Asandrato ny fonao ka mifalia
Teraka amin’izao andro izao isika noho ny tanjona masina iray, dia ny fanangonana an’i Isiraely izany.
Raha niresaka tamin’i Thomas B. Marsh mpikambana vao niova fo ny Tompo, dia hoy Izy nankahery azy hoe: “Asandrato ny fonao ka mifalia, fa efa tonga ny ora ho an’ny asa fitorianao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:3).
Mino aho fa io fanasana io dia azo ampiasaina hankaherezana ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra. Satria raha ny marina dia samy nandray avy amin’ny Raintsika any An-danitra ny iraka hanangona an’i Isiraely amin’ny lafiny roa amin’ny voaly isika tsirairay avy.
“Izany fanangonana izany,” hoy ny Filoha Russell M. Nelson, no “zavatra manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao. Tsy misy zavatra hafa azo ampitahaina amin’izany, na amin’ny halehibeny izany, na amin’ny lanjany, na amin’ny hatsarany.”1
Tena marina tokoa fa maro ireo tanjona mendrika hotratrarina eto amin’izao tontolo izao. Maro loatra izy ireo ka tsy hay hotanisaina avokoa. Saingy moa ve ianao tsy mba haniry ny handray anjara amina tanjona azonao ilofosana tsara ka ny anjara biriky entinao amin’izany dia mampiova zavatra be? Mampiova zavatra ho an’ny mandrakizay ho an’ny rehetra ilay fanangonana. Afaka mandray anjara avokoa amin’io tanjona io ny olona amin’ny sokajin-taona rehetra na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra iainany sy toerana misy azy. Io no tanjona iombonana tsy hanavahana ny hafa indrindra eto amin’izao tontolo izao.
Raha niresaka manokana tamin’ny zatovo ny Filoha Nelson, dia hoy izy hoe: “Natokan’ny Raintsika any An-danitra ny maro amin’ireo fanahiny mahery indrindra—aleo angamba ataoko hoe ny ekipany mahery indrindra—ho an’ity dingana farany ity. Ireo fanahy mahery ireo, ireo mpilalao tena mahay ireo, ireo maherifo ireo, dia ianareo!”2
Eny, nomanina mialoha ity fiainana ity ianareo ary teraka amin’izao vaninandro izao mba handray anjara amin’ny asa lehiben’ny fanangonana ny Isiraely amin’ny lafy roan’ny voaly amin’izao andro farany izao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:53–56).
Nahoana no tena manan-danja ity tanjona ity? Satria “lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10). Satria koa “na zovy na zovy no mino [an’i Jesoa Kristy] sy atao batisa dia izy no hovonjena; ary izy no handova ny fanjakan’ Andriamanitra” (3 Nefia 11:33). Ambonin’izany koa, “izay rehetra ananan’ny Ra[y] dia homena” ireo izay mandray ny ôrdônansiny sy mitandrina ny fanekempihavanany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:38). Ankoatra izay dia “ny mpiasa no vitsy” (Lioka 10:2).
Ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ihany no ahitana ny hery sy ny fahefana ary ny fomba hanolorana ny fitahiana toy izany ho an’ny hafa, na ny velona izany na ny maty.
Araka ny voalazan’ny Filoha Nelson hoe: “Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona amin’ny andanin’ny voaly anankiroa ianao hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy handray ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny tempoly manan-danja, dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay ianao. Tena tsotra tahaka izany ilay izy.”3
Na dia maro aza ireo fomba hahafahana manampy amin’ilay fanangonana dia te hiresaka manokana mahakasika ny iray amin’izany aho: dia ny fanompoana ho misiônera amin’ny fotoana feno. Ho an’ny maro aminareo dia ny hoe lasa misiônera mampianatra ny filazantsara no dikan’izany. Ho an’ny maro hafa kosa dia ny hoe lasa misiônera mpanao asa fanompoana no dikan’izany. Saingy miezaka izao tontolo izao manelingelina ny tanora tsy hifantoka amin’io andraikitra masina indrindra io amin’ny alalan’ny fampiasana ny tahotra sy ny ahiahy.
Ny zavatra manelingelina hafa dia mety ho ny fiainana anaty valanaretina, ny fialana amina asa tsara, ny fampiatoana fianarana, na ny fahalianana ara-pitiavana amina olona iray. Samy hanana ny fanambiny manokana hatrehiny ny tsirairay avy. Ny zavatra manelingelina toy izany dia mety hipoitra amin’ny fotoana irotsahana amin’ny fanompoana ny Tompo mihitsy, ary ireo safidy izay toa mazava be aty aoriana dia tsy mora atao foana amin’io fotoana io.
Fantatro avy amin’ny zavatra niainako ny fikorontanan-tsaina mahazo ny tanora toy izany. Fony aho niomana handeha hitory dia nisy hery tsy nampoizina niezaka nanakivy ahy. Iray tamin’izany ilay mpitsabo ny nifiko. Nony fantany fa ilay fotoana nofandrihiko dia noho ny fikasako ho lasa misiônera, dia niezaka nandresy lahatra ahy tsy hanompo izy. Tsy nahafantatra mihitsy aho na dia kely aza hoe manohitra ny Fiangonana ilay mpitsabo nifiko.
Nanahirana koa ny fampiatoana ny fianarana norantoviko. Rehefa nangataka fotoana tsy ianarana nandritra ny roa taona tany amin’ny oniversite aho dia nolazaina tamiko fa tsy azo natao izany. Ho very ny toerako ao amin’ilay oniversite raha toa ka tsy miverina aho afaka herintaona. Ao Brésil dia mila raisina amim-pahamatorana izany satria ny hany fepetra hahafahana miditra any amin’ny oniversite dia fanadinana iray tena sarotra no be mpifaninana.
Rehefa nikiry nangataka imbetsaka aho dia nampahalalana tsy sazoka fa rehefa avy tsy nianatra nandritra ny herintaona aho dia afaka mangataka ny hanaovana ny raharahako ho toe-javatra maningana noho ny antony miavaka. Mety hahazo fankatoavana izany na tsia. Natahotra be aho ny amin’ny hamerenako indray ilay fanadinana fidirana sarotra be aorian’ny roa taona tsy nianarana.
Ary liana manokana tamina tovovavy iray koa aho. Nisy namako vitsivitsy liana taminy ihany koa. Hoy aho anakampo hoe: “Raha mandeha mitory aho dia mety ho voa mafy.”
Saingy i Jesoa Kristy Tompo no nanentana mafy ny fanahiko amin’ny hoe tsy tokony hatahotra ny amin’ny hoavy aho rehefa miezaka manompo Azy amin’ny foko manontolo.
Nanana iraka notanterahina koa Izy. Nohazavainy mivantana hoe: “Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy” (Jaona 6:38). Ary mora ve izany iraka nampanaovina Azy izany? Mazava ho azy fa tsia. Ny fijaliany, izay ampahany manan-danja tamin’ny iraka nampanaovina Azy, dia nahatonga Azy, “Ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-drà amin’ny mason-koditra rehetra, ary hijaly na vatana na fanahy—ary niriko ny mba tsy hisotroako ilay kapoaka mangidy sy hitakemotra—
“Kanefa, voninahitra anie ho an’ny Ray, ary nosotroi[ny] izany ary novitai[ny] izay efa nomani[ny] ho an’ny zanak’olombelona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18–19).
Mety toy ny zavatra sarotra ho antsika izany hoe mandeha mitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno izany. Mety hitaky ny hamoizana zavatra manan-danja mandritra ny fotoana voafetra angamba izany. Tena fantatry ny Tompo izany ary ho eo anilantsika foana Izy.
Raha ny marina, ao amin’ny hafatr’izy ireo ho an’ny misiônera ao amin’ny Torio ny filazantsarako, dia nampanantena ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Hamaly soa sy hitahy be dia be anao ny Tompo rehefa manompo Azy am-panetrentena sy am-bavaka ianao.”4 Tena marina fa voatahy foana ny zanak’ Andriamanitra rehetra, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, saingy misy mampiavaka azy ny hoe mahazo fitahiana be dia be ao amin’ny fanompoana Azy sy ny hoe mahazo fitahiana fotsiny.
Tsaroanareo ve ireo olana natrehako talohan’ny nandehanako nitory? Ilay mpitsabo nifiko? Nahita anankiray hafa aho. Ny oniversite nianarako? Nataon’izy ireo ho tranga naningana ny ahy. Tsaroanareo ilay tovovavy noresahako iny? Nanambady ny namako akaiky iray izay izy.
Saingy nanome ahy fitahiana be dia be Andriamanitra. Ary nianatra aho fa ireo fitahian’ny Tompo dia afaka ny ho tonga amin’ny fomba isan-karazany tsy ampoizintsika. Satria tokoa, ny fihevitr’ Andriamanitra dia tsy fihevitsika (jereo ny Isaia 55:8–9).
Anisan’ny fitahiana tena tsara nomeny ahy noho ny nanompoako Azy tamin’ny naha misiônera tamin’ny fotoana feno ahy ny finoana lehibe kokoa an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany sy ny fahalalana sy fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa momba ireo fampianarany, mba tsy hahatonga ahy ho mora “ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra” (Efesiana 4:14). Tsy natahotra ny hampianatra intsony aho. Nitombo ny fahaizako miatrika olana amim-panantenana. Tamin’ny alalan’ny fandinihana ireo olona sy fianakaviana nihaona tamiko na nampianariko fony aho misiônera, dia nianatra aho fa marina ny fampianaran’ Andriamanitra rehefa nilaza Izy fa tsy mitondra fahasambarana marina ny fahotana ary ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra dia manampy antsika hiroborobo sady amin’ny lafiny ara-batana no amin’ny lafiny ara-panahy (jereo ny Môzià 2:41; Almà 41:10). Nianatra mivantana aho fa Andriamanitra dia Andriamanitry ny fahagagana (jereo ny Môrmôna 9).
Ireo zavatra rehetra ireo dia fitaovana tamin’ny fanomanana ahy ho amin’ny fiainan’olon-dehibe, tafiditra ao anatin’izany ny hoe iza no ho lasa vadiko, sy ny maha-ray, ny fanompoana ato amin’ny Fiangonana, ary ny lafiny ara-kasa sy ara-piarahamonina.
Taorian’ny asa fitoriana nataoko dia nahazo tombony tamin’ny herim-po tsy nitsaha-nitombo tao amiko aho ka nampahafantatra ny tenako ho mpanara-dia mahatoky an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonana amin’ny toe-javatra rehetra sy amin’ny olona rehetra, ary nizara ny filazantsara mihitsy aza tamina vehivavy tsara tarehy iray, izay lasa ilay namako malala mandrakizay feno fahatsarana, hendry, mahafinaritra, ilay tara-masoandron’ny fiainako.
Eny, nanome ahy fitahiana be dia be Andriamanitra, mihoatra lavitra noho ny neritreretiko, tahaka izay ho ataony amin’ireo rehetra izay “manompo Azy am-panetrentena sy am-bavaka.” Feno fankasitrahana mandrakizay amin’ Andriamanitra noho ny hatsaram-panahiny aho.
Tena nanefy tanteraka ny fiainako ny asa fitoriana nataoko. Nianatra aho fa mendrika hanaovana ezaka ny fitokisana an’ Andriamanitra, ny matoky ny fahendreny sy ny famindrampony ary ireo fampanantenany. Izy rahateo koa no Raintsika, ary tsy azo isalasalana fa maniry ny tsara indrindra ho antsika Izy.
Ry zatovo malala manerana izao tontolo izao, atolotro anareo ny fanasana izay nataon’ny mpaminanintsika, ny Filoha Nelson taminareo tsirairay avy, dia ny “hirotsaka ao amin’ny tafiky ny tanoran’ny Tompo ary hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely.” Hoy ny Filoha Nelson hoe:
“Tsy hisy zavatra hanan-danja kokoa noho ny vokatra hoentin’izany. Tena tsy hisy.
“Izany fanangonana izany no zavatra tokony hanan-danja indrindra ho anareo. Izany no iraka nanirahana anareo ety an-tany.”5
Teraka amin’izao andro izao isika noho ny tanjona masina iray, dia ny fanangonana an’i Isiraely izany. Rehefa misiônera manompo amin’ny fotoana feno isika dia hiatrika olana indraindray, saingy ny Tompo mihitsy no ohatra lehibe ho antsika ary hitarika antsika hamakivaky izany toe-javatra sarotra izany. Fantany tsara izany hoe iraka sarotra ampanaovina izany. Afaka manao zava-tsarotra isika miaraka amin’ny fanampiany. Ho eo anilantsika Izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88), ary hanome antsika fitahiana be dia be izy rehefa manompo Azy amim-panetrentena isika.
Noho izany antony rehetra izany dia tsy gaga aho raha nilaza toy izao tamin’i Thomas B. Marsh sy amintsika rehetra ny Tompo: “Asandrato ny fonao ka mifalia, fa efa tonga ny ora ho an’ny asa fitorianao.” Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.