomasina, 1:5–9
Tia an’i Jesoa Kristy ny fianakavian’i Joseph. Niara-nivavaka sy namaky ny Baiboly izy ireo. Saingy tsy fantatr’ireo ray aman-drenin’i Joseph hoe inona no fiangonana tokony hidiran’izy ireo ho mpikambana. Indray hariva dia nivavaka i Lucy renin’i Joseph ary nilaza tamin’ Andriamanitra fa te hahita ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy izy. Namaly ny vavaka nataony Andriamanitra ary nampanantena fa hahita izany izy.
Olomasina, 1:10–11