“Lesona 4 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mahita tanjona sy fifaliana amin’ireo zavatra noharian’ny Tompo,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)
“Lesona 4 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay
Lesona 4 Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Mahita tanjona sy fifaliana amin’ireo zavatra noharian’ny Tompo
Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe: “Eritrereto ny zavatra hiseho raha toa ka maka fotoana isika rehetra mba hijery tsara ny toetra mahatalanjona ananan’ny voary manodidina antsika ary manokan-tena hianatra misimisy kokoa momba ity tontolo noharian’ Andriamanitra ho antsika ity!” (“God’s Love for His Children,” Ensign, mey 1988, 57). Rehefa misaintsaina ny fahagagan’ny zavatra nohariana ianao, dia hevero ny zavatra azonao ianarana momba ilay Mpahary sy ny tanjony ho antsika.
Fizarana 1
Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny tanjon’ny Fahariana mampisy dikany kokoa ny fiainako?
Inona avy ireo eritreritra sy fahatsapana tao aminao tamin’ny fotoana nijerenao ny kintana eny amin’ny lanitra amin’ny alina—angamba fahagagana, fahatalanjonana, fanajana, na fahatsapana ho tsinontsinona mihitsy aza?
Ny siansan’ny astrônômia dia manome topi-maso antsika momba ny habe mampitolagagan’izao rehetra izao. Ao amin’ny vahindanitra misy antsika fotsiny dia efa misy “kintana 200 sy 400 lavitrisa. Nefa mbola vao iray amin’ny vahindanitra an-davitrisa izany. … Rehefa miaraka ny vahindanitra sy ny tontolo hita maso dia ahitana kintana tombanana ho eo amin’ny 30 tapitrisa lavitrisa. Na izany aza, izany rehetra izany dia mety ho mbola ampahany kely amin’ny zavatra rehetra misy” (R. Val Johnson, “Worlds without Number,” Ensign, aog. 2013, 45).
Tao amin’ny fahitana miavaka ny Fahariana, i Mosesy dia nahita ny tanintsika sy ny mponina ao aminy, ary avy eo dia nianatra momba ny velarana ngezaben’izao rehetra izao. Nianarany ihany koa fa teo ambany fitarihan’ny Ray any An-danitra, i Jesoa Kristy dia nahary ny zava-drehetra (jereo ny Mosesy 2:1; jereo ihany koa ny Môzià 3:8; Jaona 1:1–3). Rehefa nahita ny asan’ny tanan’ Andriamanitra i Mosesy dia “talanjona sy gaga” (Mosesy 1:8) ary nanontany hoe, “Lazao ahy, iangaviako ianao, nahoana no toy izao ireo zavatra ireo ary tamin’ny inona no nanaovanao azy?” (Mosesy 1:30; jereo ihany koa ny andininy 27–37).
Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf izay mpikambana tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, dia nilaza ny tanjon’ Andriamanitra ho an’ny Fahariana toy izao:
Dia Andriamanitra mihitsy no nilaza fa isika no antony nahariany an’izao tontolo izao! Ny asany sy ny voninahiny— izay tanjon’ ity tontolo faran’ izay kanto indrindra ity— dia ny hamonjy sy hanandratra ny zanak’ olombelona. Nahary izao tontolo izao ny Ray any an-danitra mba hahafahantsika mahatratra ireo zavatra mety ho vitantsika amin’ ny maha-zanakalahy sy zanakavaviny antsika.
Hevimifanohitra eo amin’ ny olombelona izao: tsinontsinona ny olona raha oharina amin’ Andriamanitra; kanefa manan-danja be tokoa isika amin’ Andriamanitra. (“Manan-danja Aminy Ianao,” Liahona, nôv. 2011, 20)
Fizarana 2
Ahoana no ahafahako mahita fifaliana lehibe kokoa amin’ny zavatra noharian’ny Tompo?
Rehefa avy nohariana ny lanitra sy ny tany, dia nitsahatra tamin’ny asany rehetra Andriamanitra tamin’ny andro fahafito ary niteny hoe “ary nitsahatra tamin’ny asako rehetra Aho tamin’ny andro fahafito, ary ny zavatra rehetra izay efa nataoko dia vita, ary Izaho Andriamanitra dia nahita fa tsara izany;” (Mosesy 3:2). Avy eo dia notahiany ny andro fahafito. Inona no zavatra ianaranao momba ny Mpahary avy amin’ny fanokanany fotoana hijerena ny hatsaran’ny zavatra nohariana? Tamin’ny herinandro lasa, impiry ianao no naka fotoana handehanana mora sy hankafizana ireo zavatra noharian’ny Tompo?
Tamina fanambarana nataony tamin’ny Mpaminany Joseph Smith, ny mpamonjy dia nanavaka ireo fitahiana ara-nofo sy ara-panahy izay tonga eo amin’ireo izay mitandrina ny andro Sabata ho masina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–19). Ireo fitahiana ireo dia ahitana ny fankafizana ny “fahafenoan’ny tany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:16).
Amin’ireo zava-mahagaga rehetra eto an-tany, dia isika no zavatra noharian’ Andriamanitra lehibe indrindra. “Nidina hamorona olona tahaka ny endriny … lahy sy vavy” ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy (Abrahama 4:26–27). Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nijoro ho vavolombelona hoe:
Masina ny vatantsika. Noforonina araka ny endrik’ Andriamanitra izy ireo. Mahafinaritra izy ireo, zavatra faratampony noharian’ Andriamanitra. (“Be Ye Clean,” Ensign, mey 1996, 48)
Tena manan-danja amin’ny fivoarantsika mandrakizay ny fandraisana vatana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:33–34). Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:
Ny vatantsika dia manome fahafahana hahazo traikefa lalina sy mahery vaika, izay tsy afaka ny ho azo mihitsy nandritra ny fisiantsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. (“Mino isika fa tokony ho madio fitondran-tena,” Liahona, mey 2013, 41)
Mifanohitra amin’ny Mpamonjy, i Satana dia manova ny tanjon’ Andriamanitra momba ny vatantsika ary maka fanahy antsika mba hanao fampiasana tsy mety izany. Ny Filoha Susan W. Tanner, izay Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany teo aloha, dia nampianatra hoe:
Maka fanahy ny maro i [Satana] mba handotoana io fanomezana mahafinaritry ny vatana io amin’ny alalan’ny fahalotoam-pitondrantena, tsy fahamaotinana, fanaranam-po, ary fiankinan-doha. Misarika ny sasany hanao tsinontsinona ny tenan’izy ireo izy; maka fanahy ny hafa hiankohoka amin’ny vatan’izy ireo izy. Amin’ireo tranga roa ireo dia misarika izao tontolo izao handray ny vatana ho zavatra fotsiny izy. …
Tempolintsika ny vatantsika. Tsy latsaka isika fa mihoatra tahaka ny Ray any An-danitra satria nomena vatana isika. … Enga anie ka hohajaintsika ny fahamasinan’ny vatana mandritra ny fiainana eto an-tany mba hahafahan’ny Tompo manamasina sy manandratra izany mandrakizay. (“The Sanctity of the Body,” Ensign, nôv. 2005, 13, 15)
Fizarana 3
Ahoana no ahafahako mampitombo ny fahatakarako momba ny zavatra noharian’ny Tompo amin’ny alalan’ny soratra masina sy ny siansa?
Fomba iray ahafahantsika mianatra momba ny zavatra noharian’ Andriamanitra ny siansa. Ohatra, nianatra be momba ny fiasan’ny vatan’olombelona tamin’ny alalan’ny fikarohana ara-pitsaboana isika, momba ny zava-mananaina tamin’ny alalan’ny ekôlôjia, momba ny toetrandro tamin’ny alalan’ny meteôrôlôjia, ary mihoatra lavitra noho izany.
Mety misy fotoana ianaranao zavatra iray avy amin’ny siansa, izay toa manohitra ny soratra masina ny fahitana azy. Rehefa mifanena amin-javatra toa mifanohitra ianao, dia mety hanampy ity fomba fijerin’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka ity:
Tsy misy fifanoherana eo amin’ny siansa sy ny fivavahana. Amin’ny tsy fahampian’ny fahalalana ny siansa na ny fivavahana na izy roa ireo ihany no isehoan’ny fifanoherana. …
… Izay fahamarinana rehetra dia ampahany amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Na avy amina toeram-pikarohana ara-tsiansa ny fahamarinana na avy amina fanambarana avy amin’ny Tompo, dia mifanaraka! (“Fivorian’ny Mpitarika ao amin’ny Fiangonana tao amin’ny Tranon’ny Siansa momba ny Fiainan’ny BYU hanokanan-tena,” Church News, 17 aprily 2015, ChurchofJesusChrist.org).
Raha toa ka afaka manampy antsika amin’ny fomba itrangan’ny fizotry ny natiora ny siansa, ny filazantsaran’ny Tompo kosa dia mifantoka amin’ny antony. Matetika ny siansa sy ny fivavahana dia miresaka vondrom-panontaniana samy hafa. Amin’ny ankapobeny, ireo mpaminany ao amin’ny soratra masina dia manasongadina ny zavatra ilaina takatsika momba ny Mpahary sy ny tanjony. (Jereo ny “Science and Our Search for Truth,” New Era, jolay 2016, 26–29.) Rehefa niresaka momba ny fetran’ny fahalalana ara-tsiansa ny Filoha Dallin H. Oaks dia nampianatra hoe:
Ny fomban’ny siansa dia mitarika antsika amin’ilay antsointsika hoe fahamarinana ara-tsiansa. Saingy tsy ny ‘fahamarinana ara-tsiansa’ no fiainana iray manontolo. Ireo izay tsy mianatra “amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118) dia mametra ny fahatakarany ny fahamarinana amin’izay azony hamarinina amin’ny alalan’ny siansa. …
Mahita fifaliana marina sy maharitra isika rehefa mahafantatra sy manao zavatra araka ny fahamarinana momba antsika sy ny antom-pisian’ny fiainana an-tany ary ny toerana halehantsika rehefa maty. Ireo fahamarinana ireo dia tsy afaka ianarana amin’ny fomba siantifika na tsy ara-pivavahana. (“Ny fahamarinana sy ilay drafitra,” Liahona, nôv. 2018, 25)
Rehefa atambatsika ny fianarantsika ara-panahy sy ara-tsiansa momba ny Mpahary, dia afaka mampitombo ny fahatakarantsika an’ Andriamanitra izany, na dia mbola manana fanontaniana tsy voavaly aza isika. Rehefa mieritreritra momba ny fanontanianao manokana ianao, dia tadidio fa mandritra ny Arivotaona dia haseho ny zavatra rehetra, ao anatin’izany ny ”zavatra izay eny ambony sy zavatra izay ety ambany, zavatra izay ao anatin’ny tany sy ambonin’ny tany ary any an-danitra. (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:34).