Tian’ny Ray any An-danitra hiverina any Aminy isika
Mety efa lasa lavitra ianao eo amin’ny lalana miverina any amin’ny Rainao any An-danitra, tsy araka ny eritreretanao azy.
Nofinofin’ireo ray aman-dreniko, i Aparecido sy i Mercedes Soares, foana ny hanao asa fitoriana ny filazantsara. Te hanefa amin’ny Tompo ireo fitahiana marobe tonga teo amin’ny fianakaviany hatramin’ny naha-mpikamban’ny Fiangonana azy ireo izy ireo. Tonga tamin’izy ireo ny fahafahany nanao izany tamin’ny 1989 rehefa nanaiky ny antso hanompo tao amin’ny Tempolin’i São Paulo Brésil izy ireo.
Volana vitsy monja talohan’ny hitoriany anefa dia voan’ny aretim-po ny raiko ka nodimandry. Nandritra ny fandevenana azy dia namihina an-dreniko aho raha nijoro teo anoloan’ny vatam-patin’ny raiko izahay.
“Neny, inona izany izao no hataonao?” Hoy aho nanontany.
“Nofinofinay sy ny rainao ity asa fitoriana ity,” hoy izy namaly. “Efa manompo aho izao, ary mbola hanohy hanompo, ho azy sy ho ahy.”
Nanendry vehivavy iray hafa maty vady ny filohan’ny tempoly izay tsara fanahy mba ho namana mpiara-manompo amin-dreniko, dia notohizan-dreniko ny asa fitoriana nataony nandritra ny 20 volana mahery. Nitahy azy sy ny fianakaviany ny asa fitoriana nataony, ary ny finoany sy ny ohatra nasehony dia nitahy ahy sy ny fianakaviako.
Nandritra ny asa fitoriana nataony dia nodimandry ihany koa ny roa tamin’ireo rahalahiko, ary maty zanaka anankiroa izahay mivady. Teraka tsy tonga volana ny iray voalohany ka tsy velona, ary afa-jaza kosa no nahalasa an’ilay faharoa. Nandritra izany fotoana feno fitsapana ho an’ny fianakavianay izany, dia tao amin’ny tempoly ny reniko nanamafy ny finoany ny drafitry ny famonjena, sy nampatanjaka ny anay.
Ny finoany ny fihaonany be voninahitra indray amin’ny raiko sy ny fampanantenana fiainana mandrakizay eo anatrehan’ny Raitsika any An-danitra dia nanohana azy nandritra ny 29 taona naha-mpitondra tena azy hatramin’ny faran’ny androny teo amin’ny faha-94 taonany.
Ny drafitry ny fahasambarana
Tena voatahy isika amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika mahafantatra fa tafaverina amin’ny laoniny ny filazantsara. Ny drafitry ny famonjena dia tena “drafitra lehiben’ny fahasambarana” tokoa (Almà 42:8). Ho an’ireo marina sy mahatoky, dia mampanantena valisoa maharitra mandrakizay eo anatrehan’ Andriamanitra izany.
Araka ny ambara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia saika ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra dia hiditra ao anaty fanjakam-boninahitra avokoa. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, ireo izay hitsangana “amin’ny fitsanganan’ny marina amin’ny maty” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:17) dia hatao ho tonga lafatra ary handova voninahitra selestialy.
Ny ankamaroan’ny mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manaiky io fotopampianarana io. Mampalahelo anefa fa misy ny sasany izay tsy mino hoe mihatra aminy manokana izany. Manao fahadisoana izy ireo. Na dia milamina aza ny fivoarana ara-panahin’izy ireo dia miadana. Manontany tena izy ireo raha toa ka mba ho mendrika ny fanjakana selestialy.
Raha hitanao fa ao anatin’izany vondron’olona izany no misy anao, dia tsarovy ny tenin’ny Tompo tamin’ny vondrona mpino iray hafa manao hoe: “Atrakao ny lohanareo ary manàna fahatokiana, satria fantatro ny fanekempihavanana izay efa nataonareo Tamiko” (Môzià 24:13).
Andriamanitra dia tia antsika ary maniry antsika rehetra mba hiverina eo anatrehany. Mety efa lasa lavitra ianao eo amin’ny lalana miverina any Aminy, tsy araka ny eritreretanao azy.
“Mahitsy sy marina”
Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 76 ny Tompo dia manambara ny fomba handovan’ireo zanany ny fanjakana selestialy. Raha toa ka mpikamban’ny Fiangonana ianao ary manana fijoroana ho vavolombelona, dia efa nanomboka ny lalanao ianao, araka ny voasoritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana:
-
Tsy maintsy mandray “ny tenivavolombelon’i Jesoa” sy mino “ny anarany” isika (andininy 51).
-
Tsy maintsy atao batisa asitrika isika (jereo ny andininy 51).
-
Tsy maintsy “mandray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanan’ilay” olona manana ny fahefan’ny fisoronana isika (andininy 52).
Ireo dingana hafa anefa dia mila ezaka mandritra ny fiainana, ary mahatsapa kivy ny mpikambana sasany rehefa lavo. Samy miezaka manatratra ireo fepetra takina ireo isika rehetra. Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka mahatratra izany isika rehetra:
-
Mitandrina ny didy ary “[voasasa sy voadio] amin’ny fahota[ntsika] rehetra” (andininy 52).
-
“Mandresy amin’ny finoana” (andininy 53).
-
“Fehezin’ny Fanahy Masin’ny fampanantenana” (andininy 53), dia ny Fanahy Masina, izay vavolombelona manambara “amin’ny Ray fa efa notontosaina araka ny fanao ireo ôrdônansy mamonjy [noraisintsika] ary efa notandremana ny fanekempihavanana mifandray amin’izany.”1 Ampanantenain’ny Ray “amin’ireo rehetra izay mahitsy sy marina” izany famehezana izany (andininy 53).
Ny “mahitsy sy marina” hoy ny nambaran’ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) dia “teny mety indrindra ilazana ireo izay mahery fo amin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa. Marisika izy ireo amin’ny fiarovana ny fahamarinana sy ny marina. Izy ireo no mpikamban’ny Fiangonana izay milofo tamin’ny antsony ato amin’ny Fiangonana (jereo ny F&F 84:33), mandoa ny fahafolonkareny sy ny fanatiny, miaina fiainana madio, manohana ny mpitarika azy ireo ato amin’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny teny sy ny asa ataony, mitandrina ny Sabata ho andro masina, ary mankatò ny didin’ Andriamanitra rehetra.”2
Ny fahazoana ny ambaratonga ambony indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy, izay matetika antsoina hoe fisandratana, dia manana zavatra takina iray farany. Mila miditra ao amin’ilay “fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:2), tanterahina any amin’ny tempoly amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana mifandray amin’izany. Araka ny drafitra be famindram-pon’ny Raintsika dia fantatsika fa any amin’ny fiainan-ko avy dia hahazo fitahiana selstialy ireo izay tsy nanana fahafahana nanatanteraka ny ôrdônansin’ny famehezana tany amin’ny tempoly teto amin’ity fiainana ity kanefa nijanona ho mahatoky hatramin’ny farany.
Mianatra isika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa ny zanak’ Andriamanitra rehetra izay mitandrina ny didiny sy mahatoky, na manao ahoana na manao ahoana toe-java-misy eo amin’ny fiainany, dia ho voatahy sy ho “raisina any an-danitra, fa amin’izany no hahazoany miara-monina amin’ Andriamanitra ao amin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana” (Môzià 2:41). Misy fanantenana foana ho antsika ao amin’ilay drafitry ny famonjena feno famindram-po sy fitiavan’ny Raintsika any An-danitra.
Ny fitahian’ny fibebahana
Nampianatra ny mpaminany malalantsika, Filoha Russell M. Nelson hoe: “Tsy manantena fahalavorariana avy amintsika ny Tompo amin’izao dingana ao anatin’ny fivoarantsika mandrakizay izao. Saingy manantena Izy fa ho lasa hihamadio isika. Ny fibebahana isan’andro no lalana mitondra any amin’ny fahadiovana ary ny fahadiovana dia mitondra hery.3
Nilaza ihany koa ny Filoha Nelson fa ny fiezahana “hanao sy ho lasa tsaratsara kely kokoa isan’andro” dia manome “hery mampatanjaka” ho antsika.4 Rehefa ampiasaintsika izany hery mampatanjaka izany hiadiana amin’ny maha olona araka ny nofo (jereo ny Môzià 3:19), dia mandroso isika eo amin’ny lalana miverina any amin’ny Raintsika.
Koa satria tsy misy zavatra tsy madio afaka mitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra (jereo ny Mosesy 6:57), dia miasa isika isan’andro hisian’ny fiovana ara-panahy tena izy: ao amin’ny eritreritsika, sy ny faniriantsika, ary ny fihetsitsika. Ao amin’ny tenin’i Paoly Apôstôly dia mikatsaka ny ho lasa olom-baovao ao amin’i Kristy isika, manova tsikelikely ny toetrantsika taloha ka tonga vaovao (jereo ny 2 Korintiana 5:17). Tonga andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra izany fiovana izany rehefa miezaka ny ho tsaratsara kely kokoa hatrany isika isan’andro.
Ny fanarahana ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fiezahana ny ho lasa tahaka Azy dia dingana mitaky fandavan-tena, izay nofaritany ho mitondra ny hazo fijaliantsika (jereo ny Matio 16:24–26). Mitondra ny hazo fijaliantsika isika rehefa:
-
Mamehy ny faniriantsika sy ny filantsika ary ny rendrarendrantsika.
-
“[Manoa amim-paharetana] amin’ny zava-drehetra izay hitan’ny Tompo fa mety ampitondraina” antsika (Môzià 3:19).
-
“Mandà ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra” (Môrônia 10:32).
-
Mampanoa ny sitrapontsika amin’ny sitrapon’ny Ray, tahaka ny nataon’ny Mpamonjy.
Ary inona no ataontsika rehefa solafaka isika? Mitodika any amin’ny Raintsika isika ary mangataka Azy mba “[hampihatra] ny ran’ny sorompanavotan’ i Kristy hahazoan[tsika] mandray ny famelana ny fahotan[tsika]” (Môzià 4:2). Miezaka mandresy ny fahalemena sy mandao ny fahotana indray isika. Mangataka ny fahasoavana isika, dia ilay “hery mampivoatra sy fahasitranana ara-panahy” avy amin’i Jesoa Kristy.5 Mandray ny hazo fijaliantsika isika ary mamerina manohy ny diantsika, na dia lava sy sarotra aza, mankany amin’ilay tany nampanantenaina eo anatrehany.
Fatokiana ny fampanantenany
Ny tsy fahafatesantsika sy ny fiainana mandrakizaintsika no asa sy voninahitr’ Andriamanitra (jereo ny Mosesy 1:39). Ny asa ataontsika hanatratrarana izany voninahitra izany dia ahitana ny herim-pontsika amin’ny fijoroantsika ho vavolombelona mandritra ny fiainana eto an-tany.
Tao anatin’ny fahitana i Joseph Smith dia nahita fa ny mahatoky dia “handresy ny zava-drehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:60). Nanambara izy taty aoriana hoe: “Ireo fiandrianana sy fizakana ary fanapahana sy hery rehetra dia hambara ary hatolotra ireo rehetra izay efa niaritra tamin-kerim-po noho ny amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:29).
Rehefa matoky an’ireo fampanantenana ireo isika, dia tsy hilavo lefona amin’ny tenantsika, na amin’ireo olona tiantsika, na amin’ireo zanak’ Andriamanitra hafa. Hiezaka hanao izay vitantsika isika ary hanampy ny hafa hanao torak’izany koa. Raha miankina amin’ny tenantsika fotsiny dia tsy misy tsara isika ka ho avotra ao amin’ny fanjakana selestialy, fa “noho ny fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina” (2 Nefia 2:8), dia azontsika takarina ireo fitahiana ireo.
Rehefa mijanona ho mahatoky isika dia mijoro ho vavolombelona aho fa handova “fahasambarana tsy hifarana” isika eo anatrehan’ny Ray sy ny Zanaka. “Ô tsarovy, tsarovy fa ireo zavatra ireo dia marina; fa ny Tompo Andriamanitra no efa niteny izany” (Môzià 2:41).