2019
Tsy tena miaina ny Filazantsara amin’ny fonao manontolo ve ianao?
Aprily 2019


Amin’ny endrika nomerika ihany

Tsy tena miaina ny Filazantsara amin’ny fonao manontolo ve ianao?

Tena mitondra fiovana ny fihetsika asehontsika manoloana ireo andraikitsika ato amin’ny Fiangonana.

“Voatery ve aho?”

Efa mba nieritreritra toy izany ve ianao taloha? Efa nanana io eritreritra io imbetsaka aho. Ary nianatra aho fa ny eritreritra toa tsy manan-danja toy izany dia mari-pamantarana ny toe-tsaiko. Ekena fa afaka manome fanampiana sy manompo ny hafa isika rehetra. Afaka ny manaiky sy manatanteraka ny antso ao amin’ny Fiangonana isika ary afaka manatrika ireo fivoriam-piangonana. Na dia atao an-tsirambina aza ireo zavatra ireo dia afaka mitondra fiovana eo amin’ny fiainantsika izy ireny. Kanefa mametra ny fahafahan’ Andriamanitra hampiasa anao ve izany? Mametra ny fahafahan’ Andriamanitra hanova anao ve izany? Amiko dia eny no valiny.

Io hevitra io dia mahatonga ahy hieritreritra an’i Lamàna sy i Lemoela izay nandao an’i Jerosalema, niverina naka ireo takelaka, nanampy tamin’ny fanamboarana sambo, nanao asa fankatoavana maro—saingy tamim-pimonomononana sy tsy amin’ny tanjany rehetra no nanaovany ireny. Tsy navelan’izy ireo hanova azy ireo ho tonga olona tsara kokoa ny zavatra niainan’izy ireo. Fa nimonomonona sy nandray ireo toe-javatra rehetra niainan’izy ireo tamin’ny lafy ratsiny lalandava aza no nataon’izy ireo. Rehefa tonga saina ny amin’izany aho dia tena tsy te ho toa an’i Lamàna sy i Lemoela.

Makà fotoana fohy hieritreretana marina momba ireo antony mandrisika anao hanao ireo zavatra ataonao. Manampy ny hafa ve ianao sady mifantoka amin’ireo fitahiana horaisinao? Sa manampy ny hafa ianao satria tena maniry amin-kitsimpo tokoa ny hizarana fahazavana sy fitiavana ho azy ireo? Moa ve manao izay rehetra takina amin’ny antsonao ianao satria izany no andrasana aminao? Sa manao izany ianao satria te hanompo ny Tompo sy ireo manodidina anao?

Ireo no karazana fanontaniana nezahiko napetraka tamin’ny tenako tsindraindray. Manao izay rehetra azoko hatao ve aho mba hiaina tahaka ny tena mpianatr’i Kristy amin-kitsim-po tokoa? Sa tsy amin’ny foko manontolo no anaovako izany? Ny Eveka Gérald Caussé, Eveka Mpiahy, angamba no tena mahalaza azy indrindra nanao hoe: “Moa ve isika tena miaina araka ireo fitsipiky ny filazantsara, sa ve isika misahirana manao ireo asan’ny Fiangonana fotsiny?” (“Natao hikarakarana olona izany,” Liahona, mey 2018, 112).

Mavitrika sy be atao

Ho ahy rehefa hoe “be atao” fotsiny aho ato am-piangonana dia tonga tao amiko ny toetra tsy miraharaha. Io tsy firaharahiana io dia mety ho avy amin’ny toetra tsy dia maharisika firy na avy amin’ny famelana ireo asa tsy dia manan-danja hibahana ireo asa tena manan-danja. Tonga ato amiko io tsy firaharahiana io rehefa mipetra-potsiny sy tsy mifantoka aho mandritra ny fivoriana Fanasan’ny Tompo, na rehefa manonona vavaka aho amin’ny alina ka manomboka mieritreritra zavatra hafa; na rehefa mamaky faingana fotsiny ny soratra masiko aho fa tsy mandalina azy ireny, na rehefa manampy olona iray aho mba hilazana fotsiny hoe efa nahavita izany fa tsy mba niezaka ny hinamana amin’izy ireny.

Indraindray dia mahatsapa fahasorenana mihitsy aza aho rehefa tsy mahita fivoarana eo amin’ny fiainako—rehefa iny aho tsy miraharaha sy “be atao” tsotra izao ao amin’ny filazantsara iny—sy rehefa mitoetra ao amiko ireo fahatsapana ireo mandra-pahafantarako hoe inona no olana. Indraindray aho dia voatery miato kely mba handinika, sy handini-tena, ary manontany ny tenako hoe: “Moa ve aho mifantoka tanteraka ny saiko sy ny foko manontolo amin’ity antsoko ity, na amin’ity olona ity na amin’ity vavaka ity, na amin’ity fandalinana soratra masina ity amin’izao fotoana izao?”

Rehefa tonga saina tampoka toy izany aho dia izay no fotoana tena itrangan’ny fiovana eo amin’ny fiainako. Rehefa tena mivavaka aho mba hahitana ny hafa amin’ny fomba ahitan’ny Ray any An-danitra azy ireo, rehefa mivavaka aho mba hahazo fahafaha-manompo, rehefa mivavaka aho mba hahazo fitarihana ho an’ny antsoko, sy ho an’ny asako ary ny fiainako andavanandro, ary indrindra indrindra rehefa manao asa mifanaraka amin’ny fitaomam-panahy omeny ahy aho, rehefa maneho ny faniriana ao anatiko mba ho tonga olona tsaratsara kokoa ny zavatra ataoko, dia izay no fotoana mampavitrika ahy ao amin’ny filazantsara. Izay no fotoana ahatsapako fiovana eo amin’ny toetrako, sy ao am-poko, ary ao amin’ny fanahiko. Izay no fotoana ahitako zava-mahagaga mitranga. Izay no fotoana ahatsapako fahasambarana marina miditra ao amin’ny fiainako. Izay no fotoana tena iezahako mba hiova ho amin’ny tsaratsara kokoa.

Asa sy fahatsapana

Ataoko fa isika rehetra dia afaka mieritreritra ny amin’ireo fotoana vitsy teo amin’ny fiainantsika izay nahitana hoe mendri-piderana ny zavatra nataontsika saingy ny hery nanosika antsika hanao azy ireny kosa dia tsy mendrika toy izany. Indraindray sahiranin’ny fiainana isika, indraindray dia tsy mahafaly tanteraka antsika foana ireo toe-javatra iainantsika ary indraindray dia mety tsy handeha araka ny itiavantsika azy ny zava-drehetra. Tsy tanteraka isika kanefa raha mangataka ny Ray any An-danitra mba hanampy antsika hanao izay ezaka rehetra avy amintsika amin’ireo zavatra mandreraka na mandany fotoana izay asaina ataontsika dia afaka mianatra manao ireny amin’ny fomba araka an’i Kristy bebe kokoa isika.

Tsaroako ireo fotoana nanekeko tsy sazoka ny hanao tetik’asa fanompoana iray mba hanalefahana fotsiny ny foko sy mba hiovan’izany aorian’ilay zavatra niainana. Na rehefa nahazo antso iray aho ka nitaraina fa hoe naka be tamin’ny fotoako ilay izy kanefa nigogogogo nitomany aho rehefa nisaorana tamin’ilay izy satria nianatra nitia izany aho.

Afaka mizara hazavana sy manatontosa ireo andraikitsika isika ary mandray ny valin’ireo vavaka ataontsika amin’ny fomba mahomby indrindra raha toa amin’ny toerana tokony hisy azy ny fontsika. Raha maka fotoana isika handinihana ny toetrantsika sy ireo antony manosika antsika hanao ny zavatra ataontsika ary manao ny zavatra rehetra azontsika atao “amin-kitsimpo, [sy] omban’ny tena finiavana”(Môrônia 10:4), dia ho afaka ny hamantatra ny fitarihan’ny Ray any An-danitra sy hahita fifaliana lehibe kokoa ary afaka ny hitondra fiovana lehibe kokoa eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’ny fiainan’ny hafa isika.