2021
Manompo ireo mpiray dia amintsika
Jolay 2021


Avia, hanaraka Ahy

Manompo ireo mpiray dia amintsika

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83

19–25 jolay

a woman comforts another woman in a wheelchair

Sary nataon’i J. Beth Jepson

“Vonjeo ny osa, akaro ny tanana izay miraviravy ary hatanjaho ny lohalika malemy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5).

Filoha Thomas S. Monson: Ohatra amin’ny fanompoana

Taona tamin’ny niantsoana azy ho eveka: 22

Isan’ny mpikambana ao amin’ny paroasy: mihoatra ny 1.000

Isan’ny vehivavy mpitondra tena ao amin’ny paroasy sahaniny: 85

Nitantara toy izao ny fomba nikarakaran’ny Eveka Monson ireo vehivavy mpitondra tena ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy: “Mety ho betsaka ny mahalala fa ny Eveka Monson dia naka herinandro tamin’ny fotoana fialany sasatra manokana amin’ny vanim-potoan’ny Noely mba hitsidihana ireo vehivavy mpitondra tena miisa dimy amby valopolo tao amin’ny paroasy nosahaniny. Betsaka no mety tsy mahalala fa nandritra ireo taona maro voalohany dia ny iray amin’ireo… vorona nokolokoloiny sy nompiany tao amin’ny tranon’akohony no fanomezana omeny azy ireo.”1

Nitantara ny fomba nanampiany mpivady efa nahazo taona izay nila nandoko ny tranony ny eveka Monson: “Tao anatin’ny fotoana nahazoana aingam-panahy aho no niantso, tsy ny kôlejin’ny loholona na ireo mpirotsaka an-tsitrapo mba hampiasa borosy fandokoan-trano, fa nanaraka ny boky torolalana ho an’ny fifanampiana, dia niantso ireo fianakaviana izay mipetraka any amin’ny faritra hafa. Vinantolahy efatra sy zanaka vavy efatra no nandray borosy teny an-tanany dia nandray anjara tao amin’ilay tetikasa.”2 Nanampy ilay fianakaviana hifamatotra sy hifampikarakara bebe kokoa ilay aingam-panahy.

Tsy afaka mitia marina an’ Andriamanitra isika raha tsy tia ireo mpiara-belona amintsika eto amin’ity fiainana ity.”3 —Filoha Thomas S. Monson

article on ministering

Fanamarihana

  1. Jeffrey R. Holland, “President Thomas S. Monson: Man of Action, Man of Faith, Always ‘on the Lord’s Errand,’” Ensign, Feb. 1986, 12–13.

  2. Thomas S. Monson, “The Bishop—Center Stage in Welfare,” Ensign, Nov. 1980, 89.

  3. Thomas S. Monson, “Ny Fitiavana—Fitsipika Fototry ny Filazantsara,” Liahona, mey 2014, 91.