Tantara ao amin’ny soratra masina
Nitsidika an’i Joseph Smith ny anjely Môrônia


“Nitsidika an’i Joseph Smith ny anjely Môrônia”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“Nitsidika an’i Joseph Smith ny anjely Môrônia”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

1823

Nitsidika an’i Joseph Smith ny anjely Môrônia

Mahafantatra momba ny boky masina iray

Mitazana avy eo am-baravarankelin’ny tranony i Joseph Smith.

Telo taona no lasa hatramin’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith. Nanenina i Joseph noho ireo fahadisoana sasany nataony hatramin’io fotoana io. Nanontany tena izy hoe inona no tsapan’ Andriamanitra momba azy.

Joseph Smith—Tantara 1:28–29; Olomasina, 1:20

Mivavaka eo anilan’ny fandriany i Joseph Smith.

Indray alina, rehefa resin-tory avokoa ny rehetra dia nanapa-kevitra ny hivavaka i Joseph. Efa namaly ny vavaka nataony Andriamanitra tany aloha ary fantatr’i Joseph fa hamaly izany indray Izy.

Joseph Smith—Tantara 1:29; Olomasina, 1:21–22

Niseho tamin’i Joseph Smith i Môrônia.

Raha teo am-pivavahana i Joseph dia nisy hazavana nameno ny efitrano. Nahita anjely iray nijoro nitsingevaheva teo akaikin’ny fandriany i Joseph. Nilaza ilay anjely fa i Môrônia no anarany. Andriamanitra no naniraka azy. Nilaza izy fa efa navelan’Andriamanitra ny helok’i Joseph ary nanana asa hampanaovina azy Izy. Ny olona manerana izao tontolo izao dia hahafantatra momba an’i Joseph sy ny asa nomen’ Andriamanitra azy.

Joseph Smith—Tantara 1:30–33

Nilaza mikasika boky iray vita tamin’ny takela-bolamena tamin’i Joseph Smith i Môrônia.

Nilaza i Môrônia fa misy boky iray vita amin’ny takela-bolamena. Nalevina tao amina havoana iray teo akaikin’ny tranon’i Joseph izany. Mitantara mikasika ny vahoaka izay niaina taloha ela be tany Amerika ilay boky. Nahafantatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izy ireo. Nilaza i Môrônia fa hanampy an’i Joseph handika ilay boky mba hahafahan’ny olona mamaky izany Andriamanitra.

Joseph Smith—Tantara 1:34–46

Miresaka amin-drainy ny momba ny fitsidihan’i Môrônia i Joseph Smith.

Nitsidika intelo i Môrônia tamin’io alina io ary nitsidika koany ampitson’io. Nolazain’i Joseph tamin-drainy ny zavatra hitany. Faly ny rain’i Joseph. “Fahitana avy amin’ Andriamanitra izany”, hoy izy tamin’i Joseph.

Joseph Smith—Tantara 1:35–50; Olomasina, 1:22–25

Nahita an’ireo takela-bolamena tao ambanin’ny vatolampy iray i Joseph Smith.

Nandeha tany amin’ilay havoana i Joseph ka nahita ireo takela-bolamena tao ambanin’ny vato mavesatra iray. Rehefa nanakatra azy ireo izy dia nieritreritra ny fahalafosan-bidin’izany. Tonga i Môrônia ka nilaza tamin’i Joseph fa tsy vonona ny haka ireo takelaka izy. Nasainy niverina teny amin’io toerana io isan-taona i Joseph mandra-pahavonona azy.

Joseph Smith—Tantara 1:51–54; Olomasina, 1:25–27