Ry ray aman-dreny malala
Amin’ity volana ity ny Namana dia ahitana tantara sy asa atao izay manampy ny fianakavianao hankalaza ny Paska. Manantena izahay fa hankafy ny fieritreretana momba ny Paska ny fianakavianao mandritra ny volana manontolo!
-
“Fanomezana lehibe indrindra avy amin’ Andriamanitra” (N2)—Hafatra momba ny Paska avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson
-
“I Jesoa no Mpamonjy ahy” (N3)—Fandokoana sary momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fitsanganany tamin’ny maty
-
“Ny tantaran’ny Paska” (N4–N6)—Tantara ao amin’ny soratra masina aseho an-tsary
-
“Rehefa miverina any Aminy aho” (N7)—Hira vaovao mahafinaritra momba ny fibebahana
-
“Mahatsapa tena ho vaovao” (N18)—Tantaran’ankizilahy iray avy any Estonie izay nianatra momba an’i Jesoa
-
“Hahita azy indray aho” (N20)—Fijoroana ho vavolombelon-dRahavavy Reyna I. Aburto momba ny fitsanganana amin’ny maty
Ampahafantaro anay an-tsoratra azafady ny fomba nampiasan’ny fianakavianao ireo tantara sy zavatra atao ireo.
Manaova Paska mahafinaritra!
Ny Namana
New Friend
50 E. North Temple Street, Room 2393
Salt Lake City, UT 84105 USA