2021
Miangavy aho, miverena
Jolay 2021


Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Miangavy aho, miverena

Tamin’ny fotoana nanananay zanaka telo dia hoy i Vanessa hoe: “Mila manana fivavahana isika ato amin’ity trano ity.”

a father helping his son with his shirt sleeve

Fony aho 12 taona dia nentin’ny zokiko lahy tao an-trano ireo misiônera amin’ny fotoana feno, izay nampahafantatra anay Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Tsy ela dia nentin-dreniko tany am-piangonana ireo rahalahiko anankiroa sy ny anabaviko miaraka amiko. Tsy ela akory dia natao batisa izahay rehetra.

Nijanona tsikelikely tsy nankany am-piangonana anefa izahay. Tiako foana ny Fiangonana hatrizay saingy tamin’ny faha-17 taonako dia nitondra ahy tany amin’ny lalan-kafa ny zava-nitranga teo amin’ny fiainako. Niezaka ny ho olona tsara aho ary tsy mbola nanana eritreri-dratsy mihitsy. Saingy very aho ary nanomboka niaina araka ny fomban’izao tontolo izao. Tsy haiko hoe nahoana fa tsikaritro akory dia voasaringotr’izao tontolo izao aho.

Avy eo aho dia nihaona tamin’i Vanessa. Indray andro rehefa niaraka nandritra ny fotoana elaela izahay dia hoy izy: “Mila manana fivavahana isika ato amin’ity trano ity.” Nanan-janaka telo izahay tamin’izany.

Raha ny zava-misy eo amin’izao tontolo izao dia nampanahy anay ny lalana ara-panahy nitondranay ireo zanakay. Nieritreritra aho fa raha hiverina hivavaka aho dia ao am-piangonako aho no hiverina. Tsaroako fa toerana misy olona tsara izany.

Niresaka tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana iray aho ary nilaza taminy aho fa nieritreritra ny hiverina ao am-piangonana.

“Miangavy aho, miverena!” hoy izy.

Ny tena nampatahotra ahy dia sao ho hitan’ireo zanako ho maha-monamonaina ny fiangonana ka tsy ho tian’izy ireo, saingy tian’izy ireo izany. Rehefa nanohy nandeha tany am-piangonana izahay dia tapa-kevitra i Vanessa fa tsy nisy zavatra miohatra amin’ny Fiangonana izay manampy ny fianakaviana hivoatra miaraka. Tena izany mihitsy no zavatra tadiaviny. Natao mariazy izaho sy i Vanessa ary natao batisa izy sy ireo zanakay.

Ankehitriny izahay dia fianakaviana mizotra eo amin’ny lalan’ny filazantsara. Ny tanjonay dia ny hofehezina miaraka any amin’ny tempoly.

Nandritra ny fanorenana ny tempolin’i Rio de Janeiro, Brésil, dia nandeha teo akaikin’izany aho saika ho isan’andro. Nilaza tamin’ny namako aho hoe: “Indray andro aho dia hanao mariazy ato amin’ity trano ity.”

“Izany foana no lazainao isan’andro!” hoy izy ireo.

Nilaza izany aho isan’andro satria fantatro fa efa akaiky ho vita ilay tempoly, ary te hampahatsiahy ny tenako aho mba hanao ny tsara hatrany mba hahafahan’ny fianakavianay hofehezina miaraka. Izany no fanirian’ny foko.

Fantatro fa hanomboka hahafantatra zavatra bebe kokoa momba izao tontolo izao ireo zanako ary handalo ireo zavatra nolalovako. Saingy rehefa mizara ny zavatra niainako amin’izy ireo aho dia milaza hoe: “Aza manatona akaiky akory ireo zavatra izay nataoko fa tsy misy dikany izany.”

Mamporisika ireo zanako aho mba handalinana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy hifantoka amin’ny fitoriana ny filazantsara izao mba hahafahan’izy ireo mitahy ny hafa. Tsy mahatakatra ny zavatra rehetra izy ireo, saingy mianatra izy ireo. Izany no iriko ho azy ireo.