Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Amin’ny fo manontolo
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022


11:16

Amin’ny fo manontolo

Isika dia tokony ho mpanara-dia an’i Jesoa izay feno fifaliana ka amin’ny fo manontolo no irosoantsika amin’ny diantsika manokana amin’ny maha mpianatra antsika.

Indraindray manampy ny fahafantarana ny zavatra tokony antenaina.

Tany amin’ny faramparan’ny fotoana nanompoany i Jesoa dia nilaza tamin’ireo Apôstôliny fa ho avy ny andro sarotra. Saingy nilaza ihany koa Izy hoe “Mitandrema, aza matahotra.”1 Eny, handao Izy saingy tsy hamela azy ireo ho irery.2 Haniraka ny Fanahiny Izy hanampy azy ireo hahatsiaro, sy hiorina mafy ary hahita fiadanana. Manatanteraka ny fampanantenany hiaraka amintsika mpianany ny Mpamonjy, kanefa tsy maintsy mibanjina Azy hatrany isika mba hanampy antsika hahatsapa sy hankamamy ny fiarahany amintsika.

Niatrika fotoan-tsarotra hatrany ireo mpianatr’i Kristy.

Nisy namako akaiky iray nandefa lahatsoratra tranainy iray ho ahy tao amin’ny Nebraska Advertiser, gazety iray any amin’ny faritra afovoany andrefan’i Etazonia, izay nivoaka tamin’ny 9 jolay 1857. Toy izao no voalaza tao: “Aninkeheo vao maraina dia nisy andiana Môrmôna nandalo, nanjohy ny dian’izy ireo ho any Salt Lake. Vehivavy maromaro (tena tsy nihaingitraingitra mihitsy) no nisarika sarety tarihin-tanana toa ireny biby ireny, nisy [vehivavy] iray solafaka tanatin’iny fotaka mainty iny, ka nahatonga fiatoana kely teo amin’ny fizotry ny dia. Ny ankizy kely nitanjozotra miaraka amin’ny fitafim-bahiny [hafahafa] ary be fikirizana toy ny renin’izy ireo.”3

Lasa eritreritra fatratra aho mahakasika an’io vehivavy nihosom-potaka io. Nahoana no mitarika irery izy? Reny tokan-tena ve izy? Avy aiza no nahazoany ilay tanjaka anaty nananany, ilay fikirizana, ilay faharetana ahafahana manao izany dia mamizana anaty fotaka izany, mitarika ny fananany rehetra anaty sarety ho any amina fonenana any an-tany foana tsy fantatra, ary indraindray noharabian’ireo mpitazana?4

Niresaka momba an’ilay tanjaka anaty nananan’ireto vehivavy mpamaky lay ireto ny Filoha Joseph F. Smith, nanao hoe: “Moa ve hisy hahavita hanodina ny sain’ny iray amin’ireto vehivavy ireto hiala amin’ny faharesen-dahatra ananany amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?” Moa ve hisy afaka hampisalasala azy ireo raha ny amin’ny asa nanirahana ny Mpaminany Joseph Smith? Moa ve hisy afaka hamitaka azy ireo mikasika ny asa masina nanirahana an’i Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra? Tsia, tsy hisy hahavita izany velively eto amin’izao fianana izao. Nahoana? Satria fantany ny marina. Andriamanitra no nanambara izany tamin’izy ireo, ary takatr’izy ireo izany, ary tsy misy hery eto an-tany afaka hampihodina azy ireo hiala amin’izay fantatr’izy ireo fa marina.”5

Ry ranadahy sy rahavavy, ny ho lehilahy sy vehivavy tahaka izany no fanamby amin’izao androntsika izao, mpianatra izay milofo mba hahitana ilay tanjaka hitarihana rehefa antsoina handeha hamakivaky tany foana, mpianatra manana ny faharesen-dahatra izay nambaran’ Andriamanitra tamintsika, mpanara-dia an’i Jesoa izay feno fifaliana ka amin’ny fo manontolo no irosoany amin’ny diany manokana amin’ny maha mpianatra azy. Amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia mino isika fa afaka mivoatra mifanaraka amina fahamarinana telo manan-danja.

Voalohany, afaka mitandrina ireo fanekempihavanana nataontsika isika, na dia tsy mora aza izany indraindray.

Rehefa sedraina ny finoanao na ny fianakavianao na ny hoavinao, rehefa manontany tena ianao hoe nahoana ny fiainana no mafy tokoa nefa ianao manao izay vitanao amin’ny fiainana ny filazantsara, dia tsarovy fa ny Tompo efa nilaza tamintsika fa tokony hanam-po olana isika. Tafiditra ao anatin’ilay drafitra ireo olana ary tsy midika izany hoe nafoy ianao; tafiditra amin’ilay antsoina hoe maha mpianany izy ireny.6 Izy rahateo moa “lehilahy ory sady zatra ny fahoriana.”7

Nianatra aho fa mahaliana ny Ray any An-danitra kokoa ny hampivoatra ahy, amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy ahy, toy izay hampitsotsotra ahy. Mety tsy dia tiako ho ohatr’izany foana izy ity, saingy izay no izy!

Ny fiainana mitsotsotra dia tsy mitondra hery. Ny hery ilaintsika hahazakana ireo fitsapana amin’izao androntsika izao dia ny herin’ny Tompo ary ny heriny dia mirotsaka avy amin’ireo fanekempihavanana nataontsika Taminy.8 Ny fianteherana amin’ny finoantsika rehefa mahery ny rivotra manohitra, ny fiezahana amin-kitsim-po isan’andro hanao izay nifanekentsika tamin’ny Mpamonjy fa ho ataontsika, na dia rehefa vizana aza, ary indrindra rehefa vizana mihitsy, sy sahiran-tsaina, ary mitolona amin’ny fanontaniana sy olan-tsarotra, dia midika hoe mandray tsikelikely ny fahazavany, ny tanjany, ny fitiavany, ny Fanahiny, ny fiadanany.

Ny antony hirosoana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia ny hanatonana ny Mpamonjy. Izy no tanjona, fa tsy ny fivoarana tonga lafatra izorantsika. Tsy ifaninanana izy ity, ary tsy azontsika atao ny mampitaha ny diantsika amin’ny an’ny hafa. Na dia rehefa solafaka aza isika dia eo Izy.

Faharoa, afaka manao zavatra am-pinoana isika.

Amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika, dia takatsika fa mitaky asa ny finoana Azy, indrindra amin’ny fotoan-tsarotra.9

Taona maro lasa izay dia nanapa-kevitra ireo ray aman-dreniko hanolo ny karipetra tao an-trano. Ny alina nialoha ny fahatongavan’ilay karipetra vaovao dia nasain’ny reniko ireo anadahiko hanala ireo fanaka sy hanendaka ireo karipetra isan’efitra mba hahafahana mametaka ny karipetra vaovao. Efa natory tamin’izay i Emily rahavaviko, izay fito taona tamin’izany. Koa raha izy natory iny dia nesorin’izy ireo mangina ireo fanaka rehetra tao amin’ny efitranony, ankoatra ny fandriana, ary avy teo dia nendahin’izy ireo ny karipetra. Saingy, tahaka ny fanaon’ireo zokilahy indraindray, dia nanapa-kevitra izy ireo hanao sangy ratsy. Nesorin’izy ireo daholo ny entany sisa tao anaty lalimoara sy nihantona tamin’ny rindrina ka efitrano foana sisa no navelan’izy ireo. Avy teo dia nanoratra taratasy kely izy ireo napetany tamin’ny rindrina manao hoe: “Ry Emily, nifindra trano izahay. Handefa taratasy izahay afaka andro vitsivitsy ilazana anao hoe aiza no misy anay. Am-pitiavana, ny fianakavianao.”

Ny ampitso maraina, rehefa tsy nipoitra hisakafo maraina i Emily, dia nandeha nitady azy ireo anadahiko. Dia indro izy, nalahelo sy manirery, tao ambadiky ny varavarana nihidy. Nandinika an’io traikefa io i Emily taty aoriana: “Nivarahontsana aho. Nefa inona no mety ho nitranga raha nanokatra ny varavarana fotsiny aho? Inona no ho reko? Inona no fofona ho reko? Ho nahafantatra aho fa tsy irery. Ho nahafantatra aho fa tena tiana aho. Tsy mba tonga tato antsaiko mihitsy ny hieritreritra ny hanao zavatra mahakasika ny toe-javatra nisy ahy. Nilavo lefona fotsiny aho dia nijanona tao amin’ny efitranoko nitomany. Saingy raha mba nanokatra ny varavarana fotsiny mantsy aho.”10

Nisintona hevitra avy tamin’izay zavatra hitany ny rahavaviko, kanefa tsy taratry ny zavatra tena nisy izany. Tsy mahavariana ve fa isika koa, tahaka an’i Emily, mety ho trotraka tokoa noho ny alahelo na ny ratram-po, na ny hakiviana, na ny adin-tsaina, na ny fanirery, na ny fahatezerana, na ny fahasorenana, ka tsy tonga ao an-tsaintsika akory ny hanao zavatra fotsiny, toy ny mamoha varavarana, hanao zavatra am-pinoana an’i Jesoa Kristy?

Feno ohatra ana lehilahy sy vehivavy mpianatr’i Kristy ny soratra masina, izay teo anatrehan’ny zavatra toa tsy ho tanteraka mihitsy—dia niarina tamim-pinoana ary namindra.11

Tamin’ireo boka nikatsaka fahasitranana no nilazan’i Kristy hoe: “Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo dia nadio teny am-pandehanana.”12

Nandeha niseho tamin’ny mpisorona izy ireo toy ny efa sitrana sahady, ary tena sitrana izy ireo teo am-panaovana izany.

Te hilaza ihany koa aho fa raha toa ka toa tsy ho azo tanterahina ny eritreritra hanao asa ao anatin’ny fahorianao, dia aoka ianao hanao asa ho fanolora-tanana namana iray, olona ao amin’ny fianakaviana, mpitarika ao amin’ny Fiangonana na olona mpiara-miasa iray. Mety ho dingana voalohany mankamin’ny fanantenana izany.

Fahatelo, azontsika atao amin’ny fo manontolo sy am-pifaliana ny fanoloran-tena ataontsika13

Rehefa mitranga ny fotoan-tsarotra dia miezaka mahatsiaro aho fa izaho dia nisafidy ny hanaraka an’i Kristy talohan’ny nahatongavako teto an-tany, ary ireo fanamby eo amin’ny finoako sy ny fahasalamako ary ny faharetako dia ampahany amin’ny antony maha eto ahy avokoa. Ary tena tsy tokony hieritreritra mihitsy aho hoe ny fitsapana mahazo ahy ankehitriny dia lasa hampanontany tena mahakasika ny fitiavan’ Andriamanitra ahy, na koa hamela izany hamadika ny finoako Azy ho lasa ahiahy. Ny fisian’ny fitsapana dia tsy midika hoe tsy mahomby ilay drafitra. Tafiditra ho isan’ilay drafitra natao hanampy ahy hikatsaka an’ Andriamanitra izy ireny. Miha-mitovy kokoa Aminy aho rehefa maharitra amim-paharetana ary, enga anie aho ho tahaka Azy, ka hivavaka mafimafy kokoa, rehefa fadiranovana.14

Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra amin’ny fitiavana ny Raintsika amin’ny fony manontolo, amin’ny fanaovana ny sitrapony, na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny saran’izany.15 Te hanaraka ny ohatra nasehony aho, amin’ny fanaovana toy izany koa.

Manentana ny fanahiko ny maha mpianatra amin’ny fo sy fanahy manonontolo nasehon’ilay vehivavy mpitondratena izay nandrotsaka ny farantsakeliny roa tao amin’ny fandatsahan-drakitry ny tempoly. Izay rehetra nananany no natolony.16

Fantatr’i Jesoa Kristy ny fahalalahan-tanany tamin’ny nanomezany izay rehetra nananany raha ny hafa kosa tsy nahita afa-tsy ny hakelin’ny fanatiny. Marina ihany koa izany ho antsika tsirairay. Tsy raisiny ho tsy fahombiazana ny tsy ampy amintsika fa fahafahana hampiasa finoana sy hivoatra.

Famaranana

Ry namako mpianatr’i Jesoa Kristy, amin’ny foko manontolo no hisafidianako hiara-hijoro amin’ny Tompo. Misafidy aho ny hiara-hijoro amin’ireo mpanompo finidiny—dia ny Filoha Russell M. Nelson sy ireo Apôstôly mpiara-manompo Aminy—fa miteny amin’ny toerany izy ireo, ary mpiandraikitra ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana izay mampifamatotra ahy amin’ny Mpamonjy.

Raha solafaka aho, dia hiarina hatrany, miantehitra amin’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy sy ny heriny mampivoatra. Hitoetra ao amin’ny fanekempihavanana nataoko Taminy aho ary hamaha ireo fanontaniana amin’ny alalan’ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra, sy ny finoana ary ny fanampian’ny Fanahy Masina izay itokisako ny fitarihany. Hikatsaka ny Fanahiny aho isan’andro amin’ny alalan’ny fanaovana ireo zava-madinika sy tsotra.

Izany no lalan-kizorako amin’ny maha mpianatra ahy.

Ary mandrapahatonga ny andro ahasitrana ireo ratra isan’andro eo amin’ny fiainana an-tany dia hiandry ny Tompo aho ary hatoky Azy—ny fotoany sy ny fahendreny ary ny drafiny.17

Miray hina aminareo aho, te hiara-hijoro Aminy mandrakizay. Amin’ny fo manontolo. Mahalala fa rehefa tia an’i Jesoa Kristy amin’ny fontsika manontolo isika dia homeny ny zavatra rehetra ho valin’izany.18 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.