“Mamerina amin’ny laoniny ny Fisoronana ireo anjely”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“Mamerina amin’ny laoniny ny Fisoronana ireo anjely”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
1829
Mamerina amin’ny laoniny ny Fisoronana ireo anjely
Hery hanaovana ny asan’ Andriamanitra
Rehefa nandika ireo takela-bolamena i Joseph sy i Oliver dia nianatra izy ireo fa tian’i Jesoa hatao batisa ny olona rehetra. Izy ihany koa dia nanome hery ny olona mba hanao batisa ny hafa. Mbola tsy vita batisa i Joseph. Naniry ny hahalala bebe kokoa momba ny batisa izy.
Joseph Smith—Tantara 1:68; Olomasina, 1:65–66
Nanontany tena i Joseph sy i Oliver hoe iza no nanana fahefana hanao batisa ny olona amin’izao fotoana izao. Nanapa-kevitra ny hanontany an’ Andriamanitra izy ireo. Nandeha tany anaty ala izy ireo ka nandohalika nivavaka.
Joseph Smith—Tantara 1:68; Olomasina, 1:66
Rehefa nivavaka izy ireo dia nisy anjely iray niseho. Nilaza izy fa izy no Jaona Mpanao Batisa, izay nanao batisa an’i Jesoa Kristy taloha ela be. Nomeny ny Fisoronana Aharôna i Joseph sy i Oliver. Ny Fisoronana dia herin’ Andriamanitra. Ampiasaina izany mba hitahiana ireo zanak’ Andriamanitra.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13; Joseph Smith—Tantara 1:69, 72; Olomasina, 1:66–67
Nilaza i Jaona Mpanao Batisa fa ny olona iray izay manana ny Fisoronana Aharôna dia afaka mampianatra ny olona hibebaka ary hanao batisa azy ireo. Nasain’i Jaona mba hatao batisa i Joseph sy i Oliver. Nidina tao anaty renirano izy ireo ary nifanao batisa. Rehefa nivoaka avy tao anaty rano izy ireo dia heniky ny Fanahy Masina. Tena faly be izy ireo.
Taorian’izay dia nisy anjely hafa tonga. Telo tamin’ireo Apôstôlin’i Jesoa—i Petera sy i Jakoba ary i Jaona—dia nanome ny Fisoronana Melkizedeka an’i Joseph sy i Oliver. Izao dia afaka manome ny fanomezana ny Fanahy Masina i Joseph sy i Oliver. Lasa Apôstôly ihany koa i Joseph sy i Oliver. Afaka mitarika ny Fiangonana sy ho vavolombelona manokan’i Jesoa Kristy izy ireo.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:12; Olomasina, 1:84