2010–2019
Mihazona izany ho Masina
Aprily 2012


Mihazona izany ho Masina

Ny zavatra masina dia mitaky fikarakarana bebe kokoa, ilaina omena fanajana lehibe kokoa, ary omem-boninahitra lalina kokoa.

Teo amin’ ny 1.500 taona talohan’ i Kristy teo ho eo, dia nisy mpiandry ondry iray voasarika hanatona ilay roimemy mirehitr’ afo teo amin’ ilay faritra misolampin’ ny Tendrombohitra Horeba. Izany fihaonana masina izany no niantombohan’ ny fiovan’ i Mosesy izay mpiandry ondry ho lasa mpaminany ary raha niompy ondry izy dia lasa mpanangona an’ i Isiraely. Telonjato sy arivo taona taty aoriana, dia nisy mpisorona tanora teo amin’ ny tokotanin’ ny mpanjaka tena babo tamin’ ny fijoroana vavolombelon’ ny mpaminany voaheloka iray. Izany fihaonana izany no niantombohan’ ny fivoaran’ i Almà tamin’ ny naha mpiasam-panjakana azy ho lasa mpanompon’ Andriamanitra. 2.000 taona latsaka kely taty aoriana, dia nisy zazalahy kely 14 taona izay niditra tao anaty alakely mba hitady ny valin’ ny fanontaniana nataony tamin-kitsimpo. Ny zavatra hitan’ i Joseph Smith tao amin’ ilay ala kely dia nametraka azy teo amin’ ny lalan’ ny maha-mpaminany azy sy teo amin’ ny lalan’ ny famerenana amin’ ny laoniny.

Ny fiainan’ i Mosesy, sy i Almà, ary i Joseph Smith dia samy niova avokoa vokatry ny fihaonana tamin’ Andriamanitra. Ireo traikefa ireo dia nanome hery azy ireo hijanona ho mahatoky hatrany tamin’ ny Tompo sy ny asany nandritra ny fiainan’ izy ireo, na dia teo aza ny fanoherana tena henjana sy ireo fitsapana sarotra taorian’ izany.

Ny zavatra iainantsika miaraka amin’ Andriamanitra dia mety tsy hivantana be na mampitaintaina toy izany ary mety tsy ho lehibe toy izany ireo fanamby atrehantsika. Kanefa tahaka ireo mpaminany, ny hery entintsika hiaretana amim-pahatokiana dia miankina amin’ ny fahatsapana sy fahatsiarovana ary ny fihazonana ho masina izay zavatra azontsika avy any ambony.

Ankehitriny, ny fahefana, ny fanalahidy, ary ireo ôrdônansy dia efa naverina eto an-tany. Misy koa ny soratra masina sy ireo vavolombelona manokana. Ireo izay mitady an’ Andriamanitra dia afaka mirotsaka amin’ ny batisa ho famelana ny fahotana ary ho raisina ho mpikambana “amin’ ny alalan’ ny fametrahan-tanana ho fanaovana ny batisa amin’ ny afo sy ny Fanahy Masina” (F&F 20:41). Miaraka amin’ ireo fanomezana sarobidy naverina tamin’ ny laoniny ireo, ny fihaonantsika amin’ Andriamanitra dia tena hisy fandraisan’ ilay mpikambana fahatelo anjara tokoa ao amin’ Ny Andriamanitra, dia ny Fanahy Masina izany.

“Amin’ ny alalan’ ny feo tony sy malefaka, no hitenenan’ ny Fanahy amiko

Hitarika ahy, hanavotra ahy

(“The Still Small Voice,” Children’ s Songbook, 106)

“Que l’ Esprit soit avec nous;

Enseignant la verité.

Il témoignera du Christ,

Nous montrant sa volonté”

(“Que l’ Esprit soit avec nous,” Cantiques, no. 78)

Rehefa mikatsaka valiny amin’ Andriamanitra isika, dia mahatsapa ilay feo tony sy malefaka mibitsika ao amin’ ny fanahintsika. Ireo zavatra tsapa—ireo fihetsehampo—dia tena voajanahary ary misoko mangina ka mety tsy ho hitantsika izany na ho raisintsika ho toy ny eritreritra sy tombantsaina. Izany hafatra natao ho an’ ny tena manokana izany dia mijoro ho vavolombelona mikasika ny fitiavana manokan’ Andriamanitra sy ny firaharahiany ny zanany tsirairay avy ary ny asa nanirahana azy ireo manokana ety an-tany. Ny fisaintsainana isan’ andro sy ny fanoratana ireny fahatsapana ireny izay avy amin’ ny Fanahy dia ampiasaina amin’ ny tanjona roa izay manampy antsika (1) hahafantatra ny fihaonantsika manokana amin’ Andriamanitra sy (2) hitahirizantsika izany ho antsika sy ho an’ ny taranantsika. Ny firaketana an-tsoratra azy ireny dia mari-pamatarana sy fanajana lehibe ny fankasitrahantsika an’ Andriamanitra satria, “tsy misy na inona na inona ataon’ ny olona ka manafintohina an’ Andriamanitra na mandrehitra ny fisafoahany afa-tsy ireo izay tsy miaiky ny tànany amin’ ny zava-drehetra” (F&F 59:21).

Raha mikasika ny zavatra azontsika amin’ ny alalan’ ny Fanahy, ny Tompo dia nampahatsiahy antsika hoe: “Tadidio fa izay avy any ambony dia masina” (F&F 63:64). Ny fanambarany dia mihoatra noho ny fampahatsiahivana fotsiny. Sady famaritana izany no fanazavana koa. Ny hazavana sy fahalalana avy any an-danitra dia masina. Masina izany satria avy any an-danitra no niaviany.

Ny dikan’ ny hoe masina dia mendrika ny omem-boninahitra sy hajaina. Rehefa raisina ho masina ny zavatra iray, dia mampahafantatra ny Tompo fa zavatra manana ny lanjany ambony kokoa izany ary laharam-pahamehana eo anatrehan’ ny zavatra hafa. Ny zavatra masina dia mitaky fikarakarana bebe kokoa, ilaina omena fanajana lehibe kokoa, ary omem-boninahitra lalina kokoa. Ny zavatra masina dia mipetraka any amin’ ny toerana ambony ao anatin’ ny lamin’ ny soatoavin’ ny lanitra.

Izay masina amin’ Andriamanitra dia tsy ho lasa masina amintsika raha tsy amin’ ny alalan’ ny fampiasana ny fahafahana misafidy irery ihany. Ny tsirairay dia tsy maintsy misafidy ny hanaiky sy hihazona ho masina izay nofaritan’ Andriamanitra fa masina. Mandefa hazavana sy fahalalana avy any an-danitra Izy. Manasa antsika Izy mba handray sy hihazona izany ho masina.

Kanefa “hisy fifanoherana amin’ ny zavatra rehetra” (2 Nefia 2:11). Ny mifanohitra amin’ ny masina dia ny faniratsirana ny fivavahana na ny tsy finoana—ny zavatra ara-nofo sy ny zavatr’ izao tontolo izao izany. Ny zavatr’ izao tontolo izao dia mifaninana tsy tapaka amin’ ny zavatra masina hanovana ny saintsika sy ny laharam-pahamehantsika. Ny fahalalana ny zavatra tsy misy ifandraisana amin’ ny finoana dia ilaina amin’ ny fiainantsika ara-nofo isan’ andro. Ny Tompo dia mampianatra antsika hikatsaka fianarana sy fahendrena, handalina sy hianatra amin’ ireo boky tsara indrindra, ary hahafantatra ny fiteny sy ny olona (jereo ny F&F 88:118; 90:15). Noho izany, ilay safidy hametraka ny zavatra masina ambonin’ ny zavatra tsy masina dia laharam-pahamehana miavaka, fa tsy fanavahana. “Tsara ny mahay raha henoi[ntsika] ny torohevitr’ Andriamanitra” (2 Nefia 9:29; nampiana fanamafisana).

Ny ady mikasika izay tokony ho laharam-pahamehana eo amin’ ny zavatra masina sy ny zavatra tsy masina ao am-pon’ ny olombelona dia azo aseho amin’ ny alalan’ ny zavatra niainan’ i Mosesy teo amin’ ny roimemy mirehitr’ afo. Tao i Mosesy no nandray ny antsony masina avy amin’ i Jehovah mba hanafaka ny zanak’ i Isiraely avy amin’ ny fanandevozana. Na izany aza, ny fahalalany ara-nofo ny herin’ i Egypta sy ny an’ i Farao dia nahatonga azy hisalasala. Farany dia nampiasa ny finoany ny tenin’ ny Tompo i Mosesy ka nesoriny ilay fahalalany ara-nofo dia niantehatra tamin’ ilay masina izy. Izany fahatokiana izany dia nanome hery azy hiatrehana ireo fitsapana ara-nofo ary hitarihana an’ i Isiraely hiala an’ i Egypta.

Taorian’ ny nitsoahan’ izy ireo ny tafik’ i Noa ka nahalavoany tao anatin’ ny fanandevozana teo an-tanan’ i Amiolôna, dia mety ho niahiahy mikasika an’ ilay fijoroana ho vavolombelona ara-panahy izay azony fony izy nihaino an’ i Abinadia i Almà. Kanefa natoky ilay masina izy ary nomena hery izy mba haharetana sy hialana amin’ ireo fitsapana ara-nofo.

I Joseph Smith dia niatrika safidy roa manadala mitovitovy tamin’ izany tany am-piandohan’ ny fandikana ny Bokin’ i Môrmôna. Fantany ny fahamasinan’ ilay takelaka sy ny asa fandikana. Kanefa noresen’ i Martin Harris lahatra izy mba hanao ho lohalaharana ireo ahiahy ara-nofo mikasika ny finamanana sy ny lafiny ara-bola izay nifanohitra tamin’ ireo torolalana masina. Vokatr’ izany dia very ilay dikan-teny natao soratanana. Nobedesin’ ny Tompo i Joseph noho ny nanolorany “izay masina, ho an’ ny faharatsiana” (F&F 10:9) ary tsy nomeny azy tao anatin’ ny fotoana fohy ireo takelaka sy ny fanomezam-pahasoavan’ ny fandikana. Rehefa tafaverina tamin’ ny laoniny tsara ireo laharam-pahamehan’ i Joseph, dia naverina ireo zavatra masina ary nitohy ny asa.

Ny Bokin’ i Môrmôna dia nanome ohatra hafa momba ny fiadiana mafy mba hanao ho lohalaharana ny zavatra masina. Izany dia miresaka an’ ireo mpino izay notarihin’ ny finoan’ izy ireo ho any amin’ ny hazon’ aina mba hihinana ilay voany masina, dia ny fitiavan’ Andriamanitra izany. Avy eo ny fanesohesoan’ ireo teo amin’ ilay trano lehibe sy makadiry dia nahatonga ireo mpino hanodina ny fifantohany amin’ ny zavatra masina ho any amin’ ny tsy masina. (Jereo ny 1 Nefia 8:11, 24–28.) Taty aoriana, dia nisafidy ny avonavona ireo Nefita ary nandà ny fanahin’ ny faminaniana sy ny fanambarana, nanao “ny fanarabiana [ho] masina” (Helamàna 4:12). Na dia ireo sasany nahita maso ireo famantarana sy fahagagana nifandray tamin’ ny nahaterahan’ ny Tompo aza dia nisafidy ny handà ireo fisehoana masina avy any an-danitra ka hanaraka ireo fanazavana tsy masina (jereo ny 3 Nefia 2:1–3).

Ankehitriny dia mitohy ny tolona. Ireo feo tsy masina dia mitombo isa ary lasa mafy ny feony sy heriny. Izy ireo dia tsy mitsahatra mamporisika ny mpino mba handao ny finoana izay eritreretin’ izao tontolo izao fa tsy ara-drariny sy tsy manan-kery. Satria “isika mizaha ao amin’ ny fitaratra ka tsy mahita marina” (1 Korintiana 13:12 ary “tsy mahafantatra ny hevitry ny zava-drehetra.” (1 Nefia 11:17), dia indraindray mety mahatsapa ho malemy isika ary mila fanomezan-toky ara-panahy lehibe kokoa. Ny Tompo dia nilaza tamin’ i Oliver Cowdery hoe:

“Raha maniry vavolombelona fanampiny ianao, dia avereno ao an-tsainao ilay alina izay nitalahoanao Tamiko tao am-ponao, mba hahafantaranao ny momba ny fahamarinan’ ireto zavatra ireto.

“nilaza fiadanana tamin’ ny sainao va Aho momba izany? Inona no vavolombelona lehibe kokoa mety ho azonao noho izay avy amin’ Andriamanitra?” (F&F 6:22–23).

Ny Tompo dia nampatsiahy antsika sy an’ i Oliver mba hiantehitra amin’ ny fijoroana ho vavolombelona masina an’ ny tena manokana izay efa noraisiny rehefa voasedra ny finoantsika. Tahaka ny nahazo an’ i Mosesy, Almà, ary Joseph tany aloha, ireo fihaonana masina ireo dia azo ampiasaina ho vatofantsika masina hiaro antsika sy hampijanona antsika amin’ ny lalana tsara mandritra ny fotoan’ ny fitsapana.

Tsy azo lavina amin’ ny alalan’ ny fifantenana ny zavatra masina. Ireo izay misafidy ny hanary na dia iray monja amin’ ny zavatra masina dia ho hamaizinina ny sain’ izy ireo (jereo ny F&F 84:54), ary raha tsy mibebaka izy ireo, dia ho esorina amin’ izy ireo izay hazavana ananany (jereo ny F&F 1:33). Rehefa tsy miankina amin’ ny masina izy ireo, dia ho hitan’ izy ireo fa ho very ara-pahadiovam-pitondrantena ao anatin’ ny ranomasin’ ny zavatra tsy masina izy ireo. Mifanohitra amin’ izany kosa ny an’ ireo izay mihazona zavatra masina izay hahazo fampanantenana hoe: “Izay avy amin’ Andriamanitra dia hazavana; ary izay mandray hazavana sy mitoetra ao amin’ Andriamanitra dia handray hazavana misimisy kokoa; ary izany hazavana izany dia mihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ ny andro.” (F&F 50:24).

Ny Tompo anie hitahy antsika mba hahatsapa sy hahatsiaro, ary hihazona ho masina foana ireo zavatra izay azontsika avy any ambony. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manao izany isika, dia hanana hery hiaretana ireo fitsapana ary handresena ireo olana amin’ izao androntsika izao. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.