Ahoana no handraisantsika an-tanana ny herisetra
Ireto misy torohevitra ho an’ireo izay niharan’ny herisetra sy ho an’ny mpitarika azy ireo ato amin’ny Fiangonana ary ny fianakaviany.
Hoy ny Mpamonjy niresaka mahitsy momba ny herisetra: “Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin’ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka alentika any amin’ny ranomasina lalina izy” (Matio 18:6; jereo ihany koa ny Marka 9:42; Lioka 17:2).
Ny herisetra dia fampijaliana na tsy firaharahiana ny hafa (toy ny ankizy na ny vady, na ny zokiolona, na ny sembana) amin’ny fomba izay miteraka ratra ara-batana na ara-pihetseham-po na ara-nofo. Ny Fiangonana dia mihevitra fa tsy azo ekena na amin’ny endriny manao ahoana na manao ahoana ny fampiharana herisetra.
Ireto hevitra manaraka ireto dia afaka manampy, na ianao niharan’ny herisetra na mpitarika ato amin’ny Fiangonana an’ilay niharan’ny herisetra na ray aman-dreniny.
Ho an’ny niharan’ny herisetra
Amin’ny maha olona niharan’ny herisetra1 anao dia tsy ianao no tompon’andraikitra amin’ny herisetra nihatra taminao, ary tsy mila famelan-keloka ianao noho ireo zavatra nataon’ny olona taminao. Mety manontany tena ianao hoe ahoana no hanampian’ny Mpamonjy anao. Mety hieritreritra ianao fa ny sorona manavotra nataon’ny Mpamonjy dia natokana ho an’ireo izay manota sy mila mibebaka ihany.
Koa ahoana no hanampian’ny Mpamonjy anao? Noho ny sorona nataony dia afaka mahatakatra Izy. Manana fangorahana araka an’ Andriamanitra ny Mpamonjy. Na dia tsy fantatsika tsara aza hoe ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy mahatsapa ny fanaintainantsika dia afaka manana finoana isika fa takany amin’ny fomba tonga lafatra ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy tsirairay (jereo ny 2 Nefia 9:21). Afaka mitondra fiadanana sy hery hampandroso antsika Izy.2
Amin’ny alalan’ny Sorompanavotany ny Mpamonjy dia manampy ireo izay maratra. Afaka manampy antsika Izy “amin’ny alalan’ny fanasitranana sy ny fanarenana antsika tamin’izay fijaliana nozakaintsika tamim-pahatsoram-po.”3
Na tamin’ny fotoana inona na tamin’ny fomba ahoana no niampangana ilay nahavanon-doza, dia afaka “matoky ianao fa homelohin’ilay Kristy Jesoa, ilay Mpitsara tonga lafatra, izay manana fahalalana tonga lafatra momba ny antsipiriany, ho tompon’andraikitra amin’izay asa ratsy rehetra natao ireo mpanao herisetra rehetra.”4 Fantaro ihany koa fa “ireo izay mamono ny vadiny sy ny taranany… dia hijoro ho tompon’andraikitra eo anatrahan’ Andriamanitra indray andro any.”5
Ho an’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana
Ireo mpitarika sy mpampianatra rehetra izay manompo ny zatovo sy ny ankizy dia takina mba hanaraka ilay fampiofanana an-jotra “Protecting Children and Youth (Miaro ny ankizy sy ny zatovo).”6
Tsy tokony hisy mpitarika ato amin’ny Fiangonana afaka mamela amin’izao fotsiny ny tatitra momba ana herisetra na manoro hevitra mpikambana iray mba tsy hitatitra trangana herisetra.7 Ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana sy ireo mpikambana dia hanatontosa ireo adidy takin’ny lalàna amin’ny fanaovana tatitra momba ny herisetra amin’ireo manam-pahefana ara-panjakana. Na izany aza anefa dia samy manana ny lalàna fanaovana tatitra ny faritra rehetra. Ny faritra sasany dia mitaky ny mpitarika ara-pivavahana mba hifandray amin’ny mpitandro ny filaminana, saingy ny sasany kosa dia mandrara izany.
Zava-dehibe ho an’ny mpitarika ny mahatakatra fa sarotra amin’ny olona niharan’ny herisetra ny matoky ny hafa, indrindra fa ireo izay manana fahefana. Mety hanahirana ara-pihetseham-po ilay trangan-javatra. Ny tsy firesahan’ilay olona niharan’ny herisetra ny momba izany dia mety tsy hisy hifandraisany aminao manokana. Mety hampatahotra an’ireo niharan’ny herisetra ny mihaona irery amin’ny mpitarika. Afaka manasa olon-dehibe azony antoka ireo niharan’ny herisetra mba hiaraka amin’izy ireo rehefa mihaona amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana izy ireo.8
Na tamin’ny fotoana inona na tamin’ny fotoana inona no nampiharana herisetra tamin’ny olona iray dia afaka mahazo fanohanana sy fanampiana avy amin’ny manam-pahaizana manokana izy ireo. Ny ankamaroan’ireo niharan’ny heritsetra dia sitrana rehefa misy manaiky ny zavatra tsapany, rehefa mahatsapa ho voaro sy lavitry ny loza izy ireo, rehefa mahatsapa fa misy olona mino izy ireo, ary rehefa mahatakatra ny fiantraikan’ilay herisetra taminy ireo izy ireo. Afaka manampy azy ireo hahita fiadanana sy tsy hahatsapa ho irery ny fanohanana rehefa mikatsaka fahasitranana izy ireo.9
Ny fijoroana manohitra ny herisetra na iza na iza voakasik’izany no tokony ho fenitra. Rehefa manana fahefana sy fahatokisana anefa ireo mpietraketraka dia henjana kokoa ny herisetra ary mety hanimba kokoa ilay olona iharany izany. Ireo olona azo itokisana izay manao herisetra amin’ny hafa dia mila fehezina amin’ny fenitra avo kokoa satria nanitsakitsaka ny fitokisan’ny niharam-boina izy ireo. Tsy mandefitra amin’ny herisetra ny fenitry ny Fiangonana, ary marina indrindra izany ho an’ireo olona azo nitokisana sy manana fahefana.
Ho an’ireo ray aman-dreny
Na dia tantarana herisetra nataon’olona manana fahefana aza no misarika ny fifantohan’ny olona kokoa amin’ny filazam-baovao dia matetika ny olona iharan’ny herisetra dia nararaotin’ny olona fantany. Mety ho olona ao amin’ny fianakaviana na havana na mpiara-belona no mpanararaotra. Afaka ny ho amin’ny sokajin-taona rehetra ny mpanararaotra. Mahalana ny mpanararaotra no olona tsy fantatra.10
Saingy maro ireo famantarana herisetra izay azontsika ampianarina ny zanantsika mba hanampiana azy ireo hamantantra na hisoroka izany. Ampianaro ny zanakao fa raha misy olona mangataka azy hanao zavatra izay fantatr’izy ireo fa ratsy, dia afaka mandà izy ireo. Ireto misy ohatra vitsivitsy momba ny fomba mety haneren’ny mpanararaotra sy hampitahorany na hitaomany ny olona araraotiny:
-
Mampiasa ny toerana misy azy na ny fahefany na ny maha-lehibe azy na ny fahalalany ny mpanararaotra mba hanerena ny olona araraotiny hanao izay tiany.
-
Milaza izy ireo fa tsy te ho naman’ilay olona araraotiny izy raha tsy manao izay lazainy.
-
Maka zavatra izy ireo ary tsy mamerina izany raha tsy manao izay lazainy ny olona araraotiny.
-
Mandrahona ny hanaparitaka lainga momba ilay olona araraotiny izy raha tsy manaiky ilay olona.
-
Manome fanomezana na tombontsoa na loka izy ireo mba hahazoana izay ilainy.
-
Lazainy amin’ireo olona araraotiny fa tsy misy olona hino azy ireo ary hidiran-doza izy ireo raha milaza aman’olona momba ilay herisetra.
-
Mandrahona ny handratra ilay olona araraotiny izy ireo raha tsy manao izay tiany ilay olona araraotiny.11
Trangan-javatra sarotra ny fandraisana an-tanana ny herisetra. Tsy misy valin-teny tsotra saingy afaka mahita fankaherezana lehibe isika amin’ny tenin’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy hoe: “Tsy misy fanaintainana ara-nofo, tsy misy ratra ara-panahy, tsy misy fangirifirian’ny fanahy na aretim-po, tsy misy kilema na fahalemena izay mety hatrehako sy hatrehanao ety an-tany ka tsy efa niainan’ny Mpamonjy aloha. Ao anatin’ny fotoana mampahalemy antsika dia mety hiantsoantso isika hoe: -Tsy misy mahafantatra hoe manao ahoana izany. Tsy misy afaka mahatakatra izany.- Kanefa ny Zanakalahin’ Andriamanitra dia mahafantatra tanteraka sy mahatakatra tsara, satria efa nahatsapa sy nitondra ny enta-mavesatsika tsirairay Izy. Ary noho ny sorona tsy manam-petra sy mandrakizay nataony (jereo ny Almà 34:14), dia manana fangorahana tanteraka Izy ary afaka manolotra amintsika ny sandrin’ny famindram-pony. Afaka manolo-tanana Izy, mikasika, manampy, manasitrana ary mampahatanjaka antsika mba hahatonga antsika ho lehibe kokoa noho izay azontsika ahatongavana ary hanampy antsika hanao izay tsy ho vitantsika mihitsy raha ny herintsika manokana no ianteherantsika.”12
Enga anie isika hitodika any amin’ilay Andrian’ny Fiadanana ary hahita fanantenana sy fahasitranana amin’ny alalany.