Ny toetranao araka an’ Andriamanitra sy ny anjaranao mandrakizay
Manasa anareo aho hampifantoka ny fiainanareo amin’i Jesoa Kristy sy hahatsiaro ireo fahamarinana fototra ao amin’ny fanevan’ny Zatovovavy.
Ry anabavy malala isany, misaotra anareo tonga eto. Voninahitra ho ahy ny mandray anjara amin’ity fivoriamben’ny vehivavy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ity. Nanana tombontsoa koa aho indraindray mba nanatrehana ny kilasin’ny Zatovovavy. Saingy mamelà ahy hilaza zavatra iray miharihary dia ny hoe, sady tsy zatovo aho no tsy vehivavy! Nianatra aho anefa fa tsy dia nahatsiaro ho vahiny loatra rehefa afaka niara-nanao tsianjery ny fanevan’ny Zatovovavy tamin’ireo zatovovavy. Manan-danja ho an’ny zatovovavy ny fotopampiarana lalina ampianarina ao anatin’ny fanevan’ny Zatovovavy1 kanefa azo ampiharina amin’ny rehetra izany, ka anisan’izany isika izay tsy zatovovavy.
Manomboka amin’izao ny fanevan’ny Zatovovavy: “Zanakavavy tian’ny ray aman-dreny any an-danitra aho, ary manana toetra araka an’ Andriamanitra sy anjara mandrakizay.”2 Ahitana fahamarinana manan-danja efatra ao anatin’io teny nambara io. Voalohany dia zanakavavy lalaina ianao. Tsy misy zavatra ataonao, na tsy ataonao, afaka manova izany. Tia anao Andriamanitra satria fanahy zanany vavy ianao. Mety tsy mahatsapa ny fitiavany isika indraindray, fa eo foana nefa izany. Lavorary ny fitiavan’ Andriamanitra.3 Tsy lavorary kosa ny fahafahantsika mahatsapa izany fitiavana izany.
Mitana anjara asa tena manan-danja ny Fanahy eo amin’ny fampitana ny fitiavan’ Andriamanitra amintsika.4 Ny fitaoman’ny Fanahy Masina anefa dia mety ho saron’ny “fihetseham-po mahery vaika toy ny fahatezerana, ny fankahalana, … [na] tahotra … toy ny manandrana mankafy ny tsiro tena tsaran’ny voaloboka eo am-pihinanana sakay jalapeño. … Saron’ilay anankiray tanteraka ilay [tsiron’ilay] iray hafa.”5 Tahaka izany koa, ireo fitondran-tena manalavitra antsika amin’ny Fanahy Masina, tafiditra ao anatin’izany ny fahotana,6 dia manasarotra ny fahitantsika ny fitiavan’ Andriamanitra antsika.
Mitovy amin’izany ihany, mety hampihena ny fahatsapantsika ny fitiavan’ Andriamanitra ireo toe-javatra iainana feno fahasarotana sy ny aretina ara-batana na ara-tsaina, ankoatra ny zavatra hafa. Mety hitondra voka-tsoa matetika ny torohevitra avy amin’ireo mpitarika na matihanina azo itokisana ao anatin’ireo tranga rehetra ireo. Afaka miezaka manatsara ny fahatsapantsika ny fitiavan’ Andriamanitra ihany koa isika amin’ny alalan’ny fanontaniana tena hoe: “Tsy miovaova ve ny fitiavako an’ Andriamanitra sa rehefa metimety ny fiainako vao tia Azy aho, fa tsy dia tia Azy aho rehefa tsy mandeha amin’ny laoniny ny fiainako?”
Ny fahamarinana faharoa dia manana ray aman-dreny any an-danitra isika, ray sy reny.7 Ny fotopampianarana momba ny fisian’ny Reny any An-danitra dia avy amin’ny fanambarana ary finoana iray miavaka eo anivon’ny Olomasin’ny Andro farany. Ny Filoha Dallin H. Oaks dia nanazava ny maha-zava-dehibe io fahamarinana io hoe: “Manomboka amin’ny ray aman-dreny any an-danitra ny haifinoantsika. Ny hitovy amin’izy ireo no faniriantsika lehibe indrindra.”8
Tena kely ny zavatra nambara momba ny Reny any An-danitra, fa ny zavatra fantatsika dia voafitina ao amin’ny lohahevitra ara-pilazantsara iray izay hita ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile.9 Rehefa voavakinao ny zavatra hita ao dia ho fantatrao ny zavatra rehetra fantatro momba izany zavatra izany. Maniry ny ho nahafantatra bebe kokoa aho. Ianareo koa dia mety mbola manana fanontaniana ary maniry ny hahita valiny bebe kokoa. Ny fikatsahana fahatakarana bebe kokoa dia zavatra iray manan-danja amin’ny fivoarantsika ara-panahy, saingy aoka ianao ho mailo. Tsy afaka misolo ny fanambarana ny fisainana.
Tsy hitondra fahalalana ara-panahy bebe kokoa ny fanombatombanana, fa mety hitarika ho amin’ny fahadisoam-panantenana na hampiala ny fifantohantsika amin’ny zavatra izay efa nambara.10 Ohatra, nampianatra ny mpianany ny Mpamonjy hoe: “[Mivavaha] mandrakariva amin’ny Ray amin’ny anarako ianareo.”11 Manaraka io lamina io isika ary mampivantana ny fitsaohantsika ny Ray any An-danitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, fa tsy mivavaka amin’ny Reny any An-danitra.12
Hatramin’izay nanendren’ Andriamanitra mpaminany izay dia nomena fahefana hiteny amin’ny Anarany izy ireo. Saingy tsy milaza fotopampianarana noforonina “avy tamin’ny [sain’izy ireo]”13 izy ireo na mampianatra zavatra tsy nambara. Saintsaino ny tenin’ny mpaminany Balama ao amin’ny Testamenta Taloha, izay notambazana zavatra mba hanozona ny Isiraelita hahazoan’i Moaba tombontsoa. Hoy i Balama hoe: “Na dia home[n’ny mpanjakan’i Moaba] volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny tenin’i Jehovah Andriamanitro aho, na handatsaka, na hampihoatra.”14 Iharan’ny famerana toy izany koa ireo mpaminanin’ny Andro Farany. Ny fitakiana fanambarana avy amin’ Andriamanitra dia sady feno fieboeboana no tsy ahitam-bokany. Fa miandry ny Tompo sy ny fandaharam-potoany kosa isika mba hanambarany ny fahamarinany amin’ny alalan’ireo fomba izay efa napetrany.15
Ny fahamarinana fahatelo ao amin’ny andiam-pehezan-teny voalohany ao amin’ny fanevan’ny Zatovovavy dia milaza hoe manana “toetra araka an’ Andriamanitra” isika. Ampahany manan-danja amin’ny maha-izy antsika izany. “Fototarazo” ara-panahy nolovaintsika avy amin’ireo ray aman-drenintsika ara-panahy,16 izany ary tsy ilana ezaka avy amintsika. Ilay maha-izy antsika faran’izay manan-danja indrindra izany, na dia misy fomba hafa safidintsika hamaritana ny tenantsika aza. Zava-dehibe ho an’ny rehetra ny mahatakatra io fahamarinana lalina io, indrindra fa ho an’ireo olona izay ao anatina vondrona izay voailikilika, na voageja, na nobaboina. Tsarovy fa ny tena maha-izy anao lehibe indrindra dia mifandray amin’ny toetranao araka an’ Andriamanitra amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra anao.
Ny fahamarinana fahefatra dia hoe manana “anjara mandrakizay” isika. Tsy hoterena hahazo izany anjara izany isika. Aorian’ny fahafatesana dia handray ny zavatra mendrika ny ho azontsika isika ary “[tsy handray afa-tsy] izay tian[tsika] horaisina.”17 Miankina amin’ny safidy izay nataontsika ny fahafantarana ny anjarantsika mandrakizay. Mitaky fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana masina izany. Io lalan’ny fanekempihavanana io no fomba hanatonantsika an’i Kristy ary mifototra amin’ny fahamarinana tanteraka sy amin’ny lalàna tsy miova mandrakizay izany. Tsy afaka mamorona ny lalantsika manokana isika dia hanantena ireo vokatra nampanantenain’ Andriamanitra. Ny manantena ireo fitahiany kanefa tsy manaraka ireo lalàna mandrakizay ifotoran’izany18 dia tsy mety, tahaka ny fieritreretana hoe afaka mikasika fatana mahamay isika ary “manapa-kevitra” ny tsy ho may.
Mety fantatrareo fa nitsabo marary tratran’ny tsy fahatomombanan’ny fiasan’ny fo foana aho taloha. Ny vokatra tsara indrindra azo teo amin’izy ireo dia azo avy amin’ny fanarahana drafitra fitsaboana napetraka sy nifototra tamin’ny zava-nisy. Na dia teo aza ny fahafantarana izany dia niezaka niady varotra mba hampiasana drafitra fitsaboana hafa ny marary sasany. Hoy izy ireo hoe: “Tsy te hihinana fanafody be dia be aho”, na hoe “Tsy te hanao fitiliana be dia be mba hanaraha-maso aho.” Mazava ho azy fa afaka nandray malalaka izay fanapahan-keviny manokana ireo marary, kanefa rehefa tsy nanaiky ny hanaraka ny drafitra fitsaboana tsara indrindra izy ireo dia ratsy ny valin’ny fitiliana nataon’izy ireo. Ireo marary tratran’ny tsy fahatomombanan’ny fiasan’ny fo dia tsy afaka misafidy fomba tsy dia mahomby ary avy eo dia manome tsiny ny dokotera mpitsabo ny fon’izy ireo noho ny fahazoana vokatra ratsy.
Mitombina ihany koa izany ho antsika. Ny lalana asain’ny Ray any An-danitra arahina dia mitondra mankany amin’ny vokatra mandrakizay tsara indrindra. Manana safidy malalaka isika, saingy tsy afaka misafidy ny vokatry ny tsy fanarahana ny lalana nambara isika.19 Hoy ny Tompo hoe: “Izay mandika lalàna sy tsy mandray ny lalàna fa mitady ny ho lalàna ho an’ny tenany, … dia tsy azo hamasinina amin’ny lalàna, na amin’ny famindram-po, na ny fahamarinana, na ny fitsarana.”20 Tsy afaka miala amin’ny lalan’ny Ray any An-danitra isika dia avy eo manome tsiny Azy noho ny fahazoana vokatra ratsy.
Ny andiam-pehezan-teny faharoa ao amin’ny fanevan’ny Zatovovavy dia mivaky toy izao: “Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy ahy dia miezaka aho ny ho tonga tahaka Azy. Mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana ary mandray andraikitra eo anoloan’izany aho, ary manompo ny hafa amin’ny Anarany masina.” Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanaovana asa amim-pinoana isika.21 Azontsika atao ny mitaky ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy mba “[hahafantarana] fa i Jesoa Kristy no zanak’ Andriamanitra, fa nohomboana Izy noho ny fahotan’izao tontolo izao.” Na afaka mandray ny fanomezanam-pahasoavana mba hino ny tenin’ireo izay mahafantatra isika,22 mandra-pahafantarantsika izany. Afaka manaraka ny fampianaran’ny Mpamonjy isika ary manampy ny hafa hanatona Azy. Manampy Azy amin’ny asany isika amin’izany.23
Toy izao ny tohin’ny fanevan’ny Zatovovavy: “Hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra aho amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra.” Ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra dia ilaina mba ho vavolombelon’ Andriamanitra,24 na dia voairaka ho vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy aza ny Apôstôly sy ny Fitopololahy.25 Alaivo sary an-tsaina ny lalao baolina kitra iray izay ny mpiandry tsato-by irery no miaro ny tsato-by. Raha tsy manampy ireo mpilalao hafa ao anatin’ny ekipa dia tsy ho afaka ny hiaro tsara ny tsato-by ilay mpiandry tsato-by ka dia ho resy foana ilay ekipa. Tahaka izany koa, ny rehetra dia ilaina ao amin’ny ekipan’ny Tompo daholo.26
Ny andiam-pehezan-teny farany ao amin’ny fanevan’ny Zatovovavy dia manomboka amin’ny hoe: “Eo am-piezahako ho mendrika ny fisandratana, dia mankamamy ny fanomezana, dia ny fahafahana mibebaka aho, ary mikatsaka ny hivoatra isan’andro.” Noho ny sorompanavotan’ny Mpamonjy dia afaka mibebaka isika, mianatra avy amin’ny fahadisoantsika, fa tsy ny ho voahelok’izany. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Maro loatra ireo olona mihevitra ny fibebahana ho toy ny fanasaziana. … Saingy i Satana no mamorona izany fahatsapana ho voasazy izany. Izy dia miezaka ny manakana antsika tsy hibanjina an’i Jesoa Kristy, izay mijoro miaraka amin’ny sandriny mivelatra, manantena sy vonona ny hanasitrana, hamela, hanadio, hampatanjaka ary hanamasina antsika.”27
Rehefa mibebaka amin-kitsim-po isika dia tsy misy holatra ara-panahy tavela, na inona na inona nataontsika, na goavana toy ny ahoana izany, na efa impiry naverintsika izany.28 Isaky ny mibebaka sy mikatsaka famelan-keloka amin’ny finiavana marina isika dia afaka ny ho voavela heloka.29 Tena fanomezana miavaka avy amin’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika tokoa izany!30 Afaka manome antoka antsika ny Fanahy Masina fa voavela heloka isika. Rehefa mahatsapa fifaliana sy fiadanana isika,31 dia voafafa ny fahatsapana ho meloka,32 ary tsy rotidrotehan’ny fahotantsika intsony isika.33
Na dia efa nibebaka tamin-kitsim-po aza isika dia mety mbola hanao fahadisoana ihany. Ny fanaovana fahadisoana dia tsy midika hoe tsy nahomby ilay fibebahana, fa mety maneho ny fahalemen’ny olombelona fotsiny. Mampahery tokoa ny mahafantatra fa “tsy mitovy ny fijerin’ny Tompo ny fahalemena sy ny fikomiana.” Tsy tokony hisalasala isika ny amin’ny fahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika amin’ny fahalementsika satria “feno famindram-po mandrakariva [ny Tompo] rehefa miresaka mikasika ny fahalemena.”34
Izao no mamarana ny fanevan’ny Zatovovavy hoe: “Am-pinoana no hankaherezako ny tokantranoko sy ny fianakaviako, no hanaovako sy hitandremako fanekempihavanana masina, ary handraisako ireo ôrdônansy sy fitahian’ny tempoly masina.” Ny fanamafisana orina ny tokantrano sy ny fianakaviana dia mety midika hoe manamboatra ny rohy voalohany amin’ny rojon’ny fahatokiana, na manohy miaina ny finoana nolovaina, na mamerina izany amin’ny laoniny.35 Na dia eo aza izany dia azo avy amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fanaovana fanekempihavanana masina ny finoana.
Ianarantsika any amin’ny tempoly ny hoe iza isika ary taiza isika teo aloha. Hoy i Cicero mpahaifotokevitra Rômana hoe: “Ny tsy firaharahiana ny zavatra nitranga talohan’ny nahaterahanao dia fijanonana ho zaza lalandava.”36 Mazava ho azy fa tantara tsy mahakasika ny fivavahana no tiany horesahina saingy azo itarina ny fandinihana feno fisainana nataony. Miaina mandrakizay toy ny zaza isika raha tsy mahafantatra ny fomba fijery mandrakizay izay azo any amin’ny tempoly. Mihalehibe ao amin’ny Tompo isika any, mandray ny fahafenoan’ny Fanahy Masina,”37 ary lasa manolo-tena feno kokoa ho mpianatry ny Mpamonjy.38 Rehefa mitandrina ny fanekempihavanantsika isika dia mahazo ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika.39
Manasa anareo aho hampifantoka ny fiainanareo amin’i Jesoa Kristy sy hahatsiaro ireo fahamarinana fototra ao amin’ny fanevan’ny Zatovovavy. Raha vonona ianareo dia hitarika anareo ny Fanahy Masina. Tian’ny Raintsika any An-danitra ho lasa mpandova Azy ianareo ary hahazo izay rehetra ananany.40 Tsy misy zavatra azony omena anareo mihoatra izany. Tsy misy zavatra azony ampanantenaina anareo mihoatra izany. Tia anareo mihoatra izay fantatrareo Izy ary tiany ho sambatra eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny fiainana ho avy ianareo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.