“Lesona 16, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mankamamy ny sorona fanavotana lehibe nataon’ny Mpamonjy,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay (2023)
“Lesona 16, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay
Lesona 16, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Mankamamy ny sorona fanavotana lehibe nataon’ny Mpamonjy
Nijoro ho vavolombelona ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa: “Ny tranga lehibe indrindra sy ny zava-bita manan-danja indrindra teo amin’ny tantaran’ny zanakolombelona dia ny sorona fanavotana nataon’ny Tompo Jesoa Kristy” (“Testify of the Restoration,” New Era, Apr. 2017, 3). Rehefa mandalina ianao dia eritrereto ny zavatra niaretan’ny Tompo mba hanatontosana ny sorona fanavotana nataony. Hevero ihany koa ny fomba ahafahanao maneho fankasitrahana ny zavatra nataony ho anao.
Fizarana 1
Nahoana aho no mila ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy?
Ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia dingana firosoana iray ilaina eo amin’ny drafitry ny Ray ho an’ny fivoarantsika mandrakizay. Izany dia nanome antsika fahafahana ny hankety an-tany, hampiasa ny fahafahana misafidy, hanorina fianakaviana, sy hiaina fifaliana, ary hianatra sy hivoatra (jereo ny 2 Nefia 2:19–25).
Saingy io dingana firosoana io ihany koa dia nitondra dingana mampihemotra iray. Noho ny Fahalavoana, ny tsirairay avy amintsika dia nandova ny toetry ny fahalavoana ka ianjadian’ny fahafatesana ara-panahy sy ara-batana (jereo ny Almà 42:5–9, 14). Tsy afaka ny handresy ireo toe-javatra ireo amin’ny alalan’ny herin’ny tenantsika na ny fahamendrehantsika isika (jereo ny 2 Nefia 2:5, 8). Nampianatra ny mpaminany Jakoba fa raha tsy nisy ny “sorompanavotana tsisy fetra” nataon’ny Tompo dia tsy ho afaka ny “hitsangana intsony” sy ho nesorina tsy ho eo anatrehan’ Andriamanitra mandrakizay isika (jereo ny 2 Nefia 9:7–9).
Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fomba anampian’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy antsika handresy ireo vokatry ny Fahalavoana.
Misy lafiny roa ny Fanavotan’ny Mpamonjy. Voalohany, manonitra ny fandikan-dalàn’i Adama izany sy ny vokatry ny Fahalavoan’ny olona amin’ny alalan’ny fandresena ilay azo antsoina hoe ny vokatra mivantana nateraky ny Fahalavoana—fahafatesan’ny vatana sy fahafatesana ara-panahy. Takatra tsara ny fahafatesan’ny vatana; ny fahafatesana ara-panahy dia ny fisarahan’ny olona amin’Andriamanitra. … Izany fanavotana amin’ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy izany dia samy ho an’ny olona rehetra ary tsy misy fepetra.
Ny lafiny faharoa ao amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia ny fanavotana amin’ny azo lazaina hoe vokatra ankolaka nateraky ny Fahalavoana—ny fahotantsika manokana fa tsy ny fandikan-dalàn’i Adama. …
Noho isika tompon’andraikitra ary manao ny safidy dia misy fepetra ny fanavotana antsika amin’ny fahotantsika—miankina amin’ny fibabohantsika sy ny fanalavirantsika ny fahotana izany ary fananana fiainana feno fahamasinana, na amin’ny teny hafa dia miankina amin’ny fibebahana izany [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:43]. (“Fanavotana,” Liahona, mey 2013, 109–10)
Fizarana 2
Mampitombo ny fankasitrahanao Azy amin’ny fomba ahoana ny fisaintsainana ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane sy teo amin’ny hazo fijaliana?
Rehefa avy nihinana ilay Fanasana Farany ireo Apôstôliny ary nampahafantariny azy ireo ny fanasan’ny Tompo dia nentin’i Jesoa tany amin’ny Sahan’i Getsemane izy ireo. Tany ny Mpamonjy no nivavaka sy nijaly noho ireo fahotantsika.
Nivadihana i Jesoa rehefa avy niaritra fanaintainana tsy takatry ny saina. “Nosamborina Izy ary nohelohina tamin’ny fiampangana tsy marina,” (“Ilay Kristy velona: Ny tenivavolombelon’ny Apôstôly,” ChurchofJesusChrist.org). Nesoina, nororana, sy notefahana ary nampangaina tsy ara-drariny ny Mpamonjy raha notànan’ireo mpitarika ara-pivavahana Jiosy (jereo ny Matio 26:47–68).
Noho ireo mpitondra jiosy tsy nanana fahefana ampy mba hanamelohana ho faty an’i Jesoa dia nentin’izy ireo tany amin’i Pilato, governora Romana, Izy. Nomelohin’i Pilato ho faty eo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa noho ny fahatahorany ny vahoaka. Ho fanomanana ny fanomboana Azy dia nokaravasiana i Kristy, ary avy eo dia nesoin’ireo miaramila romana tsy nananany antra. Nofantsihan’izy ireo ny tanany sy ny tongony ka nampiakariny nataony teo anelanelana jiolahy roa ny hazo fijaliana nisy azy (jereo ny Matio 27:11–38).
Nampianatra ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa nandritra ny fotoana nihantonan’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana dia “nitamberina avokoa ireo fangirifiriana tsy nanam-piafarana sy ireo fanaintainana tsy mifaditrovana tao Getsemane” (“The Purifying Power of Gethsemane,” Ensign, Apr. 2011, 58) Afaka enina ora dia “niantso tamin’ny feo mahery [i Jesoa] ka nanao hoe: Eloy, Eloy, lamà sabaktany! Izay raha adika dia hoe: Andriamanitro o, Andriamanitro o, nahoana no mahafoy Ahy Ianao?” (Marka 15:34).
Toy izao manaraka izao no nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ilay hiaka feno fanaintainana:
Na dia tanteraka tokoa aza ny sorona faratampon’ilay Zanakalahiny ary natao an-tsitrapo sy samirery, dia nesorin’ilay Ray vetivety tamin’i Jesoa ny fankaherezan’ny Fanahiny sy ny fanohanana avy amin’ny fanatrehany manokana … Mba hahatonga ny Sorompanavotany tsy hanam-petra sy ho mandrakizay, dia nila nahatsapa [i Jesoa Kristy] hoe manao ahoana izany hoe maty izany, tsy ara-batana ihany fa ara-panahy ihany koa, ary nila nahatsapa ny hoe manao ahoana izany hisintahan‘ny fanahin’ Andriamanitra izany, ka mamela olona iray tena hahatsiaro ho irery amin’ny fomba mahonena sy ao anatin’ny famoizam-po. …
… Noho i Jesoa nandeha irery tanteraka tamin’ny lalana lavitra sy manirery tahaka izany, dia tsy voatery hanao toy izany isika. (“Fa tsy mba nisy niaraka Taminy,” Liahona, mey 2009, 87–88)
Fizarana 3
Inona no azoko atao mba handraisana am-pankasitrahana ny sorona fanavotana nataon’ny Tompo?
Manan-danja ny mahatakatra sy maneho fankasitrahana noho ny fijaliana niaretan’ny Tompo ho anao. Saingy afaka manao misimisy kokoa noho izany aza ianao mba hanehoana ny finoanao ny amin’ny fisian’ny Sorompanavotany rehefa misafidy ny hibebaka amin’ireo fahotanao ianao. (Afaka mahita ohatra momba izany ianao ao amin’ny 3 Nefia 9:12–13, 21–22, izay ahitana ny Tompo manasa ireo Nefita sy Lamanita mba hibebaka nialoha ny fitsidihany azy ireo.)
Toy izao no nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson momba ny fanomezam-pahasoavan’ny fibebahana:
Maro loatra ireo olona mihevitra ny fibebahana ho toy ny fanasaziana, zavatra iray izay tokony hosorohina afa-tsy ao anatin’ireo toe-javatra faran’izay ratsy. Saingy i Satana no mamorona izany fahatsapana ho voasazy izany.
Tsy misy zavatra manafaka kokoa sy maha-olom-banona kokoa na lehibe kokoa eo amin’ny fivoaran’ny tenantsika manokana noho ny fibebahana tsy tapaka sy ny fifantohana amin’izany isan’andro. Ny fibebahana dia tsy zava-mitranga indray mandeha fa dingana arahina. Fanalahidin’ny fahasambarana sy fiadanan-tsaina izany. Rehefa ampiarahina amin’ny finoana ny fibebahana dia manokatra ny fahazoantsika ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. (“Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 67)