2021
Mandresy ny fanoherana
Jolay 2021


Avia, hanaraka Ahy

Mandresy ny fanoherana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75

28 jona–4 jolay

people gathered on a street corner with Church leader and missionaries

Sary nataon’i Dan Burr

Ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71 dia milaza amin’i Joseph Smith sy i Sydney Rigdon mba hiezaka hampilamina ny fisaraham-bazana niseho tao amin’ny Fiangonana noho ireo fitsikerana nataon’ireo mpikambana tsy nanam-pinoana intsony. Zato (100) taona mahery taty aoriana dia niaina zavatra mitovy amin’izany ny Loholona Spencer W. Kimball tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy raha nitory niaro ny Fiangonana.

Ny fitsidihan’ny Loholona Kimball an’i Équateur

Raha nitsidika an’i Otavalo, Équateur ny Loholona Kimball tamin’ny 1965 dia nilaza tamin’ireo misiônera izy mba hampahafantatra ny Bokin’i Môrmôna tamin’ireo teratany Otavalan. Niatrika fanoherana anefa ireo misiônera rehefa nanomboka namafy lainga momba azy ireo tany amin’ireo tanàna manodidina ireo Otavalan, ary nanahirana ireo misiônera ny nandresy izany lainga izany.

Roa taona taty aoriana dia niaraka tamina mpikambana sy misiônera vitsivitsy tao anatina fivoriana iray teo akaikina fiantsonana fiara mpitatitra olona teo an-toerana ny Loholoha Kimball. Raha nidina avy tao amin’ireo fiara ireo mponina teo an-toerana dia nasain’ireo misiônera izy ireo mba hihaino ny Apôstôly velona iray an’i Jesoa Kristy. Tsy ela dia nisy olona teo amin’ny 20 teo nitangorona. Rehefa nanomboka ny fivoriany ireo misiônera dia nitombo ny olona ka nahatratra maherin’ny 100.

Avy eo dia nandahateny ny Loholona Kimball. Niresaka momba ny fiavian’i Jesoa Kristy tao Amerika izy. Nanondro ny lanitra izy ary niresaka momba ilay feo tony sy malefaka avy tany an-danitra izay nanambara ny fisehoan’ny Zanak’ Andriamanitra araka ny hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Hoy ny Loholona Kimball nitantara izany: “Nanaraka ny fihetsiko nanondro ny lanitra ny maso tsirairay tahaka ny hoe tena teo tokoa ny Mpamonjy nidina namakivaky ireo rahona manify.”1

Taorian’izay dia nanohy nampianatra ny Otavalana ireo misiônera. Nampianatra lehilahy iray antsoina hoe Rafael Tabango ireo rahavavy misiônera. Natao batisa izy tamin’ny 14 jolay 1968, teratany Otavalo Olomasin’ny Andro Farany voalohany. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ihany koa i Teresa vadiny. Dimy taona latsaka taty aoriana dia nisy tsatòka iray natsangana tao Otavalo, ary Rahalahy Tabango no voantso ho patriarika voalohany tao.

article on overcoming opposition

Fanamarihana

  1. Spencer W. Kimball journal, May 29, 1967, araka ny nitaterana azy ao amin’ny “Preaching in Peguche,” history.ChurchofJesusChrist.org/GlobalHistories.