Avia, hanaraka Ahy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80
“Hitari-dalana anareo Aho”
Na dia mety hoe zanaka ara-panahy aza isika dia hitari-dalana antsika ny Tompo raha toa ka matoky Azy isika.
Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:17–18 ny Tompo dia milaza hoe:
“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, ianareo dia ankizy madinika ary tsy mbola takatrareo ny halehiben’ireo fitahiana eo an-tanan’ny Ray ary nomaniny ho anareo;
“Ary tsy mahatanty ny zavatra rehetra ianareo ankehitriny; kanefa, matokia fa hitari-dalana anareo Aho. Anareo ny fanjakana, ary anareo ny fitahiany, ary anareo ny haren’ny mandrakizay.”
Rehefa mieritreritra ny zavatra iainantsika amin’ny fiainana isika tsirairay avy dia tsy maintsy hahatsiaro ireo fotoana izay nitarihan’ny Tompo antsika.
Ny finoan’ny misiônera iray
Tsaroako indray mandeha raha nitarika olona maro ny Tompo. Filohan’ny misiôna tao amin’ny misiônan’i Brazil Porto Alegre Atsimo aho tamin’izay. Nanana aretina antsoina hoe bec-de-lièvre na simaina ny iray tamin’ireo misiôneranay ary tsy mbola notsaboina mihitsy. Rehefa miresaka izy dia misy rivotra mandeha avy amin’ny tampon’ny vavany ka mivoaka amin’ny orony. Sarotra ho an’ny hafa ny nahatakatra azy.
Nilaza tamiko io misiônera tanora io fa nivavaka ny amin’io olany io izy. Niteny izy fa nibitsika ny Fanahy fa afaka manampy azy aho hahita valiny. Nanentana ny fanahiko ny finoana tsotra sy mafy orina nananany. Nitodika tamin’ Andriamanitra aho mba hangataka fanampiana amin’ny fitadiavana vahaolana.
Fandidiana tsotra iray dia afaka manitsy ilay olana, saingy tsy mora ny dingana amin’ny fanatanterahana ilay fandidiana. Raha nampanaovinay tamin’ny toeram-pandidiana tsy miankina izany dia ho lafo loatra amin’ny fianakavian’ilay misiônera. Etsy an-kilany anefa raha mampiasa ny fitsaboana ara-panjakana izahay dia hitaky fihaonana maro ary mety handany ireo volana sisa amin’ny misiônany.
Ny finoan’ny vadiko
Isaky ny manana zavatra sarotra hatao aho dia miankina amin’ny finoana sy ny fanampian’ny vadiko. Nohazavaiko azy ny zavatra nanahirana an’io misiônera io ary nangatahiko izy mba hiresaka amin’ireo ao amin’ny hôpitalim-panjakana teo an-toerana. Moa ve nisy fomba ahafahana manao an’ilay fandidiana amin’ny sarany mora ao anatin’ny fe-potoana voafaritra?
Rehefa avy nivavaka mba hahazo fanampiana dia nandeha tany amin’ny hôpitaly izy. Tao anaty filaharana lava izy niandry ny hiresaka amin’ny mpiasa iray. Raha nandroso ny filaharana dia afaka nandre ny fomba nandraisana ireo tranga teo alohany ny vadiko. Amin’ny ankapobeny dia nasaina niverina amin’ny fotoana iray voatondro ny olona, afaka enim-bolana na mihoatra.
Fantatr’ilay vadiko fa ho ela loatra izany ho an’ilay misiôneranay. Nahatsapa ho voataona hiala ilay filaharana izy ka nandeha tamin’ny varavarana iray hafa. Tao no nahitany mpiasa iray hafa tao amin’ilay hôpitaly. Nampahafantatra ny tenany ny vadiko ary nanazava ny zavatra ilain’ilay misiôneranay.
Notoroin’ilay mpiasa hevitra izy mba hiresaka mivantana amin’ilay dokotera mpandidy izay tao amin’ilay hôpitaly tamin’io andro io, izay mandidy any amin’ny rihana iray hafa ao amin’ilay hôpitaly. Nohazavainy tamin’ilay mpadidy ny zavatra ataon’ny misiônera sy ny fitahiana azon’io misiônera io raha didiana izy hanamboarana ny molony sima.
Nametraka fanontaniana vitsivitsy ilay mpandidy. Dia niteny izy avy eo hoe: “Azontsika atao afaka roa herinandro ve ilay fandidiana?” Nameno taratasina hôpitaly izy izay manazava fa ho tombontsoan’ny mpiara-monina no hanaovana io fandidiana io ary liana manokana amin’izany izy. Nomeny ny mpanampy azy ilay taratasy ary nangataka izy mba handamina fotoana hanaovana izany.
Folo andro taty aoriana dia nanao ny fandidiana ilay misiôneranay ilay mpandidy. Tsy ela taorian’izay dia niverina teny amin’ny saha io misiônera io, ravoravo sady niteny tamin’ny feo mazava. Tao anatin’ny hafanam-po nohavaozina dia nahita izy fa nitarika azy ny Tompo.
Ny zavatra niainan’io misiônera io dia vavolombelona fa mihaino ny vavaka ataontsika ny Raintsika ary mitantana antsika.
Raha tsisy an’ Andriamanitra dia tsy misy dikany isika
Raha resahina ara-panahy dia toy ny ankizy kely isika. Tsy takatsika ireo fitahiana lehibe nomanin’ny Ray any An-danitra ho antsika. Rehefa mihalehibe isika dia manomboka mahatakatra bebe kokoa ireo lalàn’ny tany izay mifehy antsika. Saingy tsy tokony havelantsika ho lasa manan-danja mihoatra ny fahatakarantsika ireo fitahiana noman’ny Ray any An-danitra ho antsika mihitsy ny fahalalan’ny tany.
I Mosesy, mpaminany lehibe ao amin’ny Testamenta Taloha, dia niaina zavatra izay naneho azy fa kely tokoa ny zavatra fantany. Rehefa avy “nahatazana ny tontolo sy ny faran’izany ary ny zanak’olombelona rehetra izay voary sy izay nohariana [i Mosesy]; ny amin’izany no nahatalanjona sy nahagaga azy fatratra tokoa.” Avy eo dia niala Andriamanitra. Tavela ho irery i Mosesy ary dia lavo tamin’ny tany izy.
“Ary ny zava-nitranga dia ora maro no lasa vao nahazo indray ny tanjany tsotra toy ny an’ny olona i Mosesy; ary hoy izy tamin’ny tenany: ankehitriny, noho izany antony izany, dia fantatro fa tsinontsinona ny olona, izay zavatra tsy noheveriko na oviana na oviana” (Mosesy 1:8–10).
Raha toa ka nasehon’ ny Tompo antsika avokoa ny zavatra rehetra azontsika atao amin’ny heriny dia mety ho tototra isika. Tahaka an’i Mosesy dia hahita isika fa raha tsy misy Andriamanitra dia tsy misy dikany isika.
Mandeha tsikelikely
Fa tsy manototra antsika ny Tompo fa mitarika antsika tsikelikely. Manome fahafahana antsika hahavita zavatra maro mihoatra ny tokony ho vitantsika samy irery izany.
“Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako, hoy Jehovah.
“Fa tahaka ny haavon’ny lanitra mihoatra ny tany dia toy izany koa, ny lalako tsy lalanareo ary ny fihevitro tsy fihevitrareo” (Isaia 55:8–9).
Araka ny lazain’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:18, dia “tsy mahatanty ny zavatra rehetra [isika] ankehitriny.” Tsy mbola mahatakatra ny zavatra rehetra izay takany isika. Inona ary izany no tokony hataontsika? Hoy ny avalin’ny Tompo hoe: “Matokia!”
Tafiditra amin’ny fandehanana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana amim-patokiana ny fanetren-tena, tahaka ny ankizy madinika. Mila vonona ny ho ampianarina sy hotarihin’ny Ray isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10). Tena sarotra ny fiainana ka mety tsy ho voafehintsika avokoa ny antsipirany rehetra amin’ny diantsika. Ary tsy azontsika takarina ny zavatra rehetra izay lalovantsika na lalovan’ireo olona tiantsika.
Saingy rehefa matoky ny Tompo isika sy mamela Azy hitantana antsika, dia afaka manatanteraka zavatra maro mihoatra izay neritreretintsika isika ao amin’ny fanjakany. Afaka mitahy ny fiainan’ireo zanaky Raintsika any An-danitra bebe kokoa isika. Afaka mahafantatra ny fiasan’ny tanan’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika bebe kokoa isika. Afaka mahatsapa fankasitrahana noho ny famindram-pony sy ny fitiavany tsy misy fetra bebe kokoa isika.
Anao ny fitahiana
Farany, mitarika antsika ny Tompo amin’ny fampahatsiahivana antsika fa “anareo ny fanjakana, ary anareo ny fitahiany, ary anareo ny haren’ny mandrakizay” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:18).
Miverina amin’ilay ohatra momba ilay misiônerako teo aho. Voatarika izy mba hangataka fanampiana ary nahazo fitahiana tamin’ny alalan’ny fandidiana izay nanome fahafahana azy hiresaka mazava aman’olona. Avy eo izy dia voatarika ho amin’ireo izay efa vonona ny handray ny filazantsara sy ny fitahiana entin’izany, anisan’izany ny batisa. Jereko ihany koa ilay ohatra momba ny vadiko. Nihanatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananany rehefa notarihin’ny Tompo izy. Nanokatra ny varavaran’ny lanitra Izy avy eo ary nandrotsaka fitahiana.
Feno fankasitrahana aho fa niara-niasa tamin’io misiônera tanora io, izay feno finoana tsotra sy mahery vaika. Ary feno fankasitrahana aho fa afaka miaina mandrakizay miaraka amin’ny vadiko, izay maneho ohatra ny amin’ny famelana ny Tompo hitarika azy.
Tena antsika marina ny fanjakana sy ireo fitahiana.