2010–2019
Vavolombelona mahery vaika avy amin’ Andriamanitra: Ny Bokin’i Môrmôna
Ôktôbra 2017


2:3

Vavolombelona mahery vaika avy amin’ Andriamanitra: Ny Bokin’i Môrmôna

Vavolombelona mahery vaika avy amin’ Andriamanitra mikasika ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy sy ny maha-mpaminany voantso an’i Joseph Smith ary ny maha-marina tanteraka ity Fiangonana ity ny Bokin’i Môrmôna.

Ny Bokin’i Môrmôna dia tsy vato ifaharan’ny fivavahantsika fotsiny fa afaka ny ho lasa vato ifaharan’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika koa, ka rehefa miatrika fitsapana sy fanontaniana tsy ananam-baliny isika, dia afaka mihazona tsara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika izany. Io boky io no ilay havesarana iray eo amin’ny mizanan’ny fahamarinana izay mihoatra lavitra ny fitambaran’ny havesaran’ireo porofo rehetra asehon’ny mpitsikera etsy an-kilany. Nahoana? Satria raha marina izy io dia mpaminany i Joseph Smith ary ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny na inona na inona porofo ara-tantara na porofo hafa izay mifanohitra amin’izany. Noho izany antony izany dia manao izay hanaporofoana ny tsy fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ireo mpitsikera, kanefa tena goavana ireo sakana atrehan’izy ireo satria marina io boky io.

Voalohany, dia tsy maintsy hazavain’ireo mpitsikera hoe ahoana no fomba namoronan’i Joseph Smith, izay tovolahy 23 taona, mpamboly sy mpiompy tsy nandia fianarana firy, boky iray ahitana anarana sy toerana miavaka an-jatony ary ahitana koa tantara sy zava-nitranga amin’ny antsipiriany. Noho izany dia mpitsikera maro no mandroso hevitra fa olona lalin-tsaina mahay mamorona izy ka niantehitra tamin’ny boky sy loharanom-pitaovana hafa teo an-toerana mba hamoronana ny votoatiny ara-tantaran’ny Bokin’i Môrmôna. Saingy ny zavatra mifanohitra amin’ny fanambaran’izy ireo, dia ny tsy fisian’ny vavolombelona na dia iray aza izay manambara ho nahita an’i Joseph nanana ireo loharanom-pitaovana heverina ho teo am-pelatanany ireo talohan’ny fiantombohan’ny fandikan-teny.

Raha toa ka marina aza io porofo io dia tena tsy ampy izany mba hanazavana ny fisian’ny Bokin’i Môrmôna. Tsy maintsy mamaly ity fanontaniana ity koa ny olona iray: ahoana no fomba namakian’i Joseph ireo loharanom-pitaovana rehetra heverina ho teo am-pelatanany ireo, sy nanasivanany izay tsy nilaina, ary nihazonany araka ny tokony ho izy ireo antsipirian-javatra mikasika ny hoe iza no tany amin’ny toerana iray, dia oviana izany, ary avy eo nanonona izany tamin’ny alalan’ny fitadidiana tonga lafatra? Satria rehefa nandika teny i Joseph Smith dia tsy nanana sora-pitadidiana mihitsy izy. Raha ny marina dia nitantara i Emma vadiny hoe: “Tsy nisy boky sora-tanana na boky novakiny. … Raha nisy ny karazan-javatra toy izany dia tsy ho nafeniny ahy izany.”1

Noho izany, ahoana no fomba nanatanterahan’i Joseph ity asan-kerim-po miavaka nanononana boky ahitana 500 pejy mahery nefa tsy nisy sora-pitadidiana ity? Mba hanatanterahana izany, dia tsy hoe tsy maintsy olona lalin-tsaina mahay mamorona fotsiny izy fa tsy maintsy nanana fitadidiana lavorary tena mahatalanjona koa izy. Kanefa raha marina izany dia nahoana no tsy nifantoka tamin’izany fananany talenta miavaka izany ireo mpitsikera azy?

Mbola misy zavatra hafa anefa ankoatra izany. Ireo porofo ireo dia miantefa fotsiny amin’ny votoatiny ara-tantaran’ilay boky. Fa mbola mitoetra ny tena olana: Ahoana no fomba namokaran’i Joseph boky iray izay mampiely ny Fanahy, ary taiza no nahazoany fotopampianarana lalina toy izany izay manazava na manohitra ireo zavatra inoan’ny Kristianina tamin’ny fotoana niainany?

Ohatra, ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra zavatra mifanohitra amin’ireo zavatra inoan’ny ankamaroan’ny Kristianina, fa ny Fahalavoan’i Adama dia dingana tsara mba handrosoana. Manambara ireo fanekempihavanana natao tamin’ny batisa izany izay tsy voalaza ao amin’ny Baiboly.

Ankoatra izany, dia mety misy hanontany hoe: taiza no nahazoan’i Joseph ilay hevi-baovao mahery vaika fa noho ny Sorompanavotan’i Kristy dia tsy hoe afaka manadio antsika fotsiny Izy fa afaka manao izay hahalavorary antsika koa? Taiza no nahazoany an’ilay toriteny mahatalanjona momba ny finoana ao amin’ny Almà 32? Na ny toritenin’i Benjamina Mpanjaka mikasika ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, izay angamba toriteny faran’izay miavaka indrindra mikasika io lohahevitra io ao anatin’ny soratra masina rehetra? Na ny fanoharana mikasika ny hazo oliva miaraka amin’ny fahasarotany sy ny hareny ara-potopampianarana? Rehefa mamaky io fanoharana io aho dia tsy maintsy manao sarisary mba hanarahana ireo antsipirian-javatra sarotra fonosiny. Moa ve isika ankehitriny natao hino fa i Joseph Smith dia nanonona fotsiny ireo toriteny ireo avy tao an-tsainy ary tsy nanana sora-pitadidiana izy?

Ny zavatra mifanohitra amin’io fehin-kevitra io dia ny fahitana ny dian-tanan’ Andriamanitra manerana ny Bokin’i Môrmôna, izay voaporofon’ireo fahamarinana ara-potopampianarana lehibe ao anatiny, indrindra fa ireo toriteniny miavaka mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Raha toa ka tsy mpaminany i Joseph, dia mba hahafahana manazava ireo zava-baovao miavaka ara-potopampianara ireo sy ny maro hafa, dia tsy maintsy manambara ireo mpitsikera fa manam-pahaizana ara-teôlôjia koa izy. Kanefa raha izay tokoa no izy dia mety hisy hanontany hoe: nahoana no i Joseph irery ihany 1800 taona taorian’ny asa fanompoana nataon’i Kristy no namoaka karazana fotopampianarana maro tsy manan-tsahala sy manazava toy izany? Satria fanambarana fa tsy faharanitan-tsaina no loharano nahazoana io boky io.

Kanefa na dia raisintsika ho toy ny olona lalin-tsaina mahay mamorona sy manam-pahaizana ara-teôlôjia izay manana fitadidiana lavorary aza i Joseph, dia tsy ampy hahatongavana ho mpanoratra mahay ireo talenta ireo. Mba hanazavana ny fisian’ny Bokin’i Môrmôna, dia tsy maintsy manambara koa ireo mpitsikera fa i Joseph dia mpanoratra manan-talenta ara-boajanahary tamin’ny faha-23 taonany. Raha tsy izany dia ahoana no fomba nanambarany anarana sy toerana ary zava-nitranga maro dia maro mba ho lasa zavatra mivaingana iray tsara rindra ary tsy ahitana fikorontanana? Ahoana no fomba nanoratany tetika entina miady amin’ny antsipiriany, sy nandrafetany toriteny manetsi-po, ary namoronany andian-teny izay tsipihin’ny olona an-tapitrisany amin’ny loko miavaka, sy ataony tsianjery ary hindraminy sy apetany eo amin’ny varavaran’ny vata fampangatsiahana, andian-teny toy ny hoe: “Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’Andriamanitrareo ianareo” (Môsià 2:17) na “Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana” (2 Nefia 2:25). Hafatra manana hery lehibe ireo. Hafatra izay velona sy miaina ary manentana ny fanahy. Ny filazana fa i Joseph Smith tamin’ny faha-23 taonany dia nanana ireo fahaizana nilaina mba hanoratana izany asa goavana izany tao anatin’ny drafitra natsangana iray monja nandritra ny 65 andro niasana teo ho eo, dia mifanohitra amin’ny tena zava-misy eo amin’ny fiainana.

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson, izay mpanoratra manan-traikefa sy mahay fa namerina nanoratra inefapolo ny lahateny iray ho an’ny fihaonamben’ny Fiangonana vao haingana izy. Moa ve isika ankehitriny hino fa nanonona irery ny Bokin’i Môrmôna iray manontolo tao anatin’ny drafitra natsangana iray monja i Joseph Smith ary fanovana ara-pitsipi-pitenenana kely fotsiny no natao taorian’izay?

Nanamafy ny tsy fahafahana manatanteraka asa toy izany i Emma vadin’i Joseph: “I Joseph Smith [tamin’ny naha-tovolahy azy] dia tsy afaka nanoratra na nanonona ireo teny tao amin’ny taratasy mazava sy milamina; ary azo antoka fa tsy afaka nanonona teny tao anatin’ny boky tahaka ny Bokin’i Môrmôna.”2

Ary farany na dia misy olona manaiky ireo porofo teo aloha rehetra ireo aza izay mety mampiahiahy, dia misy sakana mananontanona iray hafa mbola atrehan’ireo mpitsikera. Nanambara i Joseph fa ny Bokin’i Môrmôna dia nosoratana teo amin’ny takela-bolamena. Nahazo tsikera tsy an-kijanona izany fanambarana izany tamin’ny androny, satria “ny olona rehetra” dia nahafantatra fa ireo tantara fahiny dia nosoratana teo amin’ny papirosy na hodi-biby manify mandra-pahatonga ny taona taty aoriana izay nahitana takela-by nisy soratra fahiny. Ankoatra izany dia nanambara ireo mpitsikera fa ny fampiasana simenitra araka ny voalaza ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia mihoatra lavitra ny fahaizana ara-teknika nananan’ireo Amerikana tany am-piandohana ireo, mandra-pahita zavatra natsangana vita tamin’ny simenitra tany Amerika fahiny. Inona no fanazavana homen’ireo mpitsikera eo anatrehan’ireo zavatra ireo sy ireo fahitan-java-baovao hafahafa mitovy amin’izany? Hitantsika a! Mety mpamantatra tena tsara vintana mihitsy koa i Joseph. Mahagaga fa na dia teo aza ireo olana maro natrehany, na dia teo aza ireo fahalalana ara-tsiantifika sy ambony, dia nahay namantatra ny marina izy rehefa diso ny hafa rehetra.

Rehefa avy mandinika ireo zavatra rehetra ireo, dia mety hisy hanontany hoe ahoana no ahafahan’ny olona iray mino fa ireo singa sy hery heverina ho nisy ireo, araka ny natolotr’ireo mpitsikera, dia nitambatra tampotampoka teo ka nahafahan’i Joseph nanoratra ny Bokin’i Môrmôna, dia namoaka asasoratra feno fitak’i Satana avy eo. Saingy ahoana no haha-marina izany? Ny zavatra mifanohitra mivantana amin’izany fanambarana izany dia ny fitarihan’ity boky ity olona an-tapitrisany maro mba handà an’i Satana sy hiaina fiainana tahaka ny an’i Kristy bebe kokoa.

Raha misy olona mety hisafidy ny hino ny fanazavan’ireo mpitsikera, dia toy ny lala-tampina ara-tsaina sy ara-panahy izany ho ahy. Raha mino izany aho dia tsy maintsy hanaiky petra-kevitra misesy izay tsy voaporofo. Ankoatra izany, dia tsy maintsy tsy hiraharaha ny tenivavolombelona nataon’ireo vavolombelona miisa 113 tsirairay aho, na dia nijoro tamin’ny tenivavolombelony hatramin’ny farany aza ny tsirairay tamin’izy ireo. Tsy maintsy handà ny fotopampianarana masina izay mameno ny pejy tsirairay ao anatin’ity boky masina ity miaraka amin’ireo fahamarinana masina ao anatiny aho. Tsy maintsy tsy horahahariako ilay toe-javatra hoe, olona maro ary anisan’izany aho, no lasa nanakaiky kokoa an’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny famakiana izany boky izany noho ny tamin’ny alalan’ny boky hafa, ary ny tena zava-dehibe, dia tsy maintsy handà ny bitsiky ny Fanahy Masina izay manome fanamafisana aho. Mifanohitra amin’ny zavatra rehetra izay fantatro fa marina izany.

Nandao ny Fiangonana nandritra ny fotoana fohy ny iray tamin’ireo namako akaiky sy mahiran-tsaina. Izao no nosoratany tamiko vao haingana mikasika ny fiverenany: “Tamin’ny voalohany dia naniry ny hahazo porofo ara-tantara, ara-jeografika, sy ara-pitsikerafiteny ary ara-kolontsaina momba ny Bokin’i Môrmôna aho. Saingy rehefa novaiko hoe, izay ampianarin’izany mikasika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny asa famonjena nanirahana Azy no hifantohan’ny saiko, dia nanomboka nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’izany aho. Indray andro raha namaky ny Bokin’i Môrmôna tao amin’ny efitranoko aho, dia nijanona kely, dia nandohalika ary nanolotra vavaka avy amin’ny fo, ka nahatsapa mazava tsara ny fibitsihan’ny Ray any An-danitra tamin’ny fanahiko fa tena marina ny Fiangonana sy ny Bokin’i Môrmôna. Ilay telo taona sy tapany namerenako nanadihady ny Fiangonana dia nitarika ahy tanteraka sy tamim-paharesen-dahatra indray tany amin’ny fahamarinany.”

Raha toa ny olona iray ka manokana fotoana hamakiana sy hisaintsainana amim-panetrentena ny Bokin’i Môrmôna, toy ny nataon’ilay namako, dia mihaino ny vokatra soa avy amin’ny Fanahy, dia hahazo ilay tenivavolombelona nirina izy amin’ny farany.

Ny Bokin’i Môrmôna dia iray amin’ireo fanomezana sarobidy avy amin’ Andriamanitra ho antsika. Sady sabatra izany no ampinga. Mandefa ny tenin’ Andriamanitra mba hiady ho an’ny fanahin’ireo olo-marina izany ary toy ny mpiaro faratampony ny fahamarinana. Amin’ny maha-Olomasina antsika dia tsy hoe manana tombontsoa hiaro ny Bokin’i Môrmôna fotsiny isika fa manana fahafahana hampiasa mafy izany mba hitoriana amin-kery ny fotopampianarana masina ao anatiny sy hijoro ho vavolombelona momba ny maha-vavolombelona faratampony an’i Jesoa Kristy an’izany.

Zaraiko ny fijoroana ho vavolombelona tena lehibe ananako, fa nadika araka ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny ny Bokin’i Môrmôna. Vavolombelona mahery vaika avy amin’ Andriamanitra mikasika ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy sy ny maha-mpaminany voantso an’i Joseph Smith ary ny maha-marina tanteraka ity Fiangonana ity izany. Enga anie mba ho vato ifaharan’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika izany, ka mba holazaina fa isika, toy ireo Lamanita niova fo, dia “tsy nihemotra na oviana na oviana” (Almà 23:6). Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Emma Smith, ao amin’ny “Last Testimony of Sister Emma,” Saints’ Herald, 1 ôkt. 1879, 289, 290.

  2. Emma Smith, ao amin’ny “Last Testimony of Sister Emma,” 290.

  3. Jereo “Ny Tenivavolombleon’ireo Vavolombelona Telo” ary “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Valo,” ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.