“Naniraka an’i Oliver Cowdery ny Tompo”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“Naniraka an’i Oliver Cowdery ny Tompo”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
1828–1829
Naniraka an’i Oliver Cowdery ny Tompo
Mamantatra ny fomba iresahan’ Andriamanitra amintsika
Nanohy nandika ny Bokin’i Môrmôna i Joseph sy i Emma. Mafy ny asa ary tsy maintsy niasa tao amin’ny toeram-piompiana sy fambolen’izy ireo ihany koa izy ireo. Nivavaka i Joseph mba handefasan’ny Ray any An-danitra olona iray hanampy azy handika ny Bokin’i Môrmôna.
Olomasina, 1:56–58
Lavitra be tany New York, i Oliver Cowdery, izay mpampianatra mbola tanora, dia niara-nipetraka tamin’ny ray aman-drenin’i Joseph Smith. Nampianatra an’ireo zandrin’i Joseph lahy sy vavy i Oliver.
Olomasina, 1:58–59
Nahare momba an’i Joseph sy ireo takela-bolamena i Oliver. Liana izy. Niresaka tamin’ireo ray aman-drenin’i Joseph izy. Nolazain’izy ireo an’i Oliver fa nanao asan’ Andriamanitra i Joseph.
Olomasina, 1:59
Vao mainka aza lasa liana bebe kokoa i Oliver. Nilaza tamin’i Oliver ny ray aman-drenin’i Joseph fa tokony hivavaka sy hamantatra ho an’ny tenany manokana izy raha toa ka asan’ Andriamanitra izany. Koa indray alina dia nivavaka tamin’ny fony manontolo i Oliver. Nanome fiadanana tao an-tsainy Andriamanitra. Fantatr’i Oliver fa mpanompon’ Andriamanitra i Joseph Smith. Nahatsapa izy fa tokony hanampy an’i Joseph.
Olomasina, 1:60
Rehefa tapitra ny taom-pianarana dia nandeha nihaona tamin’i Joseph sy i Emma i Oliver. Niari-tory i Joseph sy i Oliver niresaka momba ireo takela-bolamena sy ny asan’ Andriamanitra.
Olomasina, 1:60
Nilaza i Oliver fa hanoratra izy rehefa mandika teny i Joseph. Tiany ny zavatra nianarany momba an’i Jesoa. Nanam-panontaniana ihany koa izy ary naniry ny hanam-pinoana matanjaka kokoa.
Olomasina, 1:61
Tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph no nanomezan’ny Tompo hafatra ho an’i Oliver. Noteneniny i Oliver mba hahatsiaro ilay takariva tamin’ny fotoana nivavahany. Nanome fiadanam-po azy Andriamanitra. Andriamanitra irery ihany no nahafantatra momba izany vavaka izany. Lasa natanjaka kokoa ny finoan’i Oliver. Nanohy nanampy an’i Joseph izy, ary nampianatra azy zavatra maro momba ny fomba firesahan’ Andriamanitra amintsika ny Tompo.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:14–24; 8:1–3; 9:7–9; Olomasina, 1:62–64