“I Joseph sy i Emma”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“I Joseph sy i Emma”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
1825–1828
I Joseph sy i Emma
Miara-miasa mba hitondra eo amin’izao tontolo izao ny Bokin’i Môrmôna
Lehibe tao amin’ny fianakaviana lehibe iray tao Pennsylvanie i Emma Hale, tsy lavitra an’i New York, izay toerana nipetrahan’i Joseph Smith. Nino an’Andriamanitra i Emma sy ny fianakaviany. Tia namaky teny sy nihira sy nitaingina soavaly ary nandeha lakana (canoë) tao amin’ilay renirano teo akaikin’ny tranony i Emma.
Olomasina, 1:31–32
Nony 21 taona i Emma dia tonga niasa ho an’ny iray tamin’ireo mpifanolobodirindrina tamin’i Emma i Joseph Smith ny rainy. Nanasa azy ireo hijanona ao an-tranony ny rain’i Emma.
Joseph Smith—Tantara 1:56–57; Olomasina, 1:31–32
Lasa nifankahafantatra i Joseph sy i Emma. Tian’izy ireo ny niaraka. Saingy tsy tia an’i Joseph ireo ray aman-drenin’i Emma. Tsy nino izy ireo fa nahita anjely izy.
Olomasina, 1:32–33
Herintaona taty aoriana teo ho eo dia nangataka an’i Emma mba hanambady azy i Joseph. Nifankatia i Emma sy i Joseph. Nifanambady izy ireo ka nandeha niara-nipetraka tamin’ny ray aman-drenin’i Joseph tany New York.
Joseph Smith—Tantara 1:57–58; Olomasina, 1:34–35
Efa-taona no lasa hatramin’ny nilazan’i Môrônia tamin’i Joseph momba ireo takela-bolamena. Rehefa tonga ny fotoana dia nandeha tany amin’ilay havoana izay nanafenana an’ireo takelaka i Emma sy i Joseph.
Joseph Smith—Tantara 1:59; Olomasina, 1:36–37
Nihaona tamin’i Joseph teo amin’ilay havoana ny anjely Môrônia ka nanome azy ireo takelaka. Nolazainy tamin’i Joseph fa raha toa ka manao izay tsara indrindra azony atao izy mba hikarakarana ireo takelaka dia ho voaro izy ireo.
Joseph Smith—Tantara 1:59; Olomasina, 1:37–38
Ren’ny olona fa nanana ireo takela-bolamena i Joseph, ary ny sasany tamin’izy ireo dia niezaka nangalatra ireo takelaka taminy. Tsy maintsy nitady toerana hanafenana azy ireo i Joseph. Raha mbola nentin’i Joseph niala ny toeram-piafenana iray tany an’ala ireo takelaka dia nisy andian-dehilahy nanafika azy. Nohitsiany izy ireo ka nihazakazaka nankany an-tranon’ny ray aman-dreniny izy.
Joseph Smith—Tantara 1:60; Olomasina, 1:38, 40–41
Rehefa nentin’i Joseph tany an-trano ireo takelaka dia nanampy azy hametraka izany teo amin’ny latabatra ny anabaviny. Nilaza tamin’i Joseph i Môrônia mba tsy hamela na iza na iza hahita ireo takelaka, saingy afaka nitsapa ireo takelaka ny fianakaviany raha mbola nofonosina lamba izy ireo.
Olomasina, 1:41
Tian’ Andriamanitra handika ireo takela-bolamena i Joseph mba hahafahan’ny olona hamaky izany. Saingy nanohy niezaka nangalatra ireo takelaka ny olona tao New York. Tsy maintsy nanohy nanafina an’ireo takelaka i Joseph mba hitandrovana azy ireo ho voaro. Noho izany dia nifindra tany amin’ny trano iray akaikin’ny ray aman-drenin’i Emma i Joseph sy i Emma. Nanantena izy ireo fa afaka handika ireo takelaka am-pilaminana.
Joseph Smith—Tantara 1:61–62; Olomasina, 1:43, 45–46
Nanomboka nandika an’ireo takelaka i Joseph. Nampiasa fitaovana manokana izay nomanin’ Andriamanitra hanampiana azy izy. Rehefa teo am-pandikana i Joseph dia nanoratra ny zavatra nolazainy i Emma. Niara-niasa nandritra ny ora maro nifandimby izy ireo. Talanjona i Emma. Fantany fa nandika tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra ny vadiny.
Joseph Smith—Tantara 1:35; Olomasina, 1:49