Fizarana 3
Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany tao Harmony, Pennsylvania, ny volana jolay 1828, momba ny fahaverezan’ny sora-tanana 116 takila, dikanteny ampahany voalohany avy tamin’ny Bokin’i Môrmôna, izay nantsoina hoe ny bokin’i Lehia. Tamim-pahalainana no namelan’ny Mpaminany ny hifindran’ireo takila ireo avy eo am-pelatanany ho eo am-pelatanan’i Martin Harris izay efa nanompo toy ny mpitantsoratra nandritra ny fotoana fohy tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna. Nomena tamin’ny alalan’ny Orima sy Tomima ny fanambarana. (Jereo fizarana 10.)
1–4, Hodina mandrakizay ny lalan’ny Tompo; 5–15, Tsy maintsy mibebaka i Joseph Smith fa raha tsy izany dia mamery ny fanomezam-pahasoavana handika teny; 16–20, Mivoaka ny Bokin’i Môrmôna mba hamonjena ny taranak’i Lehia.
1 Ny asa sy ny fikasana ary ny zava-kendren’ Andriamanitra dia tsy azo sakanana ary tsy azo foanana.
2 Fa Andriamanitra tsy mandeha amin’ny lalana miolikolika, ary tsy mitodika any ankavanana na any ankavia Izy ary tsy mivadika amin’izay efa nolazainy, koa mahitsy ny lalany ary hodina mandrakizay ny diany.
3 Tsarovy, tsarovy fa tsy ny asan’ Andriamanitra no voasakana, fa ny asan’ny olona;
4 Fa na dia mety hahazo fanambarana maro aza ny olona iray ary hanan-kery hanaovana asa mahatalanjona maro, kanefa raha mirehareha amin’ny tanjaky ny tenany izy ary manao tsinontsinona ny torohevitr’ Andriamanitra ka manaraka ny fibaikoan’ny sitrapony sy ny filan’ny nofony, dia tsy maintsy lavo izy ary iharan’ny famalian’ilay Andriamanitra marina.
5 Indro, efa nankinina taminao ireny zavatra ireny, ary akory ny hahentitry ny didy nomena anao; ary tsarovy koa ireo fampanantenana izay efa natao taminao, raha tsy nodikainao izany.
6 Ary indro, impiry akory no efa nandikanao ny didy sy ny lalàn’ Andriamanitra ka efa nanekenao ny fandresen-dahatry ny olona.
7 Fa indro, tsy tokony ho natahotra ny olona mihoatra noho Andriamanitra ianao. Na dia ataon’ny olona tsinontsinona aza ny torohevitr’ Andriamanitra ary amavoiny ny teniny—
8 Dia tokony ho nahatoky ianao; ary dia ho namelatra ny sandriny Izy ka ho nanohana sy ho niaro anao tamin’ny zanatsipika mirehitra rehetra an’ny fahavalo; ary dia ho niaraka taminao Izy tamin’ny fotoan-tsarotra rehetra.
9 Indro, ianao no Joseph, ary ianao dia nofinidy hanao ny asan’ny Tompo, saingy noho ny fandikan-dalàna, raha tsy mitandrina ianao dia ho lavo.
10 Nefa tsarovy fa feno famindram-po Andriamanitra; koa mibebaha amin’izay efa nataonao ka mifanohitra amin’ny didy izay nomeko anao, dia mbola voafidy ihany ianao ary antsoina indray ho amin’ny asa;
11 Raha tsy ataonao izany, dia hafoy tanteraka ianao ka ho tonga tahaka ireo olona hafa ary tsy hanana fanomezam-pahasoavana intsony.
12 Ary fony ianao nanolotra izay efa nanomezan’ Andriamanitra anao fahitana sy hery mba handikana teny, dia natolotrao izay masina ho eo an-tanan’ny lehilahy ratsy,
13 Izay efa nanao tsinontsinona ny torohevitr’ Andriamanitra sy efa nandrava ny voady masina indrindra izay natao teo anoloan’ Andriamanitra, ary efa niantehitra tamin’ny fandanjalanjany samirery sy nirehareha tamin’ny fahendreny samirery.
14 Ary izany no antony izay efa namerezanao ny tombontsoanao nandritra ny fotoana fohy—
15 Satria efa navelanao hohitsakitsahina hatrany am-piandohana ny torohevitry ny mpitarika anao.
16 Na dia izany aza anefa dia hitohy ny asako, fa tahaka ny efa nahatongavan’ny fahalalana ny Mpamonjy teo amin’izao tontolo izao, tamin’ny alalan’ny tenivavolombelon’ny Jiosy, dia tahaka izany koa no hahatongavan’ny fahalalana ny Mpamonjy amin’ny oloko—
17 Ary amin’ny Nefita sy ny Jakôbita ary ny Jôsefita sy ny Zôramita amin’ny alalan’ny tenivavolombelon’ireo razany—
18 Ary ity tenivavolombelona ity dia ho tonga amin’ny fahalalan’ny Lamanita sy ny Lemoelita ary ny Isimaelita izay nihemotra tao amin’ny tsy finoana noho ny faharatsian’ny razany izay efa navelan’ny Tompo hamongotra ireo Nefita rahalahiny noho ny helony sy ny fahavetavetany.
19 Ary noho izao antony izao indrindra no itehirizana ireny takelaka ireny izay mirakitra ireto rakitsoratra ireto—mba hahatanteraka ny fampanantenan’ny Tompo izay nataony tamin’ny olony;
20 Ary mba hahatonga ny Lamanita amin’ny fahalalana ny razany, ary mba hahafahany mahafantatra ny fampanantenan’ny Tompo, ary mba hahafahany mino ny filazantsara sy miantehitra amin’ny fahamendrehan’i Jesoa Kristy ary homem-boninahitra amin’ny alalan’ny finoana ny anarany sy hovonjena amin’ny alalan’ny fibebahany. Amena.