“Nanampy an’i Joseph i Martin Harris”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“Nanampy an’i Joseph i Martin Harris”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
1828–1829
Nanampy an’i Joseph i Martin Harris
Mianatra matoky ny Tompo
Indray andro raha nipetraka tany Pennsylvanie i Joseph sy i Emma, dia nisy namana iray nantsoina hoe Martin Harris tonga nitsidika azy ireo. Manana toeram-pambolena sy fiompiana lehibe tao New York i Martin. Nahalala momba ny asan’i Joseph tamin’ireo takela-bolamena izy. Efa nanampy an’i Joseph izy taloha ary ankehitriny dia te hahafantatra izy raha toa ka misy zavatra hafa azony atao mba hanampiana.
Olomasina, 1:49
Feno fankasitrahana i Joseph sy i Emma. Be dia be ny olona nihevitra fa nandainga i Joseph. Tsara ny fananana namana toa an’i Martin izay nino fa tena nisy tokoa ireo takela-bolamena.
Olomasina, 1:49
Rehefa nandika ireo takelaka i Joseph dia nanoratra ireo zavatra nolazainy i Martin. Nientanentana ny hanampy ny Tompo tamin’izany asa lehibe izany i Martin.
Olomasina, 1:50
Tsy faly i Lucy vadin’i Martin. Tsy ninoany fa tena nanana takela-bolamena tokoa i Joseph. Noheveriny fa namitaka an’i Martin i Joseph. Tiany hiverina any New York i Martin ary hitsahatra tsy hanampy an’i Joseph.
Olomasina, 1:49–55
Saingy nanohy niara-niasa tamin’i Joseph i Martin. Nieritreritra izy fa raha afaka hamaky ny zavatra niasan’izy ireo i Lucy dia hino ihany koa izy. Nanontany an’i Joseph izy raha toa ka afaka maka ireo pejy izay nadikan’izy ireo ho entiny any New York mba hasehony ny vadiny. Nilaza i Joseph fa hivavaka sy hangataka amin’Andriamanitra izy.
Olomasina, 1:50–51
Nilaza taminy ny Tompo mba tsy hamela an’i Martin hitondra ireo taleka. Nangataka an’i Joseph mba hivavaka indray i Martin. Nivavaka i Joseph ary nahazo valiny mitovy tamin’izany. Saingy tena naniry mafy ny hampiseho ireo takelaka tamin’ny vadiny i Martin, ary naniry ny hanampy ilay namany i Joseph. Nivavaka fanintelony i Joseph. Tamin’ity indray mitoraka ity dia nilaza tamin’i Joseph Andriamanitra fa afaka manapa-kevitra ny amin’izay tokony hataony izy.
Olomasina, 1:51
Nilaza tamin’i Martin i Joseph fa afaka mitondra ireo takelaka mankany New York izy, saingy tsy afaka nampiseho izany afa-tsy amin’ny olona sasan-tsasany ao amin’ny fianakaviana ihany izy. Ary nila nitondra ireo pejy niverina tao anatin’ny roa herinandro izy. Nanaiky i Martin ka nandeha niaraka tamin’ireo pejy.
Olomasina, 1:51
Raha mbola lasa i Martin dia teraka zaza iray i Joseph sy i Emma. Saingy maty ilay zaza ary lasa narary i Emma. Nalahelo be i Emma sy i Joseph.
Olomasina, 1:51–52
Nanahy momba an’i Emma i Joseph. Nanahy momba an’i Martin ihany koa izy. Lasa ireo herinandro roa ireo, ary tsy mbola niverina i Martin. Nitebiteby ihany koa i Emma.
Olomasina, 1:52
Nasain’i Emma nankany New York i Joseph mba hitady an’i Martin. Nihaona tamin’i Martin tao an-tranon’ny ray aman-dreniny i Joseph. Rehefa nanontany an’i Martin momba ireo pejy i Joseph dia nalahelo mafy i Martin. Nolazainy fa very ireo pejy. Notadiaviny tamin’ny toerana rehetra saingy tsy hitany izany.
Olomasina, 1:52–53
Lasa nalahelo be sy natahotra i Joseph. Fantany fa nanao hadisoana izy namela an’i Martin haka ireo pejy. Niverina nody izy ary nilaza tamin’i Emma ny zava-nitranga. Tonga ny anjely Môrônia ary naka indray ireo takela-bolamena. Nilaza izy fa raha toa ka hanetry tena sy hibebaka i Joseph dia afaka hahazo indray ireo takelaka ary handika teny indray.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:5–11; 10:1–3; Olomasina, 1:53–54
Nieritreritra momba ny zavatra tsy nety nataony i Joseph nandritra ny herinandro maro. Nivavaka izy ka nangataka famelan-keloka. Navelan’ Andriamanitra ny helony. Nolazainy tamin’i Joseph fa nangalarin’olona izay niezaka nanakana ny asan’ Andriamanitra ireo pejy ireo. Saingy tsy misy olona afaka manakana ny asan’ Andriamanitra. Nanana drafitra hanohizana hampandrosoana ny asany Andriamanitra.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:1–10; Olomasina, 1:54–55
Naverin’i Môrônia tamin’i Joseph ireo takelaka. Nilaza tamin’i Joseph sy i Martin Andriamanitra fa raha toa ka manetry tena sy matoky Azy izy ireo dia afaka hanohy hanampy amin’ny asany amin’ny fomba maro. Afaka nanampy tamin’ny fitondrana ny Bokin’i Môrmôna tamin’izao tontolo izao izy ireo. Ity boky ity dia hanampy ny olona na aiza na aiza hibebaka sy hino an’i Jesoa Kristy.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:16–20; 5:21–35; Olomasina, 1:56–57