2019
Mbola hahita azy indray aho
Aprily 2019


Mbola hahita azy indray aho

Sary
I Will See Him Again

Lehibe tany Nicaragua aho. Fony aho mbola kely dia nanao ny zava-drehetra niaraka tamin’ny zokiko lahy. Niaraka nankany an-tsekoly izahay. Niaraka niantsena izahay. Niaina karazan-javatra maro izahay tao an-tokontaninay. Sambatra izahay.

Avy eo rehefa sivy taona aho dia nisy zavatra nampalahelo nitranga. Maty nandritra ny horohoron-tany iray nitranga ilay zokiko. Tamin’ny voalohany dia toa tsy nampino ny fahalasanany. Nieritreritra foana aho hoe handondòna eo am-baravarana izy. Dia hiteny aminay izy fa tany lavitra tany fotsiny. Nijery teo amin’ny varavarana foana aho nanantena ny hitrangan’izany. Te hahita azy mafy loatra aho.

Nihamora izany rehefa nandeha ny fotoana. Mbola nalahelo ny anadahiko aho saingy mbola afaka nahatsapa fifaliana indray.

Mbola tsy mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho tamin’izany. Saingy rehefa nihalehibe aho dia nianatra momba ny Fiangonana ary natao batisa. Indray andro aho dia nanasa lovia. Andro Paska tamin’izay. Nieritreritra momba ny fitsanganana amin’ny maty aho ary nieritreritra momba ny anadahiko.

Tampoka teo dia nisy fahatsapana tonga tamiko. Tsaroako ireo nofiko momba ny anadahiko. Tsikaritro fa tsy hadalana akory izany! Avy tamin’ny Fanahy Masina izany mba hankahery sy hitarika ahy. Indray andro ny anadahiko dia hitsangana amin’ny maty tokoa. Ary tena hahita azy indray aho.

Raha maty ny olona iray tianao, dia tsy maninona ny malahelo azy. Miresaha amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana na olon-dehibe iray rehefa vonona ianao. Resaho amin’ny Ray any An-danitra ny zavatra tsapanao. Afaka manampy anao hahatsapa fiadanana indray Izy.

Na inona na inona mitranga dia tsarovy fa tia anao i Jesoa Kristy. Mandritra ny Paska isika dia mahatsiaro ny sorona nataony ho antsika. Noho Izy dia hitsangana amin’ny maty avokoa isika rehetra ary afaka hiaina miaraka amin’ny fianakaviantsika mandrakizay isika.

Karatra fankaherezana

Tapaho ireto karatra ireto. Azonao aforitra roa izany na ampiasaina ho fanamariham-pejy. Ataovy ao amin’ny soratra masinao izany na toerana hafa mba hojerena rehefa mahatsapa ho malahelo, manirery na matahotra.

“Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.”

Jaona 14:18

“Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony.”

Apokalypsy 21:4

“Mahereza, ary aza matahotra, fa Izaho Tompo dia momba anareo, ka hijoro eo anilanareo”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:6

Hamoaka printy