Rehefa mandalo fahakiviana dia tsarovy ilay mpitondratena tao Naina
Rehefa iny isika mahatsiaro ho hadino na tsy misy miraharaha iny mihitsy no tokony hahatsiaro hoe: “Tonga namonjy ilay mpitondratena i Jesoa tamin’ny fotoana nilany fanampiana mihitsy, ary ho tonga amintsika ihany koa Izy.”
Indraindray isika rehefa miaina ireo zavatra tsara sy ratsy eo amin’ny fiainana dia mety hahatsapa hoe tsy dia miasa loatra amin’ny fiainantsika andavanandro Andriamanitra. Toa mandeha miadana sy mahamonamonaina ny fizotry ny fiainantsika. Tsy dia misy fiovana firy, ary sarotra indraindray ny hamantatra hoe taiza Andriamanitra no niditra an-tsehatra mivantana teo amin’ireo zavatra nolalovantsika. Isaky ny manana ireo fahatsapana ho tsinontsinona ireo aho amin’ny fiainako dia matetika aho no mieritreritra vehivavy iray ao amin’ny Testamenta Vaovao izay mety ho nanana fahatsapana toy izany koa. Tsy voalaza ao amin’ny soratra masina ny anarany saingy fantatra fotsiny amin’ny anaran’ny tanàna nisy azy sy ny toe-panambadiany izy.
Izany vehivavy izany dia ilay mpitondratena tao Naina ary ny mpanoratra filazantsara Lioka ihany no nirakitra ny tantarany mahatalanjona. Amiko dia izy no maneho ny fanompoana miavaka nataon’ny Mpamonjy, sy ny fomba nanolorany tanana ireo kivy, dia ireo olon-tsotra teo amin’ny fiaraha-monina nisy azy. Io tantara io dia mahavaly tsara ilay fanontaniana hoe mahafantatra antsika sy miraharaha antsika ve Andriamanitra sa tsia.
Ny famintinana fohy ny fahagagana ao amin’ny Lioka toko faha-7 dia maneho an’i Jesoa manajanona mpandevina sy mamerina ny ain-jatovolahy anankiray. Saingy misy zavatra mihoatra izany tokony hotakarina momba ilay tantara. Tahaka ny fahagagana rehetra, fa indrindra indrindra amin’ity iray ity, dia zava-dehibe ny mahafantatra ny sahan-kevitra manodidina azy mba hahatakarana io trangan-javatra io. Amin’ny maha-efa nampianatra tao amin’ny Brigham Young University Jerusalem Center ny tenako dia hozaraiko aminareo ny hevi-baovao manokana momba io fahagagana io.
I Naina dia tanàna kelin’ny tantsaha tamin’ny andron’i Jesoa, hita teo akaikin’ny Tendrombohitra More, izay namaritra ny sisiny antsinanan’ny Lohasahan’i Jezirela. Io tanàna io dia nitokana tsy falehan’olona. Voafetra ho lalana tokana ihany no mankao. Tamin’ny andron’i Jesoa dia kely io toerana io ary somary mahantra, ary dia nijanona toy izany foana hatramin’izany fotoana izany. Nisy fotoana tamin’ny tantaran’io tanàna io dia tokantrano 34 sy vahoaka 189 fotsiny no hita tao.1 Ankehitriny izany dia ahitana mponina miisa 1.500.
Natombok’i Lioka ny fitantarany tamin’ny filazana fa tany Kapernaomy i Jesoa ny andro talohan’izay ary nanasitrana ny mpanompon’ilay kapiteny (jereo ny Lioka 7:1–10). Dia mianatra isika avy eo fa “nony ampitson’iny” (andininy 11, dia nandeha tamin’ny tanàna iray nantsoina hoe Naina ny Mpamonjy, niaraka tamina andiana mpianatra maro. Tena zava-dehibe io fizotry ny tantara io. Eo amin’ny moron-tsiraka avaratry ny ranomasin’i Galilia no misy an’i Kapernaomy, 183 m ambanin’ny haavon’ny ranomasina. I Naina dia 48 km atsimon’i Kapernaomy, 213 m ambonin’ny haavon’ny ranomasina, hany ka nitaky fiakarana be ny fandehanana tao Naina. Mandany roa na telo andro ny mandeha avy any Kapernaomy mankany Naina. Vao tsy ela izay dia adiny folo no nandehanan’ny andiana mpianatra tanoran’i BYU Jerusalem Center tamin’iny lalana vita amin’ny vongam-bato iny. Midika izany fa mety ho nila nifoha vao maraina be i Jesoa na mety nandeha nandritra ny alina mihitsy mba hahafahany nihaona tamin’ireo mpitondra razana ny ampitson’io.2
Rehefa nanatona ilay tanàna i Kristy rehefa avy nanao dia nandreraka dia nisy tovolahy mety ho 20 taona teo3 nentina tamin’ny fitondrana faty. I Lioka dia milaza amintsika fa io tovolahy io dia zanaka lahitokan’ny mpitondratena iray, ary manampahaizana maro no nandika ireo soratra Grika ho nilaza fa tsy nanan-janaka hafa izy.4 Nisy vondron’olona maro nanaraka azy tamin’io andro mampalahelo indrindra ho an’ny fianakaviana io.
Mazava ho azy fa ho toe-javatra mampalahelo ho an’ny olona ny fananana zanaka maty, saingy jereo ny vokatr’izany teo amin’ity mpitondratena ity. Inona no mety ho dikan’ny hoe mpitondratena tsy manana mpandova ao amin’ny Isiraely taloha raha ara-piarahamonina sy ara-panahy ary ara-bola? Tao amin’ny fomba amam-panao tamin’ny Testamenta Taloha dia ninoana fa rehefa maty mialoha ny taona maha-antitra azy ny lehilahy iray, dia famantarana ny fitsaran’ Andriamanitra noho ny fahotana izany. Noho izany dia nino ny sasany fa nanafay io mpitondratena izay mitolona amin’ny fiainana io Andriamanitra. Ao amin’ny bokin’i Rota rehefa maty vady mbola tanora i Naomy dia nitaraina hoe: “Fa Jehovah efa nitsangan-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa nampahory ahy” (Rota 1:21, International Standard Version).5
Tsy fanaintainana ara-panahy sy ara-pihetseham-po fotsiny no nisy, fa nisedra fahasahiranana ara-bola ihany koa ity mpitondratena avy any Naina ity, ary mety niaritra hanoanana mihitsy aza.6 Rehefa manambady dia any amin’ny fianakaviam-badiny ny vehivavy no voatendry hahazo fiahiana ara-bola. Ary raha maty izy dia apetraka eo amin’ny zanany lahy manana ny fizokiana ny fikarakarana azy. Amin’izao fahafatesan’ny zanakalahitokan’io mpitondratena io izay manana ny fizokiana izao dia tsy nanana fiahiana ara-bola intsony izy. Raha toa ka teo amin’ny faha-20 taonany teo ilay zanany lahy dia mety efa vehivavy nahazohazo taona izy, nipetraka tao amin’ny tanàna ambanivohitra mitoka-monina kelin’ny tantsaha, lasa nahantra ara-panahy sy ara-piarahamonina ary ara-bola.
Raha lazaina mazava tsara dia nandritra ilay fotoana kely izay nitondran’ireo mponina ny zanak’io vehivavy io mba halevina dia nifanehitra tamin’izy ireo i Jesoa ary “onena azy” (Lioka 7:13). Raha ny tena marina dia mety ho io no fanalefaham-piteny tena tsara indrindra nataon’i Lioka. Toa tsapan’i Jesoa ny fahadisoam-panantenana lehibe niainan’io mpitondratena io. Mety nandany ny aliny niankohoka tamin’ny tany angamba izy nitalaho tamin’ny Ray any An-danitra mba hahafantatra ny antony. Mety ho nanontany tena mivantana mihitsy angamba izy hoe nahoana izy no nangatahina mbola hiaina elaela eto amin’ity tany ity. Na mety ho natahotra mafy ny fanirery izay hiandry azy angamba izy. Tsy fantatsika. Saingy ny fantatsika dia avy hatrany dia niala tany Kapernaomy i Jesoa, izay nitaky ny handehanany nandritra ny alina mba hihaona amin’ireo mpandevina mialoha ny handevenan’izy ireo ilay vatana mangatsiaka tao amin’ny tany.
Eny, rehefa nahita ny tarehiny vonton-dranomaso nandeha tao aorian’ireo mpitondra razana i Jesoa dia onena be an’io vehivavy io, saingy izany fangorahany izany dia toa avy amin’ny fahatsapana izay nananany efa ela talohan’ny hoe “sendra” nihaona tamin’ireo mpandevina fotsiny. Tonga tsara tamin’ny fotoana nilan’ilay vehivavy fanampiana Izy.
Dia hoy i Jesoa avy eo tamin’ilay mpitondratena hoe: “Aza mitomany” (andininy faha 13). Tsy natahotra ny tsy fahadiovana ara-pomba Izy fa dia “nanendry ny tranovorona” ka “nijanona” ny mpitondra razana. Dia nandidy Izy avy eo hoe: “Ry zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena.
“Dia niarina ny maty sady niteny. Dia natolo[tr‘i Jesoa] tamin-dreniny [izy]” (andininy faha-14–15). Mazava ho azy fa gaga ny vahoaka sy ireo mpanara-dia an’i Jesoa rehefa nivadika ho fiaraha-mifaly ilay fiaraha-miorin’izy ireo. “Nankalaza an’ Andriamanitra [izy rehetra] hoe: Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika” (andininy faha-16). Saingy io fahagagana io dia mahakasika ny famonjena fanahy very fanantenana ihany koa. Fantatr’i Jesoa fa nisy zavatra tena tsy nety tany amin’io vehivavy io, olona izay tsy noraharahina teo amin’ny fomban’izy ireo. Nanaitra ny firaharahiany avy hatrany ny zavatra niainan’ilay vehivavy, na dia nila nandeha lavitra aza Izy mba ho tonga teo tamin’ny fotoana tena nilana izany. Fantany ny fahaverezam-panantenana niainany, dia tonga faingana Izy. Nilaza fahamarinana tsy azo ihodivirana ny Fioha Thomas S Monson (1927–2018) raha nilaza hoe: “Indray andro, rehefa mijery ireo zavatra izay toa fifandrifian-javatra teo amin’ny fiainantsika isika, dia hahita fa tsy fifandrifian-javatra velively izy ireny.”7
Satria mankahery io tranga io dia tokony ho lasa zavatra mihoatra ny hoe tantara mahafinaritra ao amin’ny Baiboly fotsiny. Manamarina tsy misy isalasalana izany fa fantatr’i Jesoa io mpitondratena mampalahelo sy tsy misy mpiraharaha ary tsy manana na inona na inona io. Rehefa iny isika mahatsiaro ho hadino na tsy misy miraharaha na tsy misy dikany iny mihitsy no tokony hahatsiaro hoe: Tonga teo amin’ilay mpitondratena i Jesoa tamin’ny fotoana nahavery fanantenana azy, ary ho tonga amintsika ihany koa Izy. Ankoatra izany, ny lesona faharoa mety ho azontsika avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy antsika dia ny maha-zava-dehibe ny manolo-tanana mba hanampy ny hafa manodidina anao. Hisy fotoana ny maro amin’ireo olona fantatrao no ho very fanantenana tsindraindray. Raha afaka milaza amin’izy ireo momba an-“drahavavy Naina” sy ny fomba nahafantaran’ny Mpamonjy tsara ny fahaverezam-panantenana sy ny olana nolalovany dia afaka manova ny alina ho maraina izany. Tsarovy ny fanamarihana mahery vaika nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Tena mahita antsika Andriamanitra ary miambina antsika. Saingy matetika dia amin’ny alalan’ny olona anankiray hafa no hanomezany izay ilaintsika.”8
Amin’ny fahagagana rehetra nataon’i Jesoa nandritra ny fotoana naha-teto an-tany Azy dia vitsy no feno fitiavana sy fangorahana toy ny fanompoany an’ilay mpitondratena tao Naina. Mampahatsiahy antsika izany fa zava-dehibe Aminy isika ary tsy hanadino antsika na oviana na oviana Izy. Tsy azontsika hadinoina izany.