Ka ho tanteraka ny fifalianareo
I Jesoa Kristy no loharanon’ny fanasitranana, ny fiadanana ary ny fivoarana mandrakizay rehetra.
Ranadahy sy rahavavy malala, fifaliana ny miaraka aminareo eto. Ary izany no tiako horesahina aminareo anio maraina: ny fananana ny fahafenoan’ny fifaliana.
Hoy ny lohatenin-gazety iray vao haingana hoe: “Mamotika ny firenena [sy] izao tontolo izao ny loza.”1 Miala avy amin’ny tafiodrivotra mankamin’ny andro migaingaina sy ny hain-tany, avy amin’ny doro tanety sy ny horohoron-tany mankamin’ny ady sy ny aretina mandringana, dia hita fa toa ny “ao anaty korontana ny tany manontolo.”2
An-tapitrisany ny olona voatery nandao ny trano fonenany, ary fiainan’olona maro no voatohintohina noho ireo olana ireo. Ny fifandirana eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina sy ny ady amin’ny tahotra sy ny ahiahy ao anaty ary ny tsy fahatanterahan’ny zavatra nandrandraina dia mahatonga antsika hihotakotaka ihany koa. Mety ho sarotra ny hahatsapa ilay fifaliana izay nampianarin’i Lehia fa tanjon’ny fiainana.3 Efa nisy fotoana nanontaniantsika rehetra hoe: “Aiza no ahitako fiadanana? Aiza ny fampiononana ahy … ?”4 Manontany tena isika hoe, ahoana no hahitako fifaliana na dia eo aza ireo zava-tsarotra eto amin’ny fiainana an-tany?
Mety ho toy ny tsotra be ny valiny, kanefa efa hatramin’ny andron’i Adama no nahazoana porofo fa marina izany. Ny fifaliana maharitra dia azo amin’ny alalan’ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika sy ny fiainana ny filazantsara araka izay nasehony sy nampianariny. Arakaraka ny ianarantsika momba azy, sy hinoantsika ary hakantsika tahaka an’i Jesoa Kristy no hahatakarantsika bebe kokoa fa Izy no loharanon’ny fanasitranana, ny fiadanana ary ny fivoarana mandrakizay rehetra. Manasa ny tsirairay amintsika Izy hankany Aminy,5 izay fanasana nofariparitan’ny Filoha Henry B. Eyring ho “ilay fanasana manan-danja indrindra azon’ny rehetra ekena.”6
Mianatra amin’i Jesoa Kristy
Ahoana no hankanesantsika any Aminy? Tamin’ny aprily lasa teo dia namporisika antsika ny Filoha Russell M. Nelson sy ny Loholona M. Russell Ballard mba handalina ny “Ilay Kristy Velona”7 rehefa mianatra momba ny Mpamonjy. Maro ireo izay nanaiky ilay fanamby ka dia voatahy. Vao haingana izay ny namana malala iray no nanome ny zanany efa lehibe tsirairay ny tahadikan’io tahirin-kevitra io niaraka tamin’ny sary momba ny filazantsara mba hanazavana ny fehezan-teny tsirairay. Namporisika ireo zanany izy mba hanampy ny zafikeliny hahatakatra sy hanao tsianjery izany. Fotoana vitsy taty aoriana ilay namako dia nizara horonan-tsary ahitana ny zafikeliny vavy enin-taona, i Laynie, nibadabada nanao tsianjery izany tamin-kafanam-po sy tamim-pahatokian-tena. Tsapako fa raha toa ka afaka manao izany ny zaza enin-taona iray, dia afaka manao izany koa aho!
Nandritra ny fandalinako ny fiainana sy ny fampianaran’i Jesoa Kristy tamim-pifantohana kokoa sy ny fanolorako tena hanao tsianjery ny “Ilay Kristy Velona”, dia nitombo ny fankasitrahako sy ny fitiavako ny Mpamonjy antsika. Ny fehezan-teny tsirairay ao amin’io tahirin-kevitra io dia mirakitra fampianarana ka nanatsara ny fahatakarako ny anjara asa masina tanany sy ny iraka nampanaovina Azy teto an-tany. Ny zavatra nianarako sy tsapako nandritra io fotoana nandalinana sy nisaintsainana io dia manamafy fa i Jesoa Kristy tokoa no “fahazavana, fiainana, ary fanantenan’izao tontolo izao.”8 Ny soratra masina fahiny sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany izay voasoratra na voalaza izay mankalaza Azy dia mijoro ho vavolombelona fa “Ny fampianarany no lalana mitondra mankany amin’ny fiadanana eo amin’izao fiainana izao sy mankany amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny fiainana ho avy.”9
Manàna finoana an’i Jesoa Kristy
Rehefa mandalina ny fiainana sy ny fampianaran’i Kristy amin’ny fomba isan-karazany ianareo dia hitombo ny finoanareo Azy. Hahafantatra ianareo fa tia anareo tsirairay Izy ary azony tsara ny zava-misy iainanareo. Tao anatin’ny 33 taona niainany teto an-tany dia niaritra fandavana Izy; fanenjehana, hanoanana ara-batana, hetaheta, ary harerahana;10 fanirery; teny maharary sy herisetra ara-batana; ary ny farany, dia fahafatesana tamin’ny fomba feno habibiana teo am-pelatanan’ireo lehilahy mpanota.11 Tao amin’ny Sahan’i Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana tao Kalvary Izy dia nahatsapa ny fanaintainana, ny fahoriana, ny fakam-panahy, ny aretina, ary ny rofintsika rehetra.12
Na inona na inona zavatra efa nozakaintsika dia Izy no loharanon’ny fanasitranana. Ireo izay niaina izay mety ho karazana fanararaotana, famoizana tena nampalahelo, aretina mitarazoka, na fahoriana tsy nahafahana nandroso, fanendrikendrehana, fanenjehana feno fitaka, na fahavoazana ara-panahy vokatry ny fahotana, na ny tsy fifankahazoan-kevitra dia azo sitranina avokoa amin’ny alalan’ilay Mpanavotra an’izao tontolo izao. Na izany aza dia tsy hiditra Izy raha tsy asaina. Tokony hanatona Azy isika dia hamela Azy hanatanteraka ny fahagagana avy Aminy.
Indray andro lohataona tena tsara iray dia navelako nivoha ny varavarana mba hankafizana ny rivotra madio. Nanidina niditra ilay varavarana nivoha ny vorona kely iray ary avy eo dia hitany fa tsy tao no tiany handehanana. Nanidina tamin-tebiteby manerana ilay efitra izy, ary namerimberina nanidina ka nidona teo amin’ny fitaratry ny varavarankely raha niezaka hitsoaka. Niezaka nitarika azy moramora ho eny amin’ilay varavarana nivoha aho, saingy natahotra izy ka dia nanohy nanidina haingana hatrany. Nony farany dia nipetraka teo amin’ny tampon’ny lambam-baravarankely tao anatin’ny havizanana sy ny fahaverezan-kevitra izy. Naka borosy lava aho dia nanakatra tsimoramora tamin’ny volon’ilay borosy ny toerana nipetrahan’ilay vorona izay nitebiteby mafy. Rehefa notazoniko teo akaikin’ny tongony ny lohan’ilay borosy dia nanandrana nandingana nankeo amin’ny volon’ilay borosy ilay vorona. Nandeha moramora, tena niadana, nankeny amin’ilay varavarana nivoha aho, sady nihazona ilay borosy tsy hihetsiketsika araka izay vitako. Raha vantany vao tonga teo amin’ilay varavarana nivoha izahay dia nanidina haingana ho any amin’ny fahafahana ilay vorona.
Tahaka io vorona io, indraindray isika dia matahotra ny hatoky satria tsy takatsika ny fitiavana sy ny faniriana feno ananan’ Andriamanitra mba hanampy antsika. Kanefa rehefa mandalina ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy isika dia mahatakatra fa ny hany tanjon’izy ireo dia ny fahasambarana sy ny fivoarantsika mandrakizay.13 Faly hanampy antsika Izy ireo rehefa mangataka sy mitady ary mandondona isika.14 Rehefa mampihatra finoana sy vonona ny handray amim-panetrentena ny valinteny avy amin’izy ireo isika dia lasa tsy voafetran’ny tsy fahatakarantsika sy ny anoanontsika intsony, ary azo aseho antsika ny lalana mandroso.
I Jesoa Kristy ihany koa no loharanon’ny fiadanana. Manasa antsika Izy “hiantehitra amin’ny sandri[ny] matanjaka”15ary mampanantena ny “fiadana[na] … izay mihoatra ny fahalalana rehetra,”16 fahatsapana izay tonga rehefa “[m]anambara fiadanana … ho an’ny fanahin[tsika]”17 ny Fanahiny na inona na inona olana manodidina antsika. Na olan’ny tena manokana izany, na olana mianjady amin’ny fianakaviana, na olona eo anivon’ny fiarahamonina, dia ho tonga ny fiadanana rehefa matoky isika fa manana ny hery hampitony ilay fanahintsika marary ny Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra.
Niantehitra tamin’ny Mpamonjy i Snježana Podvinski, izay iray amin’ireo mpikambana vitsy ao Karlovac, Croatie, rehefa nodimandry tao anatin’ny enim-bolana tamin’ny taon-dasa ny vadiny sy ireo ray aman-dreniny. Na dia notambesaran’alahelo aza izy, kanefa nanana fijoroana ho vavolombelona fa mandrakizay ny fianakaviana, dia nampiasa ny tahirim-bolany rehetra izy mba handehanana any amin’ny tempoly, izay namehezana azy tamin’ny vadiny sy ny ray aman-dreniny. Nilaza izy fa fotoan-dehibe teo amin’ny fiainany ireo andro naha-tany amin’ny tempoly azy ireo. Noho ny fijoroana ho vavolombelona mafy orina momba an’i Jesoa Kristy sy Sorompanavotany izay nananany dia nahatsapa fiadanana izy ary niaina fanasitranana, izay lasa nanome tanjaka an’ireo manodidina azy ihany koa.
Mitondra fanomezam-pahasoavana betsaka kokoa noho ny fanasitranana sy ny fiadanana mihitsy aza ny finoana an’i Jesoa Kristy. Hoy ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Izaho dia efa feno fankasitrahana noho ireo fomba maro izay namangian’ny Tompo ahy tamin’ilay Mpampionona rehefa nila fiadanana. Saingy tsy ny fampiononana antsika ihany no mampiahiahy ny Raintsika any An-danitra fa miahiahy bebe kokoa ny amin’ny fandrosoantsika mihitsy Izy.”18
Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, izay ahitana ny fanomezam-pahasoavan’ny fanavotana sy ny fitsanganana amin’ny maty, isika dia afaka mibebaka sy miova ary mivoatra mandrakizay. Noho ny hery omeny antsika rehefa mankatò isika, dia afaka ny ho lasa tsara kokoa noho izay azontsika hahatongavana amin’ny alalan’ny herintsika samirery isika. Mety tsy hahatakatra tanteraka ny fomba hanaovana izany isika, kanefa ny tsirairay amintsika izay nahatsapa ny fitombon’ny finoana an’i Kristy dia efa nahazo ihany koa fahatakarana lehibe kokoa momba ny toetra maha-andriamanitra sy ny tanjona masintsika, izay mitarika antsika hanao safidy mifanaraka amin’izany fahalalana izany.
Na dia eo aza ny tontolo izay hiezaka ny hampihen-danja antsika hitovy amin’ny “biby fotsiny ihany,”19 ny fahafantarantsika hoe Raintsika Andriamanitra dia hanome antoka antsika fa manana fahafahana hanao zavatra araka an’ Andriamanitra sy fampanantenana lehibe isika. Na dia eo aza ny tontolo izay milaza amintsika fa tsy misy tanjona ity fiainana ity, dia manome antsika fanantenana fivoarana mandrakizay ny fahafantarana fa ny Sorompanavotan’ny Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra dia nanao izay hahafahana manavotra antsika sy hitsanganantsika amin’ny maty.
Alaovy tahaka izay nataon’i Jesoa Kristy
Rehefa mianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy isika dia mampitombo bebe kokoa ny finoana Azy ary lasa maniry ho azy ny hanaraka ny ohatra nasehony. Lasa faniriantsika lehibe indrindra ny hitandrina ny didiny. Maniry ny hanamaivana ny fijalian’ny hafa tahaka izay nataony ny fontsika, ary maniry ny hahatsapan’izy ireo ilay fiadanana sy fifaliana azontsika isika.
Nahoana no manana hery lehibe be toy izany ny fiezahana manao izay nataony? Satria rehefa ampiasaintsika ny finoantsika dia mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana mandrakizay ny Fanahy Masina.20 Mampianatra ny mpianany i Jesoa mba hitandrina ny didiny satria fantany fa rehefa manaraka ny ohatra asehony isika, dia hanomboka hahatsapa fifaliana, ary rehefa manohy mandeha amin’ny lalany isika dia ho feno tanteraka ny fifaliantsika. Nanazava Izy hoe: “Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo.”21
Moa ve miorina amin’ny fototra vatolampin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika? Rehefa manery antsika ireo fitsapana eo amin’ny fiainana, moa ve isika mihazakazaka tsy amim-piheverana mitady boky torolalana na zavatra iray navoaka tao amin’ny internet mba hanampy antsika? Ny fakana fotoana hampiorina sy hanamafy orina ny fahalalantsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy dia hitondra valisoa lehibe amin’ny fotoan’ny fitsapana sy ny fahoriana. Ny famakiana ny soratra masina isan’andro sy ny fisaintsainana ny tenin’ny mpaminany velona; ny fanaovana an-tsitrapo vavaky ny tena manokana misy heviny manan-danja; ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo amim-pifantohana isan-kerinandro; ny fanaovana asa fanompoana tahaka izay ho nataon’ny Mpamonjy: ny tsirairay avy amin’ireo asa atao tsotra ireo dia lasa fototra hiorenan’ny fiainana feno fifaliana.
Inona no mitondra fifaliana ho anareo? Ny fahitana ireo havan-tianareo amin’ny fifaranan’ny andro navesatra iray ve? Ny fahafaham-po noho ny asa vita tsara ve? Ny hazavana ao anatin’ny mason’ny olona iray ve rehefa avy niara-nitondra taminy ny enta-mavesany ianareo? Ny tonon’ny hira iray ao amin’ny fihirana izay tena nahakasika ny fonareo ve? Ny fandraisan-tanana ho fiarahabana ataon’ny namana akaiky iray ve? Makà fotoana manokana hieritreretana ireo fitahiana azonareo, dia mitadiava fomba hizarana izany avy eo. Rehefa manolo-tanana mba hanompo sy hampahery ny anadahy sy ny rahavavinareo izay miara-monina aminareo na manerana an’ity izao tontolo izao ity izay feno korontana ity ianareo, dia hahatsapa fiadanana sy fahasitranana ary fivoarana mihitsy aza.
Manatòna Azy. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mampifantoka ny fiainanareo amin’i Jesoa Kristy ianareo dia hahita fifaliana ao anatin’ny toe-javatra iainanareo, na inona izany na inona. Marina tokoa fa, “Izy Irery ihany,”22 no valiny. Manokàna fotoana ary mandania fotoana hahafantarana an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana amim-pahazotoana sy ny fampitomboana ny finoana Azy bebe kokoa, ary ny fiezahana ho tonga bebe kokoa tahaka Azy.Rehefa manao izany isika dia hihetsi-po ihany koa hiteny, toa an’i Laynie kely, hoe: “Isaorana anie Andriamanitra noho ny nanomezany ny Zanany masina, izay fanomezana tsy manam-paharoa.”23 Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.