Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
I Jesoa Kristy no maha zatovo mahery
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022


14:11

I Jesoa Kristy no maha zatovo mahery

Apetraho amin’i Jesoa Kristy ny fatokianao. Hitari-dalana anao amin’ny fomba mety Izy. Izy no herinao.

Teo am-panomanana ity hafatra ity aho androany dia nahatsapa fitaomam-panahy mahery vaika mba hiresaka amin’ireo zatovovavy sy zatovolahy.

Miresaka amin’ireo izay mba efa tanora ihany koa aho, eny fa na dia ireo izay tsy mahatadidy izany intsony aza.

Ary miresaka amin’ireo rehetra izay tia an’ireo zatovontsika sy maniry azy ireo hahomby eo amin’ny fiainana aho.

Ho an’ny taranaka vao misondrotra, dia manana hafatra manokana ho anao avy amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy anao aho.

Ny hafatry ny Mpamonjy ho anao

Ry tanora namako malala, raha teto izao ny Mpamonjy dia inona no holazainy aminareo?

Mino aho fa hanomboka amin’ny fanehoana ny fitiavany lalina ho anareo Izy. Mety hilaza izany amin’ny teny Izy, nefa mety hiseho mafy tokoa izany—amin’ny maha eo Azy fotsiny—ka tsy azo hiodivirana fa mipaka lalina any am-ponao any, mameno ny atifanahinao iray manontolo!

Na izany aza, satria malemy sy tsy lavorary isika rehetra, dia mety hanomboka hiahiahy ny ao an-tsainao ao. Mety hahatsiaro ireo fahadisoana nataonao ianao, ireo fotoana izay nanekenao ho resin’ny fakam-panahy, ireo zavatra nirianao raha mba tsy natao—na ireo izay nirinao raha nataonao tsaratsara kokoa.

Ho tsapan’ny Mpamonjy izany, ary mino aho fa hanome toky anao Izy amin’ny teny izay efa nolazainy ao amin’ny soratra masina manao hoe:

“Aza matahotra”.1

“Aza miroanàhana.”2

“Matokia.”3

“Aoka tsy hitebiteby ny fonareo.”4

Heveriko fa tsy hanao fialan-tsiny noho ireo fahadisoana nataonao Izy. Tsy hanamaivana izany Izy. Tsia, hangataka anao Izy hibebaka—hiala amin’ny fahotanao, sy hiova, mba hahafahany mamela heloka anao. Hampahatsiahy anao Izy fa 2.000 taona lasa izay dia nentiny teo Aminy ireo fahotana ireo mba hahafahanao mibebaka. Izany dia ampahany amin’ilay drafitry ny fahasambarana izay nomena antsika avy amin’ilay Raintsika any An-danitra be fitiavana.

Mety hanantitrantitra i Jesoa fa ireo fanekempihavanana iarahanao Aminy—izay atao rehefa natao batisa ianao ary havaozina isaky ny mandray ny fanasan’ny Tompo—dia manome anao fifandraisana manokana Aminy. Ilay karazana fifandraisana izay lazain’ny soratra masina fa zioga ikambanana mba hahafahanao mitondra ny enta-mavesatra rehetra miaraka amin’ny fanampiany.5

Mino aho fa tian’i Jesoa Kristy Mpamonjy ho hitanao sy ho tsapanao ary ho fantatrao fa Izy no herinao. Fa noho ny fanampiany dia tsy misy fetra ny zavatra azonao atao. Tsy misy fetra ny fahafaha-manao ao aminao. Tiany hahita ny tenanao amin’ny fomba fahitany anao ianao. Ary izany dia tena hafa noho ny fomba fijerin’izao tontolo izao anao.

Hambaran’ny Mpamonjy am-patokiana tanteraka fa ianao dia zanakavavy na zanakalahin’ilay Andriamanitra Tsitoha. Ny Rainao any An-danitra no olona be voninahitra indrindra eo amin’izao rehetra izao, feno fitiavana, fifaliana, fahadiovana, fahamasinana, fahazavana, fahasoavana ary fahamarinana. Ary indray andro any dia tiany handova izay rehetra ananany ianao.6

Izany no antony mahatonga anao ho eto an-tany—hianatra sy hitombo ary hivoatra ka ho tonga amin’izay antony rehetra naharian’ny Rainao any An-danitra anao.

Mba hahatanteraka izany dia naniraka an’i Jesoa Kristy Izy mba ho Mpamonjy anao. Izany no tanjona ao ambadik’ilay drafiny lehibe ho an’ny fahasambarana, sy ny Fiangonany, sy ny fisoronany, sy ny soratra masina—izany rehetra izany.

Izany no anjaranareo. Izany no hoavinareo. Safidinao izany!

Fahamarinana sy safidy

Ny ivon’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambaranao dia ny herinao hisafidy.7 Mazava ho azy fa tian’ny Rainao any An-danitra ny hisafidiananao ny fifaliana mandrakizay miaraka Aminy, ary hanampy anao hahatratra izany Izy, saingy tsy hanery anao amin’izany mihitsy Izy.

Noho izany dia avelany hisafidy ianao: Hazavana sa haizina? Tsara sa ratsy? Hafaliana sa fahoriana? Fiainana mandrakizay sa fahafatesana ara-panahy?8

Toa mora izany safidy izany, sa tsy izany? Saingy tsy hay fa, eto an-tany, dia toa sarotra kokoa izany fa tsy araka ny tokony ho izy.

Ny olana dia tsy mazava araka ny irintsika azy foana ny fahitantsika zavatra. Nampitahain’ny Apôstôly Paoly izany tamin’ny hoe “mizaha ao amin’ny fitaratra ka tsy mahita marina”9. Be dia be ny fisafotofotoana eto amin’izao tontolo izao momba ny mety sy ny tsy mety. Voaova ny marina ka mahatonga ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy.10

Saingy rehefa mikatsaka fatratra ny fahamarinana ianao—fahamarinana mandrakizay sy tsy miova—dia lasa mazava kokoa ny safidy ataonao. Eny, mbola mandalo fakam-panahy sy fitsapana ianao. Mbola mitranga ny ratsy. Zavatra mampanahiran-tsaina. Zavatra mampalahelo. Saingy hainao ny miatrika izany rehefa fantatrao hoe iza ianao, nahoana ianao no eto, ary rehefa matoky an’ Andriamanitra ianao.

Aiza ary no ahitanao fahamarinana?

Hita ao anatin’ny filazantsaran’i Jesosy Kristy izany. Ary ny fahafenoan’izany filazantsara izany dia ampianarina ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Hoy i Jesoa: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.”11

Rehefa manana safidy manan-danja tokony hatao ianao dia i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny no safidy tsara indrindra. Rehefa manana fanontaniana ianao dia i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny no valiny tsara indrindra. Rehefa mahatsapa ho malemy ianao dia i Jesoa Kristy no herinao.

Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.

Izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa.12

Ho zatovo mahery!

Mba hanampiana anao hahita ilay Lalana sy mba hanampiana anao hanao ny fotopampianaran’i Kristy ho ny hery mitaona eo amin’ny fiainanao, dia nanomana loharanom-pitaovana vaovao Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia ny Ho zatovo mahery!nasiam-panavaozana izany.

Ny Jeunes, Soyez Forts! navoaka tamin’ny 2011

Nandritra ny 50 taona mahery ny Jeunes, Soyez Forts! dia tari-dalana ho an’ireo taranaka tanora maro Olomasin’ny Andro Farany. Mitahiry tahadika iray foana aho ao am-paosiko, ary zaraiko amin’ny olona liana amin’ireo fitsipika arahintsika izany. Nasiam-panavaozana izany mba hiatrehana tsara kokoa ireo fanamby sy fakam-panahy amin’izao androntsika izao. Ny Ho zatovo mahery! vaovao dia misy an-jotra amin’ny fiteny 50 isa ary hivoaka amin’ny endrika kiboky vita printy ihany koa. Hanampy anao tokoa izany amin’ny fanaovana safidy eo amin’ny fiainanao. Ekeo sy ampiaro izany dia zarao amin’ny namanao.

Ny Ho zatovo mahery! 2022 vaovao

Ity Ho zatovo mahery! vaovao ity dia misy lohateny hoe Torolalana entina manao safidy.

Aoka hazava tsara fa ny mpanoro lalana tsara indrindra hanananao amin’ny fanaovana safidy dia i Jesosy Kristy. I Jesoa Kristy no maha zatovo mahery.

Koa ny tanjon’ny Ho zatovo mahery! dia ny hanoroana anareo ho any Aminy. Mampianatra anareo ireo fahamarinana mandrakizain’ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny izany—fahamarinana momba ny hoe iza ianareo sy ny hoe iza Izy ary inona no zavatra azonareo tanterahana amin’ny heriny. Mampianatra anareo ny fomba hanaovana safidy tsara miainga avy amin’ireo fahamarinana mandrakizay ireo izany.13

Zava-dehibe ho anareo koa ny mahafantatra hoe inona no tsy ataon’ny Ho zatovo mahery!. Tsy mandray fanapahan-kevitra eo amin’ny toeranareo izany. Tsy manome anao “eny” na “tsia” momba ny safidy rehetra mety hatrehinareo izany. Ny Ho zatovo mahery! dia mifantoka amin’ny fototry ny safidinareo. Mifantoka amin’ny soatoavina sy fitsipika ary fotopampianarana izany fa tsy amin’izay fitondrantena manokana rehetra.

Ny Tompo, tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny, dia nitarika antsika hatrany amin’izany lalana izany. Miangavy antsika izy mba “hampitombo ny fahafahan[tsika] ara-panahy mandray fanambarana.”14 Manasa antsika izy mba “hihaino Azy.”15 Miantso antsika Izy mba hanaraka Azy amin’ny fomba avo sy masina kokoa.16 Ary mianatra toy izany koa isika isan-kerinandro ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy.

Ataoko angamba fa afaka hanome anareo lisitra lava misy ireo akanjo tsy tokony hanaovanareo, sy ireo teny tsy tokony holazainareo ary ireo sarimihetsika tsy tokony hojerenao ilay torolalana. Saingy tena hanampy tokoa ve izany ato amin’ny Fiangonana maneran-tany? Tena hanomana anareo ho amin’ny fiainana araka ny fomban’i Kristy tokoa ve izany fomba fiasa izany?

Hoy i Joseph Smith hoe: “Mampianatra fitsipika marina azy ireo aho, dia mitondra ny tenany irery izy ireo.”17

Ary ny Mpanjaka Benjamina dia nilaza tamin’ny vahoakany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe: “Izaho dia tsy afaka milaza aminareo ny zavatra rehetra izay mety hanotanareo; fa misy lalana sy fomba samihafa, be loatra aza ka tsy hitako hisaina izy ireny.” 18

Notohizan’ny Mpanjaka Benjamina hoe: “Saingy izao ihany no azoko lazaina anareo, … [tandremo] ny tenanareo sy ny eritreritrareo ary ny teninareo sy ny ataonareo, … ary [tandremo] ny didin’ Andriamanitra sy [mitozoa] amin’ny finoana … ny Tompontsika ka ambara-pahatapitry ny ainareo.”19

Jesoa Kristy Mpamonjy

Fahadisoana ve ny manana lalàna? Mazava ho azy fa tsia. Ilaintsika rehetra isan’andro izany. Saingy tsy mety ny mifantoka amin’ny lalàna fotsiny raha hoe tsy mifantoka amin’ny Mpamonjy. Mila mahafantatra ny antony sy ny fomba hampiharana izay ianao, ary avy eo dia mandinika ny vokatry ny safidy ataonao. Mila mametraka ny fitokianao amin’i Jesosy Kristy ianao. Hitari-dalana anao amin’ny fomba marina Izy. Izy no herinao.20

Ny herin’ny fotopampianarana marina

Ny Ho zatovo mahery! dia hentitra amin’ny fanambarana ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy. Hentitra izy amin’ny fanasa anareo hanao safidy mifototra amin’ny fotopampianaran’i Kristy. Ary hentitra izy amin’ny filazalazana ireo fitahiana ampanantenain’i Jesosy Kristy an’izay manaraka ny lalany.21

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Raha toa ka ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka [eo amin’ny fiainanao] no fanirianao lehibe indrindra, dia fanapahan-kevitra maro no ho lasa mora. … Olana maro no ho lasa tsy misy dikany. Ho hainao ny hikarakara ny tenanao. Ho fantatrao izay tokony hojerenao sy hovakianao, aiza no tokony handanianao ny fotoanao, ary iza no tokony hataonao namana. Fantatrao izay tianao hotratrarina. Fantatrao ny karazan’olona tena tianao hahatongavana.”22

Fenitra ambony kokoa

I Jesoa Kristy dia manana fitsipika ambony dia ambony ho an’ny mpanaradia Azy. Ary ny fanasana hikatsaka mafy ny sitrapony sy hiaina amin’ny fahamarinany no fenitra ambony indrindra misy!

Ny safidy manan-danja eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-panahy dia tsy tokony hiainga avy amin’ny zavatra tiana manokana, na amin’izay mampety na malaza.23 Ny Tompo dia tsy manao hoe: “Ataovy izay tianareo”.

Hoy Izy hoe: “Aoka Andriamanitra no hanjaka.”

Hoy Izy hoe: “Avia manaraha Ahy.”24

Hoy izy hoe: “Aoka hiaina amin’ny fomba masina kokoa, ambony kokoa, matotra kokoa.”

Hoy Izy hoe “Tandremo ny didiko.”

I Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra ho antsika, ary miezaka amin’ny herin’ny fanahintsika manontolo isika mba hanaraka Azy.

Ry namako malala, mbola averiko indray, raha mijoro eto ny Mpamonjy androany, dia haneho ny fitiavany tsy manam-pahataperana ho anareo Izy, ny fahatokiany tanteraka anareo. Hilaza aminareo Izy fa vitanareo io. Afaka manorina fiainana feno fifaliana sy fahasambarana ianareo satria i Jesoa Kristy no herinareo. Afaka mahita fahatokiana, fiadanana, fiarovana, fahasambarana, ary fahatsapana ho manana toerana ianao ankehitriny sy mandrakizay, satria izany rehetra izany dia ho hitanao ao amin’i Jesoa Kristy, ao amin’ny filazantsarany, ao amin’ny Fiangonany.

Izany no ijoroako ho vavolombelona manetriketrika amin’ny maha Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo ahy ary apetrako aminareo ny tsodrano avy amin’ny foko ao anatin’ny fankasitrahana lalina sy fitiavana anareo, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Lioka 5:10; 8:50; 12:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:15; 50:41; 98:1.

  2. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36.

  3. Matio 14:27; Jaona 16:33; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61:36; 68:6; 78:18.

  4. Jaona 14:1, 27.

  5. Jereo ny Matio 11:28–30.

  6. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:38.

  7. Azonao atao ny milaza fa ny drafitry ny Ray dia natao mba hamela anao haneho ny fanirianao amin’ny alalan’ny safidinao, mba hahafahanao mahazo ny vokatra fenon’izay irinao. Araka ny nampianarin’ny Loholona Dale G. Renlund hoe: “Ny tanjon’ny Raintsika any An-danitra eo amin’ny fitaizana dia tsy ny hanao izay hahatonga an’ireo zanany hanao ny marina; fa ny hanao izay hahatonga an’ireo Zanany hisafidy hanao ny marina ary ho tonga tahaka Azy amin’ny farany” (“Fidionareo anio,” Liahona, nôv. 2018, 104).

  8. Jereo ny 2 Nefia 2:26–27.

  9. 1 Korintiana 13:12.

  10. Jereo ny Isaia 5:20.

  11. Jaona 14:6.

  12. Jereo ny Isaia 40:29–31.

  13. Amin’ny maha Olomasin’ny Andro Farany antsika dia matetika isika no fantatra amin’ny zavatra ataontsika sy tsy ataontsika—ny fitondrantenantsika. Mety ho tsara izany, saingy tsara kokoa aza ny ahafantarana antsika amin’ny zavatra fantatsika (ireo fahamarinana mitarika ny fitondrantenantsika) sy ny olona fantatsika (ny Mpamonjy—sy ny fomba entin’ny fitiavantsika Azy mitaona ny fitondrantenantsika).

  14. Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96.

  15. Jereo ny Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 88–92.

  16. Ny fomba fiasa mifototra amin’ny fitsipika ao amin’ilay boky torolalana vaovao Ho zatovo mahery! dia mifanaraka amin’ireo fandaharan’asa hafa vao haingana navoakan’ny Fiangonan’ny Mpamonjy, tafiditra amin’izany ny Torio ny Filazantsarako, ny fanompoana, ny fandaharam-pampianarana Avia, hanaraka Ahy izay mifototra amin’ny any an-tokantrano, ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo, ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, ary ilay Boky Torolalana maneran-tany vaovao. Mazava fa manorina ny fahafaha-manao ara-panahintsika ny Tompo. Maneho fahatokiana bebe kokoa amin’ny vahoakan’ny fanekempihavanany amin’ny andro farany Izy.

  17. Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 284.

  18. Mozià 4:29. Amin’ny lafiny iray, izany no nataon’ny Fariseo tamin’ny andron’i Jesoa. Tao anatin’ny zotom-pon’izy ireo tafahoatra hanakana ny olona tsy handika ny lalàna, dia nanangona fitsipika an-jatony izy ireo, mifototra amin’ny fahatakarany ny soratra masina. Ny nahadiso ny Fariseo dia ny niheveran’izy ireo fa hahavonjy azy ireo lalàny. Avy eo, rehefa niseho ny Mpamonjy, dia tsy nahafantatra Azy izy ireo.

  19. Môzià 4:30; nampiana fanamafisana.

  20. Ny antony iray hafa ilana fomba fiasa mifototra amin’ny fitsipika ankehitriny dia ny fitombon’ny fahasamihafana ara-kolontsaina ato amin’ny Fiangonan’ny Tompo. Ny fitsipika dia mandrakizay ary manerana izao rehetra izao. Ny fitsipika na ny fampiharana manokana an’ireo fitsipika ireo dia mety tsara any amin’ny toerana sasany saingy tsy mety any amin’ny toerana hafa. Ny mampiray antsika dia i Jesoa Kristy sy ireo fahamarinana mandrakizay izay nampianariny, na dia miovaova arakaraka ny fotoana sy ny kolontsaina aza ny fampiharana manokana. Noho izany, ny olana amin’ny fitanisana izay rehetra azo atao sy tsy azo atao dia tsy vitan’ny hoe tsy azo ampiharina fa tsy maharitra. Ny olana dia ny hoe mampivily ny fifantohantsika amin’ilay tena Loharanon’ny herintsika izany, dia i Jesoa Kristy, Mpamonjy antsika.

  21. Taona maro lasa izay dia nilaza ireto teny mahery vaika ireto ny Filoha Boyd K. Packer: “Ny fotopampianarana marina rehefa takatra, dia manova ny fihetsika sy ny fitondrantena. Ny fandalinana ny fotopampianaran’ny filazantsara no hanatsara haingankaingana kokoa ny fitondrantena toy izay ny fandalinana ny fitondrantena mba hampivoarana ny fitondrantena” (“Do Not Fear,” Liahona, May 2004, 79).

    Ny Filoha Ezra Taft Benson dia nampianatra fahamarinana mitovy amin’izany: “Miasa avy ao anaty mankaty ivelany ny Tompo. Miasa avy aty ivelany mankao anaty izao tontolo izao. … Mamolavola ny fitondrantenan’ny olombelona izao tontolo izao, fa afaka manova ny toetran’ny olombelona kosa i Kristy” (“Born of God,” Ensign, Nov. 1985, 6).

    Rehefa nahita ny faharatsiana teo amin’ny tontolo manodidina azy ny mpaminany Almà ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia nitodika tany amin’ny tenin’ Andriamanitra izy satria fantany fa izany dia “nanana fiantraikany mahery kokoa tamin’ny sain’ny olona noho ny sabatra, na ny zavatra hafa, izay efa nihatra taminy—noho izany dia noheverin’i Almà fa tsara ny [manandrana] ny herin’ny tenin’ Andriamanitra” (Almà 31:5).

  22. Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 94. Naneho ohatra an’io fomba fiasa io ny Filoha Russell M. Nelson rehefa nampianatra antsika momba ny fanajana ny andro Sabata nanao hoe: “Nandalina ireo lisitra nataon’ny olona hafa mikasika ireo zavatra atao na ireo zavatra tsy atao amin’ny andro Sabata aho tamin’ny fahatanorako. Taty aoriana aho vao nianatra avy tamin’ny soratra masina fa ny fitondrantenako sy ny fihetsiko amin’ny Sabata dia nandrafitra famantarana teo amiko sy ny Raiko any An-danitra. Tsy nila ireo lisitry ny zavatra atao sy zavatra tsy atao intsony aho rehefa nanana izany fahatakarana izany. Rehefa nila nandray fanapahan-kevitra aho momba ny hoe mety sa tsy mety amin’ny Sabata ny zavatra atao iray dia nanontany tsotra aho hoe: -Inona no famantarana tiako homena an’ Andriamanitra?- Izany fanontaniana izany dia nampisafidy ahy mazava tsara mikasika ny andro Sabata” (“Fahafinaretana ny Sabata,” Liahona, mey 2015, 130).

  23. Nampianatra ny Loholona David A. Bednar fa “ireo fitsipiky ny fahamarinana … dia manampy antsika mba hijery mihoatra lavitra an’ireo zavatra tiantsika manokana sy ireo faniriantsika mifono fitiavan-tena amin’ny alalan’ny fanolorana ilay fomba fijery sarobidy an’ilay fahamarinana mandrakizay rehefa mamakivaky ireo toe-javatra iainana, ireo olana sy ireo fanapahan-kevitra ary ireo zavatra iainana mandritra ny fiainana an-tany isika” (“Ireo fitsipiky ny filazantsarako,” Liahona, mey 2021, 123–24).

  24. Lioka 18:22.