Hatsarana ho solon’ny lavenona: Ny lalana manasitran’ny famelan-keloka
Ny miaina amin’ny fomba izay manome hatsarana ho solon’ireo lavenona eo amin’ny fiainanao dia fampiharana finoana izay manaraka ny Mpamonjy.
Ao amin’ny bokin’i Samoela voalohany dia ahitana tantara iray tsy be mpahafantatra momba an’i Davida, izay ho lasa mpanjakan’i Isiraely, sy ny vehivavy iray antsoina hoe Abigaila.
Taorian’ny nahafatesan’i Samoela, i Davida sy ny miaramilany dia nitsoaka ny Mpanjaka Saoly izay nifofo ny ain’i Davida. Niambina ny andian’ondry sy ny mpanompon’ny lehilahy manan-karena iray antsoina hoe Nabala, izay ratsy fanahy, izy ireo. Nandefa miaramila 10 i Davida mba hiarahaba an’i Nabala sy hangataka sakafo sy vatsy izay tena nilain’izy ireo tokoa.
Ompa no namalian’i Nabala ny fangatahan’i Davida ary nalefany niverim-potsiny ireo miaramilan’i Davida.
Tafintohina i Davida ka nanomana ny miaramilany hifanandrina amin’i Nabala sy ny mpianakaviny tamin’ny filazana hoe: “Fa novaliany ratsy ny soa nataoko.”1 Nisy mpanompo iray nilaza tamin’i Abigaila vadin’i Nabala ny fitondrana tamin-karatsiam-panahy natao tamin’ireo miaramilan’i Davida. Nanangona faingana ny sakafo sy ny vatsy nilaina i Abigaila ary lasa nandeha mba ho mpanelanelana.
Rehefa nihaona tamin’i Davida i Abigaila dia “niankohoka teo anatrehan[y] ka nitsaoka azy,
“Dia niankohoka tamin’ny tongony izy ka nanao hoe: Aoka ho ahy dia ho ahy ity heloka ity. …
“Koa ankehitriny, … Jehovah efa niaro anao tsy hahazo heloka amin’ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an’ny tenanao. …
“… Ary izao saotra nentin’ny ankizivavinao aminao izao, tompoko, dia aoka homena ny zatovo. …
“Masìna ianao, mamelà ny fahadisoan’ny ankizivavinao. …
“Ary hoy Davida tamin’i Abigaila: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay naniraka anao hihaona amiko androany:
“Ary hotahiny anie ny fahendrenao, ary hotahiny anie ianao, izay niaro ahy androany tsy hahazo heloka amin’ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an’ny tenako. …
“Ka dia noraisin’i Davida teny an-tànany ilay zavatra nentiny, ary hoy izy taminy: Miakara soa aman-tsara ho any an-tranonao; … Efa nohenoiko ny feonao, ary nankasitrahako ianao.”2
Nifandao tamim-pilaminana izy roa tonta.
Avy amin’io tantara io, i Abigaila dia azo raisina ho ohatra na tandindona mahery vaika maneho an’i Jesoa Kristy.3 Amin’ny alalan’ny sorona fanavotana nataony dia afaka manamaivana antsika amin’ny fahotana sy ny vesatry ny fo feno fahatezerana Izy ary manome antsika ny fanohanana ilaintsika.4
Mitovy tsy misy valaka amin’ny fahavononan’i Abigaila hitondra ny fahotan’i Nabala teo aminy no nitondran’ny Mpamonjy—tamin’ny fomba tsy hay takarina—ny fahotantsika sy ny fahotan’ireo izay nandratra na nanafintohina antsika.5 Tao Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana no nitondrany ireny fahotana ireny. Nanolotra fomba hialantsika amin’ny fo te hanao valifaty Izy. Izany “fomba” izany dia amin’ny alalan’ny famelan-keloka—izay afaka ny ho anisan’ny zavatra sarotra indrindra hataontsika ary ny zavatra masina indrindra hiainantsika. Eo amin’ny lalan’ny famelana, ny hery manavotr’i Jesoa Kristy dia afaka mikoriana eo amin’ny fiainantsika ary manomboka manasitrana ireo fangirifiriana lalin’ny fo sy ny fanahy.
Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa ny Mpamonjy dia manolotra ho antsika ny fahafahana mamela:
“Amin’ny alalan’ny Sorompanavotany tsy misy fetra dia afaka mamela ireo izay nandratra anao sy ireo izay mety tsy hanaiky mandrakizay ny maha-tompon’andraikitra azy amin’ny fampijaliany anao ianao.
“Mora matetika ny mamela heloka ny olona iray izay mangataka amin-kitsim-po sy amim-panetrentena famelana heloka avy aminao. Fa ny Mpamonjy dia hanome anao ny fahaizana mamela heloka izay nanisy ratsy anao amin’ny fomba rehetra. Ary avy eo dia tsy afaka hanimba ny fanahinao intsony ny zavatra mandratra nataon’izy ireo.”6
Ny fitondran’i Abigaila sakafo sy vatsy sesehena dia afaka mampianatra antsika fa ny Mpamonjy dia manolotra an’ireo izay nampijaliana sy noratraina ny fanohanana sy fanampiana ilaintsika mba hahasitrana sy hahasalama antsika.7 Tsy havela hiatrika irery ny vokatry ny zavatra nataon’ny hafa isika; isika koa dia afaka ny hositranina sy hahazo fahafahana hohamaivanina amin’ny vesatry ny fo feno hatezerana sy izay mety ho fihetsika haterak’izany.
Efa niteny ny Tompo hoe, “Izaho Tompo dia hamela izay tiako havela heloka, fa takiana aminareo kosa ny hamela ny olon-drehetra.”8 Mitaky antsika hamela ny Tompo mba ho soa ho antsika.9 Saingy tsy mangataka antsika hanao izany Izy raha tsy miaraka amin’ny fanampiany sy ny fitiavany ary ny fahatakarany. Amin’ny alalan’ny fanekempihavanantsika amin’ny Tompo, dia samy afaka mandray ny hery mampatanjaka sy ny fitarihana ary ny fanampiana ilaintsika mba hamela sy ho voavela isika.
Aoka ho fantatrao fa ny famelana olona iray dia tsy midika hoe mametraka ny tenanao eo amin’ny toerana izay hanohizana ny fandratrana anao. “Mety ho eo am-piezahana mamela olona anankiray isika nefa entanin’ny Fanahy hanalavitra azy.”10
Tahaka ny nanampian’i Abigaila an’i Davida tsy hanana “fo [tafintohina]”11 ary hahazo ny fanampiana nilainy, ny Mpamonjy ihany koa dia hanampy anao toy izany. Tia anao Izy ary manao fotoana aminao eo amin’ny lalan’ny famelana “miaraka amin’ny fanasitranana ao amin’ny tanany.”12 Maniry ny hahazoantsika fiadanana Izy.
Nahita manokana ny fahagagan’ny fanasitranan’i Kristy ny fo feno fahatezerana ny tenako. Rehefa nahazo lalana avy amin’ny raiko, dia zaraiko aminareo fa lehibe tao amin’ny tokantrano izay tsy nahatsapana ho voaro foana aho noho ny fampijaliana ara-pihetsehampo sy ny fanaovana teny marary. Fony aho zatovo sy tanora dia nanana lolompo tamin-draiko aho ary tezitra tato am-poko noho izany ratra izany.
Rehefa nandeha ny fotoana ary nanoloana ny ezaka hitadiavana fiadanana sy fanasitranana eo amin’ny lalan’ny famelana, dia lasa tonga saina tamin’ny fomba lalina tokoa aho fa ilay Zanak’ Andriamanitra izay nanao sorona ho an’ny fahotako ihany no ilay Mpanavotra izay hamonjy ihany koa ireo izay nandratra mafy ahy. Tsy afaka nino ilay fahamarinana voalohany aho raha tsy nino ilay faharoa.
Rehefa nihanitombo ny fitiavako ny Mpamonjy, dia torak’izany koa ny faniriako hanolo ny faharatrana sy ny fahatezerana amin’ny balsamany manasitrana. Tao anatin’ny taona maro izany rehetra izany, nitaky herim-po sy fahalemem-panahy sy faharetana ary fianarana ny matoky ny hery masin’ny Mpamonjy mba hamonjy sy hanasitrana. Mbola misy ny asa mila ataoko saingy tsy mankamin’ny fahatezerana sy valifaty intsony ny foko. Nomena “fo vaovao” aho13dia fo nahatsapa ny fitiavana lalina sy mitoetran’ny Mpamonjy ahy manokana, izay niara-dalana tamiko, izay nitarika ahy tamin-katsaram-panahy sy tamim-paharetana ho amin’ny toerana tsara kokoa, izay niara-nitomany tamiko, izay mahafantatra ny alaheloko.
Ny Tompo dia nandefa fitahiana fanonerana ho ahy tahaka ny nitondran’i Abigaila ny zavatra nilain’i Davida. Nitondra mpampianatra ho eo amin’ny fiainako Izy. Ary ny mamy indrindra sy nitondra fanovana indrindra amin’ny rehetra dia ny fifandraisako amin’ny Raiko any An-danitra. Amin’ny alalany dia mahafantatra amim-pankasitrahana ny fitiavana malefaka sy miaro ary mpitariky ny Ray tonga lafatra aho.
Nilaza ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Tsy afaka mamafa ny zavatra efa vita ianao saingy afaka mamela izany.14 Manasitrana ireo ratra mahatsiravina sy mandoza ny famelan-keloka satria mamela ny fitiavan’ Andriamanitra hanadio ny fo sy ny saintsika amin’ny poizin’ny fankahalana. Manafaka ny eritreritsika amin’ny faniriana ny hamaly faty izany. Mamela toerana ho an’ny fitiavan’ny Tompo izay manadio sy manasitrana ary mamerina amin’ny laoniny izany.”15
Ny raiko niteraka ahy koa dia niaina fiovam-po mahatalanjona tao anatin’ireo taona vao tsy ela ka nitodika tamin’ny Tompo—izay zavatra tsy nampoiziko hitranga amin’ity fiainana ity. Izany dia fijoroana ho vavolombelona ho ahy ny amin’ny hery feno sy manova an’i Jesoa Kristy.
Fantatro fa afaka manasitrana ny mpanota sy ireo izay niharan’ny fahotana Izy. Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra an’izao tontolo izao, izay nanolotra ny ainy mba hahafahantsika ho velona indray. Hoy Izy: “Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy; [efa naniraka Ahy hanasitrana ny torotoro fo Izy]naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina16
Ho an’ireo rehetra izay torotoro ny fony, mpifatotra, nampahorina, ary angamba nojambain’ny fampahoriana na ny fahotana, manolotra fanasitranana sy fanarenana ary fanafahana Izy. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fanasitranana sy fanarenana atolony dia tena misy. Samy manana ny azy ny fotoan’izany fanasitranana izany, ary tsy afaka mitsara ny fotoan’ny an’ny hafa isika. Zava-dehibe ny hamelantsika ho an’ny tenantsika ny fotoana ilaina mba hahasitranana ary ny ho tsara fanahy amin’ny tenantsika ao anatin’izany dingana izany. Ny Mpamonjy dia be famindram-po sy mihaino antsika hatrany, ary vonona hatrany ny hanolotra ny fanampiana ilaintsika Izy.17
Eo amin’ny lalan’ny famelana sy ny fanasitranana dia misy ny safidy tsy hamerimberenana intsony ireo trangan-javatra na fifandraisana tsy mahasoa ao amin’ny fianakaviantsika na na aiza na aiza. Ho an’ireo rehetra izay azontsika taomina, afaka manolotra hatsaram-panahy isika ho solon’ny fahasiahana, fitiavana ho solon’ny fankahalana, fahalemem-panahy ho solon’ny fanevatevana, fiarovana ho solon’ny fampahoriana ary fiadanana ho solon’ny fifandirana.
Ny fanomezanao ny zavatra izay nolavina taminao dia ampahany mahery vaika amin’ilay fanasitranana masina izay afaka ny hisy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ny miaina amin’ny fomba izay manome, araka ny nolazain’i Isaia hoe: [hatsarana] ho solon’ny lavenona [eo amin’ny fiainanao]18 dia fampiharana finoana izay manaraka ny ohatra tonga lafatry ny Mpamonjy izay nijaly ny zava-drehetra mba hahafahany manavotra ny olon-drehetra.
Niaina fiainana nisy lavenona i Josefa avy any Egypta. Nankahalain’ireo rahalahiny izy, nivadiham-pitokisana, namidy ho lasa andevo, nogadraina tsy ara-drariny, ary nohadinoin’ny olona izay nampanantena ny hanampy azy. Kanefa dia natoky ny Tompo izy. “Kanefa ny Tompo nomba an’i Josefa”19 ary nanamasina ireo fitsapany mba ho fitahiana sy fitomboana ho azy—ary mba hanavotana ny fianakaviany sy ny Egypta iray manontolo.
Rehefa nihaona tamin’ireo rahalahiny i Josefa lasa mpanapaka lehibe tao Egypta, dia niharihary tamin’ny alalan’ny teny soa nolazainy ny famelany heloka sy ny fomba fijeriny izay nihatsara:
“Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho aty; fa hamonjy aina no nampandehanan’ Andriamanitra ahy hialoha anareo aty. …
“Ary amin’izany, tsy hianareo no nampandeha ahy ho aty, fa Andriamanitra.”20
Tamin’ny alalan’ny Mpamonjy, ny fiainan’i Josefa dia lasa “[hatsarana] ho solon’ny lavenona”21
I Kevin J. Worthen, filohan’ny BYU, dia nilaza fa Andriamanitra “dia afaka mampitranga ny tsara … tsy avy amin’ny fahombiazantsika fotsiny ihany fa avy amin’ny tsy fahombiazantsika sy ny tsy fahombiazan’ny hafa izay nitondra fanaintainana ho antsika ihany koa. Tena tsara sy mahery aok’izany Andriamanitra.”22
Mijoro ho vavolombelona aho fa ny ohatra lehibe indrindra amin’ny fitiavana sy ny famelana dia i Jesoa Kristy ilay Mpamonjy antsika, izay nilaza tao anatin’ny fangirifiriana mangidy hoe: “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.”23
Fantatro fa ny Raintsika any An-danitra dia maniry fahatsarana sy fanantenana ho an’ireo zanany tsirairay avy. Mamaky isika ao amin’ny Jeremia hoe: “Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana.”24
I Jesoa Kristy no Mesianao manokana, ilay Mpanavotra sy Mpamonjy be fitia, izay mahafantatra ireo fitalahoan’ny fonao. Maniry anao hahazo fanasitranana sy fahasambarana Izy. Tia anao Izy. Mitomany miaraka aminao manoloana ireo alahelonao Izy ary mifaly amin’ny fanasitranana anao. Enga anie isika hitraka hatrany ary handray ny tanany feno fitiavana izay atolony amintsika lalandava,25eo am-pandehanantsika eo amin’ny lalan’ny famelana, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.