2019
Asehoy sy lazao
Aprily 2019


Asehoy sy lazao

Sary
Show and Tell
Sary
drawing of the temple

Oh, j’aime voir le temple.

Rebecca C., 9 taona, Aragua, Venezuela

Sary
Brooklyn B

Indray andro rehefa niditra tao anaty fiara aho dia tsy velona izany. Nojerenay ny maotera saingy tsy nisy na inona na inona. Nahatsapa aho fa tokony hivavaka, ka dia nanao izany. Minitra vitsy taty aoriana dia velona ilay fiara. Feno fankasitrahana aho fa afaka manampy ahy foana ny Ray any An-danitra.

Brooklyn B., 9 taona, Quetzaltenango, Guatemala

Sary
Sasha K

Tiako ny milalao baolina miaraka amin’ireo ankizy madinika sy mampianatra fahaiza-manao vavao azy ireo. Fomba iray tiako hanompoana izany.

Sasha K., 11 taona, Moscou, Russie

Sary
Vestina K

Roa taona lasa izay dia nisy ankizilahy vaovao iray niditra tao amin’ny kilasinay tany am-pianarana. Ratsy fanahy tamin’ny hafa izy. Nanomboka tsy tia azy ny rehetra ary lasa ratsy fanahy taminy. Ohatra ny hoe nampalahelo azy ilay izy dia tsy nanao ny zavatra nataon’ny hafa aho. Maro ireo namana nahita izany ka nanaraka ny ohatra nasehoko. Mino aho fa raha manao izay zavatra tian’ Andriamanitra ataoko aho dia ho sambatra kokoa sy tsy ho azon-doza. Mino aho fa raha manana herim-po sy milaza izay ao an-tsaiko aho dia hahita namana izay ho tia ahy amin’ny maha-izaho ahy.

Vestina K., 11 taona, Vilnius, Lituanie

Hamoaka printy