Tantara ao amin’ny soratra masina
Ny Fahitana Voalohany azon’i Joseph Smith


“Ny Fahitana Voalohany azon’i Joseph Smith”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“Ny Fahitana Voalohany azon’i Joseph Smith”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

1817–1820

Ny Fahitana Voalohany azon’i Joseph Smith

Valin’ny vavaka iray feno fanetren-tena

Mihaino olona izay mitory momba ny finoan’izy ireo ara-pivavahana isan-karazany i Joseph Smith.

Maro ireo fiangonana nampianatra momba an’i Jesoa Kristy teo amin’ny toerana nipetrahan’ny fianakavian’i Joseph Smith. Samy nampianatra zavatra samihafa momba Azy avokoa izy rehetra. Tsy azon’i Joseph antoka hoe iza no marina. Fantany fa nila ny Mpamonjy izy, saingy tsy fantany izay fiangonana tokony hidirana ho mpikambana.

Joseph Smith—Tantara 1:5–6; Olomasina, 1:9

Miasa ao amin’ny toeram-piompiany sy famboleny i Joseph Smith.

Nieritreritra momba izany nandritra ny fotoana ela i Joseph. Naniry ny ho voavela amin’ny fahotany izy. Nitsidika fiangonana maro izy saingy mbola sahiran-tsaina ihany.

Joseph Smith—Tantara 1:8–10; Olomasina, 1:9–12

I Joseph Smith mamaky Baiboly eo am-pototry ’ny  labozia.

Indray andro i Joseph dia namaky ny Jakoba 1:5 tao amin’ny Baiboly. Nilaza izany fa raha mila fahendrena isika dia afaka manontany an’ Andriamanitra. Fantatr’i Joseph tao am-pony fa izany no tokony hataony.

Joseph Smith—Tantara 1:11–13

Nandeha tany amin’ny alakely eo akaikin’ny tranony i Joseph Smith mba hivavaka.

Indray marainan’ny lohataonan’ny 1820 i Joseph dia nandeha tao amin’ny ala teo akaikin’ny tranony. Naniry ny hankany amina toerana iray izay hahafahany ho irery mba hivavaka amin’ny Ray any An-danitra izy.

Joseph Smith—Tantara 1:14–15

Nivavaka tany anaty ala i Joseph Smith.

Nandohalika i Joseph ary nanomboka nivavaka. Rehefa nanao izany izy dia nahatsapa hery ratsy nangeja azy. Nahatsapa haizina nanodidina azy izy. Toy ireny ny hoe nisy olona niezaka nanakana azy tsy hiresaka amin’Andriamanitra ireny. Nampiasa ny heriny rehetra i Joseph mba hangataka amin’ Andriamanitra mba hamonjy azy.

Joseph Smith—Tantara 1:15–16

Niseho tamin’i Joseph Smith ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Nandohalika teo anoloan’Izy Ireo izy.

Tampoka teo dia nahita hazavana namiratra nidina avy any an-danitra i Joseph. Niala ilay haizina ary nahatsapa fiadanana izy. Nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy nitsingevaheva teo ambony izy tao anatin’ilay hazavana. Nanonona ny anaran’i Joseph ny Ray any An-danitra. Avy eo dia nanondro an’i Jesoa Izy sady niteny hoe: “Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!”

Joseph Smith—Tantara 1:16–17

Nilaza tamin’i Joseph Smith i Jesoa fa voavela ny fahotany.

Nolazain’ny Tompo tamin’i Joseph fa voavela ny helony. Nanontany an’i Jesoa i Joseph hoe iza no fiangonana tokony hidirany ho mpikambana. Nilaza i Jesoa fa tsy tokony hiditra ho mpikambana amin’izy ireny izy.

Joseph Smith—Tantara 1:18–19; Olomasina, 1:16

Mandohalika ao anaty alakely i Joseph Smith sady mihaino ny Mpamonjy.

Nilaza i Jesoa fa very ireo fahamarinana manan-danja momba ny filazantsarany. Nilaza Izy fa handefa anjely Izy hampianatra ireo fahamarinana ireo amin’i Joseph mba hozaraina amin’izao tontolo izao.

Olomasina, 1:16–17

Mivoaka avy ao anaty ala mba handeha hody i Joseph Smith.

Rehefa tapitra ilay fahitana dia heniky ny fitiavana sy fifaliana i Joseph. Tsy sahiran-tsaina intsony izy. Fantany fa tia azy Andriamanitra. Na dia nankahala azy aza ny olona sasany noho ny filazana fa nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy dia fantatr’i Joseph fa marina izany.

Joseph Smith—Tantara 1:20–26; Olomasina, 1:16