Tafaorina eto ny Fiangonana
White River, Jamaïque
Ny renirano White River dia eo akaikin’ny tanànan’i Ocho Rios, toerana misy sampan’ny Fiangonana iray izay mivory ao amin’ny trano iray ao amina toeram-pivarotana ao Main Street. Ny sampana voalohany tao Jamaïque dia natsangana tamin’ny taona 1970. Ankehitriny ny Fiangonana ao Jamaïque dia ahitana:
“Ranomasin-kasambarana”
Ao Spanish Town, tanàna iray tsy lavitr’i Kingston, dia mankafy ny fotoana hiarahan’izy ireo i Andrew Harrison sy i Sydan zanany vavy. “Milaza ny mpaminany fa ny ray aman-dreny dia manana andraikitra feno voninahitra mba hitia sy hikarakara ny zanany,” hoy i Andrew. “Mankafy ny ranomasin-kasambarana ny ray aman-dreny tsara.”