Ny soratra masina
Etera 3


Toko 3

Nahita ny rantsantanan’ny Tompo nikasika ny vato enina ambin’ny folo ny rahalahin’i Jareda—Naneho ny vatany fanahy tamin’ny rahalahin’i Jareda i Kristy—Ireo izay manana fahalalana tomombana dia tsy ho azo tanana any ivelan’ny voaly—Nampombana ny fandikan-teny hitondrana ny rakitsoratry ny Jaredita ho eo amin’ny mazava.

1 Ary ny zava-nitranga (ankehitriny ny isan’ny sambofiara izay efa nomanina dia valo) dia nandeha ny rahalahin’i Jareda nankao an-tendrombohitra izay nantsoina hoe tendrombohitr’i Selema noho ny haavony izaitsizy, ary nandrendrika vato kely enina ambin’ny folo avy tamin’ny vatolampy iray; ary ireny dia fotsy sy mazava, dia tahaka ny fitaratra mangarahara; ary nitondra ireny tamin’ny tanany teo an-tampon-tendrombohitra izy ary nihiaka indray ny Tompo hoe:

2 Tompo ô, efa niteny Ianao fa tsy maintsy hodidinin’ny alon-drano izahay. Ankehitriny indro, Tompo ô, ary aza tezitra amin’ny mpanomponao noho ny fahalemeny eo anoloanao; satria fantatray fa masina Ianao sy mitoetra any an-danitra, ary izahay dia tsy mendrika eo anoloanao; noho ny fahalavoana dia efa zary ratsy lalandava ny toetray; na dia eo aza izany, Tompo ô, efa nomenao anay ny didy fa tsy maintsy miantso Anao izahay mba hahazoanay mandray avy Aminao araka ny fanirianay.

3 Indro, Tompo ô, efa nikapoka anay Ianao noho ny helokay ary efa nandroaka anay, ary nandritra izay taona maro izay izahay dia tany an-tany foana; na dia teo aza izany, dia efa feno famindram-po taminy Ianao. Tompo ô, jereo ao amin’ny famindram-po aho, ary ahodino ny fahatezeranao hiala amin’ity vahoakanao ity, ary aza avela handeha mamakivaky ity hantsana romotra ity ao amin’ny haizina izy; fa indro jereo ireto zavatra ireto izay efa narendriko avy tao amin’ny vatolampy.

4 Ary fantatro, Tompo ô, fa manana ny hery rehetra Ianao, ary afaka manao izay rehetra sitrakao ho tombon-tsoan’ny olona; noho izany Tompo ô, kasiho amin’ny rantsantananao ireto vato ireto ary omano ireto mba hahazoany mamirapiratra ao amin’ny haizina; ary ireto dia hamirapiratra ho anay ao amin’ny sambofiara izay efa nomaninay mba hanananay hazavana raha mbola mita ny ranomasina izahay.

5 Indro, Tompo ô, afaka manao izany Ianao. Fantatray fa hainao ny maneho ny herinao lehibe izay heverina ho madinika ho an’ny fahatakaran’ny olona.

6 Ary ny zava-nitranga, rehefa avy nilaza ireo teny ireo ny rahalahin’i Jareda, dia indro, naninjitra ny tanany ny Tompo ary nikasika tsirairay ny vato tamin’ny rantsantanany. Ary ny voaly dia nesorina hiala tamin’ny mason’ny rahalahin’i Jareda, ary nahita ny rantsantanan’ny Tompo izy; ary izany dia toy ny rantsantanan’olona, sahala amin’ny nofo sy ra; ary nianjera teo anoloan’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda, fa nozoin’ny tahotra izy.

7 Ary nahita ny Tompo fa efa nianjera tamin’ny tany ny rahalahin’i Jareda; ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, nahoana ianao no nianjera?

8 Ary hoy izy tamin’ny Tompo: Nahita ny rantsantanan’ny Tompo aho, ary natahotra aho fandrao hikapoka ahy Izy; satria tsy nahalala aho fa nanana nofo sy ra ny Tompo.

9 Ary hoy ny Tompo taminy: Noho ny finoanao no efa nahitanao fa hitondra ny nofo sy ra eo Amiko Aho; ary na oviana na oviana ny olona dia tsy tonga teo anoloako niaraka tamin’ny finoana nihoa-pampana tokoa toy izay anananao; fa raha tsy izany dia tsy ho afaka nahita ny rantsantanako ianao. Hitanao va ny mihoatra noho izany?

10 Ary namaly izy: Tsia; ry Tompo, asehoy ahy ny tenanao.

11 Ary hoy ny Tompo taminy: Inoanao va ny teny izay hoteneniko?

12 Ary namaly izy: Eny, ry Tompo, fantatro fa milaza ny marina Ianao, fa Ianao dia Andriamanitry ny fahamarinana, ary tsy afaka mandainga.

13 Ary rehefa avy nilaza ireo teny ireo izy, dia indro, naneho ny tenany taminy ny Tompo ary nanao hoe: Noho ianao mahalala ireo zavatra ireo dia avotana amin’ny fahalavoana ianao; noho izany ianao dia entina miverina eo anatrehako; koa maneho ny tenako aminao Aho.

14 Indro, Izaho no Ilay efa nomanina hatry ny fanorenana izao tontolo izao mba hanavotra ny oloko. Indro, Izaho no Jesoa Kristy. Izaho no Ray sy Zanaka. Ao Amiko no hananan’ny olona rehetra fiainana, ary izany dia mandrakizay, dia ireo izay hino ny anarako; ary ho tonga zanako lahy sy vavy ireo.

15 Ary na oviana na oviana Aho dia tsy naneho ny tenako tamin’ny olona izay efa nohariako, satria na oviana na oviana ny olona dia tsy nino Ahy toy ny ninoanao. Hitanao va fa ianareo dia voary araka ny endriko ihany? Eny, ny olona rehetra tany am-piandohana dia nohariana araka ny endriko ihany.

16 Indro, ity vatana izay tazanao ankehitriny ity, dia ny vatan’ny fanahiko; ary ny olona dia efa nohariako araka ny vatan’ny fanahiko; ary dia tahaka ny isehoako aminao ao amin’ny fanahy no hisehoako amin’ny oloko ao amin’ny nofo.

17 Ary ankehitriny, satria izaho Môrônia dia nilaza fa tsy afaka manao fitantarana feno ny amin’ireny zavatra ireny izay voasoratra, koa ampy ho ahy ny milaza fa i Jesoa dia naneho ny tenany tao amin’ny fanahy tamin’ity lehilahy ity, dia araka ny fomba sy tamin’ny fitovian’ny vatana iray ihany, dia tahaka ny nanehoany ny tenany tamin’ny Nefita.

18 Ary nanompo azy Izy, tahaka ny nanompoany ny Nefita; ary izany rehetra izany dia ny mba hahafantaran’ity lehilahy ity fa Andriamanitra Izy, noho ny asa lehibe maro izay nasehon’ny Tompo taminy.

19 Ary noho ny fahalalan’ity lehilahy ity dia tsy azo notanana izy tsy hahita ny ao anatin’ny voaly; ary nahita ny rantsantanan’i Jesoa izy, ka nony nahita izy dia nianjera tamin-tahotra; satria nahalala izy fa rantsantanan’ny Tompo io; ary tsy finoana intsony no nananany, fa nahalala izy, tsy niroanahana na tamin’inona na tamin’inona.

20 Koa, noho ny fananana izany fahalalana tomombana ny amin’ Andriamanitra izany, dia tsy azo notanana tany ivelan’ny voaly izy; noho izany dia nahita an’i Jesoa izy; ary Izy dia nanompo azy.

21 Ary ny zava-nitranga dia hoy ny Tompo tamin’ny rahalahin’i Jareda: Indro, tsy hamela ireo zavatra izay efa hitanao sy renao ireo hiparitaka eo amin’izao tontolo izao ianao, mandra-pahatongan’ny fotoana izay hankalazako ny anarako ao amin’ny nofo; noho izany dia holalainao ny zavatra izay efa hitanao sy renao, ary tsy hasehonao olona izany.

22 Ary indro, rehefa ho tonga aty Amiko ianao, dia hanoratra ireo sy hifehy ireo, ka tsy hisy afaka handika azy ireo; fa hosoratanao amin’ny fiteny izay tsy hay vakiana ireo.

23 Ary indro, homeko anao ireto vato roa ireto, ary hofehezinao koa ireto miaraka amin’ny zavatra izay hosoratanao.

24 Fa indro, ny fiteny izay hosoratanao dia efa nokorokoroako; koa amin’ny fotoana mahamety izany Amiko dia hataoko izay hanazavan’ireto vato ireto eo imason’ny olona ireo zavatra izay hosoratanao ireo.

25 Ary rehefa avy nilaza ireo teny ireo ny Tompo, dia nasehony ny rahalahin’i Jareda ny mponina rehetra tamin’ny tany izay efa nisy, ary koa ny rehetra izay hisy; ary tsy nohazoniny tsy ho hitany ireo, na dia ny hatrany am-paran’ny tany aza.

26 Satria efa nolazainy azy tamin’ny fotoana teo aloha, fa raha mino Azy izy dia ho afaka Izy haneho aminy ny zava-drehetra—dia haseho azy izany; koa ny Tompo dia tsy afaka mihazona na inona na inona tsy ho hitany, satria nahalala izy fa ny Tompo dia afaka maneho aminy ny zava-drehetra.

27 Ary hoy ny Tompo taminy: Soraty ireo zavatra ireo ary fehezo ireo; ary Izaho haneho ireo amin’ny zanak’olombelona amin’ny fotoana mahamety izany Amiko.

28 Ary ny zava-nitranga dia nandidy azy ny Tompo ny hifehezany ny vato roa izay efa noraisiny sy ny tsy hampisehoany azy ireo, mandra-panehoan’ny Tompo azy ireo amin’ny zanak’olombelona.